Menu

lundi 16 novembre 2015

Volana Novambra 2015

perikopa Janoary 2016 

Alahady 29 Novambra: Advento 1

Alahady voalohany amin'ny Advento.( misy efatra io alahady io ary ny 4 mialohan'ny Krisimasy no izy).I Pasitera  Beby Solohery no nitory ny tenin' Andriamanitra tamin'ity fotoana ity. Ny SA kosa no nitarika ny fotoana.
Niisa 54 ny olona tonga tao.

Vaovaom-piangonana:

Ny SA dia hanao ny famerenana "Hazo Noely" androany hariva @ 13h30 ka hatramin'ny 16h30
Ny STK dia hanao fivoriana rehefa mirava ho tarihan'i Larry.
Ny AMFO Hanao ny Concert-ny ny Asabotsy 12 Desambra 2015 @ 16h eto @ Chapelle St Marc ka hanao ny famerenana ny Asabotsy 5 Desambra @ 16h sy ny Zoma 11 Desambra @ 18h30.
Ny SZM dia nanolotra ny fisaorana ny vahoakan'Andriamanitra tamin'ny fandraisan'anjara nataony.

Ny avy any ivelany

Ny vondron'ny Fiangonana Kristiana Orléans sy ny oekominisma hanao fotoam-pivavahana ho fangatahana ho an'ny Cop 21 ny Alarobia 2 Desambra @ 18h30 ao @ Eglise St Pierre du Martroi rue Lescures Orléans. I Pst E. ALVAREZ no hitondra ny Teny amin'io.

Ny fotoana manaraka:

Alahady 06 Desambra @ 10h maraina eto @ Chapelle St Marc ihany Alahady voalohany ka hisy Fandraisana sy fandoavana ny adidin'ny MFT.
Ny Mpitandrina  Jacky Randriambololona no hitondra ny teny sy hanome ny Fandraisana FT amin'io.


Alahady 22 Novambra 2015

Alahadin'ny Sampana ZVM eto @ Tafo Orleans. Ny Mpitoriteny Henintsoa Rasolonjatovo no nitondra ny Teny mahafaly tamin'io andro io.
Ny SZM no nitarika ny fotoana ary ny Saxo Alto sy ny Clavier no nanaraka sy nandrotsy ny Mpiangona. 
Nisy ny varotra barquettes nataon'ny SZVM tamin'io mba hafahany hamenoany ny kitapombolany amin'ny fividianana fitaovana samihafa ho an'ny Fiangonana. Ny mbola tadiavina mantsy dia ny fanamafisampeo hanampiana ny efa ao.
Niisa teo amin'y 43 teo ny mpiangona tonga tao.

Vaovaom-piangonana:

Ny SA dia hanao ny famerenana "Hazo Noely" androany hariva @ 13h30 ka hatramin'ny 16h30.
Ny AMFO Hanao ny Rindrankirany ho Fankalazana ny Faha 30 Taonany ny Asabotsy 12 Desambra 2015 @ 16h eto @ Chapelle St Marc

Ny avy any ivelany

Ny Tafo FPMA Vincennes dia hankalaza ny Fahadimy taonany androny Alahady 22 Novambra @ 15h ao @ 12 rue Monmory 94300 Vincennes.
Ny Tafo FPMA Fihobiana Parisy dia hanamarika ny fahafolo taona niorenany ny Asabotsy 28 Novambra @ 12h30 ao @ Palais de la Femme 94 rue Charonne Paris 11è.
Ny Tafo FPMA Melun hanao Déjeuner Concert ny Asabotsy 28 Novambra @ 12h ao @ Insomnia 2 rue de Bretagne 91220 Brétigny/ Orge.

Ny fotoana manaraka:

Alahady 29 Novambra @ 10h30 eto amin'ny Chapelle St Marc

Alahady 15 Novambra 2015

Alahady fahatelo amin'ny volana. Atoa Henintsoa Rasolonjatovo no nitondra ny tenim-pitiavana tamin'io andro io.

Ny fotoana manaraka:

Ny fotoana manaraka dia ny Alahady 22 Novambra @ 10h30 eto amin'ny Chapelle St Marc ihany. Alahady natokana ho an'ny Sampana ZavaManeno (SZM) io Alahady io.

Alahady 1 Novambra 2015

Zaikabe natao tany La Roche/Yon
Niisa 9 teo ny  avy eto @ Tafo Orleans no nandeha tany.
Noho izany dia tsy nisy Fiangonana teto Orléans tamin'io andro io.