Menu

lundi 6 mars 2023

Martsa 2023

 Filazana manjo:"Fa fantatsika fa raha ravana ny tranolaintsika ety an-tany, dia manana izay voarafitr'Andriamanitra isika, dia trano tsy nataon-tanana izay maharitra mandrakizay any an-danitra..." 2Korintiana 5. 1.

-Tohina tokoa ny fo raha naheno

     -ny fodiamandrin'ny zokiolona Viviane RANARIMALALA. tamin'y Zoma 03         Mars tany Neuvy. Ho lazaina ny andinindininy momba izany raha vao azo. 

             -ny nahalasanan'ny zokiolona Rondro Hortense RAZAFIMAHAY ny                             androtrio koa tany Pithiviers.

      Toa izao ny fandaminana avy any @ fianakavian-dRtoa 

                            RAZAFIMAHAY Rondro Hortense

Hisy fanompoam-pivavahana ho fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra sy ho fampaherezana ny fianakaviana amin'ny alarobia 8 mars 2023 ao amin'ny Chapelle de la barrière St Marc 130 ter rue du Petit Pont 45000 Orléans manomboka amin'ny 11 ora sy sasany maraina.                                            ho fanitsiana dia @ 12ora sy sasany

Manentana ny mpiara-mivavaka ho tonga mba ho mariky ny maha-iray antsika ao amin'ny Tompo.

Ny Fanahy Masina mpampionona tsara indrindra anie hampahery ny fianakaviana. Mitondra am-bavaka azy ireo isika.
Ho lazaina amin'ny manaraka ny fotoana hanaovantsika ny famangiana araka ny fomba malagasy.

Diary Volana Martsa:

FIOMBONAM-BAVAKA SY FIANARANA SORATRA MASINA: Demeurer en Christ et Obéir à la parole  Jean 15:1-15

 Zoma 10 Marsa.Manifestation d’un chgt extérieur Luc 13:6-9 Romain6 :15-23

Alahady 12 Marsa: Culte entièrement en Français avec la liturgie FPMA.

Alahady 19 Marsa: Alahadin'ny SVKO- Hisy varotra barquettes aorian'ny culte.

Asabotsy 18 Marsa sy 25 Marsa: Famerenana sy Concert AMFO any Massy

1. TOERANA hanaovana ny répétition sy ny concert

Eglise Saint Fiacre. Adresse: 4, place Saint Fiacre – 91300 MASSY .

Transport: RER B / RERC: gare Massy Palaiseau.