Menu

jeudi 15 décembre 2016

Volana DESAMBRA 2016

Hetsika ato ho ato :
Alahady 01 Janoary 2017 @10h30 ato @ Chapelle: Fotoam-pivavahana  ho fifampiarahabana ny Taombaovao.
Asabotsy 14 Janoary @18h00 ato @ Chapelle: Fiofanana sy fampianarana hatao ho an'ny AMF sy ny SZM.
Alahady 15 Janoary  @10h30 ato @ Chapelle: Andro hiarahabana ireo zokiolona eto amin'ny Tafo. Hisy fiaraha-misakafo sy fanolorana solombodiakoho aorian'ny fotoampivavahana.


Ny Fotoana tamin'ity Volana ity.

Alahady 25 Desambra @10h30 ato @ Chapelle ihany :Fankalazana ny Krismasy.
Feno hipoka ny Chapelle St Marc tamin'ity andro anio ity. Nitondra sy nitarika izay anjaranay avy ireo sampana velona ao amin'ny Tafo.
Nisy fizaràna vatomamy sy chocolat tery ampiravàna.
Ny fotoana manaraka dia ny Alahady 01 Janoary 2017.

Alahady 18  Desambra @10h30 ato @ Chapelle ihany :Fametrahana  ny Pst Rakotoarimanana Joseph ho Mpandrindra ny Tafo eto Orléans.
Ny Pasitera RANDRIAMBOLOLONA JAcky no nitarika ny fotoana 
Ny Pasitera Synodaly Rev RAVALITERA Jean no nitoriteny ary ny Mpit Lydia RAVALITERA kosa no naolotra ny Fandraisana ny Fanasan'ny Tompo.
Toarian'ny fotoana dia nisy collation na "verre de l'amitié" no niarahana tamin'ny rehetra ary niafara kosa tamin'ny fiaraha-misakafon;ny sasany tao @ Komity  niaraka tamin'ny Mpitandrina Joseph,
Ny fotoana hihaonana manaraka dia ny andron'ny Krisimasy @ 10h30.

-Asabotsy 17 Desambra @ 16h na 4o.h. ao Chapelle St Marc : Noelin'ny Sampana Miray
Takariva hafanain'ireo Sekoly Alahady sy ny Sampana velona eto amin'ny Tafo.
Faranana amin'ny fiaraha-misakafo sy hirahira ny fotoana. Nisy olona 60 mahery teo no niaraka nikorana tao amin'ny Chapelle tamin'io fotoana io.

-Asabotsy 10 Desambra 2016 @17h na 5o.h. ao Chapelle St Marc: (jereo ny Flyer)
Noelim-pitolomana Antsampanahy ataon'ny AMFOrléans naAmboara



Alahady 04 Desambra @10h30 ato @ Chapelle ihany
Alahady voalohan'ny volana sady koa misy ny FFT no Alahady fandovana adidy.

Tamin'ny dinika tamin'ny PS Ravalitera Jean dia hatao ny 18 Desambra izao ny fametrahana ny Mpitandrina RAKOTOARIMANANA Joseph ho Mpandrindra ny Tafo Orléans.
Ny hitarika ny fotoana amin'io dia ny Mpandrindra ny Faritany RANDRIAMBOLOLONA Jacky ary ny PS kosa no hitoriteny.