Menu

mardi 8 mars 2016

Volana MARSA 2016


Alahady 06 Marsa 2016: Fanokanana Diakona sy Loholona

Fotoampivavahana notarihan'ny PS Ravalitera Jean sy nanokanana ny Diakona Nériah ary nametrahana sy nandraisantanana ireo Diakona sy Loholona eto amin'ny Tafo.
Naharitra Telo ora mahery ny fotoana tamin'izany.
Teo ampiravana no nizaran'ireo Diakona ny vatomamy ho an'ny vahoakan'Andriamanitra.

Alahady 20 Marsa 2016: Alahadin'ny SVK Orléans

Ity Alahady ity izany no fankalazana  ny 08 Marsa, andro iraisampirenenan'ny Vehivavy, ho an'ny SVKO,ny fotoampivavahana tamin'izany dia notarihan' i Rtoa Ruth Rasamimanana avy ao @ Birao SVKO.
Tamin'ny firavàna dia nisy barquettes vitsivitsy namidin'izy ireo hamenoany ny kitapombolany.

Alakamisy 24 Marsa 2016: Alakamisy Masina

Fotoampivavahana notarihan'i Pst Raharinoro RASOANIRINA  (na Pst Ninà), nisy Fanasàna (FFT) toy ny nataon'ny Tompo tamin'ny Mpianany izany fotoana izany.
Ny fiangonana manaraka dia ny Alakamisy masina izay hisy ny hafatra lehibe dia ny Fanasana Voalohany nataon'ny Tompo ho fahatsiarovana azy.

Alahady 27 Mars 2016: PASKA 2016

Fotoana notarihan'i Pst Mpandrindra ny Faritany Jacky Randriambololona.
Nisy fizaràna vatomamy taorian'io fotoana io toa ny mahazatra.
Ny fotoana manaraka ndia ny Alahady 03 Aprily: Alahadin'ny Sampa SA na Sekoly Alahady.