Menu

jeudi 27 décembre 2012

Anjara soa 4


KRISMASY 2012


Matio 2, 1-12 ; Lioka 2, 1-20


Miarahaba antsika rehetra ry havana tratra izao Krismasy 2012 izao. Krismasy fetin’ny mino, Krismasy fetin’ny kristiana, fetin’ny fiangonana. Andron’ny fifanolorana cadeaux.

Araka ny fanadihadiana nataon’ny institut Conseils – Sondages - Analyses (CSA) dia i Frantsa no firenena mankamamy indrindra ity fifanolorana cadeaux ity aty Europa satria vola mitentina miliara vitsivitsy no lany amin’izany cadeaux de noël izany eto Frantsa isan-taona. Io institut CSA io ihany koa no milaza fa frantsay 9 amin’ny 10 dia maniry fatratra te hahalala ny tena dikan’ny Krismasy. Angamba hoy izy ireo tsy resaka commercial fotsiny izany Krismasy izany. Inona marina tokoa moa ny dikan’ity  krismasy ity?

Raha jerentsika ny textes roa Mat 2, 1-12 sy ny Lio 2, 1-20 izay ireo ihany no textes mitantara ny fahaterahan’i Jesosy ao amin’ny Baiboly, dia samy milaza fa Andriamanitra Ray dia nanolotra ny Zanany Lahitokana ho cadeau ho an’izao tontolo izao. Nisy ny nandray sy nankasitraka izany cadeau izany, fa tao koa ny nandà, nikasa hamono Azy mihintsy aza.

Ny finoana dia ny fandraisana  ity cadeau ity


Isan’izay nandray sy nankasitraka ity cadeau ity :

-          I Josefa. Rehefa nahalala izy fa bevohoka i Maria fofombadiny dia nikasa ny hametraka azy mangingina satria fantany fa tsy avy aminy io zaza ao an-kibon’i Maria io. Natoky ny tenin’Andriamanitra anefa izy rehefa nilazàn’ny anjely fa io zaza io dia avy amin’ny Fanahy Masina ; ary dia nanaiky ny tenin’ny anjely hatramin’ny farany izy. Ataonao hoe Jesosy ny anarany hoy ny anjely satria Izy no hamonjy ny olona ho afaka amin’ny fahotany (Mat 1, 21).

-          I Maria. Nanaiky koa ny tenin’Andriamanitra izay nolazain’ny anjely Gabriela taminy, fa io zaza aterany io dia avy amin’ny Fanahy Masina. Tsy hafa io zaza io fa Zanak’Andriamanitra (Lio 1, 31). Ary ny anarany dia nasainy natao koa hoe Jesosy.

-          Ny mpiandry ondry. Rehefa nilazàn’ny anjely hoe : “Aza matahotra, fa indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana ho an’ny olona rehetra ; fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida dia Kristy Tompo” dia lasa nizaha izany zavatra izany.  Nampiely izay hitany sy izay nolazaina taminy izy ireo avy eo. Io zaza io no Mpamonjy, io no Kristy, io zaza io koa dia Tompo izany hoe: Andriamanitra. Ary nankalaza sy nidera an’Andriamanitra izy ireo noho izany.

-          Ireo Magy 3 lahy. Rehefa notarihin’ny kintana avy any atsinanana dia tonga niankohoka teo amin’i Jesosy ary nanolotra fanomezana ho Azy dia volamena, zava-manitra ary miora. Ny volamena dia entina ilazana fa ity zaza ity no tompon’ny harena rehetra ; Ity zaza ity no mpanjakan’izao tontolo izao. Ny zava-manitra dia midika fa Andriamanitra dia manatrika eo. Nanaiky ireto Magy ireto fa Andriamanitra Jesosy. Ny miora dia ahosotra amin’ny olona hajaina ary koa ahosotra amin’ny maty. Filazana  sahady izany fa ity Jesosy ity dia ho faty any aoriana any. Ny fahafatesana teo amin’ny hazo fijaliana no tiany hambara amin’izany.

Amin’ny teny tsotra dia hoe na i Josefa na i Maria na ny mpiandry ondry na ny Magy dia nanaiky ny tenin’Andriamanitra, natoky ny tenin’Andriamanitra ary nanatanteraka ny tenin’Andriamanitra, nandray ity cadeau nomen’Andriamanitra azy ireo ity.  Nino izy ireo fa Jesosy no Kristy, Jesosy dia Zanak’Andriamanitra, io no Mpamonjy izao tontolo izao.

Ny finoana an’i Kristy no miteraka ny fiangonana izay tsy hafa fa fiombonan’ny mino

Araka izany, teo amin’ity Krismasy voalohany ity, ny zava-misy dia izao :
 Andriamanitra nanome ny Zanany ary ny mino nanolotra ny fony ho an’Andriamanitra. Mifanolotra cadeaux Andriamanitra sy ny mino Azy.

Raha eo amin’ny fiaraha-monina, ny fifanolorana cadeaux dia miteraka fifaliana, mampitombo ny fifankatiavana, mampaharitra ny fihavanana.

Fa eto kosa, ny vokatry ny fifanoloran’Andriamanitra cadeaux tamin’ireto olona ireto dia ny fahaterahan’ny fiangonana.

Ny tenin’Andriamanitra no fototra iorenan’ny fiangonana

Marihina fa, ny Jesosy fantatr’ireto olona ireto (Maria, Josefa, mpiandry ondry, magy) na ny marimarina kokoa, ny Jesosy nampahafantarina azy ireto, dia tsy Ilay Jesosy ara-tantara akory fa Ilay Teny, i Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra, Ilay Mpamonjy izany hoe Ilay ho faty eo amin’ny Hazo fijaliana sy Ilay hitsangana amin’ny maty.

Tsy fantatr’ireto olona ireto akory hoe izy ireo anie ka fiangonana e ! satria ny fiangonana dia tsy avy amin’ny sitrapon’ny olombelona akory na avy amin’ny kajikajy ataon’ny olona fa Andriamanitra no tompo-marika amin’ny fanorenana fiangonana. Jesosy Kristy, Ilay Teny tonga nofo, no fototra iorenan’ny fiangonana.

Efa taty amin’ny taonjato faha-16 ry Calvin sy ry Lotera vao nanome famaritana mazava ny amin’ny atao hoe fiangonana : ny fiangonana hoy izy ireo dia fiombonan’ny olona mino an’i Kristy ary ny Tenin’Andriamanitra no fototra iorenany.

Ny fiangonana dia mahasahana ny toerana rehetra amin’ny olona rehetra sy ny fotoana rehetra fa tsy toy ny tamin’ny andron’ny zanak’ Israely intsony.

Ny filazana fa ny fiangonana dia miorina amin’Ilay Teny tonga nofo, Jesosy Kristy, dia milaza fa ny fiangonana dia sady manohy no manapaka ihany koa amin’ny zanak’Israely. Ny zanak’Israely dia tsy iza fa ireo vahoakan’Andriamanitra tao amin’ny fanekena taloha : ny zanak’Israely ihany no nanana anjara tao amin’Andriamanitra.

Ankehitriny kosa, ny faneken’Andriamanitra dia ao amin’i Jesosy Kristy. Araka izany, ny fiangonana dia manerana izao rehetra izao satria ny asan’i Kristy dia manerana izao rehetra izao. Manambara izany indrindra ity fiangonana ity : nisy lahy, vavy, lehibe, olon-tsotra (Maria dia tambanivohitra, Josefa dia mpandrafitra), zaza, tao koa ireo olona nahilikiliky ny fiaraha-monina tamin’izany fotoana izany toy ny mpiandry ondry, nisy koa olona manan-kaja : afaka niditra tao an-dapan’ny mpanjaka sy afaka niresaka taminy toy ny Magy. Ireto Magy ireto koa dia olona manam-pahaizana (astronomes, isan’ny siantifika tamin’ny fotoan’androny) no sady vahiny (tsy jiosy).

 Araka izany, tamin’ity fiangonana ity dia tsy nisy fanavakavahana na ara-pari-piainana, na ara-pahalalana, na ara-pihaviana, na ara-tsokajin-taona, tsy nisy fanavakavahana hoe lahy na vavy.

Ireto fiangonana ireto dia tsy niady hevitra tamin’Andriamanitra fa nanaiky tsotra ny teniny, tsy be resaka fa nahita dia niankohoka, tsy nanao tsinontsinona ny hafa : izahay astronomes/ianareo mpiandry ondry ; izahay lahy/ ianareo vavy ; izahay no tena izy satria izahay no niteraka azy/ianareo tsinontsinony akory ; izahay tompon-tany /ianareo vahiny sns...

Tsy nisy izany, fa Andriamanitra no banjinina. Raha Andriamanitra no nanao izao, raha Andriamanitra no nifidy ny tsirairay ho fiangonana, iza moa aho no hiteny hoe tsy mety izao na hilaza hoe ianao tsy tokony ho isan’ny fiangonana?

Inona ny zava-nisy tamin’izany fotoana izany no nijoro izao fiangonana izao?

Tany Betlehema no niseho ny tantara. Araka ny baikon’ny Emperora Romana Aogosto Kaisara dia nasaina niakatra ho any Betlehema i Josefa sy i Maria mba hisaina satria Galilia tanàna fihavian’izy ireo dia teo ambany fanapahan’ny Romana. Araka izany, dia feno vahoaka tao Betlehema. Izany koa no antony anankiray nahafeno ny hotely fandraisam-bahiny tao, ka dia tranon’omby sisa no nitoeran-dry Maria sy Josefa.

Tamin’ireo vahoaka vory sy nifamezivezy tao Betlehema ireo dia :

-          Nisy ny nikasa ny hamono an’i Jesosy : Heroda mpanjakan’i Jerosalema. Nahalala ny tenin’Andriamanitra izy fa tsy nahoany akory izany. Ny fiarovana ny sezany no masaka tao an-tsainy. Rehefa hitanareo hoy i Heroda mantsy ny Magy izay toerana nahaterahan’izany zaza izany dia mba hilazao izahay mba handehananay any koa. Nefa tetika mba hahitany ilay zaza fotsiny izany, ary ny tanjony dia ny hamono Azy.

-          Nisy ireo nahalala ny tenin’Andriamanitra fa tsy niaina tamin’izany : ireo mpisorona sy mpanora-dalàna. Nampiasa ny tenin’Andriamanitra izy ireo ho fitaovana teo am-pela-tanan’ny Mpanjaka hisamborana sy hamonoana an’i Jesosy. Izy ireo no nanontanian’i Heroda ny amin’izay lazain’ny Soratra Masina mikasika ity zaza teraka ity. Dia namerina izay voalazan’ny mpaminany Mika 5, 1 izy ireo. Nanaiky ny tenin’ny olona mihoatra ny tenin’Andriamanitra izy ireo.

-          Tao koa ireo olona izay tsy nahalala mihintsy ny tenin’Andriamanitra, dia ireo olona nitoetra tany amin’ny firenen-kafa, iray fihaviana tamin’ireto Magy ireto ohatra.

-          Tao koa ireo olona lavitra an’Andriamanitra. Araka ny voalaza dia tamin’ny andro alina no niseho izao vaovao izao. Ny Salamo 104, 20-23 dia milaza fa ny alina dia fotoana ivoahan’ny bibidia masiaka mitady hanina. Entina ilazana izany fa maro ny olona no rembin’i Satana tamin’izany andro izany ka mila ny mazava.

-          Tao koa ireo olona, miaina fotsiny toy izao. Miaina toy ny tsy misy Andriamanitra.

-          Tao koa ireo olona izay tsy nanaiky an’i Jesosy ho ilay Mesia, ho ilay Voahositra, ho Ilay  Mamonjy izao tontolo izao.

Tao anatin’izany toe-javatra izany no niposaka ny mazava, teraka Jesosy Kristy Mpamonjy, nijoro koa izao fiangonana izao.

Andriamanitra : tompon’ny tena  fiainana

Ny hafatra nasain’Andriamanitra nambaran’ireto fiangonana ireto dia iray ihany :
Tsy nanana antony hafa nahatongavana tany Betlehema i Jesosy afa-tsy ny ho faty any Golgota  sy hitsangana amin’ny maty ; tsy nanana antony hafa nahatongavana tety ambonin’ny tany Jesosy afa-tsy ny hamonjy izao tontolo izao.

Ny famonjena hambara eto dia sady fanafahana amin’ny ota sy ny fahafatesana no fanomezana fiainana vaovao ihany koa.

Izany fiainana vaovao izany dia velomin’ny fanantenana fa hifarana ao amin’Andriamanitra rahatrizay. Izany no maha Kristy ity zaza teraka ity, Izany  no maha Andriamanitra ity zaza teraka ity :  sady tsy araka izay heverin’ny olona no manao zava-baovao ihany koa. Andriamanitra ve dia ho faty, izany no fihevitry ny olona. Manao zava-baovao satria avy Aminy no nahalalan’ireto olona ireto (Maria, Josefa, ny mpiandry ondry sy ny Magy) sy ninoany fa Jesosy dia Kristy sy Zanak’Andriamanitra ary ny mission-ny dia ny hamonjy ny olona.

Izany no hafatry ny Krismasy : Jesosy tia ny olona rehetra, te hamonjy ny olona rehetra Izy na dia ireo nikasa hamono Azy aza, na ireo mampiasa ny tenin’Andriamanitra ho fiarovana ny tombontsoany aza, na ireo hafa firenena aza ,  na ireo voangejan’Ilay ratsy aza, na ireo tsy nahalala mihintsy ny tenin’Andriamanitra aza, na ireo manao an’Andriamanitra ho tsy misy aza, na ireo tsy manaiky Azy ho Kristy aza.

Na iza na iza dia tian’Andriamanitra ho entin’i Jesosy Kristy hiverina any Aminy.

Ny fifalian’Andriamanitra dia ny fandraisana ny cadeau omeny

Ny fiangonana, ny mino no nametrahan’Andriamanitra izany hafatra izany. Adidin’ny fiangonana ny mitory izany fitiavan’Andriamanitra izany. Adidin’ny fiangonana ny mitarika ny olona hanao takalo, hanolotra cadeau ho an’Andriamanitra ho setrin’ny Zanany.

Raha eto amin’izao tontolo izao dia zavatra mitovitovy sanda no ifanakalozana : vary 1 kg ohatra atakalo hena ½ kg, fiara iray ohatra atakalo vola 20.000 euros.

Ny fifanakalozana amin’Andriamanitra kosa anefa tsy mba toy izany, satria na oviana na oviana dia tsy hisy hitovy sanda amin’i Jesosy Kristy.

Ny tian’Andriamanitra ho takalon’ny Zanany dia fanoloran-tena antsitrapo ho Azy tanteraka.

Ny tiana holazaina amin’ny hoe takalo dia fanekena Azy tsotra. Inty Aho Andriamanitro ô manaiky Anao. Misaotra Tompoko noho ny cadeau nomenao sy ny fitiavanao.

Ny tiana holazaina amin’ny hoe takalo dia fanekena tsotra satria Andriamanitra tsy manery na iza na iza hanaiky Azy na dia te hamonjy ny olona rehetra aza .

Tsy manery Andriamanitra fa manambitamby : “ Izaho anie tia anao e”, “Izaho anie avy mba hanananao fiainana e sady hanananao be dia be e”.

Fitiavana tsy misy fetra ny fitiavan’Andriamanitra ny fiangonana

Tonga teto an-tany Jesosy satria te hiombom-piainana amintsika olombelona Andriamanitra.

Tonga teto an-tany Jesosy mba hananantsika toky fa tsy miova ny fitiavan’Andriamanitra antsika.

Tonga teto an-tany Jesosy mba handraisantsika feno sy tanteraka fiainana vaovao ao amin’Andriamanitra.

Tonga teto an-tany Jesosy nandrava ny efitry ny fifandrafiana amintsika samy olombelona.

Tonga teto an-tany Jesosy nitondra ny fanjakan’Andriamanitra  ho antsika, ka ankehitriny dia mahazo mahatoky isika fa tsy irery eo am-pamakivakiana ity fiainana ity fa monina amintsika Izy.

Tonga teto an-tany Jesosy mba hitondra antsika koa ho any amin’Andriamanitra Ray rahatrizay.
  
Izao fahatongavantsika hidera Azy amin’izao Krismasy izao dia tsy hafa fa toy izay nataon’i Maria sy Josefa ary ny mpiandry ondry sy ny Magy nandray ilay cadeau nomen’Andriamanitra azy ireo. Koa mifalia fa teraka ao am-ponao Jesosy Kristy Tompo! Arahabaina isika rehetra fa tratry ny Krismasy tokoa!

Voninahitra anie ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Amena.

Naina ANDRIALAMPISON
Mpitandrina ny Tafo