Menu

vendredi 19 octobre 2012

Fahefan'i Kristy


Kol 1, 15-23

AZO ANTOKA  I KRISTY

     Zava-nisy : Nitebiteby ny kolosiana ny amin’ny fahefan’i Kristy eo amin’ny fiainany.
Nihevitra izy ireo fa misy hery hafa ankoatran’i Kristy manjaka eo amin’ny fiainany nefa izy ireo dia « rahalahy mahatoky ao amin’i Kristy » (1,2) hoy i Paoly.Misy sehatra hafa izay tsy hananan’i Kristy fahefana hoy izy ireo.

 Manoloana izany dia nanoratra izao epistily izao Paoly ho fanitsiana sy ho fampaherezana azy ireo.

    Kristy dia manjaka amin’ny rehetra


·         Ny zavatra rehetra dia tsy hary raha tsy tamin’ny alalan’i Jesosy.
Izy dia niara-namorona ny zavatra rehetra tamin’Andriamanitra Ray. Izy dia hatraiza hatraiza, hatrany am-piandohana ka hatrany am-piafarana. Ary satria namorona Izy dia manampahefana koa amin’izay noforoniny. Manampahefana Izy na amin’ireo fahefana sy hery atahoran’ny kolosiana aza. Tompon’ny fiainan’izy ireo sy ny ho aviny i Kristy.

·         Tsy hoe namorona ny olombelona fotsiny i Kristy fa namonjy azy koa. Noforoniny ary miafara ao Aminy koa ny olona. Ny ràny latsaka teo amin’ny Hazo fijaliana no nampihavanany azy tamin’Andriamanitra Ray. Amin’ny teny hafa dia hoe : ny olona izay noforonin’Andriamanitra dia noforoniny mba hovonjena. Izany hoe talohan’ny fanorenana izao tontolo izao dia efa tao amin’ny planin’Andriamanitra ny hanome an’i Jesosy Kristy ho faty teo amin’ny Hazo fijaliana hampihavana ny olombelona amin’Andriamanitra.

Midika ve izany fa afaka manao izay tiana hatao satria efa vita ny fampihavanana? Tsia hoy ny Apostoly Paoly. “Tsy hanan-tsiny amam-pondro eo anantrehan’Andriamanitra ianareo, hoy izy, raha maharitra amin’ny finoana ka mafy orina sady tafatoetra ary tsy mety hafindra hiala amin’ny fanantenana avy amin’ny filazantsara” (and 22-23). 
Ny fanantenantsika dia ao amin’ny Filazantsara. Ny fanantenantsika, ny fiainantsika dia ao amin’i Kristy ary mandeha ao Aminy koa.

·         Sady namorona i Kristy, namonjy Izy ary mihazona ny zavatra
rehetra koa.

Izy no tompon’ny fahefana hatrany am-piandohana ka hatrany am-piafarana amin’izay noforoniny. Tsy misy olona afaka hilaza hoe amin’izao fotoana na daty izao ny faran’ny zavatra rehetra. Nisy nilaza hoe amin’ny 21/12/2012 ny farany. Tsy manam-pahalalana ny amin’izany izy. Kristy no mihazona ny zavatra rehetra! Foanàn’izao teny izao ihany koa ny tahotra avy amin’ny fiheverana fa ny olombelona dia mahavita manafoana izao tontolo izao amin’ny zavatra namboarin’ny tanany sy ny fahaizany. Andriamanitra dia manampahefana amin’izay noforoniny ary mbola velona sy miasa mandrak’ankehitriny ka ho mandrakizay. Tian’i Apostoly Paoly hametraka ny fony sy ny fitokisany amin’Ilay Fiandohana sy Fiafarana, Ilay mihazona ny zavatra rehetra ny kolosiana fa tsy amin’ny hery hafa akory.

     Jesosy Kristy Lahimatoa talohan’izao hary rehetra izao 

      Kristy Lohan’ny tena dia ny fiangonana. 

Izy no Lahimatoa talohan’izao zavatra hary rehetra izao. Izy no Zanaka Lahitokan’Andriamanitra. Ny mino dia zanaka natsangan’Andriamanitra tao amin’i Jesosy Kristy. Amin’ny teny hafa dia hoe, ny mino rehetra dia rahalahy sy anabavin’i Kristy. Ireo mino ireo - ireo rahalahy sy anabavin’i Kristy ireo no fiangonana izay ambaran’i Paoly hoe tenan’i Kristy izay loha (and18). Inona no dikan’izany? Jesosy Kristy no Mpamonjy tokana ny fiangonana ary tsy misy afa-tsy izy irery ihany. Ny famonjena ny olona dia miankina irery ihany tamin’ny ràny latsaka teo amin’ny Hazo fijaliana. Nefa sady Mpamonjy Izy no Zoky koa. Noho izany : ny zavatra rehetra izay nihantra tamin’i Kristy amin’ny maha Zoky Azy dia tsy maintsy mihantra amin’ny zandriny rehetra koa.

Ny fijaliana, ny fahafatesana dia tsy maintsy hiantra amin’ny mino satria nihantra tamin’i Kristy izany. Dia ahoana izany, ny tsy mino koa anie tsy maintsy maty e hoy ny sasany! Marina tokoa izany saingy i Kristy dia tsy nijanona tao am-pasana fa nitsangana tamin’ny maty - nandresy ny fahafatesana Izy. Ny mino koa dia tsy maintsy mandresy - tsy maintsy hitsangana amin’ny maty satria izay rehetra nihantra tamin’i Kristy dia tsy maintsy mihantra aminy.

     Mifalia fa zanak’Andriamanitra ianareo

Mampahatsiaro ireto kolosiana ireto Paoly : ny zavatra izay heverinareo ho mafy na fijaliana mihantra aminareo na fahafatesana dia tsy inona akory fa porofo manambara fa ianareo dia an’Andriamanitra, zanak’Andriamanitra. Mitoera tsara amin’izany maha zanak’Andriamanitra anareo izany fa rehefa tafatoetra tsara amin’izany ianareo dia afaka hijoro amin’ny finoana na inona na inona mitranga eo amin’ny fiainanareo. Tsy misy tokony hatahoranareo na inona na inona satria i Kristy no namorona ny zavatra rehetra, Izy no namonjy anareo, Izy koa no mihazona ny zavatra rehetra ary Izy koa no hiafaran’ny zavatra rehetra.  Manampahefana amin’ny zavatra rehetra Izy ary izany fahefany izany dia tsy zarainy amin’ny hery hafa. 


Ry havana malala, matokia fa i Kristy dia Andriamanitra momba anao ary tena tia anao tokoa ankehitriny ary ho mandrakizay. Amena. 


Naina ANDRIALAMPISON

Mpitandrina Mpandrindra ny Tafo