Menu

vendredi 4 janvier 2013

Edito de 2013


Krismasy 2012 sy Taom-baovao 2013,                Noël et Nouvel An 2013,
   

     '' Misia mazava '', dia nisy mazava, Genesisy 1:3

     Raha nanao trano ny ntaolo malagasy dia natodiny miankandrefana ny varavarana,Izany dia mba  ahazoana masoandro elaela kokoa,Hita koa izany eo amin'ireo tao-trano nataon'ireo ntaolon'ny firenena hafa.
     Hatrizay dia natahotra ny aizina ny olombelona,ary nikatsaka hazavana hatrany.
Izany indrindra no nahatongavan'ny Mpamonjy teo anivon'ny aizimbe,ary nahaterahany tamin'ny fihatombohan'ny andro ho lava kokoa noho ny alina,
      Araka ny nambaran'i Jaona 1:9 ''Ny Mazava marina izay mahazava ny olona rehetra dia tonga amin'izao tontolo izao'',
     Koa raha herehana ny taon-dasa dia tsy ny maizina , ny ratsy na ny tsy araky ny faniriantsika no ho tsaroana,fa kosa ny mazava, ny soa rehetra noraisintsika tamin'ny Mpamonjy,
     Sarotra tokoa mantsy izao andro hiainantsika izao :
       -mikoroso fahana ny toe-karena manerana izao tontolo izao ka mitarika fanahiana ny amin'ny hoavintsika sy ny zanantsika,
       -mitombo isan'andro ny tsy manana ny ampy,
       -mitohy ny ady atsy sy eroa,
       -miady ady sarotra ny firenentsika
       -eo koa ny adin-tsaina maro isan'andro, tsy voatanisa,
    Nefa kosa manana  an'Ilay Mazava nomena antsika isika,hitondra hery sy toky,arak'izay voasoratra ao amin'ny Ohabolana 3:6  ''Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra fa Izy handamina ny làlanao'',
    Koa amin'izao Krismasy 2012 sy Taom-baovao 2013 izao,ny Birao dia mirary anao ahazo hatrany anjara amin'izany Fahazavana izany, koa handia taona vaovao feno finoana sy fanantenana, fifaliana ary fahombiazana amin'izay atao rehetra, indrindra amin'ireo asam-piangonana miandry antsika,
    Miandry antsika satria , ny tsirairay avy dia manana anjara amin'izany asa izany,ary ny firaisantsika hina no hery lehibe entina manantontosa izany,omban'ny Fanahy Masina, ho vavolom-belon'I Kristy,

  Ny Birao,

     ''Que la lumière soit '' et la lumière fut, Genèse 1:3

   Chaque fois que nos ancêtres construisaient une maison, ils orientaient l'ouverture vers l'ouest afin que la lumière y dure le plus longtemps possible, Nous retrouvons ce schéma chez beaucoup d'autres peuples dans le monde,
   Depuis toujours, l'homme avait à cœur d'éviter les ténèbres et donc recherchait la lumière,
   Dans ce même esprit, la venue du Seigneur, Lui, La Lumière, eut lieu dans la nuit ,pour nous éclairer, comme l'écrit l'Apôtre Jean 1:9 ''Cette Lumière était la vraie lumière'' qui, en venant dans le monde, éclaire tout être humain'',
   En jetant un regard rétrospectif sur l'année qui vient de s'écouler, ayons la force de mettre en relief les biens que nous avons reçus du Sauveur, notre Lumière, même s'il faut admettre que :
   -nous vivons une crise mondiale qui nous inquiète pour notre lendemain et surtout pour l'avenir de nos enfants,
   -chaque jour voit grossir inexorablement le rang des pauvres,
   -les conflits et les guerres gagnent davantage de terrain et d'intensité,
   -notre pays, Madagascar, plonge dans des difficultés incommensurables,
   Au milieu de ce sombre tableau qui n'est d'ailleurs pas exhaustif, entre autres pour ne pas la nommer, la permanence des stress et des angoisses d'origine diverse, la Lumière nous est en effet donnée en la personne du Christ, Le Christ qui nous aplanit nos chemins, comme il est dit dans le livre des Proverbes 3:6  ''reconnais-le dans toutes tes voies et Il rendra tes sentiers droits'',
   A l'occasion de Noël que nous venons de célébrer et de 2013 que nous venons d'entamer, le Bureau de la FPMA-Orléans souhaite que chacun accueille La Lumière pour que cette année nouvelle lui soit pleine de grâce, pleine d'espérance, pleine de joies et de réussite dans tout ce qu'il entreprend, en particulier dans sa participation au développement de notre paroisse, pour la seule gloire de Dieu, et pour notre fraternité en Christ.

   Le bureau,