Menu

lundi 27 mars 2017

VOLANA MARSA 2017

Rohy isankarazany (Liens)

EFA AZONAO JERENA ATO KOA NY PERIKOPA 2017 (VAKITENY ISAN'ANDro
Fampianarana ( Ny asa fanompoan'ny Diakona)
Edito (Missiologie)




Alahady 26 Marsa 2017

Alahady fahefatra alohan'ny Karemy ary Alahady hanaovana ny fanomanam-panahy ho amin'ny Alahady FFT ho avy izao. 
Ity andro ity ihany koa araky ny voalaza iray volana lasa izay no handaniana ny teti-bola 2017 sy ny toe-bola 2016. 
Niisa 57 ny lehibe ary 15 ny Ankizy.
Vaovaom-piangonana:
Sampana AMF : Manao ny famerenana (répétition) toy ny fanaony ny Aalahdy hariva. Ny fotoana famerenana manaraka dia ny Asabotsy 01 Aprily @13h à 15h; mbola hisy ny handeha hamojy any @ fetimpiangonan'i Arago @ 17h. 


Alahady 19 Marsa 2017


Alahady natokana ho Alahadin'ny SVK satria alahady fiangonana tao aorian'ny 08 Marsa andro natokana ho an'ny vehivavy eran-tany.
Ny Filohan'ny SVK Rtoa Ramananjo Sylvie no nitarika ny fotoana ary ny Mpitandrina Joseph Rakotoarimanana ihany no nitondra ny tenin'Andriamanitra tamin'io fotoana io.
Taorian'ny fotoampivavahana moa dia nisy ny varotra laoka araka izay efa voalaza (ravitoto; canard à l'orange;) sns...
Niisa Fitopolo mahery ny olona
Vaovaom-piangonana:
Sampana STK: Dia hanao ny fihaonany sy fiarahana hisakafo toy ny fanaony isaky ny Alahady fahatelo.
Sampana AMF Amboara: Hanao ny famerenana ny hetsika hasehony ny Asabotsy 15 Aprily, isaky ny Asabotsy atoandro @ 16h sy ny Alahady tolakandro aorian'ny 14h1/2.  
Sampana SA

Alahady 05 Marsa 2017

Alahady voalohany amin'ny volana nefa kosa natokana ho Alahadin'ny Mpitandrina eto @ Tafo dia ny Pstora Joseph Rakotoarimanana. Ny Mpitandrina Jacky Randriambololona Mpandrindra ny faritany FAfAts no nitarika sy nitoriteny.
Niisa valopolo mahery ny Mpiangona tamin'io.
Nisy fiaraha-misakafo tamin'i Pastera sy ny vahoakan'Andriamanitra eto @Tafo Orléans tami'io andro io. 
Tamin'io ihany kosa anefa dia nisy ny fivorian'ny Biraom-piangonana nanaovana ny famolavolana izay ho Tanisa Dinika entina any amin'ny fivoriana ara-potoanan'ny Komity ny Asabotsy18 Marsa 2017.

Vaovaom-piangonana:
Vaoavao teto antoerana: Noraisin-tànana tato ampiangonana ny mpivady vao (Harilala sy) izay avy notsofin-drano ny omalin'io  04 Marsa 2017.
Alahady manaraka:
Alahady 19 Marsa natokana ho an' ny SVK Orléans. Hisy varotra barquettes  sy tsakitsaky amin'io andro io amin'ny vidiny mirary: 5€ laoka ary 2€ ny tsaky.
Alahady 26 Marsa: Hanaovana ny Ankatoka izay hanolorana sy fandaniana ny toebola 2016 sy ny teti-bola 2017.