Menu

Affichage des articles dont le libellé est Actu. Afficher tous les articles
Affichage des articles dont le libellé est Actu. Afficher tous les articles

samedi 5 décembre 2020

Volana DESAMBRA 2020

 PERIKOPA 2020 Cliquer ici pour la lecture du jour (en Français)

                                                                      
Fotoambavaka FAfAts: Isaky ny Alakamisy alina manomboka @ 8 ora alina tel 09 72 63 41 38 *na koa @ Zoom https://us02web.zoom.us/j/3553893563                       ID de réunion: 3553893563#
  • Ny Asabotsy 5 desambra amin'ny 2 ora tolak'andro (14h) : CONCERT DE NOËL VIRTUEL AMF Fafats. Mandray anjara amin'izany ny antoko mpihirantsika.

Rohy : https://youtu.be/kbmyaKLTGxo

  • Ny Alahady 6 desambra manomboka amin'ny 4 ora tolak'andro (16h) : FANOMPOAM-PIVAVAHANA misy Fandraisana fanasan'ny Tompo. Iangaviana ny isan-tokantrano mba samy hanomana ny mofo sy ny divay araka ny toro-marika nalefan'ny Birao Foibe izay mipaingotra amin'ity mailaka ity. Mipaingotra ihany koa ny fandaharana mba ahafahantsika manaraka izany.

Rohy : https://meet.google.com/fwj-nmec-tda

Raha avy amin'ny Android na iOS dia mila mi-installer application :
Android :
iOS : 
Azontsika atao ihany koa ny manaraka izany an-taroby  
(Participer par téléphone) : +33 1 87 40 18 43 code : 465 818 806#
Raha tapaka ny micro dia : *6

Mirary Fety finaritra sy sambatra ho eo ambany fitahian'ny Tompo ho antsika rehetra.

 Samy hahatratra ny taona vaovao isika mianakavy isany Tompoko.

Diary:
    -13 Desambra @ 16h Fotoampivavahana alefa atao Distanciel* atao @ Google.meet
    -20 Desambra @ 10h  miaraka @ Mpitandrina  Manou ao @  Eglise Ste Jeanne d'Arc 1 rue Verte Orlééans, fetin'ny Sampana izy io raha ny tokony ho izy fa hataontsika ho an'ny Fianakaviana. (en Présentiel)
   -25 Desambra @ 10h30 Krismasy ankalazaina miaraka @ Mpitandrina [email protected] Eglise St François ao St Jean de Braye 121 Av de la Paix 45800 St Jean de Braye(en Présentiel)
    -27 Desambra 2020 @16h Culte en Distanciel* na en Visioconf  (rohy),tsy Fetin'ny Fianakaviana indray fa any @ Marsa na Aprily 2021 Famaranana ny 40eme no hanaterana ny Boatindrakitra. 
    -03 Janoary 2021 @16h Fitondrana ambavaka ireo Zokiolona eto @ Tafo:Culte en Distanciel* na en VisioConf (rohy)

(*)ny Culte en Distanciel hatramin'izao dia miaraka @ Mpitandrina Raharijaona Marie Angèle 

Adidy sy Rakitra
 Tsy maintsy aloa sy efaina (charges Fixes: Loyer-EDF-Adidy Foibe-Adidy Faritany-Fanampiana ny Mpitandrina-Vatsy sy Fampiantranoana ny Mpitandrina(rehefa mihaona)), 
koa Manainga antsika hanefa ny Adidy na Anjara Rakitra hatramin'izay eo @ FPMAO. 
Azo atao ny Virement Bancaire na koa  Chèque Bancaire.

Tsiahivina eto ny adiresy andefasana ny vola
Adiresin'ny Mpitam-bolantsika :
Ramatoa Holy RAVELOJAONA  Mailaka : [email protected] mba hanontaniana azy ny adiresiny.

Compte Bancaire de la FPMAO
Titulaire du compte: Eglise Protestante Malgache d'Orléans 

Domiciliation:La Banque Postale -Centre Financier-45900 La Source Cedex 9
Etablissement:20041   Guichet 01012      Compte n° 0213739R033  Clé RIB:62
ou IBAN : FR35 2004 1010 1202 1373 9R03 362  BIC : PSSTFRPPSCE


vendredi 16 octobre 2020

Volana Oktobra 2020

PERIKOPA 2020 Cliquer ici pour la lecture du jour (en Français)
Fotoambavaka FAfAts: Isaky ny Alakamisy alina manomboka @ 8 ora alina tel 09 72 63 41 38 *na koa @ Zoom https://us02web.zoom.us/j/3553893563                       ID de réunion: 3553893563#

Adidy sy Rakitra
 Tsy maintsy aloa sy efaina (charges Fixes: Loyer-EDF-Adidy Foibe-Adidy Faritany-Fanampiana ny Mpitandrina-Vatsy sy Fampiantranoana ny Mpitandrina(rehefa mihaona)), 
koa Manainga antsika hanefa ny Adidy na Anjara Rakitra hatramin'izay eo @ FPMAO. 
Azo atao ny Virement Bancaire na koa  Chèque Bancaire.

Adiresin'ny Mpitam-bolantsika :
Ramatoa Holy RAVELOJAONA  Mailaka : [email protected] mba hanontaniana azy ny adiresiny.

Compte Bancaire de la FPMAO
Titulaire du compte: Eglise Protestante Malgache d'Orléans 

Domiciliation:La Banque Postale -Centre Financier-45900 La Source Cedex 9
Etablissement:20041   Guichet 01012      Compte n° 0213739R033  Clé RIB:62
ou IBAN : FR35 2004 1010 1202 1373 9R03 362  BIC : PSSTFRPPSCE

Hetsika SVK SLK 2020

 Indro alefa amintsika ny famintinana ny Rohy hanarahana ny ZAIKABE SVK-I SLK-I 2020
Rohy YouTube
Sabotsy 17 oktobra 2020
9h55  https://youtu.be/ltPUUG1Iu8q        Fanompoam-pivavahana fanokafana +      Fampianarana Pasteure Josiane RAVELOSON
14h30  https://youtu.be/SY0vmDfQZ4k     Pst RAMAROKOTO Heritsimba
https://youtu.be/bL3ZS5txKkl      Rév. Dr. Seth RASOLONDRAIBE

Alahady 18 oktobra 2020
10h25  https://youtu.be/N7vxldcBXAs   Fanompoam-pivavahana famaranana

Rohy Zoom sy OVH
Zoom Melun : https://us02web.zoom.us/j/3553893563
OVH Melun:   09 72 49 96 60
Zoom fahazavana,:   https://us02web.zoom.us/j/6750237310 
OVH Fahazavana:   09 72 63 41 38

lundi 13 juillet 2020

Volana JOLAY sy AOGOSITRA 2020



PERIKOPA 2020 Cliquer ici pour la lecture du jour (en Français)
Fotoambavaka FAfAts: Isaky ny Alakamisy alina manomboka @ 8 ora alina tel 09 72 63 41 38 *na koa @ Zoom https://us02web.zoom.us/j/3553893563                       ID de réunion: 3553893563#
Adidy sy Rakitra
Tsy nisy na Rakitra na Fananteram-bokatra teto amin'ny Tafo nandritra ny fihibohana (3 volana na 14 Alahady)teo nefa misy foana ny tsy maintsy aloa sy efaina (charges Fixes: Loyer-EDF-Adidy Foibe-Adidy Faritany-Fanampiana ny Mpitandrina-Vatsy sy Fampiantranoana ny Mpitandrina(rehefa mihaona)), 
koa Manainga antsika hanefa ny Adidy na Anjara Rakitra hatramin'izay eo @ FPMAO. 
Azo atao ny Virement Bancaire na koa  Chèque Bancaire.

Adiresin'ny Mpitam-bolantsika :
Ramatoa Holy RAVELOJAONA 6 rue de la Verniche 45760 Boigny sur bione. 
        Téléphone : 06 37 08 10 95. Mailaka : [email protected]
Compte Bancaire de la FPMAO
Titulaire du compte: Eglise Protestante Malgache d'Orléans 
Domiciliation:La Banque Postale -Centre Financier-45900 La Source Cedex 9
Etablissement:20041   Guichet 01012      Compte n° 0213739R033  Clé RIB:62
ou IBAN : FR35 2004 1010 1202 1373 9R03 362  BIC : PSSTFRPPSCE

Fiangonana manaraka: Alahady faha 30 Aogositra 2020 @ 10h30 ao @ Chapelle 130 ter rue du Petit Pont 45000 Orléans. Hisy foana ny fisoratana anarana.
Fiangonana efa vita 
Alahady faha 19 Jolay: Alahady fahatelo
Alahady faha 5 Jolay: Alahady fandraisana sy fandoavana Adidy
nisy 33 no nisoratra anarana miaraka amin'ny Mpitarika sy ny Diakona
Filazana manjo: Nantsoin'ny Ray hody any aminy 
*Ny Alarobia 15 Jolay 2020 tao Nice
                      RAZAFITSOMA Antoine Christophe  (MPIANDRY)
  Filoha Mpanampy Sampana Fifohazana, Mpampianatra Sekoly Alahady, Mpampianatra Sekoly Alahadin’ny Olon-dehibe, Mpikambana ao amin'ny Antoko Mpihira Akon’ny Fiderana eto amin'ny Tafo Nice.

*Ny Talata 30 Jona Tao Vincennes
Andriamatoa RAZAFINDRABEZA Fabrice
teo amin'ny faha38 taonany;
Nentina tao @ FPMA Yvelines Fahazavana ny Zoma 03 Jolay
zanak' Atoa RAZAFINDRABEZA Willy sy Florence vadiny samy MFT
FPMAYvelines Fahazavana.
*Ny Alakamisy 18 Jona tao Paris
                      Andrimatoa  RAMIALISON Jeannot Clément
 Nentina tao @ FPMA Vincennes ny Zoma 26 Jona
*Ny Alatsinainy 22 Jona 
 Andriamatoa RAJAOFETRA Seta Marcel
Faritany Atsimo Atsinana
       Nentina ny Talata 23 Jona ihany
*Zoma 12 Jona tao Vierzon
 Ramatoa RAKOTOARIVELO Dorette Mirantsoa
Nentina tao Vierzon ihany 
*Ny Zoma 29 Mey tany Ambatomaro Tanà
                                          Ramatoa RAZARISOA Emilie
Nentina tany Faravohitra ny Alatsiniany 01 Jona 2020

dimanche 21 juin 2020

Volana JONA 2020


Cliquer ici pour la lecture du jour (en Français)


Fotoambavaka FAfAts: Isaky ny Alakamisy alina manomboka @ 8 ora alina tel 09 72 63 41 38 *
                       ID de réunion: 3553893563#
Ny Alakamisy 02 Jolay :Mitarika 
                                     Mitory teny Pst Théodore Randriamanantena

FILAZANA ilàna Valiny sy  Setriny maika.
Tsy nisy na Rakitra na Fananteram-bokatra teto amin'ny Tafo nandritra ny fihibohana (3 volana na 14 Alahady)teo nefa misy foana ny tsy maintsy aloa sy efaina (charges Fixes: Loyer-EDF-Adidy Foibe-Adidy Faritany-Fanampiana ny Mpitandrina-Vatsy sy Fampiantranoana ny Mpitandrina(rehefa mihaona)), 
koa Manainga antsika hanefa ny Adidy na Anjara Rakitra hatramin'izay eo @ FPMAO. 
Azo atao ny Virement Bancaire na koa  Chèque Bancaire.

Adiresin'ny Mpitam-bolantsika :
Ramatoa Holy RAVELOJAONA 6 rue de la Verniche 45760 Boigny sur bione. 
        Téléphone : 06 37 08 10 95. Mailaka : [email protected]
Compte Bancaire de la FPMAO
Titulaire du compte: Eglise Protestante Malgache d'Orléans 
Domiciliation:La Banque Postale -Centre Financier-45900 La Source Cedex 9
Etablissement:20041   Guichet 01012      Compte n° 0213739R033  Clé RIB:62
ou IBAN : FR35 2004 1010 1202 1373 9R03 362  BIC : PSSTFRPPSCE



Fotoana manaraka
Alahady 05  Jolay 2020 @ 10ora sy sasany  ao @ Chapelle, tokony hisoratra anarana izay ho avy

Alahady 21 Jona 2020
Ny anio: Fiangonana Chapelle St Marc Orléans.
Misy FFT sy fandoavana adidy foana.
Araky ny fitondràna dia nahazo nisokatra ny trano Fiangonana rehetra fa tsy maintsy manaja ny fepetra rehetra momban'ny fiarovana @ ny valan'aretina Covid19. Noho izany dia ny elanelana iray metatra (1 mètre) no tokony hatao fa tsy ilay 4m² intsony toy ny teo aloha. Raha izany dia afaka mampiditra 35 eo ny Chapelle fiangonantsika dia ampiana olona 7 miaraka amin'ireo Mpiandraikitra: Diakona sy Pasitera ary ny Mpitendry.

Filazandraharaha:

-Nisy Fivorian'ny Komity ny omalin'ity Alahady ity ary nisy 15 ny nivory tao fa ny roa no tsy tonga na tsy nahenoana vaovao mba hampilaza. Natao visio-conférence ihany izy io ka ny jitsimeet no nanaovana azy.
Diary
Isy 2 Cultes izany ny volana Jolay :
-5 Jolay sy 19 Jolay  samy hisy Fandraisana FT
ary 1 culte kosa ny Aogositra:
-23 Aogositra hisy FFT koa izany, samy hatao @ 10h30 daholo  izy telo ireo ary samy ao amin'ny Chapelle St Marc avokoa.
Mangataka ny tsirairay hisoratra anarana fa mety ho lavina raha mihoatra ny ao ampiangonana.
-06 Septambra: Alahady  fandraisan-tanana ireo  Diakona sy Loholona ary ireo Biraon'ny Sampana velona eto amin'ny Tafo sady Alahady fidirana. Izany dia hatao ao amin'ny Fiang Katolika Ste Jeanne d'Arc 1 rue Verte etsy Orléans.
-19-20 Septambra: Lasimpiangonana sady Assemblée Générale hanaovana ny dinika momban'ny Fitantanambola2020 io  sy teti-bola 2021:
 Alahady fahatelo io ka  hisy fandraisana ary etsy @ La Ruche etsy Meung s/Loire no hanaovana azy.
-14 Novambra  hanokafana ny faha 40 taonan'ny Tafo ORLEANS.
-

lundi 13 avril 2020

Volana Aprily

« Ary Jehovah nandeha teo alohany tamin’ny andri-rahona raha atoandro
hitari-dalana azy, ary tamin’ny andri-afo nony alina ho fahazavana ho azy,
handehanany andro aman’alina » Izany tenin’Andriamanitra ao amin’ny
bokin’ny Eksodosy  13.21 izany ry havana no entiko ho fampaherezana antsika
mianakavy amin’izao fotoan-tsarotra lalovantsika izao ; Matoky ny fitarihana sy

ny fitantanan’ny Tompo mandrakariva isika ;

Manolotra ny arahaba ho anareo vahoakan’Andriamanitra rehetra ry havana,
indrindra ianareo vahoakan’Andriamanitra eto amin’ny FPMA Orléans. Manantena
anareo rehetra ho salama tsara daholo ny tenako, na dia eo aza ny valan’arentina
Corona virus izay mihanaka amin’izao fotoana izao ;
Efa ho iray vola sy tapany sahady izay no tsy nisian'ny fanompoam-pivavahana
mifanatrika tao amin'ny fiangonantsika. Iray vola sy tapany tsy nihaonantsika ;
Ary hatreto dia tsy mbola fantatra ny faharetan'izany fotoana fihiboana izany ;
Koa manao izao horonantsary izao aho ry havana mba ahafahantsika mifampahery,
ahafahako ihany koa manome anareo ireo vaovaom-piangonana eo am-pelatanana
amin’izao fotoana izao.
Misaotra an'Andriamanitra lehibe   isika fa mbola afaka miombom-bavaka sy
mihaino fampianarana isan-karazany amin'ny alalan'ny onjam-peo (Radio Vatsy
na Radio Anjomara) izay karakarain'ny Birao foibe isan'andro amin’ny 4 sy
amin’ny 7 ora hariva sy isan'alahady amin’ny 10 ora sy sasany sy amin’ny 4
ora hariva. Misy ihany koa ny fanompoam-pivavahana izay karakarain’ny faritany
afovoany atsinanana isaky ny alakamisy hariva amin’ny 8 ora amin’ny alalan’ny
radio FPMA Vincennes. Ny Rohy ahitantsika ireo radio ireo moa amin’ny internet :
Soratantsika ny hoe radio vatsy, radio anjomara na radio FPMA vincennes .
Araka ny efa fantatsika dia maromaro ireo fotoana nokasaina teto amin’ny tafontsika
nefa tsy tanteraka : Anisan’izany ny fanokanana ny Diakona andiany vaovao izay hiasa
mandritry ny 2 taona ho avy, ny fihaonam-ben’ny Mpandray ny fanasàn’ny Tompo izay
natao handinika ny toe-bola 2019 sy ny teti-bola 2020, ary indrindra ny fankalazàna ny
faha-40 taonan’ny Fiangonantsika ; Faniriana ihany ny antsika olombelona fa ny
fandaharana dia an’Andriamanitra ary mahafantatra izay itondràny ny fiangonany
tokoa ilay Andriamanintsika, koa ho ezahintsika ny hanatanteraka ireo fotoana
ireo amin’ny fotoana maha-mety azy, rehefa afaka mihaona isika. Ny momban’ny
fankalazàna ny faha-40 taona moa dia misy daty izay efa notapahin’ny komitim-
piangonana dia ny faha 10 Octobre ho avy izao ; Ho lazaina amintsika miandalana
eny moa ny andinindininy momba izany.

Ireo fihaonamben’ny sampana iraisana nasionaly FPMA (Tily, antoko mpihira,
fifohazana) dia nofoanana avokoa ny amin’ity taona 2020 ity. Nofoanana toy izany
koa ny fihaonam-ben’ny protestanta RPO izay noeritreretina hatao ny 14 juin ;
Nanoratra ho anareo aho ry Havana tamin’ny herinandro teo, nanentana anareo
amin’ny fanohizana ny fandoavana ny adidin’ny Mpandray , sy ny fanaovana rakitra
na raki-pisaorana isan-karazany ; Hamafisiko etoana izany fanentanana izany
satria Na dia tsy misy aza ny fotoana mifanatrika, ny adidin'ny fiangonana ara-
bola (charges fixes) ho fampandrosoana ny asan'Andriamanitra dia tsy miova
kosa  fa mitohy ihany : Ny hofan-trano, ny EDF, ny rano,  ny fanampiana ny
Mpitandrina sy ny sisa...
Mba tsy ahalatsaka an-katerena ny fiangonantsika dia raisina an-tanandroa izay
fointsika hanampiana ny asa fitoriana ny filazantsara. Azo atao ny mananteraka
na mandefa ireo adidy ireo amin'ny fomba mahazatra toy ny taratasimbola na
chèque, na fomba hafa toy ny virement na espèces izay mety amintsika
Ho famaranana dia mametraka anareo tsirairay avy sy ny ankohonananareo eo am-
pelatanan’Andriamanitra Raintsika aho, Izy anie hitantana homba anareo
mandrakariva ; Ho azy irery ihany ny Voninahitra ary ho amintsika

vendredi 13 mars 2020

Volana Marsa 2020

ALAHADY 29 MARSA 2020


Ho fankalazana ny faha 40 taon'ny Tafo FPMAOrléans anio dia henoy @ 10h30 ny ao @ https://fpma.church/radio/

ny tolakandro kosa dia hisy traduction en direct ny culte.

Hiriana kosa ny hanaovana an'io fankalazana io ny Asabotsy 09 Mey 2020 raha malalaka sy vita ny fihibohana @ CoronaVirus. 



Nohon'ny Antony COVID-19 dia nofoanana daholo ireto hetsika ireto

ALAHADY 15 MARSA 2020 @ 10h30

ao @ Eglise Ste Jeanne d'Arc 1 rue Verte

Culte Fandraisantànana ireo Diakona teo aloha ary Fiarahabana ireo Diakona vaovao ary ireo Biraon'ny Sampana velona eto amin'ny Tafo.

FANOMPOAM-PIVAVAHANA LEHIBE 

 Sabotsy 28 mars 2020 amin’ny 10 ora sy sasany
 ao amin’ny Eglise Protestante Unie de France
 2, Cloître St Pierre Empont 45000 Orléans .

 Ny Fiadanan’ny Tompo anie ho aminareo mandrakariva
. Amin’ny anaran’ny Fiangonana FPMA Orléans.

 Nissya RANDRIAMANANTENA        Liva FOCARD                   Joseph RAKOTOARIMANANA        Filoha FPMA Orléans                         Filoha KJ40                          Mpitandrina FPMA Orléans  [email protected]                [email protected]                [email protected]   
    06 10 08 43 84                                       06 60 02 98 02                                              06 59 51 30 59


vendredi 28 février 2020

Volana Febroary 2020


Fankalazana ny faha40 Tafo FPMA Orléans.























« …Ambeno ny manda,Tazano ny làlana, Hatanjaho ny valahanao, 

Hetseho mafy ny herinao » Nahoma 2.2

                                                                                                      Orléans, faha- 28 febroary 2020, 
Ho an’ny Birao Foibe FPMA,
Ho an’ny Faritany FPMA enina,
Ho an’ny Tafo FPMA sivy amby telopolo,
Ho an’ny Fiaraha-Mivavaka FPMA,
Ho an’ny Vahoakan’Andriamanitra eto amin’ny FPMA,
 Ry Havana,
Ampitomboina ao aminareo mandrakariva anie ny Fahasoavan'i Jesoa Kristy Tompontsika. Nohon'ny nahatraran’ny FPMA Orléans ny faha-40 taonany, dia manasa anareo am-pifaliana izahay, hiaraka hidera sy hankalaza an'Andriamanitra amin’ny alalan’ny

 FANOMPOAM-PIVAVAHANA LEHIBE 

 Sabotsy 28 mars 2020 amin’ny 10 ora sy sasany
 ao amin’ny Eglise Protestante Unie de France
 2, Cloître St Pierre Empont 45000 Orléans .

 Ny Fiadanan’ny Tompo anie ho aminareo mandrakariva
. Amin’ny anaran’ny Fiangonana FPMA Orléans.

 Nissya RANDRIAMANANTENA        Liva FOCARD                   Joseph RAKOTOARIMANANA        Filoha FPMA Orléans                         Filoha KJ40                               Mpitandrina FPMA Orléans [email protected]                [email protected]                               [email protected]   
    06 10 08 43 84                                       06 60 02 98 02                                              06 59 51 30 59


ALAHADY 15 MARS 2020 @ 10h30

ao @ Eglise Ste Jeanne d'Arc 1 rue Verte

Culte Fandraisantànana ireo Diakona teo aloha ary Fiarahabana ireo Diakona vaovao ary ireo Biraon'ny Sampana velona eto amin'ny Tafo






mardi 10 décembre 2019

Volana Desambra 2019

Fankalazana Noelin'ny Sampana: 22 Desambra 2019

Hatomboka ny tolakandron'ny Alahady faha 22 Desambra @ 16h ny fotoampivavahana dia ho tohizana amin'ny Nolelin'ny Sampana ampiana fiaraha misakafo.
Ho faranana any @ 21h any.

Fanasana Fetin'ny Taranaka csy Fanokafana ny faha40 taona: 29 Desambra 2019


« …Ambeno ny manda,Tazano ny làlana, Hatanjaho ny valahanao, Hetseho mafy ny herinao » 
Nahoma 2.2b

Ry Havana malala ao amin'ny Tompo,

Ampitomboina ao aminareo  mandrakariva anie ny Fahasoavan'i Jesoa  Kristy Tompontsika.
Faly manasa anareo ho tonga hanatrika ny fanopoam-pivavahana lehibe hatao ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra nohon'ny nahatraran'ny fiangonana FPMA Orléans ny faha-efapolo taonany. Fotoana natao ihany koa ho fankalazàna ny fetin'ny taranaka 2019. Manentana ny fahatongavan’ny rehetra izahay, ho voninahitr’Andriamanitra  :

Alahady 29 desambra 2019 manomboka amin’ny 3 ora folak’andro (15h)
Eglise Sainte Jeanne d'Arc, Boulevard Guy-Marie-Riobé, Orléans 45000

Hisy fotoana manokana hanoloran’ny taranaka izay irian’ny fony ho entina mampandroso ny fanjakan’Andriamanitra. Ho faranana amin’ny fiaraha-misakafo ny fotoana.


Manonona ny Fiadanan'ny Tompo Tompo ho aminareo rehetra.

Amin’ny anaran’ny Fiangonana FPMA Orléans.


Nissya RANDRIAMANANTENA     Liva FOCARD                 Joseph RAKOTOARIMANANA
Filoha FPMA Orléans                      Filoha KJ40                   Mpitandrina FPMA Orléans

mardi 30 juillet 2019

Volana JOLAY 2019

SAMIA Miala SASATRA FINARITRA daholo Tompoko.

Alahady 28 Jolay 2019: 
 Alahady famaranana ny taompianarana 2018-2019: Nisy collation natlotry ny Filoha tamin'io.

Ny Alahady 01 Septambra 2019 no  Alahady hanombohana ny taona 2019-2020. Hisy Fandraisana ny fanasan'ny Tompo amin'ito Alahady ito.
Tsiahivina koa isika miangona eto Orléans fa miangona isaky ny Alahady izao ny FPMAOrléans(na ny Alahady faharoa aza).

Alahady 21 Jolay 2019: 
Alahady ny akatoka ka nisy fandinihandraharaha tamin'io fotoana io.

dimanche 16 juin 2019

Volana Jona 2019

16 Jona 2019

Mikatona ny FPMA Orléans noho ny fankalazàna ny faha-60 taonan'ny FPMA izay hatao amin'ny 10 ora maraina ary amin'ny Eglise de la Rédemption 16 Rue Chauchat Paris 9em Méreo : Richelieu-Druot (8, 9).
Noho izany, tsisy fanompoam-pivavahana aty amin'ny FPMA Orléans.

22 Jona 2019

Vokatra

Fananteram-bokatra ataon'ny FPMA Orléans hanomboka @ 16h (4 ora hariva) ao @
rue Honoré d'Estienne d'Orves 45100 ORLEANS.
Ny fotoana amin'izany dia hafanain'ny Mpanakanto NANIE sy Solofo ary ny Sampana isankarazany ato @ Fiangonana.
Toy ny mahazatra dia hisy tsakitsaky sy ranomboankazo hamidy @ vidiny mirary amin'io: tonombalala sy ranompanala.

mercredi 12 décembre 2018

Fandaminana fanaovam-beloma farany

Andriamanitro ô : Ianao no hitokiako, aoka tsy ho menatra aho, aoka tsy hifalian'ny fahavaloko aho. Eny, tsy hisy ho menatra izay rehetra miandry Anao, fa izay mivadika foana no ho menatra" salamo 25 : 2-3
Ry Havana,
Sitrak'Andriamanitra ny niantsoany ny Mpanompony, Solofoharison ANDRIAMAMPIONONA, hody any any aminy tamin'ny sabotsy 8 décembre 2018 lasa teo.
Itompokolahy dia Filohan'ny sampana zava-maneno eto amin'ny tafo FPMA Orléans ary mpikambana mavitrika ao amin'ny sampana antoko mpihira Amboara Orléans.
Ny nofony dia hatao veloma farany, ho fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny :
Temple de la Rédemption - 16 rue Chauchat - 75009 PARIS - M°8 Richelieu Drouot na M°7 Le Peletier
Ny zomà 14 décembre 2018 amin'ny 11 ora maraina.
Ny "Mise en bière" kosa : 
 dia hatao ny  Zoma 14 desambra amin'ny  9h30 tsy diso ao amin'ny Funérarium de l'Institut Gustave Roussy : Rue du Docteur Pinel - 94805 VILLEJUIF. Araka  ny toromaridàlana  mipaingotra etsy ambony.
"...Miraisa saina hianareo rehetra, ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy.."
1 Petera 3.8
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FPMA ORLEANS.
Joseph RAKOTOARIMANANA                                                                                            Nissya RANDRIAMANANTENA 
Mpitandrina                                                                                                                          Filoha.

mardi 16 octobre 2018

Volana OKTOBRA-NOVAMBRA 2018

Site FPMA https://fpma.church
Radio Vatsy EN DIRECT https://radio.fpma.church

Perikopa

Fandaharana Culte :


Vaovao entina any @ Synoda Bordeaux 

Date limite : Lundi 29 Oct 2018 à 23h59:Tsy misy fandraisana anarana intsony mandritra ny Synoda.
-Havaozina ny mpikamba laika ao amin’ny ORDM izay hiasa ho amin'ny 2019 - 2020.

-Havaozina ny lisitry ny mpikambana ao anatin’ny Sampandraharaha samihafa misy eto amin’ny FPMA (départements).

Ny Filohan’ny Faritany Filohan'ny FMM no manangona ny avy amin’ny Tafo.


Ireo Vaovao eto antoerana
Fotoana Manaraka:

Alahady 04 Novambra: Tsy hisy Fiangonana fa any @ Synaoda Bordeaux avokoa ireo Mpitandrina eto @ FPMA Frantsa.
Alahady 11 Novambra : Alahady faharoa -tsy misy Fiangonana toy ny mahazatra.
Alahady 18 Novambra: Alahadin'ny SZM Orléans: Hisy Fandraisana ny Fanasan'ny Tompo.
Alahady 25 Novamra
Vaovaon-tsampana
SZM:Hanao ny Alahadiny ny 18 Novambra ho avy izao-Ireo havana sy zanantsika mana-talenta sy ireo nianatra mozika no hanafana ny fotoana rehetra.
Asiana Prélude hanomboka @ 10h30 ary Postlude @12h. 
Hisy varotra barquettes (laoka sy Desera)aorian'ny fotoampivavavahana.


AMF: Hanao ny Alahadiny ny 28 Oktobra ho avy izao ary hanao toriteny an-kira mandritry ny fotoana. Aorian'ny fotoana dia hiaraka hisakafo any @ D'Hokkaido etsy La Source. 

SA:il y a école du dimanche les 3-4 èmes Dimanches du mois. Les leçons ont lieu pendant le culte pour la classe des petits, des moyens et des grands et les ados feront leur cours après le culte. 
- L' après midi de 14h à 17h, nous commençons les répétitions de Noel à l'église et nous espérons la présence des enfants et ce jusqu'à Noel et aussi pour le 22 Décembre. 
- Les enfants qui souhaitent déjeuner sur place entre la fin du culte et les répétitions peuvent rester à l'église
Nous encourageons les enfants à venir aux leçons et aux répétitions ; s'il y a de nouveaux enfants, n'hésitez pas à vous joindre à nous, nous les accueillerons avec plaisir.

STK:Haverina etoana izany fa ny Alahady fahatelo no hanaovandrizareo ny fivoriany isambolana ary amin’io fotoaana io rizareo no hijery ny Alahadiny.

SVK:Zaikaben’ny SVK/SLK dia natao nanomboka ny Zoma  (19-20-21 Oktobra)  any amin’ny Route de Marseille 04420 SAINTE TULLE. Isaorana ireo nanatrika fa vita soa amantsara izany.

Œcuménisme Orléanais
Pour le mois de novembre nous vous proposons :
Jeudi 8 novembre à 20h30, au centre œcuménique : « L’économie sociale et solidaire, ça nous concerne ? » Soirée-débat avecDominique Sacher, président de la CRESS (La Chambre Régionale de l’Économie Sociale et Solidaire Centre Val-de-Loire) etSébastien Nérault, directeur de France Active Centre-Val de Loire

samedi 10 novembre à 20 h, à l’église Jeanne d’Arc d’Orléans, cérémonie interreligieuse pour la paix
lundi 12 novembre à 20h30, au centre œcuménique : rencontre du groupe “ Culture, Science et Foi ”
jeudi 15 novembre à 20h30, au centre œcuménique : rencontre du groupe “Célébrations Œcuméniques”, pour préparer la célébration œcuménique autour de Noël du 20 décembre

lundi 19 novembre à 20h30, au centre œcuménique : rencontre du groupe œcuménique “ Études bibliques 

Mardi 27 novembre à 18h30 à 20h, au centre œcuménique : Lecture méditative d’un passage de la Bible.

Hetsika any ivelany

-FPMA Yvelines Fahazavana dia faly manasa anareo hiara-mifaly amin'izy ireo ny
Sabotsy 10 Novembre 2018 amin'ny 3 ora tolak'andro ka hatramin'ny 7 ora hariva.
Hisy ny Loto,
Ny tsakitsaky sy fialana hetaheta
handraisana anjara amin'ny vidiny mirary.
Ny vola azo amin'izany dia ho enti-manana ny Zaika be SA 2019