Menu

Affichage des articles dont le libellé est Actu. Afficher tous les articles
Affichage des articles dont le libellé est Actu. Afficher tous les articles

mardi 2 janvier 2018

Volana Janoary 2018

Rojombavaka miaraka amin'ny Pst Joseph Rakotoarimanana.

Isaky ny Zoma alina @ 20h30 hatr@ 21h:
Tel n° 01.80.14.06.90    code 265 821 #


Taombaovao FAfAts




ALAHADY 07 Janoary 2018

Fotoana hiarahana miarahaba ny taona eto amin'ny Tafo Orléans- Hisy FFT.

mardi 12 décembre 2017

Volana Desambra 2017

Rojombavaka miaraka amin'ny Pst Joseph Rakotoarimanana.

Isaky ny Zoma alina @ 20h30 hatr@ 21h:
Tel n° 01.80.14.06.90    code 265 821 #

KRISMASY 25 Desambra @ 10h maraina

ao @ Eglise Sainte Jeanne d'Arc: Bvd Guy Marie Riobé (pour stationnement) na 1 rue Verte (presbytère) 
Ho fankalazana ny Noely eto amin'ny Tafo 

Fiangonana manaraka: Alahady 31 Desambra @10h30 ao @ Chapelle St Marc ihany.

jeudi 21 décembre 2017 à 20h30 au centre oecuménique

28 rue Henri Troyat 45100 Orléans la Source.


Alahady 17 Desambra 2017 @ 10h30 eto amin'ny Chapelle

Alahady fandraisana
Hisy fivorian'ny Komity (tsy ara-potoana)
Nivory  ireo STK dia nanao ny Dimanche Raclette.

Fiangonana manaraka  ny Alatsinainy 25 Desambra : Noely

TSY HISY Fiangonana ny Alahady 24 Desambra.

Krismasin'ny Sampana: 16 Desambra 2017 @ 16h.


Hatao ao @ Chapelle St Marc manomboka amin'ny 16h. 
       Sampana SVK -STK-AMF -SA.

Hisy fiaraha misakafo aorian'ny fotoana ka samy mitondra ny anjarany ka ny eo no hifampizarana.



Alahady 03 Desambra 2017: Fifidianana Diakona 


Natrehan'ireo FAfAts: Olitiana Andrianony sy ny BF: Rado Ramarotafika.

Olona 12 no nofidiana ary 47 ny Mpifidy tonga. Ny mihoatra ny 65 taona tsy tokony fidiana Diakona.

Fihaonana manaraka Asabotsy 16 Desambra 2017
Fiangonana manaraka Alahady 17 Desambra 2017

samedi 4 novembre 2017

Volana Novambra 2017





Fihaonana lehibe eto @ FPMA: Jereo ny kalandary etsy ankavanana.

Hetsika "SAMPANA MIRAY":

 Asabotsy 11 Novambra 2017 @15h30-Rindrankira-Antsampanahy-Dihy- ataon'ireo sampana 5 (SA-STK-AMF-SVK-SZM) eto amin'ny Tafo Orléans. Hisy collation aorian'ny fampisehoana.

ZAIKABE FPMA any Quetigny ny Zoma 03 Novambra-Sabotsy 04 Novambra ary ny Alahady 05 Novambra 2017/. 


Fiangonana manaraka eto Orléans:

Alahdy 19 Novambra 2017@ 10h30: Alahadin'ny Sampana Zava-Maneno (SZM Orléans)
Alahady 05 Novambra 2017 @ 10h30 ao @ Chapelle St Marc:

mardi 11 juillet 2017

Volana JOLAY-AOGOSITRA

Rohy isankarazany
EFA AZONAO JERENA ATO KOA NY PERIKOPA 2017 (VAKITENY ISAN'ANDro
Fampianarana ( Ny asa fanompoan'ny Diakona)


Fotoana manaraka:
Alahady 30 Jolay 2017 ao @ Chapelle St Marc @10h30.
Alahady 27 Aogos 2017 ao amin'ny Chapelle toy ny mahazatra.
Alahady 03 Septambra  Alahady fanombohan'ny Taom-pianarana 2017-2018.

Ny WE 16-17 Septambra 2017: Lasim-piangonana
 any IGNY 77210 Lycée St Nicolas 10 Av du Gal de Division Leclerc

Fisoratana anarana : [email protected]

Thèmes
-Inona no hataonao mihoatra nohon’ ny sasany Mat  5 :47-48 (débat)
- Inona no hahatamàna ny Mpiangona eto amin’ny FPMA. (Fidélisation des paroissiens ).
-Ny anjara sy adidy an’ny MFT (Mpandray ny Fanasan’ny Tompo)
   -SA : Témoignage, perspective d'avenir
   -Stk: Aspect critique d'aujourd'hui . Le renouveau du Stk.
   -SVK : Femmes vis à vis de l'église suivant le christianisme, responsabilité et activités prometteuses des femmes pour l'église.
  -SZM Animations Musicales pendant l'Office dominicale. Manifestations paroissiales.
Asiana thème koa ataon’ireo dokotera .

ALAHADY 30 Jolay: Fanompoampivavahana t@10h30 nisy fanomanam-panahy amin'ny FFT 

ALAHADY 16 Jolay: Fanompoampivavahana @10H30 misy Fandraisana ny Fanasan'ny Tompo (FFT)ihany koa 
Hanolorana ny fotoana manaraka izay hatao ny 30 Jolay fa tsy ny 23 akory satria lasa mizaika ireo Pst.
Amin'io andro ihany koa no hanangonana ny valopy ho famangiana an'i Loty vadin'i Poly izay halevina ny Alatsinainy 17 Jolay any Moret.


ALAHADY 09 Jolay: Fiangonana tany Fihobiana (Rue Madame) ho famangiana ny Pst Zaranaina  t@ namohizany ny zanany. 
Avy eo koa moa dia nisy ny famangiana natao tany Moret/loing momba an'i RAKOTOZAFY Paul vadin'i Mihanta (Loty). Ny fandevenana azy indray dia ny Alatsinainy 17 Jolay 2017 @ 14h ihany any Fontainebleau dia avy eo halevina any Moret indray.


ALAHADY 02 Jolay: Famaranana ny fihaonan'ny STK tany IGNY (77). 

Tany Igny jiaby no natao ny fotoana rehetra teto amin'ny FAfAts  tamin'io andro io.




lundi 10 avril 2017

Volana APRILY 2017

Rohy isankarazany (Liens)
EFA AZONAO JERENA ATO KOA NY PERIKOPA 2017 (VAKITENY ISAN'ANDro
Fampianarana ( Ny asa fanompoan'ny Diakona)
Edito (Missiologie)
ALAHADY 02 Aprily 2017
Alahady voalohany amin'ny volana ka hisy Fandraisana Fanasan'ny Tompo (FFT) toy ny mahazatra ary koa alahady fandoavana ny adidi'ny Mpandray.
Niisa 58 ny lehibe ary 8 ny ankizy
Vaovaompiangonana:
Sampana AMF Chorale- Amboara: Hanao hetsika konseritra ara mozika sy Kalo fiderana ny Sampana ny Asabotsy 15 Aprily hanomboka @ 17h, ny tanataran'i Jesoa no toriana amin'izany:  "Ny niakarany tany Jerosalema sy ny nanombohana azy". Jereo ny Flyer mipetraka etsy ambony.
Ny famerenana moa dia efa nisy hatramin'izay ny Asabotsy sy Alahady fa ny manaraka indray kosa dia hatao ny Alahady 02 Aprily hariva @ 14h any amin'ny tokatranon'i Rindra mianakavy. Ny manaraka indray dia eto amin'ny Chapelle ny Asabotsy 09 Aprily 14h-16h indray ary ny tohiny dia ny Alahady 09 Aprily @14h -18h indray ihany koa. 
Tohizana ny Zoma 14 Aprily @ 17h-18h30 indray ny famerenana ka ny famerenambe dia ny Asabotsy 15 Aprily @14h alohan'ny fampisehoana.  
Sekoly Alahady: Tsy hisy fianarana ho an'ny SA amin'ny  Alahady Paska sy ny Alahady 23 Aprily.

lundi 27 mars 2017

VOLANA MARSA 2017

Rohy isankarazany (Liens)

EFA AZONAO JERENA ATO KOA NY PERIKOPA 2017 (VAKITENY ISAN'ANDro
Fampianarana ( Ny asa fanompoan'ny Diakona)
Edito (Missiologie)




Alahady 26 Marsa 2017

Alahady fahefatra alohan'ny Karemy ary Alahady hanaovana ny fanomanam-panahy ho amin'ny Alahady FFT ho avy izao. 
Ity andro ity ihany koa araky ny voalaza iray volana lasa izay no handaniana ny teti-bola 2017 sy ny toe-bola 2016. 
Niisa 57 ny lehibe ary 15 ny Ankizy.
Vaovaom-piangonana:
Sampana AMF : Manao ny famerenana (répétition) toy ny fanaony ny Aalahdy hariva. Ny fotoana famerenana manaraka dia ny Asabotsy 01 Aprily @13h à 15h; mbola hisy ny handeha hamojy any @ fetimpiangonan'i Arago @ 17h. 


Alahady 19 Marsa 2017


Alahady natokana ho Alahadin'ny SVK satria alahady fiangonana tao aorian'ny 08 Marsa andro natokana ho an'ny vehivavy eran-tany.
Ny Filohan'ny SVK Rtoa Ramananjo Sylvie no nitarika ny fotoana ary ny Mpitandrina Joseph Rakotoarimanana ihany no nitondra ny tenin'Andriamanitra tamin'io fotoana io.
Taorian'ny fotoampivavahana moa dia nisy ny varotra laoka araka izay efa voalaza (ravitoto; canard à l'orange;) sns...
Niisa Fitopolo mahery ny olona
Vaovaom-piangonana:
Sampana STK: Dia hanao ny fihaonany sy fiarahana hisakafo toy ny fanaony isaky ny Alahady fahatelo.
Sampana AMF Amboara: Hanao ny famerenana ny hetsika hasehony ny Asabotsy 15 Aprily, isaky ny Asabotsy atoandro @ 16h sy ny Alahady tolakandro aorian'ny 14h1/2.  
Sampana SA

Alahady 05 Marsa 2017

Alahady voalohany amin'ny volana nefa kosa natokana ho Alahadin'ny Mpitandrina eto @ Tafo dia ny Pstora Joseph Rakotoarimanana. Ny Mpitandrina Jacky Randriambololona Mpandrindra ny faritany FAfAts no nitarika sy nitoriteny.
Niisa valopolo mahery ny Mpiangona tamin'io.
Nisy fiaraha-misakafo tamin'i Pastera sy ny vahoakan'Andriamanitra eto @Tafo Orléans tami'io andro io. 
Tamin'io ihany kosa anefa dia nisy ny fivorian'ny Biraom-piangonana nanaovana ny famolavolana izay ho Tanisa Dinika entina any amin'ny fivoriana ara-potoanan'ny Komity ny Asabotsy18 Marsa 2017.

Vaovaom-piangonana:
Vaoavao teto antoerana: Noraisin-tànana tato ampiangonana ny mpivady vao (Harilala sy) izay avy notsofin-drano ny omalin'io  04 Marsa 2017.
Alahady manaraka:
Alahady 19 Marsa natokana ho an' ny SVK Orléans. Hisy varotra barquettes  sy tsakitsaky amin'io andro io amin'ny vidiny mirary: 5€ laoka ary 2€ ny tsaky.
Alahady 26 Marsa: Hanaovana ny Ankatoka izay hanolorana sy fandaniana ny toebola 2016 sy ny teti-bola 2017. 

mercredi 8 février 2017

Volana FEBROARY 2017

Rohy isankarazany (Liens)


FANOROANA Lalana MANKANY @ CHAPELLE: TSINDRIO ETO

MOMBA NY ASA AO @ CHAPELLE: TSINDRIO ETO

EFA AZONAO JERENA ATO KOA NY PERIKOPA 2017 (VAKITENY ISAN'ANDro

Fanolorana
Fampianarana ( Ny asa fanompoan'ny Diakona)
Edito (Missiologie)


vakiteny androany:  Pericope du jour  
vakiteny malagasy  <script src="http://katolika.org/katolika/vakiteny/androany/js">script> 




- samedi 25 fevrier : concert SA avec la participation d'une jeune artiste malgache Ludysoa à la Chapelle Saint Marc : PAF 10e adulte ; 5e enfant jusqu'à 10 ans

                              vente de barquettes vary aminana 5e après le concert

- dimanche 26 fevrier : culte SA + vente de gateaux 2e

Alahady 05 Febroary 2017: Alahady voalohany amin'ny volana sady misy FFTompo.


Niisa 74 teo ny Mpiangona nanatrika ny fotoana.
Natolotra ny fisaorana ireo nifanampy t@ fandraisana ny SVKO ny Asabotsy 04 Febroary farany teo. 

Vaovaom-piangonana:

SVK Orléans:Natao tato @ Chapelle ny Asabotsy 04 Febroary t@ 10h-15h ny fivoriamben'ny SVK FAfAts izay nanolorana ny solombodiakoho ho an'ireo zokiolona ao amin'ny Sampana ihany koa. Natao tamin'io ihany koa ny fandinihana ny raharaha samihafa eo @ Sampana.Natolotra ny fisaorana ireo nifanampy t@ fandraisana ny SVK FAfAts t@ ny Asabotsy farany teo. Nosoritanan manokana ny mpitendry.


SA Orléans: Hanomana ny Alahadiny izay hatao ny 25 Febroary 2017. Hisy famerenana hatao ny 12 Febroary araky ny programa efa naroso. (Jereo ny Flyer etsy ambony).

STK Orléans: Mitrandraka ny ho fanomanana ny RNSTK hatao etsy Athis Mons ny STK ka mitady ny hametrahana ny fitoana hitadiavany ny sarampilasiana any. 

jeudi 5 janvier 2017

Volana JANOARY 2017

Rohy isankarazany (Liens)

FANOROANA Lalana MANKANY @ CHAPELLE: TSINDRIO ETO
MOMBA NY ASA AO @ CHAPELLE: TSINDRIO ETO
EFA AZONAO JERENA ATO KOA NY PERIKOPA 2017 (VAKITENY ISAN'ANDro)


Faly manolotra arahaba ny tsirairay nahatratra ny taona vaovao 2017 indray ny eto amin'ny Tafo Orléans.


Fampianarana ( Ny asa fanompoan'ny Diakona)
Edito (Missiologie)

vakiteny androany na Pericope du jour <script src="http://katolika.org/katolika/vakiteny/androany/js"></script> 

Tsiahy volana Janoary.:
Alahady 01 Janoary 2017 @10h30 ato @ Chapelle: Fotoam-pivavahana  ho fifampiarahabana ny Taombaovao.
Asabotsy 14 Janoary @18h00 ato @ Chapelle: Fiofanana sy fampianarana hatao ho an'ny AMF sy ny SZM.
Asabotsy 14 Janoary @14h-17h  Concert de Noel Sampana  SA FAfAts Concert de Noel avec échange de Cadeaux ao @ Chapelle ND de la Sagesse 2 Place Jean Vilar 75013 Paris.(Metro 6 quai de la gare ou Metro14: Bbthq Fçois Mittérand).
Alahady 15 Janoary  @10h30 ato @ Chapelle: Andro hiarahabana ireo zokiolona eto amin'ny Tafo. Hisy fiaraha-misakafo sy fanolorana solombodiakoho aorian'ny fotoampivavahana.
Asabotsy 21 Janoary  @18h ato amin'ny Chapelle : Fivorian'ny Komitim-piangonana Orléans.
Alahady 22 Janoary @10h30 eto amin'ny Chapelle: Fotoampivavahana arahana Ankatoky ny fandraisana ho fanomanam-panahy. 
Asabotsy 28 Janoary  @15h a@ EPUdF Temple 9 bis Av de la Gare 78180 Montigny le  Bretonneux:Fanompoampivavahana fifampiarahabana ny taona vaovao 2017eto @ FAfAts.eo no handrosoana fiarahabana n'y zokiolona.
Fandaharana
- 10h30 ao @ Temple Protestant de Versailles rue Hoche no hanaovana ny débat amin'ny lahateny:" Ny fomba hatamàna ny Mpiang ato @ FPMA".
-12h-14h: mandeha misakafo etsy @ 8 rue  de Buc 78000 Versailles.  Samy mitondra ny sakafony ny fianakaviana.
-14h-16h: Culte  ary 16h-18h takarivampifaliana.

Alahady 29 Janoary 2017

Alahady nanolorana ny fampianarana momban'ny Sakramenta eto amin'ny Protestanta Malagasy dia ny : Batisa sy ny Fandraisana ny Fanasan'ny Tompo na FFTo. Ho fanao ny fampianarana isaky ny Alahady fahadimy @ny volana.

Fotoana manaraka:

Alahady 05 Febroary: Alahady voalohany ka hisy Fandraisana sy fandoavana ny adidin'ny Mpandray ny Fanasan'ny Tompo na MFT
Aorian'ny Culte dia hisy fivorian'ny Birao ho fanomanana ny Tanisa Dinika @ Fivorian'ny Komity hatao ny Asabotsy 18 Febroary ho avy izao.

Vaovaom-piangonana 
*Anio Alahady 29 Janoary:Fivoriana ataon'ny STK aorian"'ny Culte maraina miaraka @ ny Mpitandrina.
**Asabotsy 04 Febroary @ 10h30 ato @ Chapelle 130 ter Rue du Petit Pont 45000 :
                 Fiarahan'ny SVK FAfAts ho fiarahabana ny zokiolona nahatratry ny Taona 2017.
-Culte fangataham-pitahiana sy fisaorana
-Fanolorana vodiakoho.
-Fiaraha-misakafo
-Fivoriana.

Alahady 22 Janoary 2017

Alahady fahefatra amin'ny volana, noho izany dia hisy ankatoka aorian'ny fotoam-pivavahana.
Ny fotoana manaraka dia ny Alahady 29 Janoary @ 10h30 eto @ Chapelle ihany: Alahady fahadimy io ka hisy fampianarana.

Vavaom-piangonana:
Ny Tafo eto @FAfAts:Fotoam-pivavahana  ho fifampiarahabana ny Taombaovao ny 28 Janoary- Jereo etsy ambony ny fandaharana sy ny toerana.

*Ny Unité chrétienne  aty Avaratra dia FFKM dia hatao14h30 ao rue du Bon pasteur Paris 14
  Ny an'i Orléans kosa dia :Anio 22 Janoary @15h ao EPUdF no fotoana dia mandeha tongotra manketsy @ Chapelle Orthodoxe etsy Campo Santo @16h dia avy eo manketsy @ Eglise Martroi rue Ste Cathérine 17h. Isika FpmaOrleans  dia handray anjara eto amin'io fotoana io. Mila olona roa ho amin'izany .

*Ny STK:Hivory eto @ Chapelle androany tolakandro efa faniriana  faharoa io ka hiaraka hisakafo izy ireo ary handinika izay tohin'ny hetsika hataony.
*Ny SVK  FAfAts dia hanao Assemblée Générale na Fihaonambe   aty Orléans ny Asabotsy 04 Febroary hanomboka @ 10h ka hatramin'ny 15 h. Hatao amin'io fotoana io ihany koa ny fanolorana solombodiakoho ho an'ireo zokiolona (nisy 62 no nisoratra amin'izany). 

Alahady 15 Janoary 2017

Alahady natokana ho fiarahabana ireo zokiolona (mihoatra ny 65 taona) eto amin'ny Tafo. Nahatratra 17 izy ireo no tonga sy notronina nisakafo tamin'ity taona ity (taon-dasa 15).
Niisa 56 teo ny olona tonga tamin'io fotoana io.
Taorian'ny fotoana no natao ny fiaraha-misakafo tamin'ireo zokiolona tao amin'ny Chapelle ihany.

Ny fotoana manaraka dia ny Alahady 22 Janoary  @ 10h30 ihany ao @ Chapelle St Marc.

Alahady 01 Janoary 2017

Alahady voalohany amin'ny volana sy amin'ny Taona 2017. Tsy ny alahady Epifania akory fa fandraisana tsotra ihany.
Nisy 46 ireo olona tonga niaranankalaza an' Andriamanitra tamin'io fotoana io.
Taorian'ny fotoampivavahana dia nisy verampirahalahiana niarahana nifandona tamin'ny rehetra.
Ny fotoana manaraka dia ny Alahady 15Janoary @ 10h30 ao @ Chapelle.

jeudi 15 décembre 2016

Volana DESAMBRA 2016

Hetsika ato ho ato :
Alahady 01 Janoary 2017 @10h30 ato @ Chapelle: Fotoam-pivavahana  ho fifampiarahabana ny Taombaovao.
Asabotsy 14 Janoary @18h00 ato @ Chapelle: Fiofanana sy fampianarana hatao ho an'ny AMF sy ny SZM.
Alahady 15 Janoary  @10h30 ato @ Chapelle: Andro hiarahabana ireo zokiolona eto amin'ny Tafo. Hisy fiaraha-misakafo sy fanolorana solombodiakoho aorian'ny fotoampivavahana.


Ny Fotoana tamin'ity Volana ity.

Alahady 25 Desambra @10h30 ato @ Chapelle ihany :Fankalazana ny Krismasy.
Feno hipoka ny Chapelle St Marc tamin'ity andro anio ity. Nitondra sy nitarika izay anjaranay avy ireo sampana velona ao amin'ny Tafo.
Nisy fizaràna vatomamy sy chocolat tery ampiravàna.
Ny fotoana manaraka dia ny Alahady 01 Janoary 2017.

Alahady 18  Desambra @10h30 ato @ Chapelle ihany :Fametrahana  ny Pst Rakotoarimanana Joseph ho Mpandrindra ny Tafo eto Orléans.
Ny Pasitera RANDRIAMBOLOLONA JAcky no nitarika ny fotoana 
Ny Pasitera Synodaly Rev RAVALITERA Jean no nitoriteny ary ny Mpit Lydia RAVALITERA kosa no naolotra ny Fandraisana ny Fanasan'ny Tompo.
Toarian'ny fotoana dia nisy collation na "verre de l'amitié" no niarahana tamin'ny rehetra ary niafara kosa tamin'ny fiaraha-misakafon;ny sasany tao @ Komity  niaraka tamin'ny Mpitandrina Joseph,
Ny fotoana hihaonana manaraka dia ny andron'ny Krisimasy @ 10h30.

-Asabotsy 17 Desambra @ 16h na 4o.h. ao Chapelle St Marc : Noelin'ny Sampana Miray
Takariva hafanain'ireo Sekoly Alahady sy ny Sampana velona eto amin'ny Tafo.
Faranana amin'ny fiaraha-misakafo sy hirahira ny fotoana. Nisy olona 60 mahery teo no niaraka nikorana tao amin'ny Chapelle tamin'io fotoana io.

-Asabotsy 10 Desambra 2016 @17h na 5o.h. ao Chapelle St Marc: (jereo ny Flyer)
Noelim-pitolomana Antsampanahy ataon'ny AMFOrléans naAmboara



Alahady 04 Desambra @10h30 ato @ Chapelle ihany
Alahady voalohan'ny volana sady koa misy ny FFT no Alahady fandovana adidy.

Tamin'ny dinika tamin'ny PS Ravalitera Jean dia hatao ny 18 Desambra izao ny fametrahana ny Mpitandrina RAKOTOARIMANANA Joseph ho Mpandrindra ny Tafo Orléans.
Ny hitarika ny fotoana amin'io dia ny Mpandrindra ny Faritany RANDRIAMBOLOLONA Jacky ary ny PS kosa no hitoriteny.

mercredi 9 novembre 2016

Volana NOVAMBRA 2016

Hetsika ato ho ato na @ Volana manaraka:
-Asabotsy 10 Desambra 2016 @17h na 5o.h. ao Chapelle St Marc: (jereo ny Flyer)
Noelim-pitolomana Antsampanahy ataon'ny AMFOrléans naAmboara
-Asabotsy 17 Desambra @ 16h na 4o.h. ao Chapelle St Marc : Noelin'ny Sampana Miray
Takariva hafanain'ireo Sekoly Alahady sy ny Sampana velona eto amin'ny Tafo.
Faranana amin'ny fiaraha-misakafo sy hirahira ny fotoana.
Alahady 25 Desambra @10h30 ato @ Chapelle ihany :Fankalazana ny Noely

Ny Isaky ny Alahady 

Alahady 27 Novambra 2016-Alahady voalohany @ Advento
Alahadin'ny Sampana Zavamaneno:
Nandray anjara t@ fotoana dia:
                   Nitoriteny:Past Joseph Rakotoarimanana.
                   Mpitarika:Solofo Andriamampionona,
                   Mpitendry: Mahefa-Tiana-Antsa-Hary-Mahasetra.
Nofaranana tamin'ny fivarotana laoka sy tsindrin-tsakafo izany.

Niisa teo @ 82 ny olona tonga tao ka 66 ny lehibe ary 16 ny ankizy.
Nandritry ny Ankatoka kosa no nanolorana ireo katekomena  valo mianadahy ato  amin'ny Tafo.
Natolotry ny filoha ny tatitra avy any @ Synoda Nasionaly tany Lille natao ny 11-12-13 Novambra farany teo.

Alahady 20 Novambra 2016:
Alahady fahatelo nitondran'ny Mpitandrina ny Fampianarana momban'ny  Reformasiona ka nanazavana ny fanajanonana ny loko litorjika maitso ka soloina ny mena hatr@ faran'ny Taona.
Tatitra momban'ny Fivorian'ny Komity natao ny Asabotsy 19 Novambra.

Alahady 6 Novambra 2016 

Nosokafana ny 05 Novambra ny Culte de la Cité izay nentina nakalazana ihany koa ny faha 500 taonan'ny Reformasiona.
Fantatra tamin'ity kosa fa lany voiafidy  ho filohan'ny SVK Nasionaly i Rtoa Ramananjo Sylvie filohan'ny SVK eto antoerana.
Isan'ny Mpiangona 76 ka lehibe 59-ankizy 17.

lundi 10 octobre 2016

Volana OKTOBRA 2016

Volana Oktobra 2016

Hetsika sy tranga atsy ho atsy:
Asabotsy 15 Oktobra 2016 @ 6 o.h.: Fivorian'ny Komity (hiarahana amin'i Pst Joseph Rakotoarimanana  voalohany)
Alahady 16 Oktobra 2016: Hitoriana sy ampianarana momba ny ao @ Baiboly.
Alahady 23 Oktobra 2016: Ankatoky ny fandraisana
Alahady 30 Oktobra2016: Fampianarana momban'ny Litorjia.

Alahady 06 Nov 2016 Fivorian'ny Birao Orléans ho fanomanana ny fivorian'ny Komity.

Zoma 11 Nov - Asabotsy 12Nov-Alahady 13 Nov 2016: Synoda lehibe any Lille.

Alahady 16 Oktobra 2016

Alahady 02 Oktobra 2016:

Alahady  nandraisan'ny Mptitandrina Mpandrindra ny Tafo Orléans Pst RAKOTOARIMANANA Joseph ny fandrindrana teto. Alahady Fandraisana ihany koa moa  izy io sady andro nanaovana ny dingana farany tami'ny fananteram-bokatra 2016.
Rehefa vita ny fotoampivavahana dia nizotra nandeha niaraka nisakafo tatsy @ Salle Blossière ny mpiangona niaraka tamin'i Pasitera. Fotoana nanaovana ny fanadiovana ny salle ihany koa io fotoana io.
Niisa 62 ny mpiangona tao ka lehibe 52 ary 10 ny ankizy.

Ny fotoana manaraka dia ny 16 Oktobra 2016

Asabotsy 01 Oktobra 2016:

Andro natokana ho Sakafom-pirahalahiana, natao tetsy @ Tranompokonolona les Blossières na salle Yves Montand. Niisa teo amin'ny 76 teo ny olona tonga tamin'io.

lundi 5 septembre 2016

Volana SEPTAMBRA 2016

Hetsika amin'ity volana ity

Alahady 04 Septambra 2016: Alahady fanombohana ny taompianarana 2016-2017. Hatomboka @ 10ora maraina, hisy FFT ary Collation aorian'ny fotoana.
Asabotsy 17 Septambra 2016Zaikabe FAfAts etsy Athis Mons: Lycée St Charles 2 rue Geneviève Anthonioz de Gaulle 91200 @ 10h - 17h00.
Alahady 18 Septambra 2016; @ 10h30 ao @ Chapelle St Marc toy ny mahazatra
        Ny Mpit Marc Rakotoarimanga no hitarika sy hanao ny fampianarana amin'izany fotoana izany 

Asabotsy 24 Septambra @ 15 ora sy Alahady 25 SeptambraLasim-piangonana hatao etsy La Ruche -St Laurent-Meung sur Loire. 

   -Fiantranoana: Sakafo Asabotsy sy fatoriana ary ny Alahady tontolo (sakafo maraina-antoandro) 25€

                          Sakafo Asabotsy alina fotsiny 5€ - Saosisy +vary amin'anana.
                         Sakafo  Alahady maraina :3€  Sakafo Alahady antoandro:10€ (Barbecue)

 Fandaharampotoana

Sabotsy faha-24 septambra 2016 

Fampianarana tontosain'n'ny Mpit RAMAROKOTO Andrianasolo Antoine 
2 : 00 – 2 :30 Fandraisana ny Mpilasy – Fandiminana ho amin’ny fivoriana 
2 :30 – 3 :00 Fanompoam-pivavahana fanombohana ny Lasy 
3 :00– 4 : 45 Fandinihana ny Lohahevitra voalohany + Fifanakalozana
4 :45 – 5 :15 Fialana-hetaheta / Maka rivotra 
5 :15 – 6 :45 Fotoana Fihaonana isan-tSampana velona (misy mpitandrina) 
6 :45 – 7 :00 Fiomanana amin’ny sakafo 
7:00 – 8:30 Sakafo hariva + Fanadiovana ny trano 
8:30 – 10:00 Fandinihana ny Lohahevitra faharoa + Fifanakalozana 
10:15 Vavaka mamarana ny andro sabotsy  

Alahady faha-25 septambra 2016 

7:00 – 8:30 Mifoha/miomana + Sakafo maraina 
 9:00 – 10:45 Fanompoam-pivavahana 
11:00 – 12:00 Fotoana Fihaonana isan-tSampana velona 
12:00-2:00 Sakafo antoandro 
2:00 - 3:00 Fandaminana/ Fanadiovana ny toerana – Famaranana ny Lasy  
-
        

Asabotsy 01 Oktobra 2016:Fananteram-bokatra FPMA Orléans ao amin'ny Salle Yves Montand les ,Blossières hanomboka amin'ny4ora hariva.
Jereo ny Flyer.

Hetsika efa nitranga

Alahady 18 Septambra 2016: 

Teto @ Chapelle St Marc Orléans tamin'ny 10h30 

Alahady fahatelo notarihan'ny Mpit Rakotoarimanga Marc
Niisa 53 ny mpiangona ka ny 11 tamin'ireo ny ankizy.

Vaovaom-piangonana: Marihana fa mitambatra be ny hetsika fa tsy maintsy nakisaka ny lasintsika mba hanatsofohana ny lasin'ny FAfAts izay tokony natao ny 07 Jona 2016 teo (nisy  inondation)
-Fisaorana ireo vahoakan'Andriamanitra 22 avy eto amin'ny Tafo Orléans tonga nantrika sy nanafana ny fotoana tany Athis Mons
-Fandraisana ny fisoratana anarana momban'ny Lasimpiangonana hatao any Meung sur Loire. Fizarana ny anjaran'asa, izany dia tohizana any Meung sur Loire.
-Fisoratana ho an'ny Fetim-piangonana any Blossière nny 01 Oktobra
          

Asabotsy 17 Septambra 2016 etsy Athis Mons;  @10h00 Fanompoampivavahana Fanombohana, aorian'izay dia misy ny Fampianarana maro isaky ny thèmes. 

Ny fandraisan'anjara isan'olona moa dia ny Tafo Orléans no mandray azy ka misoratra any amin'ny Filoha ireo tonga any  momba izany.
Ny sakafo dia samy mitondra ny azy ny isan'olona na isantokantrano na isantafo ka eny an-toerana vao hatambatra.
Ny tsaky sy ny fisotro rehetra  kosa dia hatambatra homena ireo mpikarakara ho an'ny famarotana azy.
Ny Stand isantafo dia mba mitondra Elobe fa tsy Tonnelle akory. Ny Tafo manafana ny lalao isankarazany no jerena momba izay atao.  
 Ho faranana amin'ny Antsampanahy ataon'ny AMF ny fotoana @ 19h any.

lundi 18 juillet 2016

Volana JOLAY sy AOGOSITRA 2016

Fotoana manaraka:

Alahady 28 Aogositra 2016 :Alahady famaranana ny fotoampialan-tsasatra.
Ho tarihan'i Pst Ninà na  Pasteure Raharinoro RASOANIRINA ny fotoana amin'io.
Hisy fandraisana ny Fanasan'ny Tompo.

Hisy famangiana azy no izy namoy ny Reniny: RAVONIARITSIMBA Lala Fleurette tamin'ny volana lasa teo.

Alahady 04 Septambra 2016: Alahady fanombohana ny taompianarana 2016-2017.

Asabotsy 17 Septambra 2016Zaikabe FAfAts etsy Athis Mons.

Asabotsy 24 Septambra sy Alahady 25 SeptambraLasim-piangonana hatao etsy nLa Ruche Meung/Loire.

Asabotsy 01 Oktobra 2016:Fananteram-bokatra FPMA Orléans.

Fotoana volana JOLAY 2016

Alahady 3 Jolay 2016-Fanompoam-pivavahana hisy Fandraisana ny Fansan'ny Tompo.
Fotoana ho tarihan'ny Pst RAKOTOARIMANGA Marc.

Alahady 17 Jolay 2016: Alahady famaranana ny taompianarana sy fanombohan'ny fotoam-pialantsasatra.
Ho tarihan'ny Pst RAKOTOARIMANGA Marc.

mercredi 8 juin 2016

Volana JONA 2016

Fotoana manaraka:

Alahady 3 Jolay 2016-Fanompoam-pivavahana hisy Fandraisana ny Fansan'ny Tompo.
Fotoana ho tarihan'ny Pst RAKOTOARIMANGA Marc.
Alahady 17 Jolay 2016: Alahady famaranana ny taompianarana sy fanombohan'ny fotoam-pialantsasatra.
Ho tarihan'ny Pst RAKOTOARIMANGA Marc.
Alahady 28 Aogositra 2016 : Alahady famaranana ny fotoampialan-tsasatra.
Ho tarihan'ny Pasteure Ninà na  Raharinoro RASOANIRINA ny fotoana amin'io.
Alahady 04 Septambra 2016: Alahady fanombohana ny taompianarana 2016-2017.
Asabotsy 17 Septambra 2016: Zaikabe FAfAts etsy Athis Mons.
Asabotsy 01 Oktobra 2016: Fanoloram-bokatra FPMA Orléans.


Filazana manjo nitranga teto @ Tafo:

Ny havantsika Liva RAMANANTSEHENO-FOCARD sy James  FOCARD dia namoy ny zanany: 
                   Dr RAMANOELINA Herintseheno Jacky izay nivahiny 50 taona teto antany.
Ny fotoampivavahana ho fisaorana an' Andriamanitra dia hatao ny Alarobia 29 Jona @14h30 ao @ Chapelle St Marc 130ter rue du Petit Pont 45000 Orléans.
Avy eo ny vatana mangatsiakan' Itompokolahy dia aterina etsy @ Grand Cimetière d'Orléans.

        « Misaora amin'ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesoa ho anareo » I Tesaloniana 5, 18

Fotoana sy hetsika eto amin'ny Tafo

Asabotsy 25 Jona 2016 

Hetsika ataon'ny sampana  AMF Amboara Orléans ao @ salle  Madeleine eto Orléans: Antsampanahy sy ranty isankarazany ary hafanain'ny Mpanakanto eto amin'ny Tafo Orléans.

Alahady 26 Jona 2016:

Alahadin'ny Sampana AMF Orléans;
Ao aorian'ny fanompoam-pivavahana dia hisy fiaraha misakafo Agape hatao any @ Salle Madeleine eo @ 13h eo ka samy mitondra ny azy ka izay no hifampizarana. 


jeudi 12 mai 2016

Volana MEY 2016

Volana Mey 2016

Hetsika volana manaraka (Jona)

Asabotsy 25 Jona 2016

Hetsika ataon'ny sampana  AMF Amboara Orléans ao @ salle  Madeleine eto Orléans: Antsampanahy sy ranty isankarazany ary hafanain'ny Mpanakanto eto amin'ny Tafo Orléans.

Alahady 26 Jona 2016:

Alahadin'ny Sampana AMF Orléans
Hanomboka @ 10h30 ao @ Chapelle St Marc 130 ter Rue du Petit Pont. Avy eo @ 13h dia hisy fiaraha-misakafo hanasan'ny Fiangonana ny tsirairay ho fifankahalalana etsy @ Salle Madeleine. Ny sakafo dia samy mitondra ny azy ka iny no hifampizaràna amin'ny rehetra.

Hetsika Volana MEY eto amin'ny Tafo

Alahady 01 Mey 2016: Fandraisan-tànana ny Loholona James Focard sy ny Filohan'ny AMFO Liva Focard ary ny Mpanamarimbola Rtoa Eugénie Rabenja .

Asabotsy 07 Mey 2016: Fetim-piangonana Orléans hatao ao @ Salle Yves Montand ao les Blossières. 

Asabotsy 21 Mey 2016: Rindra sy Antsa hataon'ny STK Orléans miaraka amin'ny "GOD SWING" @ 17h ato @ Chapelle St Marc 130ter rue du Petit Pont Orléans..
Alarobia 25 Mey 2016: Andro hifampiantsoana hanadiovana ny Fiangonana.
Alahady 29 Mey 2016: Alahady hihaonan'ny Tafo FAHAZAVANA sy ny Tafo Orléans. Hisy fiaraha-misakafo ny atoandron'io.

Fotoana teto amin'ny Tafo


Alahady 29 Mey 2016:  Alahady nihaonan'ny  Tafo Fahazavana Yvelines sy Tafo Orléans. Hisy Fandraisana amin'io andro io ary ho faranana amin'ny fiaraha-misakafo ny fotoana. izany rehetra izany dia natomboka t@ 10h30 tao @ Chapelle St Marc ihany.
Asabotsy 21 Mey sy Alahady 22 Mey: Hetsika STKO niaraka t@ God Swing sy STK FAfAts
Niisa amanjatony tokoa ireo nanotrona ny STK Orléans tamin'ny hetsika nataony tamin'ny Asabotsy lasa teo. Koa fisaorana manokana no atolony ny STK  FAfAts noho fifarimbonana nataony. Tsy azo adino kosa anefa ireo nanohana nividy ny takila na tsy ho afaka nanatrika aza.
Izany moa dia narahany ny Alahadin'ny Sampana natao tao amin'ny Chapelle ny ampitso ihany.

Alahady 15 Mey 2016: PENTEKOSTA 2016
Alahady notarihan'i Pst Marie Angèle RAHARIJAONA
Asabotsy 07 Mey 2016: Fetim-piangonana FPMA Orléans
Fotoana nafanain'ny Sampana Velona rehetra eto @ Tafo: SA-STK-SZM-SVK-AMF nanomboka t@ 13h teo ny fisakafoanana ary nifarana t@ Valo ora hariva.
Isaorana ireo tonga nanatrika izany indrindra ireo avy lavitra avy any amin'ny Tafo FAfAts sy ny FM Bourges-Vierzon ary koa moa ireo avy eto antoerana.

Alahady 1er Mey 2016: 
Alahady voalohany amin'ny volana ka misy Fandraisana ny FT ary koa ny fandoavana ny adidin'ny MFT.
Tamin'ity Alahady ity ihany koa no naovana ny hafatra ho fametraha-teboka ho an'ny tsirairay nizay misalahy manantanteraka ny Fetimpiangonana hatao ny Asabotsy manaraka izao.

vendredi 8 avril 2016

Volana APRILY 2016

Hetsika eto amin'ny Tafo

Alahady 01 Mey 2016: Fandraisan-tànana ny Loholona James Focard sy ny Filohan'ny AMFO Liva Focard ary ny Mpanamarimbola Rtoa Eugénie Rabenja .

Asabotsy 07 Mey 2016: Fetim-piangonana Orléans hatao ao @ Salle Yves Montand ao les Blossières.

Asabotsy 21 Mey 2016: Rindra sy Antsa hataon'ny STK Orléans miaraka amin'ny "GOD SWING" @ 17h ato @ Chapelle St Marc 130 rue du Petit Pont Orléans..



Alahady 03 Aprily 2016:

Alahadin'ny Sekoly Alahady: 
Alahady misy Fandraisana Fanasan'ny Tompo sady koa andro fandoavana adidy.
Fotoampivavahana notarihan'ny ao @ Sampana SA ihany.
Ny Mpitandrina Pascaline Ratavao no nitory ny tenin' Andriamanitra  tamin'izany.
Nisy fivarotana barquettes sakafo feno taorian'ny Fotoana.

Asabotsy 16 Aprily 2016

Andro fivorian'ny Komity ara-potoana : nodinihana t@ izany indrindra ny vaomiera rehetra hatao amin'ny fetimpiangonana ny 07 Mey 2016 ary koa ny hetsika ataon'ny STK.

Alahady 17 Aprily 2016

Fotoana notarihan'ny Loholona Ramamonjy Bertrand ary i Henintsoa Rasolonjatovo no nanolotra ny sakafom-panahy.

Alahady 24 Aprily 2016

Fotoampivavahana notarihan'ny Mpitandrina Raharinoro. Ary izy ihany koa no nanao ny hafatra ho fanomanan-tena @ FFT manaraka (Akatoka).
Nisy famangiana ny Fianakaviana Ramananjo noho fandaovan'i Tpklahy Eloi Rafelimanana rainy.

Alahady manaraka dia  ny Alahady 01 Mey @ 10h30
 andro FFT ary ho tarihan'ny Pst Ramarokoto.

mardi 8 mars 2016

Volana MARSA 2016


Alahady 06 Marsa 2016: Fanokanana Diakona sy Loholona

Fotoampivavahana notarihan'ny PS Ravalitera Jean sy nanokanana ny Diakona Nériah ary nametrahana sy nandraisantanana ireo Diakona sy Loholona eto amin'ny Tafo.
Naharitra Telo ora mahery ny fotoana tamin'izany.
Teo ampiravana no nizaran'ireo Diakona ny vatomamy ho an'ny vahoakan'Andriamanitra.

Alahady 20 Marsa 2016: Alahadin'ny SVK Orléans

Ity Alahady ity izany no fankalazana  ny 08 Marsa, andro iraisampirenenan'ny Vehivavy, ho an'ny SVKO,ny fotoampivavahana tamin'izany dia notarihan' i Rtoa Ruth Rasamimanana avy ao @ Birao SVKO.
Tamin'ny firavàna dia nisy barquettes vitsivitsy namidin'izy ireo hamenoany ny kitapombolany.

Alakamisy 24 Marsa 2016: Alakamisy Masina

Fotoampivavahana notarihan'i Pst Raharinoro RASOANIRINA  (na Pst Ninà), nisy Fanasàna (FFT) toy ny nataon'ny Tompo tamin'ny Mpianany izany fotoana izany.
Ny fiangonana manaraka dia ny Alakamisy masina izay hisy ny hafatra lehibe dia ny Fanasana Voalohany nataon'ny Tompo ho fahatsiarovana azy.

Alahady 27 Mars 2016: PASKA 2016

Fotoana notarihan'i Pst Mpandrindra ny Faritany Jacky Randriambololona.
Nisy fizaràna vatomamy taorian'io fotoana io toa ny mahazatra.
Ny fotoana manaraka ndia ny Alahady 03 Aprily: Alahadin'ny Sampa SA na Sekoly Alahady.

mardi 9 février 2016

Volana FEBROARY 2016

Hetsiky ny Sampana:

SA: Isaky ny Alahady faha3 sy faha 4: Fianarana aorian'ny Toriteny ho an'ny madinika ary aorian'ny Culte ho an'ny zonkiny.
SVK: 20 Marsa Alahadin'ny SVK.
AMF: Asabotsy 05 Marsa @ 16h: Famerenankira. 
           Alakamisy masina24 Mars: Antsam-panahy.

Alahady 28 Febroary 2016

Fotoam-pivavahana notarihan'i Pst Raharinoro Rasoanirina ka ny teny notoriana t@ izany dia ny tao @ Perikopa: Eks 3:1-15 sy I Korintiana 10:1-12 Izay azo fintinina amin'ny hoe: Ataovy mafy horina ny mahaKristiana anao ka  hitovy ny hita aty ivelany sy ny any anaty...
 Niisa ho 48 ny olona tonga ka 38 lehibe ary 10 ny ankizy.

Fotoana manaraka:

 Alahady 06 Marsa  2016 @ 10h ato amin'ny Chapelle St Marc: Fotoan-dehibe hanokanana sy handraisan-tànana ireo Diakona sy Loholona voafidy t@ 4 Oktobra lasa teo.

Ny Pasitera Synodaly Jean Ravalitera no hitarika sy hitondra ny fampianarana amin'izany ary koa hanao ny Fandraisana ny Fanasan'ny Tompo (FFT). 

Vaovaom-piangonana
Sabotsy 12 Marsa 2016@ 9ora maraina Komitim-paritany FAfAts 
                                          @ 2ora atoandro Synodam-paritany .
Alakamisy 24 Marsa 2016: @19h00 Antsam-panahy ataon'ny AMBOARA na AMF Orléans ao @                                                  Chapelle St Marc
Zoma         25 Marsa 2016: @19h00 Firaisampinona etsy @ EPUdF 
Alahady      27 Marsa 2016: @ 07h30 etsy amin'ny Kianja Campo Santo
                                            @10h00 Fankalazana ny Paska eto @ Chapelle St Marc.

Alahady 07 Febroary 2016

Ny Mpitandrina Théodore Randriamanatena no nitarika sy nanao ny fampianarana.
Alahady voalohan'ny volana:   Fandraisana ny Fanasan'ny Tompo sady fanefan'ireo Mpandray ny adidy ao @ Tafo.

Ny fotoana manaraka: Alahady 21 Febroary


mercredi 6 janvier 2016

Volana JANOARY 2016

péricope  du jour  puis changer la date de "l'adresse".
perikopa janoary 2016

Miarahaba ny mpianakavin'ny Finoana  FPMA rehetra sy ny eto amin'ny Tafo Orléans nahatratra ny taombaovao 2016 


Alahady 30 Janoary 2016

Nitarika sy nitoriteny : Pst Marie Angèle Raharijaona

Alahady 24 Janoary 2016

Mpitarika : Larry Rakotovelo Diakona eto amin'ny Tafo.
Nitoriteny: Misa Rakotondravah Mpitory mpiofana ao Parsis

Alahady 17 Janoary 2016

Alahady natokana hiarahabana nahatratra ny taona ireo Zokiolona eto amin'ny Tafo, notarihan'i Pst Marie Angèle Raharijaona.
Niisa 60 mahery ny mpiangona ka 56 ny lehibe ary ny sisa no ankizy. 
Taorian'ny fotam-pivavahana no naovana ny sakafom-pirahalahiana niaraka tamin'izy ireo.
Niisa 18 teo ny Zokiolona niaraka tamin'izany.

Ny fotoana manaraka : 

Asabotsy 23 Janoary any Athis Mosns @ 10h; Fiofanana ho an'ireo Diakona sy Loholona eto amin'ny Faritany FAfAts.
Alahady 24 Janoary ao @ Chapelle St Marc @ 10h30

Alahady 03 Janoary 2016

Vorilaniny tokoa ny vahoakan'Andriamanitra teto @ FPMA Orléans namonjy ny Alahady voalohan'ny Taona.
Natomboka t@ 10 ora ny fotoana notarihan'i Pst Jacky Randriambololona Mpitandrina Mpandrindra ny Faritany Afovoany Atsinanana (FAfAts). 
Niisa sivifolo latsaka  ny mpiangona tamin'izany ka 68 ny lehibe ary 20  ny ankizy.

Ny Fiangonana manaraka:

Alahady 17 Janoary 2016 @10h30 ao Chapelle St Marc: Alahady hiarahabana ireo zokiolona mihoatra ny 65 taona eto amin'ny Tafo Orléans.
Ny fotoana dia ho tarihan'i Pst Marie Angèle Raharijaona
Aorian'ny fotoana dia hisy Lasopy mafana sy "Composée" hiarahana amin'ireo zoky raiamandreny eto amin'ny Tafo.

Vavaom-piangonana

Asabotsy 16 Janoary ao @ Chapelle St Marc manomboka @ 14h: Fiofanana ho an'ny Diakona sy Loholona mandritry  ny adiny  dimy.
 Alahady 17 Janoary aorian'ny fotoam-pivavahana  no atao ny fiarahabana ireo zokiolona eto amin'ny Tafo Orléans. Hisy Lasopy mafàna haroso amin'izany ampiarahana amin'ny composée mba hanatevina azy.
Alahady 17 Janoary @ 10h30 ao @ ERF Orléans: fametrahana ny Mpitandrina vaovao ao @ EPUdF Orléans  izay hanasàna ihany koa antsika eto @ FPMA na Komity na MFT.
Asabotsy 23 Janoary any Athis Mons (Lycée St Charles) : Andro natokan'ny FAfAts ho fifam-piarahabana: Jereo ny Flyer manga etsy ambony.
Alahady 24 Janoary
Alahady maraina @ 10h 30: Culte eto@ Capelle St Marc 
Alahady tolakandro :Fiaraha mivavaka ekominiaka eto Orléans manomboka @ 14h30 .

mardi 8 décembre 2015

Volana Desambra 2015

perikopa 2016
Perikopa Janoary 2016

Miarahaba ny rehetra nahatratra ny Krismasy 2015 sy ny Taom-baovao 2016.

Fiangonana manaraka :Alahady 03 Janoary @ 10h maraina: Alahadin'ny TAOM-BAOVAO 2016

Ny Mpitandrina Mpandrindra ny Faritany FAfAts Pst Randriambololona Jacky no hitory ny tenin'Andriamanitra

Alahady 27 Desambra 2015 t@ 10h30:

Ny Mpitandrina RANDRIAMANANTENA Théodore no nanolotra ny teny fampianarana io andro io rehefa avy nampiofana ny Diakona sy ny Loholona ny Asabotsy 28 Desambra tolakandro. 
Natao io Asabotsy io ihany koa ny fifidianana ny Biraon'ny Fiangonana.
Nisy famangiana ny Fianakaviana Rabearimonjy kosa tao aorian'ny fotoampivavahana.

Fiangonana manaraka: jereo ny Kaladary etsy ankavia.

ZOMA 25 Desambra t@ 10h 30: KRISMASY 2015  

Ny Rev RAVALITERA Jean no nitarika sy nitondra ny fampianarana teto @ Tafo Orléans.
Niisa 140 teo ny Mpiangona ary nisy 28 ny ankizy tamin'izany:

Fiangonana manaraka: Zoma 25 Desambra @ 10h30: Krismasy 2015

Ny Pasitera Synodaly no hitarika sy hanolotra ny tenin' Andriamanita amin'io fotoana io; Hisy fandraisana ny fanasan'ny Tompo ho an'ireo Mandray (MFT) ary fizarana vatomamy ho an'ny rehetra aorian'ny fotoana.

Asabotsy 19 Desambra: Noelin'ny Sampana velona eto amin'ny Tafo.

Samy nandray anjara avokoa ireo Sampana eto amin'ny Tafo: SA; STK;AMF ary ny SVK sy n'y SZM.
Natao tao amin'ny Chapelle ihany ny fiaraha misakafo sy ny rindrankira fanao mandritra ny sakafo. Nalahatra ny latabatra 12 ary teo no hita fa azo hihinanana ihany izany n'y toerana sady tsy nangatsiaka ihany koa ny andro.

Alahady 13 Desambra : Fiarahana t@ EPudF


Fiarahana mivavaka natao tao @ EPUdF t@ 15h ary nandraisan'ny Sekoly Alahady sy ny Antokom-pihira anjara. Nisy fanalana hetaheta miaraka no natao tao aorian'ny fotoana.


Asabotsy 12 Desambra 2015: Antsampanahy Amboara


Antsampanahy nataon'ny Sampana Antokom-pihira ho famaranana n'y  fankalazana ny faha 30 taonan'ny Amboara Orléans.
Nisy hira 12 no natao tamin'izany ary fankalazana nyNoely no tena venty tamin'izany.