Menu

mardi 6 octobre 2015

Volana Oktobra 2015


Alahady 25 Oktobra 2015

Fotoana notarihan'ny Mpitandrina Jacky Randriambololona Mpitandrina Mpandrindra ny Faritant FAfAts.

Alahady 18 Oktobra 2015

Alahady nentina nisaorana an'Andriamanitra amin'ny famaranana ny fankalazana ny faha 35 taonan'ny Tafo sy ny tsingerintaonan'ny Sampana Velona rehetra eto amin'ny Tafo.
Niisa Zato mahery teo ny nanatrika ny fanompoam-pivavahana tao @ Chapelle St Marc.

Mahery kelin'izay no tonga tamin'ny sakafo Agape natao tao @ tranompokon'olona tetsy Blossière (Salle Yves Montand). Nafàna tokoa ny fotoana tamin'izany ka natsahatra rehefa tonga ny t@6 ora hariva.
Fa dia fisaorana no atolotra ireo izay nanotrona ny Tafo tamin'izany hetsika rehetra izany.

 Ny Asabotsy 17 Oktobra 2015
Niisa 78 no nanatrika ny Tolakandron'ny Sampana tao amin'io Salle io ihany.

Antso: Mbola azo atao ny misoratra anarana @ ny Zaikabe 31 Okt sy 01 Nov any La Roche sur Yon ny , hisy fandraisan'anjaran'ny Fiangonana amin'ny saran-dasy
Azonao antsoina 06 58 74 23 63. alohan'ny 25 Oktobra.

Fiangonana manaraka:

Alahady 25 Oktobra 2015:  amin'ny 10h30 ao amin'ny Chapelle St Marc
 Fotoana tarihan'i Pst Jacky A. Mpitandrina FAfAts.
Alahady 1er Novambra: Mikatona ny Fiangonana fa asaina isika hamonjy ny Zkb any La Roche sur Yon.


Alahady 4 Oktobra 2015: Alahadin'ny Fianakaviana

Alahady Fandraisana ary indrindra Alahady Fifidianana ireo Diakona hiasa @ taona 2016-2017.
Ny Mpitandrina  Randriamanantena Théodore filohan'ny FMM no nitondra ny teny fampaherezana sy fampianarana tamin'izany ary ny Mpitandrina Landy Andrianavelasoa no nitarika ny fotoana.
Alahadin'ny Fianakaviana moa ity Alahady ity ka izany no vontoatin'ny Teny notoriana tao.
Vita soamantsara ihany koa ny fifidianana Diakona teto amin'ny Tafo Orléans, izay natrehan'ny Filohan'ny Faritany Rtoa Andianony Olitiana.
Folo no isan' ny Diakona nolaniana araky ny tapaky ny Komity.
Niisa 71 ny vahoakan'Andriamanitra nanatrika ny fotoana . Tratra araka izany ny quorum raha ny lisitry ny MFTn'ny Tafo no jerena.

Fiangonana manaraka:

  Alahady 18 Oktobra 2015 @ 10h maraina ao @ Chapelle St Marc

Hitoriteny: Rev Doct RAVALITERA Jean, Filoha Synodaly FPMA

Alahady famaranana ny faha-35 taonan'ny Tafo sy ireo Sampana Velona ao aminy. Aorian'ny fotoana dia hiroso amin'ny sakafo Agape etsy @ salle Yves Montand ireo izay efa nisoratra anarana.
Efa feno ny toerana.

Vaovaom-piangonana

Vaovao eto antoerana: Ny fikarakarana ny faha 35 taonan'ny Tafo @ Asabotsy 17 Oktobra sy ny Alahady 18 Oktobra no nanterina tamin'izany. 
Tao izany ny fisoratana anarana amin'ny fandraisan'anjara @ fikarakarana ny sakafo ary tao ihany koa fandraisana ny anaran'ireo hisakafo ny Alahady satria moa voafetra ny toerana.
Ny fisoratana anarana dia mbola ekena hatramin'ny 10 Oktobra 2015.