Menu

Affichage des articles dont le libellé est Hafatra. Afficher tous les articles
Affichage des articles dont le libellé est Hafatra. Afficher tous les articles

lundi 21 mai 2018

Hafatra Pentekosta 2018



Rev Dr Jean Ravalitera Andriamarohasina


«Fa raha tonga ny Fanahin’ny Fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin’ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo. Izy hankalaza Ahy; fa handray avy amin’ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.» (Jaona 16, 13-14)
Miavaka ity taona ity, satria hankalaza an’Andriamanitra noho ny faha-200 taona nahatongavan’ny Misionera nitory ny Filazantsara tany Madagasikara isika Malagasy. Amin’ny maha-mpikambana feno antsika FPMA ao amin’ny Fédération Protestante de France, dia nomena adidy manokana isika FPMA hampita sy hitondra any an-tanindrazana ny hafatra sy ny fiombonan’ny Protestanta rehetra aty Frantsa.  Mahafaly sy isaorana an’Andriamanitra izany, kanefa tsy tokony hohadinoina ny fa manetsika antsika haneho ny fiombonana sy firahalahiana ary fampiraisana tokoa izany. Tamin’ny Pentekostra no nanehoan’ny kristiana voalohany ny atao hoe «Fiombonana » (Koinonia), araka voalazan’ny Asan’ny Apostoly 2, 42  hoe : «Ary izy ireo naharitra tamin’ny fampianaran’ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana.». Zava-dehibe ny fototra teolojika iorenan’ny Fiangonantsika, dia «Fiombonana manao asa misiona mba hizara fiainana ary fiainana be dia be» (Communion en mission pour partager la vie et la vie en abondance). Toa sarotra izany kanefa «Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba hanananareo ny onony rehetra mandrakariva amin’ny zavatra rehetra, ka hitombo amin’ny asa tsara rehetra.»(II Korintiana 9, 8)
Arahabaina ireo Sampana iraisana efa samy nahavita ny Fihaonambeny tamin’ity taona ity (Sampana Tily, AMF nanao ny ChoeurUni faha-15 tany Toulouse). Irariana mba hahavita soa aman-tsara ireo mikasa hanao ny Fihaonambeny ihany koa amin’ity taona ity (AG Tanora Kristiana, Isantaonan’ny Sampana Fifohazana any Besançon, Fihaonamben’ny Sampana Vehivavy Kristiana sy ny Sampana Lehilahy Kristiana miaraka). Mampiomana sy mangataka antsika rehetra hitondra amam-bavaka ny Synoda Financier sy Fiofanan’ny Filoha rehetra sy ny Mpiandraikitra ara-bola, hatao amin’ny volana Jona ho avy izao eto Paris. Eo koa ny Synoda Lehibe hatao any Bordeaux amin’ny volana Novambra ho avy izao.
Mirary Pentekosta finaritra eo ambany fahasoavan’Andriamanitra ho anareo rehetra izahay, ary mitsodrano anareo amin’ny anaran’Ilay Tia antsika sady Lohan’ny Fiangonantsika :
« Ilay Andriamanitra loharanon’ny fanantenana anie hameno fifaliana sy fiadanana tanteraka anareo noho ny finoanareo, mba hampitomboana be dia be ao aminareo ny fanantenana noho ny herin’ny Fanahy Masina! »(Efesiana 15, 13)


lundi 9 avril 2018

Hafatra Pastoraly

MPITANDRINA SYNODALY-FILOHAN’NY FPMA 
                                                                    Paris, 26 mars 2018

 HAFATRA PASTORALY AVY AMIN’NY FILOHAN’NY FPMA NOHO NY PASKA 2018

                    Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’I Jesoa Kristy, Ilay Vavolombelona mahatoky, Ilay Zanaka Lahimatoa sady voalohany natsangana ho velona avy tamin’ny maty, ary Ilay Filohan’ny mpanjaka amin’ny tany.

            Tsarovantsika mandrakariva mandritra ny Herinandro masina ny tenin’ny Tompo nampilazaina ny mpaminany Isaia, hoe: «Nitondra ny aretintsika tokoa izy sady nivesatra ny fahoriantsika; saingy isika no nihevitra azy ho nofaizin'Andriamanitra Izay nikapoka sy nampietry azy. Kanefa voalefona noho ny helotsika izy sady notorotoroina noho ny fahadisoantsika; ny famaizana antoky ny fiadanantsika no nihatra taminy, ary ny ratra nahazo azy no nahasitrana antsika. » Isaia 53, 4-5 .
Misaotra an’Andriamanitra isika noho ny fandresena izay ankalazaina amin’ny Paska. « Eny, efa voavono i Kristy ilay Zanakondrin'ny Paska ho antsika: ka dia aoka isika hankalaza ny Paska tsy amin'ny mofo misy leviora tranainy, dia ny leviora manambara fitondrantena tsy valahara sy toe-dratsy; fa amin'ny mofo tsy misy leviora, dia ny mofo manambara fitondrantena madio sy toetra mahitsy. » 1 Korintiana 5, 7-8
 Nandalo fizahan-toetra isika FPMA tamin'izao fiandohan'ny taona 2018 izao (tsy fahasalaman'ny Filoha, famoizana ny Mpitandrina tafo Bordeaux). Misaotra an'Andriamanitra raha tsy navelany nitanondrika fa natrakany mandrakariva mba ho vavolombelony. Tianay soritana manokana ny fiainam-bavaka naterak'ireo zava-nitranga ireo. Antenaina fa hitohy mandrakariva izany fiainambavaka izany! Ireo fivoriana hifanesisesy, dia mampiseho fa velona ny Fiangonantsika.
 Efa miomana tokoa mantsy ireo Sampana iraisana mikasa hanao ny Fihaonambeny tamin’ity taona ity (RNT Sampana Tily, ChoeurUni Sampana Antoko Mpihira, Isantaona Sampana Fifohazana, Fihaonambe Sampana Vehivavy Kristiana sy Sampana Lehilahy Kristiana miaraka, ny Fivoriamben'ny Sampana Tanora Kristiana). Eo koa ny Synoda ara-bola sy Fiofanan’ny Filoha sy ny Mpitahiry vola fanao isantaona eto Paris amin’ny volana Jona ho avy izao, ary Fiofanana sy ny Fihaonamben’ny Mpitandrina ao amin’ny FMM. Isaorantsika an'Andriamanitra fa efa afaka nanomboka sahady ny Fitaizana lalipaka sy mitohy (Formation Permanente) isika amin'ity taona ity. Mampiomana sy mangataka antsika rehetra hitondra amam-bavaka ny Fihaonamben'ny Conférence des Églises Européennes (KEK) hatao amin'ny volana Jolay ho avy izao, ny Faha-200 taona nidiran'ny Misionera Protestanta nitory ny Filazantsara hatao amin'ny volana Septambra any Antananarivo, ary ny Synôda Lehibe hatao amin’ny volana Novambra ho avy izao any amin’ny Faritany Atsimo Andrefana. Mirary Paska sambatra ho anareo rehetra ary mitsodrano anareo sy mametraka anareo ho eo ambany fitahian’Andriamanitra: « Andriamanitra dia efa nitondra an'i Jesoa Tompontsika hiala amin'ny fahafatesana, i Jesoa Tompontsika Izay Mpiandry lehibe miahy ny ondry noho ny ra nafoiny ho antoky ny Fanekempihavanana mandrakizay. Andriamanitra loharanon'ny fiadanana anie hahatonga anareo ho vonon-kanao ny asa soa rehetra mba hanatanterahanareo ny sitrapony; ka hataony ao anatintsika amin'ny alalan'i Jesoa Kristy anie izay sitrany. Ho an'i Jesoa Kristy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amen. » Hebreo 13, 20-21

 Ny Filohan’ny FPMA,