Menu

Affichage des articles dont le libellé est Actu. Afficher tous les articles
Affichage des articles dont le libellé est Actu. Afficher tous les articles

dimanche 2 novembre 2014

Volana Novambra 2014

Alahady 30 Novambra 2014

Tontosa soa amantsara ny teny nampitaina tamin'iny Alahady iny, nalaina tao @ Marka   13 :33 "Mitandrema, miambena, ka mivavaha;...".nampahalala fa ny an'Andriamanitra dia tsy araky izay fotoanantsika  akory (ora; andro; volana ...)fa "Intemporel", fampianarana nataon'i Pst Joseph Rakotoarimanana.
Niisa 40 ny olona ary 33 ny lehibe ary 7 ny ankizy.

Vaovao voalaza:

-Fisaorana no atolotry ny SZMO ireo nanotrona sy nividy ireo voahomana rehetra t@ 23 Nov lasa teo: ka Andriamanitra be fitiavana ny hamaly sy hanonitra avo maro heny izay lanin'ny tsirairay tao.
-Vita soa ny fivoriamben'ny SVKO ka voatsangana ny Birao vaovaon'ny Sampana t@ 23 Nov teo.
-Isaorana ireo solontenan'ny Tafo nanatrika ny fankalazana ny 10è Tafo Arago t@ Asabotsy 29 Nov teo tany Paris 18è.   
         Amin'iny volana Desambra iny dia hisy
 -Ny fankalazana ny Noely hitambaran'ny Kristiana eto Orléans ka hatao ny Alahady 14 Desambra @ 4o.h. na (16h) ao @ Temple ERF   2 rue du Cloître St-Pierre  Empont ao Orléans.
-Ny andron'ny ny Sampana  miray eto amin'ny Tafo kosa dia ny tolakandron'ny Alahady 21 Desambra ary hatao etsy amin'ny ERF ihany koa.
-Ny fanokanana an'i Pst Lydia Ravalitera dia ny Asabotsy 27 Desambra: ny toerana sy ny ora dia mbola ho lazaina eto ihany.

Alahady 23 Novambra 2014

Alahadin'ny SZMO na Sampana ZavaManeno eto Orléans. 
Fotoana notarihan'i Atoa Andriamampionona S Filohan'ny SZMO. Nandray anjara tao avokoa ny ankizy rehetra manantalenta eto amin'ny Tafo Orléans: Tiana :Gitara- Harisetra:Clavier -Maeva:Violon- Mahasetra:Gitara- Mahefa:Orgue.
Niisa 63 ny olona tonga, lehibe:50 ary ny ankizy 13.

Nofaranana tamin'ny fivarotana ny plateaux repas ny fotoana, izay atao famatsiana ny kitapombolan'ny SZMO.

Fotoana manaraka:

Ny alahady faha 30 Novambra 2014 @ 10h30.

Alahady 16 Novambra 2014

Tamin'ny tsy nahateo ny Mpandrindra ny Tafo dia ny Diakona no nitarika ny fotoana. Novoaboasana tamin'izany ny fanoharana t@ fitsinjarana ny talenta : Matio 25:14-30.
Niisa 57 ny olona ka 44 ny lehibe ary 13 ny ankizy.

Vaovao voalaza:

-Antso SVKO  amin'ny Assemblée Générale, ka hanaovana ny fifidianana Mpitambola.
-Filazana sy tatitra avy amin'ireo solotena avy tany   amin'ny Synoda Mulhouse:
        Tsy niova ireo mpitantana ao @ Birao Foibe teo aloha ankoatran'i Pst Seth.

Fotoana manaraka

-Ny Sampana SZM Orléans dia hanao ny Alahadiny@ 23 Nov ho avy izao, ka hezahana sy amporisihana ireo manana talenta eto amin'ny Tafo mba handray anjara amin'izany.
Hisy plateau repas hamidy avy eo ka 7€ ny ho an'ny lehibe ary 5€ ny an'ny ankizy. 

Alahady 02 Novambra 2014

Alahadin'ny mpitandrina  eto amin'ny Tafo.

Tonga nitarika sy nanao ny toriteny ny mpitandrina Roger Rafanomezantsoa tamin'ity Alahady ity araky ny fanao moa dia ny mpitandrina no manao ny fampandraisana fotsiny.
Ny fampianarana tao dia ny avy ao @ Matio 23:1-10: tsy ny toerana no tadiavina fa ny asa miaraka aminy..
Niisa 67 ny lehibe ary 16 ny ankizy.
Nofaranana t@ fiarahana manala hetaheta natolotry ny Fg ny fotoana.
Noraisina sy noarahabaina tao ny Mpivady vao: Jaonary sy Bearivo Sandy.

Vaovao voalaza:

-Fampatsiahivana ny Alahadin'ny SZM Orléans @ 23 Novambra
-Fisaorana natolotry ny SA faritany sy ny SVK ho an'ireo mpizaika t@ Oktobra.

Fotoana manaraka

-Synoda lehobe any Mulhouse ny 8-11 Novambra 2014
-Alahady 16 Novambra eto @ Chapelle @ 10h30: Alahady fahatelo.
-Alahady 23 Novambra Alahadin'ny SZM, hisy plateau repas hamidy amin'io.


jeudi 9 octobre 2014

Volana Oktobra 2014

Alahady 26 Oktobra 2014

Alahady fahefatra notarihan'ny Diakona ary toy ny fandaminana dia nisy fisintonan'ireo mpianatra  madinika nanao ny Sekoly Alahady tao aorian'ny Toriteny nentin'ny Filoha.
Niisa 38 ny lehibe ary 11 ny ankizy.

Alahady 19 Oktobra 2014

Fampianarana nalaina avy @ Matio 22: 15-22 no nataon'ny Mpitandrina Raharijaona Marie Angèle ka nafahan'ny maro nandray anjara t@ fotoana tsy lava loatra.
Niisa: 37 ny lehibe ary 11 ny ankizy.
Nisintona ihany koa ireo zaza madinika nanao ny SA taorian'ny toriteny araky ny fandaminana nataon'ireo Mpampianatra.

Vaovaompiangonana:

-Nolazaina sy nentina ny vokatra azo t@ Alahady  telo nanaovana ny fanatitra (volana Jona sy Jolay).
-Naseho ny fiangonana ireo hanolotra ny tokantranony eo ambany fitarihan'Andriamanitra @ Asabotsy 25 Oktobra ho avy izao.
-Ny Komity ara-potoana dia nahemotra ny 26 Oktobra nohon'ny tsy nahateo ireo mpiandraikitra ny vola fa mbola tany @ Zkb SVK tany Jambville.

Fotoana manaraka:

Alahady 26 Oktobra ao @ Chapelle St Marc @ 10h30.
Amin'io Alahady io ihany koa no hivorian'ny Komitin'ny Tafo fa ny tolakandro.

Alahady 05 Okotobra 2014

Nitohy tany ampiangonana tao @ Chapelle St Marc ny fananteram-bokatra dingana faha-telo.  
Niisa 45 teo ny lehibe ary 6 ny ankizy.
Rehefa nirava avy teo ny mpiangona dia nandeha nanadio trano tary @ Cigogne indray sady namarana ny tsy lany rehetra tany.

Fotoana manaraka:

Ny fiangonana manaraka dia ny Alahady 19 Oktobra @ 10h30 ihany. Alahady Fampianarana.
Ny fampianarana amin'izany dia tarihan'ny Mpitandrina Marie Angèle.
Hisy fivoriana ara-potoana ho an'ny Komity ny Asabotsy 18 Oktobra. Ny ora dia ho lazaina miandalana eny ihany. 

Asabotsy 04 Oktobra 2014

Vita soa amantsara ny Fetim-piangonana nataon'ny Tafo Orléans tetsy @ Salle Cigogne.
Samy afapo avokoa ny mpandray anjara na ny mpanatrika na ny natrehana. Koa izany no anehoana hatrany Dera sy Laza ho an'ilay Nahary.
Nisy solontena avokoa ireo Tafo teto amin'ny FAfAts izay isaorana azy ireo manokana.
Nisy  kosa anefa ireo tsy maintsy nandeha namonjy ny tany @ Tafo Fahazavana izay nanao ihany koa ny Fetim-piangonany t@ io andro io.

samedi 13 septembre 2014

Volana Septambra



Alahady 07 Septambra 2014

Alahady fidirana @ taom-pianarana 2014-2015 sady Alahady natokantsika hanaovana ny adidy ho an'ny FMM. ihany koa.
Nisy fandraisana ny fanasan'ny Tompo ary nisy fivorian'ny raiamandrenin'ny mpianatra Sekoly Alahady (SA) taorian'ny fotoana.
Isan'ny olona: 67 -Lehibe: 56- Ankizy: 11
Nisy olona 5 mianaka vao tonga eto amin'ny Tafo.

Nofaranana tamin'ny fanalàna hetaheta ny fotoana.

Vaoavom-piangonana

-Tsihahivina ny Fetimpiangonana 04 Oktobra 2014 ataon'ny Tafo.
Izany dia hiantsoana ny fandraisan'anjaran'ny vahoakan'Andriamanitra eto Orléans tsirairay fa antoky ny fampandrosoana ny Fiangonan'i Kristy navelany amintsika eto Orléans io. Koa angatahana ny fandraisan'anjaran'ny daholobe ao @ Vaomiera mampety azy: Ampiasaina izay Talenta sy Soa rehetra izay napetrany amin'ny tsirairay.
-Ny vaovao hafa kosa dia momban'ny Fivorian'ny Komity Maharitra (KM) sy ny fanomanana ny Synoda Lehibe faha 25 any Mulhouse.

Fotoana Volana Septambra

-Ny fivorian'ny Sampana izany dia misokatra araky ny fandaminan'ny isantsampana avy.
-13 Septambra: Fivoriana tsy arapotoana hataon'ny Komitin'ny Tafo ho fandavorariana ny Fetimpiangonana: fananganana ny Vaomiera samihafa-Lakozia sy Sakafo-Services sy Tsakitsaky-Trano sy ny rentiny-Fanentanana sy ny fitaovana maneno(sono)-Entimanana- Kilalalo sy Fanomezana.
-14 Septambra: Alahady hiarahan'ny Tafo FPMA sy ny EPUF Orléans.
Hatao any @ EPUF (ERF) Orléans @ 10h30: Hisy fandraisana anjara hataon'y FPMA mandritry ny fotoana. Hisy ihany koa tsakitsaky hiarahan'ny roa tonta.
-21 Septambra @ 10h30 ao @ Chapelle St Marc: Alahady fahatelo ary hisy fampianarana.
Amin'io ihany koa no hakàna sy hijerena ny fizotry ny Fisoratana fandraisana anjara @ Fetimpiangonana, izany dia tokony efa natao mialoha fa fanindriana ny amin'io.
-28 Septambra @ 10h 30 ao @ Chapelle St Marc: Alahady fahefatra
Hijerena ihany koa ary fanomanana ny Fetimpiangonana 04 Oktobra etsy Salle la Cigogne.

mardi 8 juillet 2014

Volana Jolay 2014

Alahady 06 Jolay 2014

Alahady Fananterambokatra II sady Fandraisana no andro fanefàna ny adidy eo @ Tafo.
Niisa 60 ny lehibe ary 10 teo ny ankizy.
Nofaranana t@ fanalàna hetaheta ny fotoana.

Vaovao:

Vita ny fivorian'ny FMM natao tany Villebon t@ iny herinadro teo iny.
Toy izany koa ny fivorian'ny Filohan'ny Tafo sy ny Sampana iraisana eto @ FAfAts natao tao @ rue Dulong Paris 7è natao omaly Asabotsy 05 Jolay.
Natao tany Bordeaux kosa ny Fivoriamben'ny STK Nasionaly ny 04-05-06 Jolay 2014.
Izany rehetra izany no tontosa dia nohon'ny Fahasoavana avy amin'ilay Avo avokoa:
 Isaorana anie ny Anarany Masina.

Fotoana manaraka mandritry ny fialantsasatra:

 -Alahady 20 Jolay 2014 @ 10h30 ao @ Chapelle St Marc.
 -Alahady 17 Aogositra ary ny Alahady 31 Aogositra @10h30 daholo.

Fanombohan'ny taona 2014-2015

Ny fidirana amin'ny taom-pianarana 2014-2015 indray dia ny Alahady 07 Septambra 2014 ka @ 10h30 maraina ihany ao @ Chapelle St Marc. Io alahady io ihany koa no hatokantsika FPMAO ho Alahadin'ny FMM.

Mirary fialantsasatra finaritra ho an'ny rehetra ny Komity  FPMA Orléans.

mardi 3 juin 2014

Volana Jona 2014

Asabotsy 28-Alahady 29 Jona 2014 Lasimpiangonana tany La Ruche Meung/ Loire

 Vita soamantsara ny Lasimpiangonana natao farany teo tany Meung/ loire.
 Niisa 25 ny olona tonga nilasy tao ny Asabotsy ary 35 kosa ny Alahady. Natao teny ihany koa izany ny fotoampivavahana ny Alahady maraina t@ folo.
"Fiangonana velona"  ny thème nanaovana fampianarana tamin'izany ary tamin'io no namaritana ny fotoana hidiran'ny Fanahy eo @ zanankolombelona ary namaritana koa ny hidiran'ilay Fanahy ratsy amin'izy ireo.

Ny fotoana manaraka 

ny Alahady 06 Jolay ao @ Chapelle St Yves @ 10h30 ihany:
   -Fananterambokatra dingana faharoa fa ny fahatelo farany kosa dia ny Alahady 05 Oktobra andro ampitson'ny Fetimpiangonana.

Alahady 22 jona: Fanompoampivavahana  sy Ankatoka

Niisa 39 ny lehibe ary 6 ny ankizy.
Filazana momban'ny Fankalazana 26 Jona etsy @ FLM etsy Fleury les Aubrais.
Eo koa ny fikarakarana ny lasy hatao ny 28-29 Jona etsy Meung sur Loire.
Natao taimin'io ny fisoratana anarana @ fandraisan'anjara.

Alahady 15 jona 2014: Zaikabe FAfAts tany Athis Mons

Fihaonana manaraka: 22 Jona 2014 Chapelle St Marc @ 10h30

Affichage de Pique-nique Lundi de Pentecôte 2014_01.jpg en cours...

Alahady 01 Jona 2014

Alahady Fandraisana toa ny Alahady voalohany ihany.
Isan'ny Mpiangona : 31 lehibe ary ny ankiz:8
Raha mbola tany amin'ny ChoeurUni ny ankamaroan'ny olona dia mbola afaka nandray ny FT  tsara ny teto Orléans.

Fotoana manaraka

Asabotsy 07 Jona @  19h:  Praise Him  Fiderana ankira ataon'ny Sampana sy izay manantalenta eto @ Tafo Orléans.

Alahady 08 Jona:@ 10h30 : Chapelle St Marc
 Fankalazana ny Alahady Pentekosta : nisehoan'ny Fanahy Masina tany an'efitra

Alatsinainy 09 Jona :Fitsangatsangana any @ 41 Jereo ny Flyer etsy ambony. Ny fotoana dia etsy @ Ccommercila 2002 ny Alatsinainy maraiana @ 9h30.

mardi 13 mai 2014

Volana Mey 2014

Rohy isankarazany (Liens)

FANOROANA Lalana MANKANY @ CHAPELLE: TSINDRIO ETO
MOMBA NY ASA AO @ CHAPELLE: TSINDRIO ETO
EFA AZONAO JERENA ATO KOA NY PERIKOPA 2014 (VAKITENY ISAN'ANDro)

 

Alahady 25 Mey

Alahadin'ny SVK Orléans,
Nanomboka tamin'ny fanomezana petit déjeuner ka nitohy t@ fehim-boninkazo ho an'ny Reny tonga nanatrika ary nifarana t@ fivarotana plat à emporter.
Alahady 05 Mey 2014


Alahady fandraisana,  nanaovan'i Pst Faneva Randrianadraina ny fampianarana taty amintsika ka isaorana azy manokana izany.

Vaovaompiangonana
-Ny fivorian'ny sampana AMFO (fianaran-kira)dia hatao ny Zoma 16 Mey manomboka @ 18h30.
-Ny ChoeurUni dia ny Zoma30 Mey-Asabotsy31Mey -Alahady 01 Jona any Lyon.
-Ilazana isika fa miandry izay tolokevintsika mpiangona ny thèmes any @ lasimpiangonana hatao ny 28-29 Jona ka @ 15 jona no handraisana izany farany.

Fotoana manaraka

Alahady 18 Mey: Mikatona ny Fiangonana fa Culte RPO(Rassemblement des Protestants Orléanais) -ao @ Salle des Fêtes St Jean de la Ruelle, Fotoampivavahana iraisan'ny Protestanta rehetra eto Orléans. Hisy fandraisan'anjaran'ny FPMAO amin'io fotoana io ka ny Diakona rehetra miampy ireo tsy amperin'asa no hanolotra ny Fandraisana ny Fanasa'ny Tompo amin'io fotoana io. 


Ny alahady 18 Mey tolakandro kosa no hanaovana ny fampianarana SA Sekoly Alahady ho an'ny ankizy ka hanomboka @ 14h30 toy ny mahazatra.

Asabotsy 24 Mey à 16h : Concert ataon'ny AMF Orléans ao @ Eglise St Yves etsy la Source.

Alahady 25 Mey: Alahadin'ny SVK O(Sampana Vehivavy Kristiana eto Orléans). Hosy petit déj haroson'izy ireo alohan'ny 10h.

Alahady 01 Jona: Any Lyon avokoa ireo Mpitandrina ka ho sokafana ihany anefa ny Fiangonana ho tarihan'ireo Diakona.

Asabotsy 14Jona sy Alahady 15 Jona: Zaikabe ataon'ny FAfAts Faritanintsika ao Athis-Mons. Amporisihana ny vahoakan'Andriamanitra eto amin'ny Faritany mba hanatrika izany ZKB izany ka hikatona daholo ny Fiangonana eto amin'ny Faritany ny Alahady 15 Jona.

Asabotsy 21 Jona : Hisy Concert ataon'ny Sampana Zava-Maneno eto amin'ny FAfAts etsy Salle Insomnia, 2 rue de Bretagne – 91220 Bretigny sur Orge, sabotsy 21 jiona manomboka @ 5 ora hariva (journée « fête de la musique »).

Asabotsy 28 Jona @14h hatramin'ny Alahady 29 Jona @16h  ao "La Ruche" Meung sur Loire-Lasim-piangonana hiarahan'ny vahoakan'ny FPMA Orléans. Havoaka aoriana kely ny andinindininy (thème, sarany sns...)


vendredi 11 avril 2014

Volana Aprily 2014

Rohy isankarazany (Liens)

Fanoroana làlana mankany @ Chapelle: tsindrio eto
Momba ny Asa ao @ Chapelle: tsindrio eto

Efa azonao jerena ato koa ny Perikopa 2014 (vakiteny isan'andro)

Alahady 27 Aprily 2014

Alahadin'ny Sampana AMF sy SZM teto an-toerana. Nosokafana t@ "Indro fa vita" ny fotoana.
Toriteny an-kira no natao tamin'izany ka niredonan'ny Antoko Mpihira ny : Andriamanitra ve no mandao-Misaotra Ray- Ry Tompo tsara-Ny eo anilanao- Akaikinao Andriamanitra_Fa Jehovah hitahy.
Raha vita ny Culte dia nifanaraka nanao Agape tany @ d'Hokkaido ny Mpiaramivavaka ary nahafeno trano mihitsy tao.

Fotoana manaraka:

Asabotsy 03 mey @ 10h ao amin'ny Chapelle St Marc no hanaovana ny famerenankira ho an'ny ChoeurUni.
Alahady 04 Mey 2014 @ 10h30 ao amin'ny Chapelle St Marc ihany. Alahady fandraisana sy fanefàna ny adidy ny alahady voalohany toa io.

Alahady 20 Aprily 2014

Paska 2014: Miarahaba ny rehetra nahatratra ny Paska izay andron'ny Fanavotana andro hijoroantsika Kristiana.
Nahatratra amampolony mahery kosa ny FPMAO no tonga tetsy @ Eglise Orthodoxe (Campo Santo) tamin'ny 6h54 maraina nanatrika ny fivavahana  ekiominika tamin'izany.

Niisa: 94 ny lehibe ary 12 ny ankizy tamin'ny fotoam-pivavahana tato @ Chapelle ny marainan'ny Paska.

Fotoana manaraka:

Alahady 27 Arily @ 10H30 ao @ Chapelle St Marc: Alahadin'ny AMFO (Antoko-Mpihiran'ny Fiangonana Orléans) izay harahana fotoana Agape etsy @ Restaurant D'Hokaido etsy Olivet aorian'ny Culte. Ny fandraisan'anjara moa dia 17€ ny lehibe ary 9€ ny ankizy (<12 taona).
Ny fianarankira dia hatao ny Asabotsy 26 Aprily @15h30 ao amin'ny Chapelle ihany.

Tsiahivina fa ny famerenankiran'ny AMF FAfAts (Faritany) dia ny Asabotsy 03 Mey ho avy izao.

Alahady 06 Aprily 2014

Alahady voalohan"ny volana: Misy fandraisana sy fandoavana adidy.
Niisa 40 ny lehibe ary 8 ny ankizy.

Fotoana manaraka  (jereo etsy amin'ny Kalandary etsy @ ankavananao)

Asabotsy 12 Aprily @ 16h:@ Eglise LOURY Antsampanahy ataon'ny AMFO.
Alahady 13 Aprily @ 10h30 ao @ Chapelle St Marc, Fivorian'ny Komity.
Alakamisy 17 Aprily @ 19h:Chapelle St Marc, Fankalazana ny Alakamisy Masina andro namorian'i Jesoa ny Mpianany alohan'ny namadihan'i Jodasy Azy: Hisy fandraisana ny Fanasan'ny Tompo izany io alina ankalazaintsika io.
 Zoma 18 Aprily: @ 19h ao @ ERF (EPUF) Orléans: Fankalazana ekiominika ny Zoma Masina. Hiarahana amin'ny Kristiana(Catholique, Orthodoxe, Adventiste, FPMA) rehetra eto amintsika. Hira 109 no ataontsika
Alahady 20 Aprily @ 10h30: ato @ Chapelle St Marc ihany Alahady Paska. Hisy fandraisana amin'io andro Paska io ary fizarana vatomamy amin'ny firavàna.

dimanche 16 mars 2014

Volana Marsa 2014

Rohy isankarazany (Liens)

Fanoroana làlana mankany @ Chapelle: tsindrio eto
Momba ny Asa ao @ Chapelle: tsindrio eto

Efa azonao jerena ato koa ny Perikopa 2014 (vakiteny isan'andro)



Alahady 30 Mars 2014   

Alahady fahadimy nanaovana ny ankatoka ho fandaniana ny toebolan'ny Fiangonana,
Niisa 43 ny lehibe ary 9 ny ankizy tamin'io fotoana io.
Tonga teto ihany koa ny Interface BF nitondra fanamarihana sy nanao famangiana ny Tafo.  Niaraka nisakafo taminy tao nyKomity tsy ankanavaka.

Fotoana manaraka ( jereo ny kalandary etsy ankavananana)

Alahady 06 Aprily: Alahady fandraisana  sady andro fandoavana adidy.
Asabotsy 12 Aprily  à 16h Antsampanahy ataon'ny Amboara any Loury (jereo ny Flyer eto ambany)

---------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------- 

Alahady 23 Mars 2014   

Alahadin'ny SA Orléans

Niisa 60 ny lehibe ary 15 ny ankizy.
Nisy ankatoka koa nandinihina ny Toe-bola 2013 ary ny Teti-bola 2014.
Rehefa fotoana toy itony moa dia ny SA (ankizy sy ny monitrices) no mitarika ny fotoana na ny hira na ny fitendrena zavamaneno ihany koa.
Nisy varotra sakafo en barquette tao aorian'ny fotoam-pivavahana ary nahafa-po ny zavabita tao fa dia hisaorana
Vaovao hafa:
Asabotsy 29 Marsa 2014: Fetimpiangonana ataon'ny Tafo Arago @ 17h 30. Tsy misy vidimpidirana fa rakitra no tatazana.Hafanain'ny sampana rehetra ao amin'ny Tafo ny fotoana.

Fotoana manaraka:(jereo ny kalandary etsy ankavananao azafady)
Alahady 30 Marsa ao @ Chapelle St Marc @ 10h 30 toa ny mahazatra.
Ho tonga hamangy antsika aty Orléans ny solontena avy ao  @ Birao Foibe.
Asabotsy 12 Aprily: Antsampanahy ataon'ny AMF Orléans etsy @ Eglise etsy Loury (12km)


Alahady 16 Mars 2014

Alahady faharoa amin'ny Karemy,
Rehefa avy nanao fianarankira 5-7 minitra teo dia natomboka ny fotoana. Hitohy izany isak'Alahady.
Niisa teo amin'ny 44 ny lehibe ary 8 ny ankizy.
Ny fampianarana tamin'izany dia tao amin'ny Matio 17 sy 2Timoty izay nanehoan'i Jesoa fa Zanak'Andriamanitra tokoa izy ary izay manaraka azy dia tapitra eo @ fahafatesana  ny fahalovana sy ny aizina rehetra.
Vaovao hafa:
-Nozaraina tamin'io fotoana io ihany koa ny "Voa" hafafy ary hamelana afaka 40 andro (Paska) ka azonao zaraina avy eo na entinao ery @ Eglise Orthodoxe (Campo Santo)  ny Alahady 20 Aprily @ 6h54mn hankalazàna ny Nitsanganan'iJesoa miaraka amin'ny fiposaky ny  masoandro.
-Tapaka tao amin'ny fivorian'ny Komity fa hisy Alakamisy Masina ka hanomboka @ 19h eto amin'ny Tafo hisy Fandraisana amin'io.
Vavaovaon'ny Sampana
Sekoly Alahady:Hatao amin'ny Alahady 23 Marsa izao Alahadin'ny Sampana :
-Hivarotra sakafo (en barquette) izy ireo ka 7€ sy 5€ no hivarotany azy.
SVK  : Efa nanomboka tamin'ny Asabotsy teo ny famolavolana ny fitsipika anatin'ny Sampana. Afaka manantona an'ny Mpiandraikitra izay liana amin'izany.
AMF : Hanomboka ny asa fitoriany eto amin'ny manodidina ny AMFO ny Asabotsy 12 Aprily etsy amin'ny Eglise etsy LOURY ary ny 27 Aprily kosa diahanao ny Alahadin'ny Sampana eto @ Chapelle St Marc ihany.

Fotoana manaraka:
Alahady 23 Marsa 2014: Alahadin'ny SA araky ny voalaza etsy ambony.
Hisy ankatoka handaniana ny Bilan 2013 amin'io fotoana io.


lundi 3 février 2014

Volana Febroary 2014

Rohy isankarazany (Liens)

Fanoroana làlana mankany @ Chapelle: tsindrio eto
Momba ny Asa ao @ Chapelle: tsindrio eto

Efa azonao jerena ato koa ny Perikopa 2014 (vakiteny isan'andro)

---------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------- 

Alahady 23 Febroary 2014

Alahady nandraisana mpivady ka i Rtoa noraisina Diakona ary Atoa noraisina Filohan'ny Sampana eto amin'ny Tafo. Nisy fandraisana Fanasan'ny Tompo tamin'io fotoana io.

Alahady 16 Febroary 2014

Vita sy tontosa soamantsara ny Alahadin'ny STK Orléans  izay nanomboka ny maraina t@ Fanompoam-pivavahana ary  narahana t@ fampianarana: fifidianana ny tena fiainana.
Ny atoandro kosa dia nanao ny fivarotana tohan'aina rizareo tamin'ny vidiny mirary.
Nony tolakandro sahabo ho tamin'ny 3 ora teo dia natao ny projection-ny film mitondra ny lohateny hoe: Difficile rédemption ary noelanelanina tamin'ny dite mafana ny fotoana ka nahafapo ireo nanatrika izany hetsika rehetra izany .
Hita ny STKO fa tsy hoe avenir-n'ny FPMAO fa efa tena FPMAO tokoa. Isaorana hatrany ny Avo. 

Alahady 02 Febroary 2014

Alahady niarahabana ireo Zokiolona eto an-toerana. Nisy fanolorana solombodiakoho tamin'izany.
Nisy zokiolona 14 no notolorana izany ary 50 teo ny mpiangona. 

Asabotsy 01 Febroary 2014

Vita soamantsara ny Choeur Uni nataon'ny FAfAts tany Villebon sur Yvette ny Asabotsy sy ny Alahady teo iny. Nisy Mpihira 100 teo no nanafàna ny fotoana tao. ary toa izay ihany koa ny isan'ny mpanotrona. Nofaranana t@ fotoampivavahana izany ny Alahady 02 Febroary maraina ihany koa.

 

Fotoana manaraka

 Alahady 23 Febroary @ 10 ora maraina (fa tsy @ 10h30 akory) ao @ Chapelle St Marc ihany.

    Andro handraisan-tànana Diakona iray sy ny Filohan'ny AMFO io andro io. 
    Fotoampivavahana arahana  Fandraisana ny fanasan'ny Tompo

 Alahady 16 Febroary 2014: Alahadin'ny STK Orléans
   maraina : -Fanompoampivavahana tarihan'ny sampana miaraka amin'ny 
                   - FIFIDIANANA NY TENA FIAINANA izany ny lohahevitra hifampianarana amin'io  fotoana io.
 Tolakandro : Hisy sarimihetsika atolotry ny STK.
Hisy tohan'aina hamidin'izy ireo amin'ny vidiny mirary aorian'ny fotoampivavahana. 
 
  Izany rehetra izany dia ao @ Chapelle St Marc 130 rue du Petit Pont 45000 Orléans.  

Alahady 09 Febroary 2014  @ 10h ao Vierzon rue Edgar Quinet :Fotoampivavahana any Vierzon, Mbola ho lazaina eto ny mombomba azy io. Hanoloran'ny faritra ny hetahetany hanorona fiarahamivavaka.

jeudi 2 janvier 2014

Volana Janoary 2014

Rohy isankarazany (Liens)

Fanoroana làlana mankany @ Chapelle: tsindrio eto
Momba ny Asa ao @ Chapelle: tsindrio eto
Antso vonjy rano vaky (Lanto): tsindrio eto
Efa azonao jerena ato koa ny Perikopa 2014 (vakiteny isan'andro)

-----------------------------------------------------------------------------------------------------------------------

Alahady, 26 Janoary 2014

Fanompoampivavahana notaritin'ny Loholona tato ampiangonana.

Fotoana sy hetsika manaraka:

Asabotsy 01 Febroary Hetsika Choeur Uni ataon'ny Faritra FAfAts misy antsika any akaikin'i Gif sur Yvette
Alahady 02 Febroary Fotoampivavahana iraisana 

Alahady 02 Febroary @ 10h30 ao @ Chapelle St Marc ihany, Hisy fiarahabana ny Zokiolona eto antoerana.

Asabotsy faha 11 Janoary 2014 

Fanompoampivavahana Iraisana FAfAts tao @ Eglise Pentemont


Fotoana manaraka:

  Alahady 19 Janoary maraina:Tsy misy fanompoampivavahana eto Orléans fa any Paris ny hariva.

 -Alahady 19 Janoary  @ 14h30  ao amin'ny Eglise Notre-Dame-des-Champs
                                        92 Bis Boulevard du Montparnasse, 75014 Paris
                      -Fotoampivavahana @ FFKM (Fiombonan'ny Fiangonana  Kristiana Malagasy)
-Asabotsy 25 Janoary Fanompoampivavahana Sampana SVK FAfAts any Cergy
                                      Famerenana hitambarana Choeur Uni FAfAts.
-Alahady 26 Janoary @ 10h30 ato @ Chapelle St Marc 130 rue du Petit Pont 45000 Orléans
Fanompoampivavahana
 - Week End 1-2 Febroary: Choeur Uni-mparitra  FAfAts Paris

Alahady faha 05 Janoary 2014

Vita soa amantsara ny fanokanana sy  fandraisan-tànana  ireo Diakona handray ny asa @ taona 2014-2015.
Ny Mpitandrina Théodore Randriamanantena no nanao fampianarana avy amin'ny teny notsoahina  t@ Asan'ny Apostoly.
Maro tokoa ny namonjy ny fotoana satria nahatratra 141 ( lehibe:122 ary ankizy:19) .
Nofaranana tamin'ny fandraisan-tànana an'ireo Diakona voatokana narahana  t@ fanalàna hetaheta sy ody ambavafo ny fotoana.

Fotoana manaraka: 

-Asabotsy 11 Janoary @ 14h30 ao @ Eglise Pentemont 106 Rue de Grenelle - PARIS 7è

                       -Fotoampivavahana taombaovao hiarahan'ny Faritanintsika (FAfAts)
  Alahady 19 Janoary maraina:Tsy misy fanompoampivavahana eto Orléans fa any Paris ny hariva.

 -Alahady 19 Janoary  @ 14h30  ao amin'ny Eglise Notre-Dame-des-Champs
                                        92 Bis Boulevard du Montparnasse, 75014 Paris
                      -Fotoampivavahana @ FFKM (Fiombonan'ny Fiangonana  Kristiana Malagasy)
-Asabotsy 25 Janoary Fanompoampivavahana Sampana SVK FAfAts any Cergy
                                      Famerenana hitambarana Choeur Uni FAfAts.
 -                    
  ------------------------------------------------------------------------------------------------------------------

Fiarahabana Krismasy 2013 sy Taombaovao 2014

"Miderà an'Andriamanitra Avo indrindra fa mandrakizay ny Famindrampony" Salamo 136, 2

Ry Havana,
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FPMA-ORLEANS, dia faly miarahaba anareo nahatratra ny Krismasy 2013 ary mirary ny Fahasoavan'i Jesoa Kristy Tompo mbola ho amin'ny tsirairay mandritry ity Taona Vaovao 2014 ity sy ny marobe manaraka.

Amin'ny anaran'ny Tafo manontolo,

Ny Mpitandrina,                                                                                     Ny Filoha
Landy Andrianavelasoa                                                                       James Focard
---------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------

Fotoana manaraka


-Alahady 05 Janoary @ 10h 30 ao @ Chapelle St Marc ihany: Fotoampivavahana

                       -Fiarahabana ny taona -vaovao 2014
                       -Fanokanana ireo Diakona vaovao ary fandraisan-tànana ny efa voatokana
                       -Hisy ody ambavafo atolotrireo nahazo fahasoavana aorian'ny fotoana.

-Asabotsy 11 Janoary @ 14h30 ao @ Eglise Pentemont 106 Rue de Grenelle - PARIS 7è

                       -Fotoampivavahana taombaovao hiarahan'ny Faritanintsika (FAfAts)

lundi 2 décembre 2013

Vaovao Desambra

Volana Desambra
Fanoroana làlana mankany @ Chapelle: tsindrio eto

Momba ny Asa ao @ Chapelle: tsindrio eto 

--------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------- 


FISAORANA atolotry ny Fianakaviana RANDRIAMANANTENA any Chateaudun 
Ry Havana malala ao amin’ny Tompo,
   "Isaorana anie ny Tompo Izay mitondra ny entan-tsika isan-andro isan-andro, eny, Andriamanitra Izay famonjena antsika.” Salamo 68.19 

Misaotra an’Andriamanitra lehibe fa noho ny Fahasoavany sy ny Famindram-pony dia afaka mampody an’Itompokovavy RAHARIMANANTSOA Jaofera Lanto sy Nhaly RAMAROZAFY any an-tanindrazana ny fianakaviana. 

Mankasitraka antsika vahoakan’Andriamanitra eto amin’ny FPMA, ny isan’ambaratonga rehetra : ny Tafo tsirairay avy, ny AMF, ny Faritany ary ny Birao Foibe; ireo Fiangonana Kristianina rahavavy, ny Association Tsimoka ary ireo rehetra tsy voatonona anarana eto nefa nandray anjara mavitrika amin’izao voina mitranga izao.
Ny Tompo manankarem-pahasoavana anie hamaly fitia anareo tsirairay avy. 
 « Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ ny anankiray amin’ ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.  »Matio 25.40

 Fandaminana
Toy izao ny fandaminana amin’ny fampodiana ny razana :
Toerana misy ny razana :
          Hôpital Victor Dupouy
          Chambre mortuaire - 69, rue du Lieutenant Colonel Prudhon - 95100 Argenteuil
LUNDI 30 décembre 2013
         8H30 : Mise en bière
         9H    : Levée des corps pour l’Eglise Protestante Unie de France de CERGY - 19, Place des Touleuses
                     95000 Cergy
       10H30 : Cérémonie religieuse

Ny nofon’izy mianaka dia hiainga ho any an-tanindrazana ny talata 31 desambra 2013 amin’ny 16h10 (aéroport Roissy Charles De Gaulle).
Manonona ny Fiadanan’ny Tompo ho amintsika tsirairay avy.
Ny Mpitandrina sy ny fiangonana FPMA ORLEANS
Ny Mpitandrina sy ny fiangonana FPMA CERGY
Ny AMF
Ny fianakaviana RANDRIAMANANTENA

Manohy ny antso "vonjy rano vaky"ny fianakaviana mba hamenoana ny fampodiana ny nofon'izy mianaka any Mskar.

Ny compte hanaovana ny virement @ ny fanampiana  dia ny compte FPMA Orléans ihany::
Etablissement 20041  Guichet 01012   N° Compte 02113739R033 Clé RIB 62
IBAN: FR35 2004 1010 1202 1373 9R03 362
BIC:  PSSTFRPPSCE 
Domiciliation: La Banque Postale- Centre Financier  45900 La Source Cedex 9
Titulaire du Compte:  Eglise Protestante Malgache en France FPMA Orléans
                                      1 rue Parisie 45000 Orléans.
ou
Chèque à établir à l'ordre de "FPMA Orléans (Lanto)"
à l'adresse:     FPMA Orléans
                 chez Mme RAZAFITRIMO
                 20 rue des Ecoles 45140 St Jean de la Ruelle.
-----------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------
Alahady 29 Desambra 2013 tany Vierzon
Nizotra soamantsara ny Culte tao @ Eglise EPUF Vierzon izay nohavaozina.   sary any @ FB.
Niisa 50 mahery teo ny vahoakan'Andriamanitra nanatrika izany ary nifarana  tamin'ny hala-hetaheta sy tsakitsaky ny fiarahana.

Alarobia 25 Desambra 2013
Nisy olona teo @ 110 teo no nanatrika ny FP Xmas teto amin'ny tafo, izany dia narahina fizarana vatomamy.
Ny fotoana manaraka izany
-Alahady 29 Desambra @ 10h30-any @ 69 rue Edgar Quinet 18100 Vierzon.Hisy fandraisana amin'io fotoana io. Izany rehetra izany dia arahina ala hetaheta avy eo.
-Alahady 05 Janoary @ 10h 30  ao @ Chapelle St Marc ihany: Fotoampivavahana
                  -Fiarahabana ny taona -vaovao 2014
                  -Fanokanana ireo Diakona vaovao  ary fandraisantànana ny efa nosorana
         Hisy ody ambavafo atolotrireo nahazo fahasoavana aorian'ny fotoana.


Alahady 22 desambra 2013
Alahadin'ny Sampana Miray:
Niisa 67 teo ny mpiangona nanatrika ny fanompoam-pivavavahana ny maraina tao @ Chapelle ary teo @100 mahery teo no tonga t@ ny hetsika nataon'ny Sampana miray ny tolakandron'iny tao @ Salle Soulas. Nafana tokoa ny fotoana t@ izany ka naharitra hatramin'ny fito ora hariva.
T@ io fotoana io ihany koa no nanolorana olona, izay nanaiky ny fiangaviana azy, ho vérificateur de comptes eto amin'ny Tafo.

Filazana Manjo: 
Ny havantsika: Lanto RAHARIMANANTSOA sy ny zanany Nhaly RAMAROZAFY 
dia nodimandry any amin'ny Ray tamin'ny zoma 13 Desambra lasa teo.
Mpandray FT teto amin'ny Tafo Orléans izy rehefa nifindra avy any @ Tafo Cergy  ary tao amin'ny Sampana AMF sy STK teto amintsika izy no naneho ny asa fanompoany ampitsikiana lalandava.
Ny nofony dia azo jerena any @ Hopital Victor DUPOUY 69 rue Col Prudhon 95100 Argenteuil.
Ny Asabotsy 21 Desambra @14h00 no hatao ny  Famangiana ny fianakaviana Randriamanantena Guy sy Nissya arapomba malagasy  any  @ 5 rue Raimbert 28200 Chateaudun.
Nanao antso "vonjy rano vaky"ny fianakaviana mba hampodiana ny nofon'izy mianaka any Mskar.


Ny compte hanaovana ny virement @ ny fanampiana  dia ny:
Etablissement 20041  Guichet 01012   N° Compte 02113739R033 Clé RIB 62
IBAN: FR35 2004 1010 1202 1373 9R03 362
BIC:  PSSTFRPPSCE 
Domiciliation: La Banque Postale- Centre Financier  45900 La Source Cedex 9
Titulaire du Compte:  Eglise Protestante Malgache en France FPMA Orléans
1 rue Parisie 45000 Orléans.
ou
Chèque à établir à l'ordre de "FPMA Orléans (Lanto)"
à l'adresse:     FPMA Orléans
                 chez Mme RAZAFITRIMO
                 20 rue des Ecoles 45140 St Jean de la Ruelle.

Alahady 15 Desambra 2013
Nisy Fandraisana ny Fanasan'ny Tompo.
Nisy olona 47 no nanatrika ny fotoana tamin'io.
Tamin'ny vaovao kosa no nitanisana ny setry ny fivorian'ny Komity natao ny omaly14 Desambra 2013:
1- Ny Asabotsy 21 Desambra ao @ Salle Soulas @15h30(aorian'ny famangiana): Famerenana hataon'ny Sampana Sekoly Alahady.
                                       ary ao @ Chapelle St Marc @ 15h30: ny Sampana hafa rehetra.
2-Ny Alahady 22 Desambra 2013 Culte ao @ Chapelle St Marc @ 10h30 ka rehefa mirava avy eo (12h15) dia samy mandeha any @ Salle Soulas (1 rueParisie) daholo hanao ny sakafompirahalahiana fanao isantaona (samy mitondra ny azy miampy kely) ary ny tolakandro no hanaovana ny Sampana miray ny fampisehoany.
3-Hanokatra kaonty "Vonjy rano vaky" ny Tafo hikarakarana ny fampodiana ny nofon'i Tpkv Lanto any antanindrazana.
4-Ny Alahady 02 Febroary no hanaovana ny Alahadin'ny Mpitandrina.

Alahady 01 Desambra 2013

Vita soa amantsara ny fanompoam-pivavahana Fiderana @ ny nahazoana ny Trano Fiangonana eto @ Chapelle St Marc.
Nisy olona sahabo ho 100 teo no tao. Tonga tao na ny mpanao gazety (La Rép...) na ny solontenan'ny manam-pahefana sivily sy relijiozy Frantsay sasany eto an-toerana. Fisaorana no atolotra azy ireo @ izany.
Isaorana ihany koa anefa ireo Mpiangona na ny avy any ivelany (maintimolaly)  na ny avy eto an-toerana tonga nanotrona iny fotoana iny. Tsy dia lavitra loatra t@ izy ireo ny toerana satria nataony ampitiavana. Tsy nisy solontena kosa  na ny Faritany na ny Foibe.

Ny Fotoana manaraka amin'ity volana Desambra ity ity:
Alahady 15 Desambra @ 10h30 ao @ Chapelle St Marc/ Alahady fahatelo izay hanaovana fampianarana toa ny mahazatra.
Alahady 15 Desambra @ 17h00 ao @ EPUF (ERF) Orléans: Krismasy EPUF ka andraisan'ny SA an'i FPMAO anjara.
Alakamisy 19 Desambra @ 19h00 ao @ Centre Oecuminique etsy La  Source :                                                             -Fivavahana iraisampinoana.
Alahady 22 Desambra @ 10h30 ao @ Chapelle St Marc ihany ka ny tontolon'ny andro:
                                                       -Krismasin'ny Sampana
Aorian'ny Culte izany dia hiara hisakafo ao amin'ny Chapelle daholo ny rehetra ka samy mitondra ny sakafony ampitomboina kely avy ho zaraina. Aorian'ny sakafo atoandro kosa dia hanao ny fampisehoany ny  Sampana velona rehetra eto @ Tafo, izany hoe ny tolakandro manontolo..

Alarobia 25 Desambra:@ 10h30 ao @ Chapelle St Marc:
                                                    -Fankalazana ny nahatongavan'ny Mpamonjy (Noely)
Alahady 29 Desambra @ 10h30: Alahady fahadimy izay hatao any VIERZON amin'ity.

lundi 7 octobre 2013

Vaovao Oktobra

Volana Oktobra
Fanoroana làlana mankany @ Chapelle: tsindrio eto
Momba ny Asa ao @ Chapelle: tsindrio eto

Alahady 27 Oktobra 2013
Niroso tsara ny fotoana t@ Alahady teo, ny teny nahazoana fampianarana moa dia ny tao @ Lioka 18-9: "Ny fanoharana tamin'ny sasany izay matoky tena ho marina"
Alahady fahefatra moa io dia nisy ny fianarana SA ny hariva ary natao tamin'ny hariva koa ny fivorian'ny STK voalohany. Tao ihany rizareo dia nahatsangana ny Biraony izay ho lazaina amintsika eto rehefa avy atolotra eo @ Vahoaka an'Andriamanitra. Hita izany fa manampy hatrany  ny asan'ny Fanahy Masina.
Nisy olona 50  teo ihany no tao. Nisy koa fandraisana tanora vao tonga iray.
Ny asa ao @ Chapelle dia efa mitsangana kely ihany ny Lakozia nisakafoanan'ny SA tao.

Ny fotoana manaraka:
Asabotsy 02 sy Alahady 03 Novambra 2013: Zaikabe Nasionaly any Masseube.
Hiainga maraina be @ 4h sy 5h ny mpizaika ka efa vita ny fizarana @ fiara: aza adino ny ondana sy ny firakotra ary ny T-Shirt maitso an'ny FAfAts.Hisy olona 18 ny FPMAO ny ho any.
Asabotsy 16 Novambra 14h30: Fihofanan'ny Diakona sy Fivorian'ny Komity.
Alahady 17 Novambra 10h30: Alahady  fahatelo, Alahady hisy fampianarana.



Alahady 20 Oktobra 2013
Nisy 50 mahery no tonga nanatrika ny fampianarana nalaina avy @ Lioka 18:1-8:"Fanoharana ny @ ilay mpitondratena nahery nangataka"
Natolotra  tamin'io ihany koa  ny Diakona 12 voafidy tamin'ny heriny ary nanaovana tsangantànana teo koa ny fifidianana an'Atoa Focard James ho Loholona eto amin'ny Fiangonana.
Ny Birao moa dia ho fantantsika miandàlana eto ihany.
Teo @ vaovaom-piangonana moa dia ny fanomanana ny 23Nov sy ny 01 Desambra no tena ventindresaka.Voatanisa tao kosa anefa ny Fiofanan'ny Diakona  sy ny Xmas miaraka amin'ny EPUF ny 15 Desambra @ 17h ary koa ny Xmas Sampana hatao ny 22 Desambra tontolon'ny andro.
Asabotsy 23 Nov- 3 o.h ao amin'ny Salle Soulas: hetsika ho fanampiana amin'ny Trano Fiangonana.
Alahady 1er Desmbra: Culte Fiderana amin'ny nahazoana ny Trano Fiangonana. Hanasàna ny Tafo rahavavy vazaha eto antoerana sy ny Tafo Malagasy  eto @ FAfAts ary ireo Pst nitandrina teto amintsika.

 Ny Fiangonana manaraka dia ny Alahady 27 Oktobra @10h30



Alahady 06 Oktobra 2013:
Vita soamantsara Fananterambokatra sy ny Fifidianana Diakona t@ Alahady faha 06 Oktobra ka isaorana ny Avo nahazo ireo izay tonga ka naharitra hatramin'ny farany.
Atsy @  FaceBook-n'ny FPMAO  no hahitanao ny sary sy ny valin'ny Fifidianana  t@ izany.
Ho hitantsika ato @ site amin'ny manaraka ny Diakona voafidy.
Nisy olona 80 mahery teo no tonga.

Ny Fiangonana manaraka dia ny Alahady 20 Oktobra: Hisy Fampianarana Soratra Masina amin'io.
Io andro io ihany koa no hanolorana ireo Diakona voafidy t@ 06 Oktobra.

lundi 26 août 2013

Volana Aogositra - Septambra

zany.Volana Aogositra- Septambra

 Fanoroana làlana : tsindrio eto.

Fampatsiahivana: 

-Alahady 06 Oktobra : VOKATRA (Valopy) dingana II
Fifidianana Diakona eto @ FPMA Orléans. Hangatahana ireo hilatsaka ho fidiana mba hilaza mialoha any @ Mpitandrina na Filoha na Birao.

-Asabotsy 05 Oktobra 2013: Vokatra Tafo Fihobiana: Manasa antsika hanatrika izany fetim-piangonan'ny Tafo rahavavy izany. Ny sandan'ny Billet roa no raisin'ny Tafo Orléans @ izany.


-ZKB Nasionaly - Masseube (32 Le Gers) ny 1-2-3  Novambra  (tsindrio eto ny rohy):
 Ny fisoratana anarana dia azonao atao any @ Filohan'ny Tafo hatramin'ny 06 Oktobra raha tara. Tsy misy inscription individuelle.
-Aza adino ny fisoratana anarana any @ PEF Protestants en Fête ho @ 27-28-29 Septambra
- Asa Trano Fiangonana: jereo ny rohy

Ny Fotoana manaraka dia ny Alahady 06 Oktobra ao @ Chapelle @10 h30, hisy
                            -Fananteram-bokatra (valopy) dingana II
                            -Fampianarana KT sy Post- KT hanomboka @ 9h15
                            -Fandraisana Fanasan'ny Tompo
                            -Fifidianana Diakona
                   
ny alohan'io (29 Septambra) dia any @ Preotestants en Fête (Jereo etsy ambony)


Alahady 22 Septembre  : Nisy ankatoka na fanomanampanahy.
Fanomanana ny vokatra dingana II.Nolazaina tao ny momban'ny fifidianana, Zaikabe Nasionaly .
Alahady fahefatra ka ny hariva no fianarana Sekoly Alahady ho an'ny ankizy.
Nisy olona 60 ny Mpiangona tao.
Alahady 15 Septambra:Nanomboka  io Alahady io ny fampianarana ny KT sy ny Post-KT t@ 9h30 ary kasaina hatao isaky ny misy fotoampivavahana.
Novoriana ny raiamandrenin'ny ao @ SA taorian'ny Fiangonana .Niisa 60 mahery ny Mpiangona tao.
 Ny havantsika Claude Raharijaona dia namoy ny zokiny  Henri Raharijaona  Ambassadeur Malagasy teto Frantsa teo aloha, ho lazaina eto ihany ny hamangiana ny fianakaviana.

Alahady 01 Septambra: Hazontsika henoina ao @ Radio Vatsy ny fotoampivavahana tamin'io.
Nisy olona 60 mahery no nanatrika ny fametrahana ny Pst Landy Rajoharison Andrianavelasoa teto @ Tafo Orléans, ny sakafom-panahy t@ izany dia ny Pst Emma Andrianandrasana no nanantontosa azy.

Alahady 25 Aogositra: Nisy 40 mahery  ny  nanatrika ny Fotoampivavahana  teo.
Fotoana notarihan'ny Pst Landy Andrianavelasoa izay voatendry hitandrina ny Tafo FPMAOrléans mandritra ny roa taona: mirary ny soa rehetra ho azy sy ny ankohonany eo @ Asa fanompoana.
  Tamin'ny raharaha kosa dia namerina ny fiantsoana @:
     - fisoratana anarana (individuel) @ Protestantes en Fête hatao ny 27-28-29 Septambra any Paris-Bercy ny FPMA Orléans. Ity mbola ny  rohy amin'izany. Hazoanao hanararaotana ny fistidihana ny kianja Bercy koa io fotoana  io.
 
  -asa fanadiovana ny Trano Fiangonana (Chapelle) aloha sy aorian'ny Culte Alahady, ka antsoina izay afaka hanome tànana ireo Sampana tompon'anjara amin'izany.
  -Famangiana ny Fianakavian'i Rakotomanga Harilala namoy ny rainy.

Ny fotoana  manaraka dia ny  Alahady 01 Septambra ho avy  izao: Hisy Fandraisana FT, Fizarana ny valopy adidy. Jereo ny Kalandary etsy @ ankavanana

mardi 11 juin 2013

Volana Jona


Tsidiho matetika ny FaceBook-n'ny FPMA Orléans hahitanao sary sy zavatra hafa.

Alahady 07  Jolay @ 10h30: Alahady famaranana ny Taompianarana 2012-2013 ao @ Chapelle St Marc. Hisy Fandraisana toa ny alahady voalohany amin'io.

Alahady 30 Jona  @ 10h : Fanompoam-pivavahana  any Montagis @ity Alahady fahadimy ity.
Ny adiresy any  Montargis :EPUF (ERF taloha) 7 Villa Bellevue, Montargis

Chapelle :Efa vita izao ny rindrina ao @ trano fidiovana ka manetsika ireo afaka manao ny carrelages

Alahady 23 Jona atoandro 12h30 Barbecue etsy Marcilly en Villette  Avy ao @ RPO dia hisy fiarahana  fitonoana   ataontsika FPMAO.

Alahady 23 Jona @ 10h30: Culte RPO(Réunions des Protestants Orléanais )-  ao @ Salle des Fêtes  St Jean de la Ruelle, fiaraha mivavaka fanaontsika isan-taona miaraka amin'ireo Fiangonana rahavavy eto Orléans.

Vita soa amantsara ny fananterambokatra teto Orléans t@ Asabotsy teo ka isaorana ireo tonga nanonotrona sy nikarakara na ny avy lavitra na ny eto antoerana.
Nafinaritra ny fiarahana ka isaoran an' Andriamanitra hatrany.

Isaorana ireo solontenantsika tany @ sampana SZM t@ Asabotsy 8 Jona lasa teo.

Vokatra Orléans : 15 Jona @ 3,5o.h.(15h30) ao @ Salle Cigogne Olivet: Vakio ny Flyer hahitanao ny réservation sy ny adiresy.


Paf 25€ Adulte & 12€ Etudiants et Enfant

Fihaonana SZM Nasionaly: 08 Jona 2013 @ 9h any Le Rocheton 77000. Efa tonga daholo izao ny commande-n'ny Tiona Solfège ka azo alefa ny Chèques.
Vokatra Melun : 01 Jona ao @ Le Rocheton 77000

Fiangonana manaraka Alahady 02 Jona @ 10h30 ao @ Chapelle St Marc: Alahady voalohan'ny volana hisy fandraisana sy fanefàna ny adidy.
Fisoratana anarana amin'ny Fandraisana anjara @ vokatra 15 Jona.

samedi 4 mai 2013

Volana Mey

Fampatsiahivana (Rappel)

Lasimpiangonana: 29 -30 Jona 2013 etsy la Brossette ny Asabotsy hariva sy fampianarana ny Alahady @ 9o.m-10o.m  ary ny fanompoampivavahana sy sakafo any Montagis ny Alahady @ 11o.m.  20€ ny Paf @ izany lasy izany 10€ raha tsy matory.
Vokatra Orléans : 15 Jona @ 3,5o.h.(15h30) ao @ Salle Cigogne Olivet


Paf 25€ Adulte & 12€ Etudiants et Enfant

Fihaonana SZM Nasionaly: 08 Jona 2013 @ 9h any Le Rocheton 77000. Efa tonga daholo izao ny commande-n'ny Tiona Solfège ka azo alefa ny Chèques.
Vokatra Melun : 01 Jona ao @ Le Rocheton 77000

Fiangonana manaraka Alahady 02 Jona @ 10h30 ao @ Chapelle St Marc: Alahady voalohan'ny volana hisy fandraisana sy fanefàna ny adidy.
Fisoratana anarana amin'ny Fandraisana anjara @ vokatra 15 Jona.

Alahady 26 Mey tao @ Chapelle St Marc: Alahadin'ny Sampana AMF Orléans, nisy mpikambana AMF avy @ Tafo samihafa eto @ FAfAts no tonga nanatrika izany ka niarahana nanao ny toriteny an-kira.

Asabotsy 25 Mey tao @ Salle Soulas: Takarivan'ny AMF eto Orléans. Nisy Antsampanahy sy korana natao tao @ Salle Soulas.

Zoma 24 Mey: nahazo ny mailaka fampandrenesana momba izany ny Komitin'ny Tafo.

Atalata 21 Mey: Nametraka ny fialàny, tsy hiandry ny ondry eto Orléans, any @ Birao Foibe sy ny FMM (Fiaraha Miasan'ny Mpitandrina) ny Mpandrindra teto amin'ny Tafo Orléans.
Jesoa Kristy irery tokoa no lohan'ny Fiangonana sy azo hiankinana.

Fiangonana manaraka Alahady 26 Mey @ 10h30 ao @ Chapelle St Marc: Alahadin'ny Sampana AMF.

Alahady 19 Mey: Ny Fiangonana manararaka dia ny andro Pentekosta ao @
Fiangonana Adventiste 5 rue du 19  Mars 1962 45800 St Jean de Braye,
 hisy fandraisana ny 12 mianadahy amin'izany miaraka amin'ny Batisa 7.
Nisy olona 230 no tonga tao tamin'io.

Hafatra Pastoraly : Pentekosta

Asabotsy 18 Mey : Fivorian'ny Komity miraka @ fandalovan'ny BF eto maintsika.

Alatsinainy 13 Mey: no lasa ilay meuble be tao ampiangonana.

Alahady 05 Mey :Araky ny voalaza dia ny volana Mey isika no hanao Fotoampivavahana voalohany ao @ Chapelle St Marc FPMAOrléans.
Ny votoatin'ny teny tamin'izany dia ny hoe: "Aza ny fomba aman-panao no andrasanao vao hidera an'i Kristy ianao"
Nisy olona 94 teo no tonga tao ka lehibe:77 ary ankizy:17. 

Nanomboka teo izany dia ato @ ity Chapelle ity daholo no hanaovana ny fivoriana rehetra ataon'ny FPMA Orléans.
Izany dia natomboky ny Komity t@ Zoma 03 Mey teo ary narahan'ny AMF ny Asabotsy 04 Mey.

T@ 1er Mey teo izany no nilofosan'ny rehetra (nisy olona 24 no tonga nifanjevo tao) nanao ny fanadiovana rindrina ary dia "tonga tokoa dia nazava"....

jeudi 4 avril 2013

Volana Aprily ;ny fiangonana " vaovao"

 Jereo ny rohy  Chapelle(Asa) na ny rohy Chapelle (entimanana)
Sary hafa

Alahady 05 Mey @ 10h45: Hiriana ny hiangonana sy handraisana ny  Fanasan'ny Tompo voalohany any @ Chapelle St Marc. 

28 Aprily @ 10h45 (maraina):Fiangonana manaraka ao @ Chapelle St François etsy St Jean de Braye.
27 Aprily @ 15h30 : Thé-concert hataon'ireo zanantsika ao @ Salle Soulas.

Alarobia 23 Aprily @ 20h30  ho avy izao no hatao ao @ Chapelle St Marc en Conf Téléphonique ny fampianarana SAP

21 Aprily: Tonga teto ny PS nisolo ny Pst Mpandrindra ary nanao ny fotoampivavahana tao @ ERF.

20 Aprily: Vita soa amantsara ny porte ouverte natao tao @ Chapelle, nisy olona sahabo ho 50 teo no tao niaraka t@ ireo mpanakanto eto antoerana.

19 Aprily: Aza adino ny Portes ouvertes  anasana anao @ 20 Aprily aorian'ny @ 5o.h. mba hahitanao ny toerana ka hanoloranao ny famporisihana rehetra na arabola na arabatana na aratsaina.

18 Aprily -20 Aprily :Isaky ny tolakandro @ 3 1/2 o.h dia misy olona ao amin'ny Chapelle

17 Aprily: Voadion'ny SVK ny rindrina ary voalahatra ny dabilio amin'ny ilany. Efa voaala avokoa ny rideaux.
13 Aprily: Voatambatra sy mijoro daholo ny Dabilio 21 ao @ Chapelle. 
08 Aprily :Efa tonga ao izao ny Dabilio 5_places sy 7_Places ka 9 ............... tohiny

04 Aprily:Sarin'ilay Chapelle avy ao anatiny.

Alohan'ny travaux. (sary anankiefatra)
Fandrosoan'ny asa :
2013-03-30
2013-04-01

01 Aprily :-Hitanao atsy amin'ity rohy ity kosa ny Planning sy izay azonao hirotsahana.

-Vous verrez dans ce lien le Planning des travaux(en malgache) qui n'attend que vous selon  votre convenance.

mercredi 6 mars 2013

Vaovao volana Marsa

-Navoaka ho vakianao ny Ran'i Kristy izay mety amin'izao andro Paska izao.

-Isaky ny hariva  sy ny WE tontolo ka hanomboka @ Zoma 15 Marsa hariva ho avy izao @ 17h  dia:                         - Miandry anao hifanampy @ asa etsy @ Chapelle Barrière St Marc 131 ter Rue du Petit Pont 45000 Orléans. Antsoy mialoha ireo mpiandraikitra ao @Birao.



-En fin d'après midi et tous les WE à partir de Vendredi 15 Mars à 17h on demande "des" coups de main et de....  de tous pour les travaux sur notre "Nouveau local". Appeler les Birao avant.



-Antsoina ireo izay te hamonjy ny Zaikabem-paritany any Jambville ny 13-14 Aprily 2013  hisoratra anarana alohan'ny Asabotsy 16 Marsa (dernier délai) ho avy izao any @ Biraon'ny Tafo: James na Liva na Vola na ny hafa koa.


-Planning de la journée du Dimanche 17 Mars pour Bourges 7 rue de la Chaume 18000 Asnières les Bourges

 9h30 : RDV et Départ du CC 2002 à La Source
11h07 : Préparations de la salle
12h : Déjeuner + Animations (chants de nos "Mpanakanto")
Participation libre pour le repas ("izay sitrakao omena")
14h-15h : Cours de KT + animations libres pour le reste des participants
15h-16h30 : Culte -rakitra indroa ho fanangonana amin'ny Trano Fiangonana: Chapelle Brr
18h : Retour au CC 2002 pour récupérer les voitures.

-Nivoaka hitanao ato  ny Edito 6


-Raha tapaka farany teo fa handray ny Trano Fiangonana (Chapelle Barrière St Marc) isika ,ka isaorana hatrany ny Avo izany, dia tsiahivina ny asa miandry amin'izany,
Ka ireto aloha ny voalohany:
-Electricité: installation et mise aux normes
-Fanadiovana ny trano: Fanariana ny tsy ilaina any @ Déchetterie, mila fiara misy remorque io.
-Famenoana ny Fitaovana : Dabilio, Seza sy ny Kojakojany izay ilàna fitaterana ihany koa.

Koa angatahana izay afaka manome  hery, fotoana, fahalalàna  ary fitaovana ho amin'izany mba hiteny amin'ireo mpiandraikitra, na Birao na Komity izay hitanao. Fa soroka miara-milanja no atao.

Ireto manaraka anefa dia azo atao dieny izao ihany koa:
-Fampidirana rano
fa -Fananganana ny Toilettes.

-Fiangonana manaraka 17 Marsa, any Bourges 7 rue de la Chaume 18000 Asnières les Bourge koa asaina isika hifanao fotoana etsy @ CC 2002 @ 9h30 ka mba hamonjy ny @ 12h00 any. Ny sakafo amin'izany dia fandraisana anjara na rakitra no atao fa tsy misy fixe akory(libre participation).
Ny Cathé no hanomboka @ 2ora ary ny Fiangonana @ 3 ora hariva.

-Tsy notapahana t@ Fivoriana 24 Feb fa hatao @ 03 Marsa ny handraisana na tsia ny Chapelle Barrière St Marc. Lany tao fa ireo tsy afaka ho tonga ny 03 Marsa, hanome ny safidiny, dia afaka manao izany par internet.

-Nivoaka ny Anjarasoa 6

-Hitanao io izao fa nivoaka ny rubrique vaovao  ao "Fampianarana/Enseignements".