Menu

lundi 10 octobre 2016

Volana OKTOBRA 2016

Volana Oktobra 2016

Hetsika sy tranga atsy ho atsy:
Asabotsy 15 Oktobra 2016 @ 6 o.h.: Fivorian'ny Komity (hiarahana amin'i Pst Joseph Rakotoarimanana  voalohany)
Alahady 16 Oktobra 2016: Hitoriana sy ampianarana momba ny ao @ Baiboly.
Alahady 23 Oktobra 2016: Ankatoky ny fandraisana
Alahady 30 Oktobra2016: Fampianarana momban'ny Litorjia.

Alahady 06 Nov 2016 Fivorian'ny Birao Orléans ho fanomanana ny fivorian'ny Komity.

Zoma 11 Nov - Asabotsy 12Nov-Alahady 13 Nov 2016: Synoda lehibe any Lille.

Alahady 16 Oktobra 2016

Alahady 02 Oktobra 2016:

Alahady  nandraisan'ny Mptitandrina Mpandrindra ny Tafo Orléans Pst RAKOTOARIMANANA Joseph ny fandrindrana teto. Alahady Fandraisana ihany koa moa  izy io sady andro nanaovana ny dingana farany tami'ny fananteram-bokatra 2016.
Rehefa vita ny fotoampivavahana dia nizotra nandeha niaraka nisakafo tatsy @ Salle Blossière ny mpiangona niaraka tamin'i Pasitera. Fotoana nanaovana ny fanadiovana ny salle ihany koa io fotoana io.
Niisa 62 ny mpiangona tao ka lehibe 52 ary 10 ny ankizy.

Ny fotoana manaraka dia ny 16 Oktobra 2016

Asabotsy 01 Oktobra 2016:

Andro natokana ho Sakafom-pirahalahiana, natao tetsy @ Tranompokonolona les Blossières na salle Yves Montand. Niisa teo amin'ny 76 teo ny olona tonga tamin'io.