Menu

lundi 7 septembre 2015

Volana Jolay - Septambra 2015





Alahady 27 Septambra 2015
Alahady farany amin'ny Volana, izany hoe Alahady hanaovana ny Akatoka sady Alahady ho fanomanana ny fifidianana Diakona hatao ny 04 Oktobra ho avy izao:
Nolazaina tamin'izany akatoka izany fa NATOLOTRA (article 28.7) ny Mpandray MFT rehetra izay nanaiky, ho fidiana  eo amin'ny Tafo koa tsy misy lisitra hafa izany amin'ny fifdianana araky ny kajy satria efa ny MFT iray Tafo manontolo no misoratra ho fidiana.

Niisa 51 ny olona tonga nanatrika ny fanom-poampivavahana tamin'io.

Jereo na anontanio ny anaranao raha ao amin'ilay lisitry ny MFT.

Antsoina ireo Mpandray ny Fanasan'ny Tompo (MFT) izay tsy mbola namaly na namerina ny Bulletin d'Adhésion mba hanao izany ka haka ny karatra maha-mpandray azy mba hafahany mifidy (sy ho fidiana)ny 04 Oktobra.

Vaovaom-piangonana

              -Ny Fiangonana manaraka dia ny Alahady 04 Oktobra: Hisy fandraisana FT amin'io ary koa ny fifidianana Diakona.
             -Ny Sampana SA dia hanomboka ny fidirany ny Alahady 04 Oktobra ho avy izao.
             -Ny Vaomiera35 dia nanambara fa handefa tableau fisoratana anarana amin'ny tsakitsaky izay azo haroso ny Asabotsy 17 Septambra tolak'andro.
Filazana manjo: avy @ FM Vierzon-Bourges
             -Ny fianakaviana Rakotoarison mivady ary i Lalasoa Noir vadiny  dia nampandre ny fahalasan'i  Jean NOIR (Joany) t@ Alahady 20 Sept lasa teo. Ny fandevenana dia natao ny Asabotsy 26 Septembre tany Vierzon ary nisaoran'ny Fianakaviana ny Mpitandrina sy ireo solontena avy aty amin'ny Tafo Orléans.

Alahady 6 Septambra 2015
Alahady  fidirana: hanombohan'ny taon-tsekoly 2015-2016.
Niisa 60 mahery teo no tonga nanatrika ny fotoampivavahana niaraka t@ Fandraisana ny Fanasan'ny Tompo.
Nofaranana t@ fanalàna hetaheta am-pirahalahiana ny tapak'andro.
Ny Biraom-piangonana   no mbola nanohy t@ Fivoriana nandinihana ny raharahampiangonana indrindra fa momban'ny Fifidianana Diakona izay atao ny 04 Oktobra ho avy izao.

Vaovao sy Raharaham-piangonana

-Fotoana manaraka dia amin'ny Lasimpiangonana any Meung/Loire.
-19-20 Septambra: Lasim-piangonana 2015 etsy La Ruche Meung sur Loire.

      Asabotsy 19 Septambra -15h-23h Fampianarana sy loambary andasy+ Takariva amoropatana             Alahady 20 Septambra 2015: Fampianarana + Fotoampivavahana+ Sakafo.

Ny sarandasy dia 15€/pers raha matory sy misakafo.
                             5€/pers isaky ny sakafo raha tsy matory.
Ny fisoratana anarana dia alefa any @
                                  Vola : [email protected]
 na                 Ramamonjy : [email protected] 
na                         Orélien : [email protected]  02 38 76 42 78 na 06 58 74 23 63.
alohan'ny 16 septambra 2015
Alahady 27 Septambra @ 10h30 : Fotampivavahana ao @ Chapelle St Marc 130 ter r du Petit Pont Orléans

-Alahady 04 Oktobra 2015 @10h30:Fotoampivavahan sy Fandraisana FT ary Fifidianana Diakona Tafo Orléans.
Antsoina ireo terem-panahy hirotsaka ho fidiana Diakona ho amin'ny taona 2016-2017. Azo atao koa ny manolotra olona amin'izany raha manaiky izy.
Hilazàna ireo tsy manana karatry ny Mpandray mba hisoratra ka haka izany any amin'ny Filoha
                               Orélien: randriam@cnrs-orleans.fr  02 38 76 42 78 na 06 58 74 23 63.

Vaovao avy any ivelany
Ny Tafo Gd Champs dia hanao ny fankalazana ny faha 10 taonany ny Asabotsy 12 Septambra sy ny Asabotsy 17 Oktobra.
Hafa:
Famangiana ny Fianakaviana Florence Clerc (Mpitambolan'ny Tafo) namoy ny zokilahiny Davidson

Alahady 30 Aogositra 2015

Alahady nanaovana fampianarana: Règlement momban'ny Fifidianana ny Diakona sy Loholona.
Nanaovana ny ankatoka ihany koa. Niisa 31 ny olona tonga tamin'io fotoana io.

Alahady 23 Aogositra 2015

Alahady niangonana voalohany taorian'ny volana Jolay. Nisy Fandraisana FT tamin'izany fotoana izany. 
Niisa 35 teo ny olona tonga.

Alahady 5 Jolay 2015

Alahady voalohany namin'y volana: Misy Fandraisana - Misy fandovana ny adidy
Niisa 42 ny mpiangona tamin'io.
Alahady famaranana ny taompianarana 2014-2015.