Menu

mardi 19 février 2013

Anjarasoa 6


Lioka 4. 1-13


Mandresy ny fakam-panahy ny zanak’Andriamanitra.

Ity texte ity dia milaza ny nakàn’ny devoly fanahy an’i Jesosy tany an’efitra. Vao avy natao batisa Jesosy eto, nandre an’ Andriamanitra Ray niteny taminy hoe :“Zanako Ianao, Izaho no niteraka Anao androany”.

Dia nentin’ny Fanahy tany an’efitra Izy ary nalain’ny devoly fanahy tany. Toerana mangina fihaonana amin’Andriamanitra ny efitra no toerana tian’ny devoly hakàna fanahy ny zanak’Andriamanitra koa. Ka dia tonga ny devoly naka fanahy an’i Jesosy.

Zavatra telo no nakàny fanahy Azy : ny hanina, ny fahefana sy voninahitra ary ny fiheveran-tena ho zavatra.

Fakam-panahy voalohany : ny hanina


Fantatry ny devoly fa noana Jesosy satria tsy nihinan-kanina nandritra ny 40 andro ka dia tamy izy. “Raha zanak’Andriamanitra Ianao dia teneno ho tonga mofo ireto vato ireto”. Ny fakam-panahy eto dia ny andàvana ny tenin’Andriamanitra vao reny tsy ela akory teo amin’ny batisa ary ny hanina, ny kibo no fitaovana nampiasain’ny devoly handavoana an’i Jesosy.

Tsy ny fanovàna ny vato ho tonga mofo no hahatonga an’i Jesosy ho Zanak’Andriamanitra fa ny tenin’Andriamanitra nilaza taminy fa Zanak’Andriamanitra Izy.

Jesosy nitodika tany amin’ny Rainy, natoky ny Rainy, ary mahafantatra fa ny fiainany, ny fahavelomany, ny maha Izy Azy manontolo dia raisiny avy amin’ny Rainy. ”Tsy ny mofo ihany hoy Izy no iveloman’ny olona fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra”.

Ny manova ny vato ho mofo ve dia tsy ho vitan’i Jesosy? Ny zanak’Israely tany an’efitra aza nihinana ny mana avy tany an-danitra. Ny tenany aza ho atolony hohanin’izao tontolo izao afaka fotoana fohy raha ny fotoana nisehoan’ny tantara no jerena. Fa ny hobaikoin’ny devoly sy ny hihodina amin’Andriamanitra no tsy ho ataon’i Jesosy na oviana na oviana!

Fakam-panahy faharoa : ny fahefana sy ny voninahitra

Tian’ny olona io, ka dia avy koa ny devoly hitsapa an’i Jesosy. “Omeko Anao izao fanapahana sy fanjakana rehetra izao fa ahy daholo ireo raha hiankohoka eto anatrehako Ianao”. Jesosy tsy hanaiky ny devoly na oviana na oviana!

Zanak’Andriamanitra Izy, izay an’Andriamanitra rehetra dia Azy avokoa. Izao ary rehetra izao dia asan-tanan’Andriamanitra avokoa. Jesosy koa dia niara-nahary izao rehetra izao tamin’Andriamanitra Ray (Kol 1.16). Koa dia tompon’izao ary rehetra izao koa Izy.

« Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao ary izy irery ihany no hotompoinao» hoy Jesosy. Tsy nivadika tamin’Andriamanitra Rainy na oviana na oviana Izy.

Fakam-panahy fahatelo : ny fiheveran-tena ho zavatra

Tena mahery ianao raha mianjera avy ety antampon’ny tempoly ety ka tsy maninona hoy ny devoly. Tena Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao. Tena miaro Anao tokoa Andriamanitra.

Ity fakam-panahy fahatelo ity dia fitarihana an’i Jesosy hanery an’Andriamanitra, hanaporofo ny fiarovany ny Zanany. Izany ve dia tsy ho vitan’Andriamanitra. Teny indraim-bava fotsiny anie no nanaovany ny habakabaka dia nisy e, ary mbola miasa sy mifehy ny tontolo Izy, fa ny hanery ny Rainy hanatanteraka ny sitrapon’Ilay ratsy no tsy hataon’i Jesosy.

Jesosy koa tsy mila an’Andriamanitra hanao zavatra mahatalanjona vao hahalala fa Zanak’Andriamanitra Izy. Ampy ho  Azy ny tenin’Andriamanitra “Zanako Ianao”! ka dia hoy Izy tamin’ny devoly “Aza maka fanahy an’i Jehovah Andriamanitrao”

Mahay Soratra Masina ny devoly fa tsy miaina amin’izany.

Ny mampiavaka ity fakam-panahy ity amin’ireo roa etsy ambony dia mba nampiasa tenin’Andriamanitra koa ny devoly eto. Nahita an’i Jesosy nampiasa tenin’Andriamanitra hatrany izy dia mba nanao toy izany koa.

Hainy tsianjery tsara ny Salamo 91. 11-12 “Izy handidy ny anjeliny ny aminao mba hiaro Anao; ary eny an-tanany no hitondran’ireo Anao; fandrao ho tafintohina amin’ny vato ny tongotrao”

Fetsy anie ity devoly ity reolona e! Mody mampiasa andinin-tSoratra Masina ny sasany hamitahana, hangejana olona sy hananana fahefana aminy, mampiasa Soratra Masina ny sasany hitsarana ny hafa. Mody manao vavaka be, tsara lahatra feno andinin-tSoratra Masina ny sasany nefa ao ambadika filàn-tsitraka, fihatsaram-belatsihy sy fanaronana ny ratsy atao. Dia tsy fantatrao intsony izay marina sy diso. Fomban-devoly daholo izany rehetra izany!
Iainana ny tenin’Andriamanitra ry havana fa tsy hamonoana ny tena na hamonoana ny hafa!

Ny fanalahidin’ny fandresen’i Jesosy dia ny fananany firaisam-piainana tanteraka amin’Andriamanitra Ray.

Ny fanalahidin’ny fandresen’i Jesosy ny fakam-panahy dia ny fitohofany aina tanteraka amin’ny Rainy. Tsy mifandahatra amin’ny devoly ny manana fitohofan’aina amin’Andriamanitra!

Jesosy velona ao amin’ny Ray ary ny Ray velona ao Aminy. Mifamponina Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy. Vokatr’izany fitohofany aina amin’ny Rainy izany, ny tenin’Andriamanitra nitokiany sy nampiasainy namaliany ny devoly dia teny velona, teny manankery, maranitra noho ny sabatra roa lela ka dia niala maina ny devoly.

Araka izany, dia nandao an’i Jesosy aloha izy hoy ny fitantaran’i Lioka eto, izany hoe mbola hiverina ao aoriana ao. Izany fiverenany izany dia teo amin’ny nisamborana an’i Jesosy sy ny nanombohana Azy teo amin’ny Hazo fijaliana. Veloma daholo ny aina ry havana handre ny vokatr’izany amin’ny Paska.

Ny fandresen’ny mino dia ny fiankinany amin’ny fandresen’i Kristy sy ny fiainany amin’ny tenin’Andriamanitra.

Tsy ny fahaizana tenin’Andriamanitra no handresena ny fakam-panahy fa ny fiainana amin’izany.
Ny fananana firaisam-piainana tanteraka amin’Andriamanitra no hahalalana fa fitaka be ny teny lazain’ny olona sasany aminao na dia feno andinin-tSoratra Masina aza.

Ankoatra izay, ny mino dia tsy miankina amin’ny herin’ny tenany izay tsy toa inona akory manoloana an’i Satana fa miankina tanteraka amin’i Kristy sy ny heriny.

Ny fandresen’ny mino dia ny fitohofany aina tanteraka amin’i Kristy Mpandresy. Ny fandresen’ny mino dia ny fananany firaisam-piainana tanteraka amin’Andriamanitra izay nanangana azy ho zanaka tao amin’i Kristy tamin’ny alalan’ny batisa.

Ampy ho antsika ry havana ny maha zanak’Andriamanitra antsika. Tsy hivadika Aminy isika na dia raviraviana zavatra toa tsara sy mamiratra aza. Mahereza, matokia fa azo antoka Andriamanitra sy ny fitiavany! Miady ho antsika ary mampandresy antsika Izy.

Voninahitra anie ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Amena.

Naina ANDRIALAMPISON
Mpitandrina ny Tafo