Menu

mercredi 31 octobre 2012

Vaovao Novambra

Azonao jerena atsy @   Facebook FPMAOrléans    ireo sary t@ 28 Oktobra lasa teo.

Fianarankiran'ny chorale: répétition chorale

Hafatra : Rojombavaka Synoda 34

"Ho fanomanana ny Synoda Lehibe faha-34 izay atao any Avignon amin'ny faha2,3,4/11/12 izao dia manolotra izao Rojom-bavaka izao izahay eto amin'ny FaritanyAtsimo Atsinana izay mikarakara ny fandraisana ny Synoda.

Ny vahoaka FPMA manontolo no antsoina handray anjara amin'izany andraikitramasina izany indrindra ireo izay tsy manatrika ny fivoriana any an-toerana koa aoka tsyhisalasala hanoratra anarana ao. Dimy minitra isan'olona hanokanana vavaka ho an'nySynoda lehibe faha-34 ary hanomboka ny alahady 28/10/12 ka hifarana amin'ny alahady 04/11/12 amin'ny 12ora alina.

Indro ny rohy ahafahana misoratra anarana mivantana amin'izany:
VAVAKA HO AN’NY SYNODA

Mirary ny fiadanan'ny Tompo,"

"Ny fiasan'ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra" (Jakoba 5:16e)

RABEZANAHARY Andry, Vaomieran'ny Vavaka sy Fotoam-pivavahana manomanany Synoda.
RAJAOFETRA Serge, Mpandrindra ny fanomanana ny Synoda
RAKOTOMALALA Bakoly, Filohan'ny Faritany ATS ATS
RANDRIANANDRASANA Jeannot, mpitandrina Aumônier du Synode