Menu

mardi 8 décembre 2015

Volana Desambra 2015

perikopa 2016
Perikopa Janoary 2016

Miarahaba ny rehetra nahatratra ny Krismasy 2015 sy ny Taom-baovao 2016.

Fiangonana manaraka :Alahady 03 Janoary @ 10h maraina: Alahadin'ny TAOM-BAOVAO 2016

Ny Mpitandrina Mpandrindra ny Faritany FAfAts Pst Randriambololona Jacky no hitory ny tenin'Andriamanitra

Alahady 27 Desambra 2015 t@ 10h30:

Ny Mpitandrina RANDRIAMANANTENA Théodore no nanolotra ny teny fampianarana io andro io rehefa avy nampiofana ny Diakona sy ny Loholona ny Asabotsy 28 Desambra tolakandro. 
Natao io Asabotsy io ihany koa ny fifidianana ny Biraon'ny Fiangonana.
Nisy famangiana ny Fianakaviana Rabearimonjy kosa tao aorian'ny fotoampivavahana.

Fiangonana manaraka: jereo ny Kaladary etsy ankavia.

ZOMA 25 Desambra t@ 10h 30: KRISMASY 2015  

Ny Rev RAVALITERA Jean no nitarika sy nitondra ny fampianarana teto @ Tafo Orléans.
Niisa 140 teo ny Mpiangona ary nisy 28 ny ankizy tamin'izany:

Fiangonana manaraka: Zoma 25 Desambra @ 10h30: Krismasy 2015

Ny Pasitera Synodaly no hitarika sy hanolotra ny tenin' Andriamanita amin'io fotoana io; Hisy fandraisana ny fanasan'ny Tompo ho an'ireo Mandray (MFT) ary fizarana vatomamy ho an'ny rehetra aorian'ny fotoana.

Asabotsy 19 Desambra: Noelin'ny Sampana velona eto amin'ny Tafo.

Samy nandray anjara avokoa ireo Sampana eto amin'ny Tafo: SA; STK;AMF ary ny SVK sy n'y SZM.
Natao tao amin'ny Chapelle ihany ny fiaraha misakafo sy ny rindrankira fanao mandritra ny sakafo. Nalahatra ny latabatra 12 ary teo no hita fa azo hihinanana ihany izany n'y toerana sady tsy nangatsiaka ihany koa ny andro.

Alahady 13 Desambra : Fiarahana t@ EPudF


Fiarahana mivavaka natao tao @ EPUdF t@ 15h ary nandraisan'ny Sekoly Alahady sy ny Antokom-pihira anjara. Nisy fanalana hetaheta miaraka no natao tao aorian'ny fotoana.


Asabotsy 12 Desambra 2015: Antsampanahy Amboara


Antsampanahy nataon'ny Sampana Antokom-pihira ho famaranana n'y  fankalazana ny faha 30 taonan'ny Amboara Orléans.
Nisy hira 12 no natao tamin'izany ary fankalazana nyNoely no tena venty tamin'izany.