Menu

mercredi 9 novembre 2016

Volana NOVAMBRA 2016

Hetsika ato ho ato na @ Volana manaraka:
-Asabotsy 10 Desambra 2016 @17h na 5o.h. ao Chapelle St Marc: (jereo ny Flyer)
Noelim-pitolomana Antsampanahy ataon'ny AMFOrléans naAmboara
-Asabotsy 17 Desambra @ 16h na 4o.h. ao Chapelle St Marc : Noelin'ny Sampana Miray
Takariva hafanain'ireo Sekoly Alahady sy ny Sampana velona eto amin'ny Tafo.
Faranana amin'ny fiaraha-misakafo sy hirahira ny fotoana.
Alahady 25 Desambra @10h30 ato @ Chapelle ihany :Fankalazana ny Noely

Ny Isaky ny Alahady 

Alahady 27 Novambra 2016-Alahady voalohany @ Advento
Alahadin'ny Sampana Zavamaneno:
Nandray anjara t@ fotoana dia:
                   Nitoriteny:Past Joseph Rakotoarimanana.
                   Mpitarika:Solofo Andriamampionona,
                   Mpitendry: Mahefa-Tiana-Antsa-Hary-Mahasetra.
Nofaranana tamin'ny fivarotana laoka sy tsindrin-tsakafo izany.

Niisa teo @ 82 ny olona tonga tao ka 66 ny lehibe ary 16 ny ankizy.
Nandritry ny Ankatoka kosa no nanolorana ireo katekomena  valo mianadahy ato  amin'ny Tafo.
Natolotry ny filoha ny tatitra avy any @ Synoda Nasionaly tany Lille natao ny 11-12-13 Novambra farany teo.

Alahady 20 Novambra 2016:
Alahady fahatelo nitondran'ny Mpitandrina ny Fampianarana momban'ny  Reformasiona ka nanazavana ny fanajanonana ny loko litorjika maitso ka soloina ny mena hatr@ faran'ny Taona.
Tatitra momban'ny Fivorian'ny Komity natao ny Asabotsy 19 Novambra.

Alahady 6 Novambra 2016 

Nosokafana ny 05 Novambra ny Culte de la Cité izay nentina nakalazana ihany koa ny faha 500 taonan'ny Reformasiona.
Fantatra tamin'ity kosa fa lany voiafidy  ho filohan'ny SVK Nasionaly i Rtoa Ramananjo Sylvie filohan'ny SVK eto antoerana.
Isan'ny Mpiangona 76 ka lehibe 59-ankizy 17.