Menu

dimanche 20 janvier 2013

Anjarasoa 5


Apok 1. 4, 5a « … Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy ; ary avy amin’ny Fanahy fito izay eo anoloan’ny seza fiandrianany ; ary avy amin’i Jesosy Kristy, Vavolombelona marina sy Lahimatoa amin’ny maty ary Lehiben’ny mpanjaka amin’ny tany. »

Amin’izao fiandohan’ny taona vaovao izao, dia izany teny nampitondrain’Andriamanitra ny apostoly Jaona ho an’ny fiangonana fito tany Asia (Efesosy, Smyrna, Pergamosy, Tyatira, Sardisy, Filadelfia, Laodikia) izany no entina miarahaba sy mampahery ny fiangonana manontolo. Ho aminareo tsirairay avy sy ny ankohonanareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra mandritra ity taona vaovao ity sy ny manaraka hifandimby koa.

Iza no tsy mila izany fahasoavana sy fiadanana avy amin’Andriamanitra izany? Iza no tsy maniry izany? Mila sy maniry izany ny isam-batan’olona, ny ankohonana tsirairay, ny fiangonana manerana ny tany.

Koa dia tonga amin’ilay fiteny manao hoe : “masa-bary mainto kitoza ka ny tiako no tiany”, isika izany, satria ny isa fito araka ny Baiboly dia manambara fahafenoana. Izany hoe, izao “fahasoavana sy fiadanana avy amin’Andriamanitra” izao dia tsy natao ho an’ireto fiangonana voatonona etsy ambony ireto ihany akory fa ho an’ny fiangonana rehetra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra manerana ny tany.

Araka izany dia tononina ihany koa izao tso-drano izao tsy ho an’ny FPMA Orléans ihany fa ho an’izay rehetra mitsidika izao tranonkalan’ny fiangonana izao koa.

Inona no tian’i Jaona holazaina amin’izany hoe fahasoavana sy fiadanana avy amin’Andriamanitra izany?

 Raha ny bokin’ny Apokalypsy no jerena, ny fiangonana dia :

-          fiombonan’ny olom-boafidin’Andriamanitra (Apok 1. 5b; 19. 7-9)
-          fiantefan’ny fitiavan’Andriamanitra (Apok 1. 5b)
-          novonjen’i Kristy tamin’ny ràny (Apok 1.5b ; 5. 9)
-          nataon’Andriamanitra ho fanjakam-pisorona (Apok 1. 6 ; 5. 10)
Amin’ny teny hafa, ny azo ilazana azy dia izao : Andriamanitra manamarina izay tsy azo hamarinina, Andriamanitra tia izay tsy azo tiavina ary izay heverin’ny olona ho tsinontsinona, Andriamanitra mila azy.

Izany no fahasoavana,  tsy avy amin’ny fahatsaran’ny fiangonana na ny fahendreny  (Smyrna, Filadelfia ohatra) na ny fahadalany sy ny ditrany (Laodikia ohatra) akory fa avy amin’Andriamanitra irery ihany.

Ny fiadanana avy amin’Andriamanitra kosa indray dia vokatry ny famelan-keloka. Ao amin’izay misy famelan-keloka no misy fiadanana sy famonjena. Izany famelan-keloka izany dia miorina indrindra amin’ny Hazo fijalian’i Kristy, izany hoe miorina amin’ny fahasoavan’Andriamanitra. Ary ao amin’izay misy fahotana kosa, izany hoe tsy fihavanana amin’Andriamanitra, no misy fankahalana sy ady sns...


Araka izany, ny fahasoavana no loharano ipoiran’ny fiadanana. Tsy fiadanana anaty ihany fa fiadanana iainana ao amin’ny fiangonana sy eo amin’ny fiaraha-monina koa.

“Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra” dia midika ho fanekena an’Andriamanitra ho antoka sy fototry ny fahavelomana sy fanoloran-tena ho Azy tanteraka.

Koa raha miteny i Jaona hoe : “Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra » dia tsy fahazarana fotsiny atao amin’ny fiatombohan’ny taratasy soratana akory izany, fa firarian-tsoa izay manondro ny fitiavan’Andriamanitra ny fiangonana ka namonjeny azy tao amin’i Jesosy Kristy. Midika koa ho fampaherezana ny fiangonana mba haharetany amin’ny finoana sy ny fijoroany ho vavolombelon’ny Tompo na mafy aza ny fanenjehana. Marihina fa, ireto fiangonana voalaza etsy ambony ireto dia niaritra ny fanenjehan’ireo jiosy tsy nanaiky an’i Jesosy ho Mesia.

Porofom-pitiavan’Andriamanitra ny fiangonana sy izao tontolo izao izao fanomezana maimai-poana izao. Tena tia ny olona rehetra hovonjena Andriamanitra!
Ny olona mahatsapa ny halalin’ny fitiavan’Andriamanitra azy, ny olona mahatsapa ny hasarobidin’ny fampihavanana nataon’i Kristy ho azy teo amin’ny Hazo fijaliana tamin’Andriamanitra Ray no afaka manolo-tena tanteraka ho an’Andriamanitra. Manolotra ny androny sisa, ny tena sy fananany sy ny momba azy rehetra ho an’Andriamanitra. Miezaka ny ho tia an’Andriamanitra mihoatra ny zavatra rehetra izy.  Mangataka mandrakariva amin’ny Tompo io fitiavana io izy mba hitiavany an’Andriamanitra.

Etsy andanin’izany, ho antsika fiangonana ankehitriny, ankoatry ny fanenjehana avy any ivelany toy ny nahazo ireto fiangonana tany Asia ireto, dia ao koa ny fanenjehana avy ao anatin’ny fiangonana, avy ao anatin’ny mino : fanekena an’Andriamanitra amin’ny vava ohatra fa fandavana ny heriny ; fikatsahana zavatra hafa izay heverina ho tsara sy ho ambony mihoatra ny maha-zanak’Andriamanitra ohatra ; fangatsiahana ara-pinoana ohatra, sady tsy mafana no tsy mangatsiaka sns… Fahavalon’ny finoana marina sy ny fiangonana daholo izany.

Koa amin’izao fiandohan’ny taona izao, dia tsara sy mendrika tokoa raha misaotra sy mankasitraka an’Andriamanitra isika noho ny fitiavany antsika, noho ny fahasoavana sy ny fiadanana omeny antsika. Tsara sy mendrika tokoa raha raisina an-tanan-droa izao fanomezana atolony izao. Ny tànana andraisana izany dia ny finoana. Tsy hiady hevitra amin’Andriamanitra fa avy hatrany dia hiantoraka eo am-pototry ny Hazo fijalian’i Kristy hifona tanteraka (ny tsirairay no mahalala ny tenany) ary vonona ny handeha sy hamoa araka ny sitrapon’Andriamanitra amin’izao sisa izao. 

Izany ny fototry ny fiadanana. Tsy misy fiadanana raha tsy misy famelan-keloka. Tsy misy famelan-keloka raha tsy misy fifonana sy fanekena tanteraka ny fahasoavan’Andriamanitra ao amin’i Kristy, izay ampy antsika tokoa.

Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina no miasa ka iza no hahasakana Azy?

Ambaran’i Jaona fa izany fahasoavana sy fiadanana izany dia avy amin’Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy; ary avy amin’ny Fanahy fito izay eo anoloan’ny seza fiandrianany ; ary avy amin’i Jesosy Kristy, Vavolombelona marina sy Lahimatoa amin’ny maty ary Lehiben’ny mpanjaka amin’ny tany. Koa raha Andriamanitra no miasa iza no hahasakana Azy?

Araka izany dia :
- azo antoka ny famonjen’Andriamanitra fa Vavolombelona marina Kristy. Vavolombelon’ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao Izy. Manamporofo izany indrindra ny fahafatesany teo amin’ny Hazo fijaliana. Ary amin’ny maha-Kristy nitsangana tamin’ny maty Azy dia marina Izy ka maniraka vavolombelona mahatoky, vavolombelona mpitory ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fiadanany ao amin’ny fiangonana sy eo amin’ny fiaraha-monina.

- azo antoka fa ny fiangonana dia omen’Andriamanitra hery sy fitiavana noho ny asan’Ilay Fanahy fito dia ny Fanahy Masina izany (ny isa fito dia manambara fahafenoana), amin’ny fijoroany ho vavolombelon’i Kristy mba hahatonga azy ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana.

- azo antoka fa tsy hitsanga-menatra ny fiangonana satria ny tompony, Jesosy Kristy, no tompon’ny hery sy fahefana rehetra mba hamonjy ny olona rehetra ary hitsara koa ireo tsy mino na dia ny mpanjakan’ny tany aza.

- azo antoka fa “ny mino na dia maty aza dia ho velona indray” ary izany fahavelomany izany dia tsy hanam-pahataperana. Santatr’izany fahavelomana tsy manam-pahataperana izany Jesosy Kristy ilay nitsangana tamin’ny maty voalohany. Izany no fanantenana sy fototra iorenan’ny finoan’ny mino. Azo antoka fa mbola ho avy ny andro izay hananganan’Andriamanitra azy amin’ny fotoana voatendriny ho amin’izany ka hitoerany mandrakizay ao amin’Andriamanitra ao amin’ny fifalian’ny lanitra.

- ary farany dia azo antoka ny asan’Andriamanitra sy ny toky omeny. Efa hatrizay hatrizay Andriamanitra (Ilay taloha) ary mbola velona sy miasa hatrany ankehitriny ary ho mandrakizay.

Voninahitra anie ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Amena.

Naina ANDRIALAMPISON, Mpitandrina ny Tafo