Menu

Fanolorana(Intro)

Teny Fanolorana nataon'i Pst RAKOTOARIMANANA Joseph,

FPMA ORLEANS  ny  Janoary 2017
« Ary nandre ny feon’ny Tompo aho nanao hoe : Iza no hirahiko , ary iza no
handeha ho irakay ? Dia hou izaho : Inty aho , iraho aho. » ( Isaia 6.8 ).

        Hampitomboina mandrakariva ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Ilay tia anareo ka niantso anareo haneho ny voninahiny eo amin’nyfiainanareo !

Nofidina manokana io tenin’ny Soratra Masina voalaza eo ambony io, ry havana, mba ho teny faneva sy fanoitra miantso sy manentena antsika amin’izao fiarahantsika manompo Azy izao !

         Ry havana , taona vaovao no diavintsika izao , dia ity taom-pahasoavana 2017 izay nomen’ny Tompo antsika ity ! Rariny sady hitsiny tokoa raha misaotra sy mankasitraka ny Tompo isika , ka mifampiarahaba fa nomeny famelan-keloka isika ka navotany tamin’ny tsi-fahamendrehantsika sy ny tsifahatanterahantsika ka nampandehaniny indray amin’ity lalam-baovao izay tsy fantatsika ity !

          Mampahatsiaro antsika ny teny faminaniana nataon’ i Isaia mpaminany tamin’ny Zanak’Isiraely izany, raha hoy izy hoe : « Fa na mivily ho amin’ny ankavanana ianao , na mivily ho amin’ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe : Ity no lalana , ka andehano. » ( Isaia 30.21 ). Tsy fantatra ary mihafina amintsika tokoa ry havana , izay zavatra rehetra mety hiseho sy hihatra amintsika amin’ity lalam-baovao hitondran’ny Tompo sy hampandehanany antsika ity , nefa tsarovy fa na oviana na oviana dia tsy mamela antsika handeha irery Andriamanitra fa mitsinjo sy miaraka amintsika mandrakariva , araka ny teny fampanantenana nataony hoe : « Indro Izahomomba anareo mandrakariva, mandra-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao. » ( Matio 28.20b ).
Aty amin’izao tontolo izao no hahitanareo fahoriana , hoy ny Tompo ,kanefa matokia fa Izaho efa nandresy izao tontolo izao ! Mety ho sarotra tokoa ny làlana ry havana, mety hisy zavatra izay tsy hampoizina , kanefa mandehana amin’izao herinao izao, aza mierikerika foana ary matokia fa homba anao ny Tompo Andriamanitrao !
Nomen’Andriamanitra fahasoavana manokana isika eto amin’ny FPMA ORLEANS mba hiara-manompo Azy satria vavolombelon’ny teny fiainana sy fahamarinana izay natolony antsika , mba hiara-miasa ka ho fiasampamonjena ho an’izay rehetra eto amintsika sy ny manodidina antsika !
« Anaka , atolory Ahy ny fonao , ary aoka ny masonao ho faly mijery ny lalako. »( Ohabolana 23.26 )
Fanoloran-tena feno sy tanteraka ary an-tsitrapo ry havana no antenain’ny Tompo amintsika ka aoka isika hiara-manatanteraka izany amin’ny hafanampo mba tsy hihatra amintsika ny teny voalaza ao
amin’ny Apokalypsy manao hoe : « Fa satria matimaty ianao ka tsy mafana na mangatsiaka , dia efa haloan’ny vavako ianao. »
« Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny
Tompo. » ( 1 Korintiana 15.58 )
.
Voninahitra ho an’Andriamanitra any amin’ny avo indrindra , ary
fiadanana ho ety ambonin’ny tany ho amin’ny olona hankasitrahany !


RAKOTOARIMANANA Joseph, Mpitandrina .





TENY FANOLORANA NY « SITE FPMA-ORLEANS »: nataon'ny Filoha t@ Jolay 2012

« IZAY MAHAKOLOKOLO NO MANANA NY SOA »
Izany no tanjona raha nanokatra ny « site FPMA-O ».
-                                    -kolokoloina ny Finoana an’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina.
-                                    -kolokoloina ny saina ho amin’ny fahalalana tsara ny Baiboly.
-                                    -kolokoloina ny fifandraisana isika samy isika ary amin’ny hafa ihany koa.
Isaorana lehibe Andriamanitra fa nahomby ny andrana natao efa volana vitsivitsy izao.
Ankehitriny ary, dia mankasitraka indrinda ny Mpitandrina Mpandrindra ny Tafontsika, Pasitera ANDRIALAMPISON Zaranaina izay nosoloin'ny Mpitandrina ANDRIANAVELASOA RAJOHARISON Landy, mamahana antsika ara-potoana sy mitohy amin’ny Tenin’Andriamanitra, mampita teny  ho tsakotsakoina ary  mikolo ny saintsika amin’ny kilalao mikasika ny Baiboly.
Mankasitraka koa ireo mpitantsoratra mampahafantatra antsika ny fotoam-pivavahana sy ny toerana anaovana izany ; mampahalala antsika ny fiainam-piangonana ary ny hetsika isan-karazany ataon’ireo sampana velona ao amin’ny Tafo ; mampita amintsika ny vaovao sy hetsika eo anivon’ny Faritany Afovoany Atsinana misy antsika, sy ny an’ny FPMA Reniny.
Koa manantena antsika hitsidika matetika ny « site FPMA-O », ho fampandrosoana ny FPMA-ORLEANS, ho fifaliana ho antsika mianakavy mihaona am-po ao, sy mampivelatra ny fifandraisana  eo anivon’ny Faritany sy ny FPMA manontolo ary amin’ny  hafa indrindra koa.
Ary izany rehetra izany dia ho voninahitr ‘Andriamanitra irery.
James Focard, Filohan ‘ny Tafo.


TENY FANOLORANA: nataon'ny Loholona

            «   HIANAREO NO FAHAZAVAN’IZAO TONTOLO IZAO, TSY AZO AFENINA IZAY TANANA MIORINA EO AN-TAMPON-TENDROBOHITRA «   Lioka 5 :14

Izany tenin’ny Tompo izany no entiko iarabahana anareo amin’izao fanokafana  ny tranon-kalan’ ny FPMA-Orléans izao, koa amim-pifaliana no anolarako anareo mpijery, havana rehetra.

 Manantena ny fandraisana anjara ny Kristiana rehetra satria manana endrika samihafa ny hitantsika ato, ilaina ny fikarohana amin’izay fantatsika mba manampy sy mameno ny banga.

Hita  eto fa mandeha amin’ny fahazavàna izy ity ary ho fitaovana hanehoantsika ny maha- malagasy sy ny maha- kristiana antsika eo anivon ny Fiangonana aty ampita sy  ny any ivelany.

Manolotra fisaorana ho an’ny nanokatra an’itoiny, ary koa mampahery ho an’ireo izay hifarimbona amin’ny fiaraha-miasa .

Hampahery sy hitari-dàlana antsika anie ny Fanahy Masina ho fampandrosoana ny tenin’Andriamanitra.

Ramamonjy Bertrand
Loholona eto @ FPMA Orléans.