Menu

mardi 10 janvier 2017

"Inty aho, iraho aho." Is 6:8

                       FPMA ORLEANS  Janoary 2017
« Ary nandre ny feon’ny Tompo aho nanao hoe : Iza no hirahiko , ary iza no
handeha ho irakay ? Dia hou izaho : Inty aho , iraho aho. » ( Isaia 6.8 ).

        Hampitomboina mandrakariva ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Ilay tia anareo ka niantso anareo haneho ny voninahiny eo amin’nyfiainanareo !

Nofidina manokana io tenin’ny Soratra Masina voalaza eo ambony io, ry havana, mba ho teny faneva sy fanoitra miantso sy manentena antsika amin’izao fiarahantsika manompo Azy izao !

         Ry havana , taona vaovao no diavintsika izao , dia ity taom-pahasoavana 2017 izay nomen’ny Tompo antsika ity ! Rariny sady hitsiny tokoa raha misaotra sy mankasitraka ny Tompo isika , ka mifampiarahaba fa nomeny famelan-keloka isika ka navotany tamin’ny tsi-fahamendrehantsika sy ny tsifahatanterahantsika ka nampandehaniny indray amin’ity lalam-baovao izay tsy fantatsika ity !

           Mampahatsiaro antsika ny teny faminaniana nataon’ i Isaia mpaminany tamin’ny Zanak’Isiraely izany, raha hoy izy hoe : « Fa na mivily ho amin’ny ankavanana ianao , na mivily ho amin’ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe : Ity no lalana , ka andehano. » ( Isaia 30.21 ). Tsy fantatra ary mihafina amintsika tokoa ry havana , izay zavatra rehetra mety hiseho sy hihatra amintsika amin’ity lalam-baovao hitondran’ny Tompo sy hampandehanany antsika ity , nefa tsarovy fa na oviana na oviana dia tsy mamela antsika handeha irery Andriamanitra fa mitsinjo sy miaraka amintsika mandrakariva , araka ny teny fampanantenana nataony hoe : « Indro Izahomomba anareo mandrakariva, mandra-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao. » ( Matio 28.20b ).
Aty amin’izao tontolo izao no hahitanareo fahoriana , hoy ny Tompo ,kanefa matokia fa Izaho efa nandresy izao tontolo izao ! Mety ho sarotra tokoa ny làlana ry havana, mety hisy zavatra izay tsy hampoizina , kanefa mandehana amin’izao herinao izao, aza mierikerika foana ary matokia fa homba anao ny Tompo Andriamanitrao !
Nomen’Andriamanitra fahasoavana manokana isika eto amin’ny FPMA ORLEANS mba hiara-manompo Azy satria vavolombelon’ny teny fiainana sy fahamarinana izay natolony antsika , mba hiara-miasa ka ho fiasampamonjena ho an’izay rehetra eto amintsika sy ny manodidina antsika !
« Anaka , atolory Ahy ny fonao , ary aoka ny masonao ho faly mijery ny lalako. »( Ohabolana 23.26 )
Fanoloran-tena feno sy tanteraka ary an-tsitrapo ry havana no antenain’ny Tompo amintsika ka aoka isika hiara-manatanteraka izany amin’ny hafanampo mba tsy hihatra amintsika ny teny voalaza ao
amin’ny Apokalypsy manao hoe : « Fa satria matimaty ianao ka tsy mafana na mangatsiaka , dia efa haloan’ny vavako ianao. »
« Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny
Tompo. » ( 1 Korintiana 15.58 )
.
Voninahitra ho an’Andriamanitra any amin’ny avo indrindra , ary
fiadanana ho ety ambonin’ny tany ho amin’ny olona hankasitrahany !

RAKOTOARIMANANA Joseph, Mpitandrina .


Miverina any @ Actu