Menu

Affichage des articles dont le libellé est SVK. Afficher tous les articles
Affichage des articles dont le libellé est SVK. Afficher tous les articles

mercredi 8 février 2017

SVK Orléans Janoary 2017

**Asabotsy 04 Febroary @ 10h30 atao @ Chapelle 130 ter Rue du Petit Pont 45000 :
                 Fiarahan'ny SVK FAfAts ho fiarahabana ny zokiolona nahatratry ny Taona 2017.
-Culte fangataham-pitahiana sy fisaorana
-Fanolorana vodiakoho.
-Fiaraha-misakafo

-Fivoriana.


Nisy  72 ny SVK FAfAts no tonga nifampiarahaba nahatratra ny taona vaovao 2017 ary nanolotra ny solombodiakoho ho an'ireo zokiolona. 

mercredi 19 décembre 2012

Toriteny SVK 29 Sept


Toriteny tamin’ny fivoriam-ben’ny Sampana Vehivavy Kristiana (SVK) Fafats izay natao teto Orléans tamin’ny 29 septambra 2012.

 

 

Lioka 15, 8-10


Nataon’Andriamanitra ho mahatoky ny Sampana Vehivavy Kristiana (SVK) ka nirahiny hitory ny Filazantsara.


Nataon’Andriamanitra ho mahatoky ny SVK ka nametrahany andraikitra. Ianao tsy hametraka ny fanananao any amin’ny toerana tsy azonao antoka akory. Apetrakao any amin’ny banky ohatra ny volanao. Ianao tsy handefa ny zanakao hanao vacances any amin’ny olona tsy azonao antoka, fa any amin’izay olona mahatoky anao.

Andriamanitra nanao ny SVK, nanao anao ho mahatoky amin’ny maha-vehivavy anao ka nataony ho fitaovana ho fitoriana ny Filazantsara ianao. Nataony ho vehivavy, nataony ho membren’ny SVK, nampiandraiketiny andraikitra ao an-tokantrano, ao amin’ny fiangonana ianao satria azony antoka.

Inoako fa manana ny tanjony, ny vinavinan’asany ny SVK Fafats, fa raha ity texte ity no jerena dia ny hitady ny very ka hitondra azy ho ao an-dapan’ny Ray no asain’izao teny izao ataony.

Ny fomba fitadiavana ny very eto no tsy dia mahazatra antsika loatra. Ny mahazatra antsika matetika, rehefa hoe hitady olona hino an’Andriamanitra na hamerina olona ho amin’ny finoana dia amin’ny alalan’ny famakiana Baiboly sy ny fitorian-teny.

Misy toetra maromaro nananan’ity vehivavy tantarain’i Lioka eto ity, ka itarihan’ny Tenin’Andriamanitra ny vehivavy sy ny SVK mba hananany eo am-panaovana ny asa izay nanirahan’ny Tompo azy.

Toetra voalohany : manana fo onena sy fitiavana izy.


Hoy i Lioka raha manomboka ny fanoharana : iza moa no vehivavy manana farantsakely folo ka very ny anankiray, no tsy hampirehitra jiro, ka mifafa trano sy mitady fatratra mandra-pahitany azy?

Toy ny milaza i Lioka hoe, tsy misy izany vehivavy tsy miraharaha ilay farantsa kely very izany. Zava-dehibe aminy iny, ka na dia kely aza dia tadiaviny.
Toy ny milaza i Lioka hoe, tsy misy izany vehivavy tsy manana fo antra izany; tsy misy izany vehivavy tsy manana fitiavana sy fo onena izany. Tiany loatra ny ankohonany ka raha misy amin’izy ireo lavitra an’Andriamanitra dia ontsa izy, ka manao izay fomba rehetra hahazoana azy ireo ho an’i Kristy.

Toetra faharoa : manana an’i Jesosy velona ao anatiny izy (mirehitra ny jirony)


Ny nataon’ity vehivavy ity voalohany, dia ny nampirehitra jiro, mba hahazoany manazava izay rehetra ao an-trano, mba hahazoany mahita kokoa izay eo amin’ny tany.

Mirehitra ny jironao rehefa mirehitra ilay fahazavana ao anatinao. Jesosy Kristy io fahazavana io. Izy no fahazavan’izao tontolo izao. Ny fananana an’i Kristy, Ilay fahazavana velona ao anaty, no mahatonga ny jironao hirehitra koa.
Hita eo amin’ny fiainan’ny olona rehefa mirehitra io jiro ao anatiny io. Tsy afaka hanome izay tsy hahanany ny olona!

Ny fiainanao, ny fijoronao, ny fitiavanao dia taratry ny fahaveloman’i Kristy ao anatinao. Ireny no jeren’ny olona ao an- tokantranonao. Tsy mijery ny anarana izay entinao izy : SVK sns... fa ny fiainanao no jereny.

Toetra fahatelo : mitondra tena na miaina araka ny Filazantsara izy.


Rehefa avy nampirehitra jiro izy, dia nanomboka namafa ny efitra nilatsahan’ilay vola. Teo amin’ny jiosy, dia ny vehivavy no mamafa trano. Andraikiny izany, asany isan’andro amin’ny maha-vehivavy azy.

Ny tiana hambara dia izao : ny fiainana andavan’andron’ny vehivavy (ny mino rehetra) mihintsy dia tokony ho fiainana miaraka amin’Andriamanitra. Izany fiainany miaraka amin’Andriamanitra izany no entiny mambabo ny ao an-tranony ho an’ny Tompo.

Tsy misy fitoriana teny eto toy ny hoe : tsara Andriamanitra na atolory an’i Jesosy ny fonao fa ny toetra andavan’andro, ny fiainana isan’andro no jeren’ny olona.

Ny fitoriana mahomby indrindra ao an-tokantrano dia ny toetra: manam-pitiavana ve? Malemy fanahy ve sa kizintina? Mora tezitra sy montotra lava ve? Mahavà-tena ve ? Azo ifanankalozan-kevitra ve ? Manam-pitiavana ve ? Manana fiainam-bavaka ve ? sns...

Toetra fahaefatra : manatontosa tsara ny asany izy.


Amin’izany fiainany andavan’andro izany, dia miara-miasa amin’Andriamanitra mitady ny very izy. Marihina, fa ny tranon’ny palestiniana tamin’izany fotoana izany, dia tany ny ambany. Tsy nisy tsihy na tapis. Izany hoe, ilay vola dia latsaka tao anaty vovoka tao. Noho izany, dia ataony tsara ny asany fa ho sarotra ny hahita ilay vola raha tsy izany. Tsy nanao asa zara fa vita izy.

Amin’ny teny hafa dia hoe, tena miaina mandrakariva amin’ny tenin’Andriamanitra izy ao an-tokantranony ao. Manana firaisam-piainana sy fitohofan’aina tanteraka amin’ny Tompo izy mba hahazoany ireo olon-tiany ho an’ny Tompo.


Toetra fahadimy : mahatoky izy.


Na dia tsy nisy olona nanatrika sy nanara-maso azy aza teo; fafany tsara ve ny trano sa tsia, dia nataony tsara izany sy izay nankinina taminy.

Miasa toy ny miasa eo imason’Andriamanitra mandrakariva ny mino. Ka rehefa miala eo amin’izay asa ataony izy na vita ny asany dia ho fantatry ny olona avy amin’izany asany izany fa olon’Andriamanitra no niasa teo.

Tsy misy fisaratsarahana ny fiainany, toy ny hoe rehefa eny imason’olona dia maontina ery, miasa tsara, fa rehefa any amin’ny takotakona tsy misy mahita, dia tena mahavita zavatra mamoa fady mihintsy. Mahatoky izy na amin’ny miharihary na amin’ny miafina.

Toetra fahaenina : manana faharetana izy.


Toetra anakiray nananan’ity vehivavy ity ihany koa ny faharetana. Nitady mandra-pahitany ilay vola izy. Izany hoe : nirehitra tsara mandrakariva ny jirony. Tsy hoe maty teny antenantenany na hoe maty dia mirehatra, maty dia mirehatra.
 
Velona mandrakariva tao anatiny ilay jiro mpanazava ny fiainany dia Jesosy Kristy Tompony. Namafa hatramin’ny farany izy. Mandavan-taona dia miaina miaraka amin’ny Fanahy Masina izy.

Ny nahitany ilay vola very dia tamin’ny alalan’ny fananany faharetany. Niasa hatramin’ny farany izy noho izany.




Toetra fahafito : manana fanantenana sy finoana velona izy.


Nanana fanantenana koa ity vehivavy ity. Niasa tamin’ny fanantenana izy fa tsy hoe nanaotao foana akory na hoe tsy nisy zotra ny fiainany. Nanantena izy fa indray andro any, dia mbola ho hitany ilay vola very. Hery lehibe nanosika azy hitady ilay vola mandra-pahitany azy izany.

Ny mpiasan’Andriamanitra, dia manantena fa hisy vokatra ny asany any aoriana any, ho voninahitr’Andriamanitra ary ho fifaliana ho an’ny fiangonana misy azy sy ny olona manodidina azy. Izany fanantenana izany, dia tsy hafa fa vokatry ny finoana velona ao anatiny.

Toetra fahavalo : mahay miara-miasa sy miara-miaina amin’ny hafa izy.


Ankoatra izay, ao amin’ny Testamenta Vaovao, ny vehivavy dia manondro ny Fiangonana (2 Kor 11,2; Apok 21,9). Raha jerentsika koa ny fanoharana eo alohan’ity texte ity dia milaza fa Jesosy no Mpiandry ondry, mitady ny ondry very. Ankehitriny dia ny fiangonana no manohy izany asa nataon’i Jesosy izany.

Amin’ny maha SVK anao ao amin’ny fiangonana dia inona no anjara-birikinao amin’ny fitadiavana ireo ondrin’ny Tompo very ireo. Inona no tanjon’ny SVK Fafats?

Voazarazara samihafa hoy i Paoly ny ho enti-miasa avy amin’ny Fanahy Masina, voazarazara ny sehatra anompoana avy amin’ny Tompo, voazarazara ny fomba fiasa : hery avy amin’Andriamanitra (1 Kor 12. 4- 6).

Ny asa na ny hetsika ataon’ny SVK ao am-piangonana na ataony amin’ny anaran’ny fiangonana any ivelany, any amin’ny fiaraha-monina, izay ataony amin’ ny fitiavana, amin’ny fifanajana sy  filaminana dia tena fitoriana ny Filazantsara tokoa. Jesosy Kristy dia mikarakara ny maha-olona manontolo : saina, tena sy fanahy, fa tsy ny ara-panahy ihany akory.

Fa ny asa atao amin’ny adi-lahy sy ny fifandirana dia mampivoaka na izay efa ao anatin’ny fiangonana aza. Ny mbola any ivelany moa dia tsy ho azo hiditra ao mihintsy.

Toetra fahasivy : mahay mifaly sy mizara fifaliana amin’ny hafa izy.


Namory ny namany rehetra ity vehivavy ity rehefa nahita ilay vola very, ka nanasa an’izy ireo hiara-paly aminy. Mba mifalia rehefa tokony hifaly ry havako ô.

Mahavariana ihany ny mahita kristiana tsy mba mifaly izany na dia manoloana fifaliam-be izao aza. Efa navelan’Andriamanitra heloka ka mbola malahelo tsy manam-piadanana ihany. Efa nody ventiny ny rano natsakaina, efa nanaiky ny Tompo ny ao an-tokantrano ka tokony hifaly tokoa.

Nifaly izy ireo satria rehefa hita ilay vola dia afaka ampiasain’ny tompony. Ny tena ilàn’ny tompony azy dia ny handova ny fiainana mandrakizay. Asa tsy mila tambiny ny an’ity vehivavy ity, fa ny tena fifaliany dia ny fifalian’ny hafa ao amin’Andriamanitra.

Toetra fahafolo : manolotra ny voninahitra ho an’Andriamanitra izy amin’ny asany sy amin’izay rehetra ataony.


Rahatrizay, amin’ireo izay tafiditra ao an-danitra, raha anontanian’ Andriamanitra Ray hoe iza no nampiditra anareo ato, dia hamaly izy ireo hanao hoe : ny Zanakao Jesosy Kristy no nampiditra anay ato, satria notarihin’ny SVK Fafats hanatona Azy izahay, satria notarihin’ny vadiko na notarihin’ny reniko na ny zokiko hanatona Azy izahay.

Ny harena ho an’ity vehivavy ity any an-danitra dia ny finoany miasa amin’ny fitiavana, fa ny voninahitra kosa dia ho an’Andriamanitra irery ihany, izay fototry ny zavatra rehetra.


Fanehoam-pitiavana sy fanehoam-pitokisana avy amin’Andriamanitra ny maha SVK anareo, koa mahereza, mahatanjaha fa momba aminareo ny Tompo ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.

Voninahitra anie ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Amena.


Naina ANDRIALAMPISON
Mpitandrina ny Tafo Orléans



dimanche 18 novembre 2012

Sampana Vehivavy Kristiana Orléans (SVKO)


Présentation
Sampana natsangan’ny Rtoa Lydia RAVALITERA tamin’ny fotoana nitandremany teto Orléans.
8 taona izao ny SVK Orléans , misy mpikambana 13 mirahavavy.
Birao : filoha, mpitantsoratra, mpitatam-bola
Fivoriana ny asabotsy faha-efatry ny volana.
Manana kitapom-bola enti-miasa ka manao latsakemboka 2€ isam-bolana, misy karatry ny sampana SvkO.
Rehefa manomana hetsika dia mihaona indr1 na indr2 / semaine araky ny fandrosoan’ny fihomanana na fianarana.

Tanjona sy asa
Manao asa soa eo anivon’ny fiangonana sy ny manodidina :
Eto an-toerana :
- fanampiana ny tanora, mpianatra vahiny lavitra Ray aman-dReny
- fanampiana ny zokiolona
- fanampiana samihafa eo amin’ny asa-mpiangonana FpmaO
- fiaraha-miasa amin’ny antoko vehivavy kristiana manodidina (tafo rahavavy)
- fitsidihana sy fanampiana izay sahirana na tsy salama .

Any ivelany :
- Fanampiana ny any an-tanindrazana : orphelinat na association de développement culturel. Nandritry ny 2010-2012 Fanampiana ny association AIDE et ACTION an’i Madagasikara.
- Zaikabe mparitany isan-taona
- Zaikabe nasionaly isan-dr2 taona
- Fifandraisana na fanontronana amin’ny Svk rahavavy amin’ny faritra misy ny SvkO : Faritany Afovoany Antsinana ( Fafats.)


Vaovao farany 2012 :
- Assemblée Générale Svk Fafats 29 septembre 2012.

Nandray ireo rahavavy SVK Fafats sy ny Rangahy vitsivitsy teto an-toerana sy avy any ivelany, mpiara-miasa ao amin’ny Tompo nanotrona sy nanampy antsika. Nihisa 50 mahery teo isika rehetra.
Fihaonana am-bavaka sy fampianarana ara-panahy no nandavorary ny fandaharam-potoana : bilan svk fafats 2010-2012 sy fanavaozana birao Svk fafats hiasa mandritry ny taona 2 manaraka 2012 -2014.


NY BIRAO SVK FAFATS mandritry ny 2 taona manaraka :

Filoha : Rtoa Nivo Rajaofera ( Tafo Cergy)
Filoha mpanampy : Rtoa Ruth Rasamimanana ( Tafo Orléans)
Mpitantsoratra : Tafo Fihobiana sy Melun
Mpitantam-bola : Tafo Vincennes
Mpitahiry vola : Tafo Grand Champs
Mpanolontsaina : Tafo Arago sy Vatofehizoro

Ny tatitry ny AG nataon’ny  mpitantsoratra Svk fafats dia omena ny mpikambana.
Ny antsipirihiny koa dia azo henoina ao amin’ny RADIO VATSY.

- Zaikabe Nasionaly tany Dijon ny 12-13-14 octobre 2012

Fito mirahavy no solontena SvkO tany Dijon.
Fihaonam-be feno fiainam-bavaka, fampianarana ara-tsaina, ara-panahy eo anivon’ny fiainam-piangonana sy sampana ary ny fiainana ankapobeny; bilan asa Svk Nasionaly 2010-2012 ny fandaharam-potoana mandritry ny Zaikabe Nasionaly.

Natao tamin’izany ny FIFIDIANANA ny BIRAO SVK FAFATS hiasa mandritry ny 2 taona manaraka: tafo sy anarana (miandry ny tatitra avy amin’ny mpitan-tsoratra Svk Nasionaly)
Ny Mpitandrina Jacky Andriambololona no nitarika ny Svk Fafats teo amin’ny takariva mpifaliana.
Ny takarivam-pifaliana iraisana sy isam-paritra dia nandravaka ny takarivam-pifalian’ ny Zaikabe Nasionaly. Ny vokatra feno harena taozavatra malagasy nentin’ireo Svk La Réunion, ny buffet collation sy goûter spécialité malagasy sy maro hafa koa natolotry ny tafo nandray Dijon dia lavorary aokizany. Azontsika henoina ao @ RADIO VATSY ny antsipirihin’ny ZAIKABE io; izay nandraisana feo manokona kely  ny filohan’ny Svk tsirairay.
Ny tatitra avy @ mpitantsoratra Svk Fafats dia halefa amin’ny mpikambana.

ASA atoato : fanomanana Noelin’ny Sampana arahana sakafom-pirahalahiana.

Fivoriana manaraka : asabotsy 24 novambra 2012 tolakandro ( toerana sy ora hamafisina tsy ho ela)

vendredi 5 octobre 2012

SVK

Fivoriana indray mandeha isambolana

Zaika atao  any Dijon ny 13-14 Oktobra ho avy izao.