Menu

Affichage des articles dont le libellé est Anjara Soa. Afficher tous les articles
Affichage des articles dont le libellé est Anjara Soa. Afficher tous les articles

mardi 20 novembre 2012

Ny Ran'i Kristy

Heb 10, 11-18

                      NY RAN’I KRISTY : FANAVOTANA HO ANTSIKA                


Ity texte ity dia tsy azo sarahina amin’ny Hebreo toko 9 sy toko 10. Voalaza ao amin’ny Heb 9, 22 fa raha tsy misy rà latsaka dia tsy misy famelan-keloka. Izany no fombam-pivavahana teo amin’ny Testamenta Taloha. Ny Levitikosy 16 ohatra dia mitantara ny famonoana osilahy na ondrilahy natao fanatitra noho ny ota.
Izany fanatitra voalazan’ny Testamenta Taloha izany anefa dia tsy mahaisotra ota satria raha mahaisotra ota izany hoy ny mpanoratra ity episitily ity dia tsy ho naverimberina isan-taona (Heb 10, 1-4). Tsy mahaisotra ota ireny fanatitra alatsa-drà ireny satria tsy sitrak’Andriamanitra (Heb 10, 5-6) noho izy ireny naterina araka ny lalàna (Heb 10, 8). Ny lalàna no nanery ny mpisorona nanao azy. Tsy sitrak’Andriamanitra izany.
Ny sitrak’Andriamanitra dia izay vokatry ny fo. Ny sitrak’Andriamanitra dia ny fanaovana ny sitrapony an-tsitra-po, am-pitiavana fa tsy izay avy amin’ny faneriterena avy amin’ny lalàna akory.

Izany no nahatonga an’i Jesosy hiteny hoe : “Inty aho tonga Andriamanitra ô hanao ny sitrakao” ( Heb 10, 7-10) dia nanatitra ny tenany am-pitiavana Izy, nanolotra ny tenany hatao fanatitra.

Ny ràn’i Kristy


I Kristy dia tsy mba nitondra ràn’osilahy na ràn-janak’omby natao fanatitra, fa ny ràn’ny tenany no natolony an-tsitra-po (Heb 9, 12). Marihana anefa, fa tsy Andriamanitra Ray no mila ny ràn’i Kristy hanadiovana ny tenany. Tsy Andriamanitra no nanota. Sanatria izany! Misy mihevitra fa, ny faharatsimpon’Andriamanitra dia tsy maintsy toniana amin’ny ràn’ny tsy manan-tsiny, amin’ny ràn’ny Zanak’ondry. Misy mihevitra an’Andriamanitra ho mpamaly faty.
Tsy izany no hambaran’ny Soratra Masina. Tsy Andriamanitra Ray no mila rà hanadiovana ny tenany fa isika no mila ny ràn’ny Zanak’ondry, isika no mila ny ràn’i Kristy hanadio antsika.

Andriamanitra dia fitiavana ary ny làlana mankeo Aminy dia mivoha mandrakariva amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Mba hahazoana miditra ao dia mila ny ràn’i Kristy isika hanadio antsika.

 Inona no zava-mitranga amin’ity hoe fanavotana amin’ny ràn’i Kristy ity ?


1) Ny ràn’i Kristy no manadio antsika.

Diovina isika satria mpanota no sady manao heloka isan’andro. Mpanota isika satria nandova ota. Ary vokatr’izany fandovana ota izany dia misy fitongilanana amin’ny ratsy ao anatintsika ao (Sal 14, 3). Hay ho azy io manota io. Tsy ampianarina fa hay ho azy. Ka dia manota isan’andro isika, velona amin’ny ota isika. Mamorona ota isan’andro koa isika no sady manao heloka koa.

Samihafa ny atao hoe heloka sy fahotana. Ohatra no entiko hanazavana azy. Ny hazo tsara mamoa voa tsara ary ny hazo ratsy mamoa voa ratsy. Ny heloka dia oharina amin’ny voa ratsy avy amin’ny hazo ratsy izay manondro ny fahotana. Araka izany, ny heloka dia vokatry ny fahotana. Ny fahotana dia ny tsy finoana an’Andriamanitra, ny fandavana an’i Kristy. Ny heloka dia ny halatra ohatra, ny fankahalana sy ny sisa maro tsy voatanisa. Mandram-piala eto an-tany dia manongotra io hazo ratsy io foana isika.

Ny ràn’i Kristy no manadio antsika amin’izany rehetra izany mba hananantsika toky mandrakizay fa tsy miova ny fitiavan’Andriamanitra antsika.

2) Ny ràn’i Kristy no mampihavana antsika amin’Andriamanitra Ray.

“Ianareo izay lavitra fahiny dia nampanakeken’ny ràn’i Kristy” hoy ny apostoly Paoly (Efes 2, 13). “Kristy no ananantsika fanavotana amin’ny ràny dia ny famelana ny fahadisoantsika” (Efes 1, 7). Eo amin’izay misy famelan-keloka no misy fihavanana amin’Andriamanitra koa. Rehefa mangataka famelan-keloka amin’Andriamanitra isika dia angatahina amin’ny anaran’i Kristy izany.

 Amin’ny teny hafa dia hoe Jesosy Kristy no mitondra antsika eo amin’Andriamanitra Ray rehefa nodioviny tamin’ny ràny isika.

 3) Ny ràn’i Kristy koa no manao famoronam-baovao amin’ity tenan’ny fahafatesana ity noho ny asan’ny Fanahy Masina.

Noho ny fahotana dia mizotra ho amin’ny fahafatesana isika, tsy ny nofo ihany fa isika manontolo. Izao anefa no nanehoan’Andriamanitra ny fitiavany antsika araka ity Hebreo ity : “Izao no fanekena ataoko aminy hoy Jehovah : ataoko ao am-pony ny lalàko sady soratako ao an-tsainy” (and 16). Ny faneken’Andriamaintra dia Izy Andriamanitra no manatanteraka azy, Izy no mandray ny andraikitra rehetra mba hahatanteraka izany fanekena izany.

Izany no antony nanomezany an’i Jesosy Kristy Zanany ho an’izao tontolo izao sy ny Fanahy Masina. Fa ny Fanahy Masina no manoratra ny lalàna ao am-pon’ny olona ary ny ràn’i Kristy no ranomainty anoratany azy.

Araka izany, ny famelan’Andriamanitra heloka (sy/na ota) dia midika ho fandraisan’Andriamanitra ilay olona ho Azy tanteraka. Omeny ny Fanahiny hitarika azy ho amin’ny marina rehetra izy. Omeny ny Fanahiny hitarika azy ho amin’ny fibebahana marina izy.
Ny fibebahana marina dia ny fanekena fa mpanota sy olo-meloka izy ary fantany ilay fahotana na heloka nataony (angatahina amin’ny Fanahy Masina ny fampahafantarana izany fahotana sy/na heloka izany). Ny vokatr’izany fiaikena fa mpanota izany dia fifonana sy fanekena ny herin’ny ràn’i Kristy ary faniriana fatratra ny hosasan’izany. Manomboka hatreo, dia toetra vaovao avy amin’ny Fanahy Masina no sitrany sy ataony ary mangataka isan’andro amin’ny Tompo izy mba hampitoetra tsara azy amin’izany.

“Koa raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga  vaovao ireo” (II Kor 5, 17) hoy Paoly.

Jesosy Kristy mipetraka eo an-tanana an-kavanan’Andriamanitra Ray,  mifona ho antsika isan’andro isan’andro. Noho ny Amiko Ray ô dia avelao ny helony sy ny fahotany. Midika izany fa mbola miasa Kristy, ary azo antoka ny asany. Vokatr’izany : ”Ny fahotan’ny olona sy ny helony dia tsy hotsarovan’Andriamanitra intsony” (and 17).

Andriamanitra rehefa mamela antsika dia mamela tanteraka. Azo antoka ny famelany heloka (sy/na ota). Misy olona izay andevon’ny lasa ; ny heloka (sy/na ota) efa navelan’Andriamanitra 10 taona lasa ohatra dia mbola tsiahiviny ihany ka angatahana famelana indray ankehitriny.

Hatreo amin’ny nanoloran’i Jesosy Kristy ny tenany, dia tsy misy fandatsahan-drà intsony ho famonjena. Ampy ho mandrakizay ny ràn’i Kristy satria ny ràn’i Kristy dia manadio 100%, hatramin’izay miafina indrindra na  hatramin’ny eritreritra aza.

Mipetraka eo an-tanana an-kavanan’Andriamanitra Ray i Kristy Jesosy mandrampanaony ny fahavalony ho fitoeran-tongony.

Fotoana intermédiaire izao ; fotoana eo anelanelan’ny nandresen’i Kristy an’i Satana sy ny hanorotoroany an’izy ireo amin’ny farany. Izany hoe, amin’izao androntsika izao dia mbola velona Satana ary mbola miasa na dia efa noresen’i Kristy tamin’ny nitsanganany tamin’ny maty aza.
Mbola hitantsika amin’izao androntsika izao ny fisian’ny kiakiaka sy tomany, taraina vokatry ny ataon’i Satana sy ny miaramilany, mbola hitantsika koa ny avonavona, ny adilahy, ny tsy fitiavana, ny fitokana-monina tsy mila ny hafa, sns...

Mandrampiala eto an-tany dia miady amin’io Satana io foana isika. Raha mbola velona ka mifoka rivotra dia miady amin’io Satana io foana (Efes 6, 12). Tsy miady irery isika amin’izany, fa Andriamanitra no miady ho antsika. Raha tsy miaraka amin’i Jesosy isan’andro isan’andro dia tsy afaka ny hanao izany.

Ny vavaka ataon’ny mino, vavaka fiadiana amin’Ilay ratsy dia fiadian’Andriamanitra atolony antsika. Ny asan’ny fiangonana izay mitory fanafahana, fampihavanana sy fiadanana dia fiaraha-miasa amin’Andriamanitra.

Mivavaka mandrakariva isika mba tsy ho azon’Ilay ratsy. Ny vavaka eto dia tsy fombafomba toy hoe rehefa hisakafo dia tsy maintsy mivavaka fa tena fanankinam-po tanteraka amin’Andriamanitra, tena fiantsoantsoana an’Andriamanitra ho antoka sy fototry ny fahavelomana, tena firaisan’aina tanteraka amin’i Kristy, tena fiainana toy rivotra iainana.

“Jesosy Kristy tsy fomba fa fiainana”.

Ny finoana marina : miandry ny famonjen’i Kristy amin’ny fahanginana


Hitantsika eo amin’ny fiainantsika na ny manodidina antsika anefa, fa na dia mivavaka aza isika dia mety ianjadian-javatra mampalahelo ihany ny fiainantsika. Mety ho azon-doza na zava-dratsy tsy ampoizina noho ny ataon’ny sasany. Tsy midika akory izany hoe niala tamintsika Andriamanitra ka mampisalasala ny fiainan-koavintsika rahatrizay.

Andriamanitra miaraka amintsika Izy na hatrany am-pasana aza. “Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina” (and 14). Ny hoe “olona hamasinina” dia olona nofidian’Andriamanitra ho Azy na velona na maty.

Ny mino dia matoky ny ràn’i Kristy ary mivavaka mandrakariva mba tsy hahazo azy Ilay ratsy. Ary raha sanatria ianjadian-javatra avy amin’Ilay ratsy izy dia mivavaka mba tsy ho azon’ny fakam-panahy.
Ny fakam-panahy dia ny fanaovana ny fomban’i Jodasy. Ny maha Jodasy an’i Jodasy dia tsy ilay vola telopolo notakiany hamadiana an’i Jesosy akory satria naveriny io, fa ny fanereny an’i Jesosy : raha Zanak’Andriamanitra Izy dia asehony tokoa izany maha-Zanak’Andriamanitra Azy izany raha tamy hamely Azy ny fahavalo. Izany no fomban-Jodasy, hevitra toa marina nefa mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Ny sitrapon’Andriamanitra dia ny hanome tanteraka an’i Jesosy Kristy Zanany ho an’izao tontolo izao.

Enga anie mba tsy hanao fomban-Jodasy ny mino ka hanao hoe raha Andriamanitra mahery noho i Satana tokoa Izy nahoana aho no marary na hiaram-boina toy izao? Nahoana no tsy asehony fa Izy tokoa no Kristy?

Ny mino dia matoky ary miandry ny famonjen’i Kristy amin’ny fahanginana, amin’ny finoana. Fantany fa saro-pantarina tsy takatry ny saina Andriamanitra sy ny làlany ( Joba 38). Ny azo antoka dia izao :

Ampy antsika ny ràn’i Kristy


Mitsatoka eto ny Hazo fijaliana! Mitete ao amin’ny fiangonana ny ràn’i Kristy! Ianao dia an’Andriamanitra na matory na mifoha na salama na marary na maty na velona. Ary mbola ho avy ny andro izay hanaovan’i Kristy io Satana io ho fitoeran-tongony ka tsy ho afaka hiasa sy hamitaka ny zanak’Andriamanitra intsony izy. Hohidin’ny herin’i Kristy ho amin’ny fahafatesana mandrakizay izy.

Mitete eto ny ràn’i Kristy! Ao amin’ny fiangonana no hanadiovan’i Jesosy Kristy ny olona amin’ny ràny amin’ny alalan’ny batisa mba tsy ho hita sy tsy ho tsarovana mandrakizay intsony ny fahotany. Ao amin’ny fiangonana no hampaherezany ireo kivy sy ketraka amin’izao fiainana izao. Ao amin’ny fiangonana no handraisan’i Kristy ireo mamoifo sy tampi-dalan-kaleha ary ireo ahilikiliky ny fiaraha-monina sy lazainy ho tsy misy vidiny intsony. Ao amin’ny fiangonana no handraisany ireo maditra ka mitady marina ny famonjena. Ao amin’ny fiangonana no handraisany ireo mpiavonavona tsy mahavonjy tena, vonona handray fiainam-baovao. Ao amin’ny fiangonana no handraisany ireo manana fo torotoro sy mangorakoraka.

Ao amin’ny fiangonana no hanomezan’Andriamanitra ny fiainana mandrakizay. Ao amin’ny fiangonana no hitehirizan’i Kristy ireo rahalahiny sy anabaviny mahatoky Azy amin’ny finoana. Ao amin’ny fiangonana no hitantanany ireo mpivahiny trotraka mba tsy hosolafaka. Ao amin’ny fiangonana no handraisany antsika ka itenenany hoe : “Ahy ianao, Izaho no niteraka anao androany”.

Ka amin’izany dia ao amin’ny tenan’i Jesosy Kristy no handraisan’Andriamanitra antsika sy hizaràny ny heriny sy ny fiainany mandrakizay amintsika. Ao amin’ny tenan’i Jesosy Kristy, izay sady Andriamanitra no olona tokoa, no iombonan’Andriamanitra sy isika olombelona mandrakizay. Koa raha mbola velona koa Kristy dia tsy hisy hahasaraka antsika amin’Andriamanitra na inona na inona, na iza na iza.

Sambatra izay manana an’i Kristy! Kristy izay Vato fehizoron’ny fanjakan’Andriamanitra (Efes 2, 20). Ny fiangonana no vavahadin’izany fanjakan’Andriamanitra izany ary ny ràn’i Kristy dia mitete eo. Ary dia  sitrak’Andriamanitra tokoa no sady maminy indrindra ny itoerantsika olombelona miaraka Aminy ao amin’izany fanjakana izany.

Mazotoa manolo-tena isan’andro ho an’Andriamanitra ry havako. Inty aho Andriamanitra ô, mifona tanteraka Aminao. Inty aho Andriamanitra ô, tena hivavaka marina tokoa. Raiso ny foko Tompo ô, ampaherezo aho. Meteza hanaiky ny tenin’i  apostoly Petera manao hoe :” Ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon’ny jentilisa...” (I Pet 4, 3) dia ho hitanao ny hatsaran’Ilay nandatsaka ny ràny ho famonjena anao.

Voninahitra anie ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Amena.

Naina ANDRIALAMPISON
Mpitandrina  ny Tafo


dimanche 11 novembre 2012

Autorité réelle du Christ


Col 1, 15-23

 

Ce texte est extrêmement riche. On ne peut pas l’explorer en quelques lignes. Mais ce que j’aimerais partager avec vous, c’est la façon dont Paul rassure, réconforte la communauté colossienne.
Qu’est-ce qu’il s’est donc passé à Colosse ? Les colossiens ont été intoxiqués par une conviction disant que le Christ ne règne que sur une partie de leur vie. Autrement dit, selon cette communauté, il y a des domaines où le Christ est Seigneur et d’autres où il ne l’est pas.
Cette question au sujet de la réelle autorité du Christ sur leur existence incite l’Apôtre Paul à écrire cette épître pour les exhorter et les rassurer.

Le premier argument de Paul était : Le Christ exerce sa seigneurie sur tout 


Paul commence en expliquant la préexistence du Christ puisque Christ a participé activement à la création. Christ était avant même que Dieu ne fasse quoique ce soit. Toutes choses ont été créées par lui et en vue de lui. Il est cocréateur. Il est le maître d’œuvre. Le Christ est à l’origine de tout. Et puisqu’il est le créateur de tout, il a également droit sur tout. Il a autorité et pouvoir sur les puissances que les colossiens ont redoutées. Paul voulait insister sur le fait que Christ est le Seigneur sur leur vie et leur destinée.

Christ est non seulement le cocréateur mais aussi le Sauveur. Au verset 20, le verbe utilisé par Paul, eirenopoiesas, est au parfait (aoriste premier, action passée). C’est à dire que l’acte réalisé par le Christ sur la Croix est déjà accompli. Ainsi, l’homme a été créé en vue d’être sauvé. Jésus Christ a tout réconcilié par lui et pour lui.

Est-ce que cela signifie que l’on peut faire ce que l’on veut parce que, de toute manière, nous serons pardonnés ? Non, dit l’apôtre Paul au verset 23, il y a une condition : il faut que vous demeuriez dans la foi. Il faut que, par la foi, vous soyez solides et fermes, sans vous laisser emporter hors de l’espérance de l’Evangile. Notre espérance est dans l’Evangile. Notre espérance, notre vie est en Jésus Christ.

Ensuite, toutes choses sont maintenues en lui et par lui. Christ est non seulement celui qui a participé à la création, celui qui a sauvé l’homme mais aussi celui qui maintient la création pour que les choses restent. Ici le 21/12/2012 n’aura pas sa raison d’être. Les hommes n’ont aucun pouvoir et sont donc incapables de prédire la fin du monde. Ce rôle revient au Créateur qui peut agir sur sa création et sur le cours des choses. Il est un Dieu vivant et est toujours à l’œuvre. Tout est maintenu en lui.

Le deuxième argument de Paul était : Le Christ est célébré comme le Premier-né, Il est la tête du corps qui est l’Eglise.


Les choses négatives (la souffrance à cause du Christ ou de l’Evangile, la mort, etc.), que les colossiens subissaient, ne veulent pas dire que Christ n’agit pas dans leur vie, mais elles prennent une autre dimension. Auparavant on disait que Christ est cocréateur et Sauveur, il est notre unique Sauveur. Maintenant, Paul dit aussi qu’il est le Premier-né. Cela signifie que les colossiens sont tous des frères et sœurs du Christ, nous sommes tous des frères et sœurs du Christ. Nous formons ce qu’est l’Eglise.
Jésus est à la fois notre Sauveur et notre grand frère. En d’autres termes, « il n’y a pas de communauté avec Jésus le Sauveur en dehors de la communauté avec Jésus le frère ». Tout ce qui est arrivé au Christ, doit arriver à ses frères et sœurs, à l’Eglise. Si le Christ a souffert, le croyant doit également souffrir. Si le Christ est mort, le croyant également doit mourir. C’est vrai que tout le monde, croyant ou non-croyant doit mourir. Mais la vie de Jésus ne s’arrête pas par sa mort, il est ressuscité. La mort a été vaincue. Le croyant doit donc également sortir vainqueur. Il va ressusciter, car tout ce qui est arrivé au Christ doit arriver au croyant. La souffrance (à cause du Christ ou de l’Evangile), la mort font partie de la vie de ceux qui croient en Christ.
L’Apôtre Paul rajoute aux  Philippiens 1, 29 : « Car il vous a fait la grâce, à l’égard de Christ, non seulement de croire en lui mais encore de souffrir pour lui » « Mais en tout cela, nous sommes plus que vainqueurs par celui qui nous a aimés » (Rom 8, 37).

La croix qui n’est pas reconnue en Jésus emmène vers le désespoir, mais la croix reconnue en Jésus donne la véritable espérance. Espérance qui doit pousser les colossiens à rester dans la foi quoiqu’il arrive.

L’angoisse de la communauté colossienne peut atteindre la nôtre. Parfois, nous avons l’impression d’être abandonnés par le Christ, mais ayons la conviction qu’il a autorité sur toutes choses et qu’il n’abandonne jamais les siens.
Nous savons que la souveraineté du Christ sur l’Univers est une souveraineté qu’il ne partage avec aucune autre puissance. Chers amis, n’ayez aucun doute, Christ est le Seigneur de tout, des visibles et des invisibles et Il vous aime d’un amour immesurable. Amen !

Pasteur Naina ANDRIALAMPISON

vendredi 19 octobre 2012

Fahefan'i Kristy


Kol 1, 15-23

AZO ANTOKA  I KRISTY

     Zava-nisy : Nitebiteby ny kolosiana ny amin’ny fahefan’i Kristy eo amin’ny fiainany.
Nihevitra izy ireo fa misy hery hafa ankoatran’i Kristy manjaka eo amin’ny fiainany nefa izy ireo dia « rahalahy mahatoky ao amin’i Kristy » (1,2) hoy i Paoly.Misy sehatra hafa izay tsy hananan’i Kristy fahefana hoy izy ireo.

 Manoloana izany dia nanoratra izao epistily izao Paoly ho fanitsiana sy ho fampaherezana azy ireo.

    Kristy dia manjaka amin’ny rehetra


·         Ny zavatra rehetra dia tsy hary raha tsy tamin’ny alalan’i Jesosy.
Izy dia niara-namorona ny zavatra rehetra tamin’Andriamanitra Ray. Izy dia hatraiza hatraiza, hatrany am-piandohana ka hatrany am-piafarana. Ary satria namorona Izy dia manampahefana koa amin’izay noforoniny. Manampahefana Izy na amin’ireo fahefana sy hery atahoran’ny kolosiana aza. Tompon’ny fiainan’izy ireo sy ny ho aviny i Kristy.

·         Tsy hoe namorona ny olombelona fotsiny i Kristy fa namonjy azy koa. Noforoniny ary miafara ao Aminy koa ny olona. Ny ràny latsaka teo amin’ny Hazo fijaliana no nampihavanany azy tamin’Andriamanitra Ray. Amin’ny teny hafa dia hoe : ny olona izay noforonin’Andriamanitra dia noforoniny mba hovonjena. Izany hoe talohan’ny fanorenana izao tontolo izao dia efa tao amin’ny planin’Andriamanitra ny hanome an’i Jesosy Kristy ho faty teo amin’ny Hazo fijaliana hampihavana ny olombelona amin’Andriamanitra.

Midika ve izany fa afaka manao izay tiana hatao satria efa vita ny fampihavanana? Tsia hoy ny Apostoly Paoly. “Tsy hanan-tsiny amam-pondro eo anantrehan’Andriamanitra ianareo, hoy izy, raha maharitra amin’ny finoana ka mafy orina sady tafatoetra ary tsy mety hafindra hiala amin’ny fanantenana avy amin’ny filazantsara” (and 22-23). 
Ny fanantenantsika dia ao amin’ny Filazantsara. Ny fanantenantsika, ny fiainantsika dia ao amin’i Kristy ary mandeha ao Aminy koa.

·         Sady namorona i Kristy, namonjy Izy ary mihazona ny zavatra
rehetra koa.

Izy no tompon’ny fahefana hatrany am-piandohana ka hatrany am-piafarana amin’izay noforoniny. Tsy misy olona afaka hilaza hoe amin’izao fotoana na daty izao ny faran’ny zavatra rehetra. Nisy nilaza hoe amin’ny 21/12/2012 ny farany. Tsy manam-pahalalana ny amin’izany izy. Kristy no mihazona ny zavatra rehetra! Foanàn’izao teny izao ihany koa ny tahotra avy amin’ny fiheverana fa ny olombelona dia mahavita manafoana izao tontolo izao amin’ny zavatra namboarin’ny tanany sy ny fahaizany. Andriamanitra dia manampahefana amin’izay noforoniny ary mbola velona sy miasa mandrak’ankehitriny ka ho mandrakizay. Tian’i Apostoly Paoly hametraka ny fony sy ny fitokisany amin’Ilay Fiandohana sy Fiafarana, Ilay mihazona ny zavatra rehetra ny kolosiana fa tsy amin’ny hery hafa akory.

     Jesosy Kristy Lahimatoa talohan’izao hary rehetra izao 

      Kristy Lohan’ny tena dia ny fiangonana. 

Izy no Lahimatoa talohan’izao zavatra hary rehetra izao. Izy no Zanaka Lahitokan’Andriamanitra. Ny mino dia zanaka natsangan’Andriamanitra tao amin’i Jesosy Kristy. Amin’ny teny hafa dia hoe, ny mino rehetra dia rahalahy sy anabavin’i Kristy. Ireo mino ireo - ireo rahalahy sy anabavin’i Kristy ireo no fiangonana izay ambaran’i Paoly hoe tenan’i Kristy izay loha (and18). Inona no dikan’izany? Jesosy Kristy no Mpamonjy tokana ny fiangonana ary tsy misy afa-tsy izy irery ihany. Ny famonjena ny olona dia miankina irery ihany tamin’ny ràny latsaka teo amin’ny Hazo fijaliana. Nefa sady Mpamonjy Izy no Zoky koa. Noho izany : ny zavatra rehetra izay nihantra tamin’i Kristy amin’ny maha Zoky Azy dia tsy maintsy mihantra amin’ny zandriny rehetra koa.

Ny fijaliana, ny fahafatesana dia tsy maintsy hiantra amin’ny mino satria nihantra tamin’i Kristy izany. Dia ahoana izany, ny tsy mino koa anie tsy maintsy maty e hoy ny sasany! Marina tokoa izany saingy i Kristy dia tsy nijanona tao am-pasana fa nitsangana tamin’ny maty - nandresy ny fahafatesana Izy. Ny mino koa dia tsy maintsy mandresy - tsy maintsy hitsangana amin’ny maty satria izay rehetra nihantra tamin’i Kristy dia tsy maintsy mihantra aminy.

     Mifalia fa zanak’Andriamanitra ianareo

Mampahatsiaro ireto kolosiana ireto Paoly : ny zavatra izay heverinareo ho mafy na fijaliana mihantra aminareo na fahafatesana dia tsy inona akory fa porofo manambara fa ianareo dia an’Andriamanitra, zanak’Andriamanitra. Mitoera tsara amin’izany maha zanak’Andriamanitra anareo izany fa rehefa tafatoetra tsara amin’izany ianareo dia afaka hijoro amin’ny finoana na inona na inona mitranga eo amin’ny fiainanareo. Tsy misy tokony hatahoranareo na inona na inona satria i Kristy no namorona ny zavatra rehetra, Izy no namonjy anareo, Izy koa no mihazona ny zavatra rehetra ary Izy koa no hiafaran’ny zavatra rehetra.  Manampahefana amin’ny zavatra rehetra Izy ary izany fahefany izany dia tsy zarainy amin’ny hery hafa. 


Ry havana malala, matokia fa i Kristy dia Andriamanitra momba anao ary tena tia anao tokoa ankehitriny ary ho mandrakizay. Amena. 


Naina ANDRIALAMPISON

Mpitandrina Mpandrindra ny Tafo


jeudi 4 octobre 2012

Aza Manahy...

04 Oktobra 2012

Mat 6. 25-34


          AZA MANAHY    … 


Olona efa nandray ny fahasoavan’Andriamanitra ka nofidiany hanaraka Azy no iantefan’ny tenin’i Jesosy eto.

Inona no nolazain’i Jesosy azy ireo?

Aza manahy ny amin’ny ainareo na ny amin’ny tenanareo.
Ny aina sy ny tena dia lehibe lavitra noho izay hohanina, hosotroina sy hotafiana nefa dia karakarain’Andriamanitra. Koa raha ny lehibe aza karakarainy maika va fa ny zavatra madinika?
Manamafy izay nolazainy ny Tompo, ka eto indray dia milaza Izy fa mikarakara na dia ny zava-boahariny madinika toy ny voro-manidina sy ny voninkazo aza. Koa raha ny kely toy ireny aza karakarain’Andriamanitra maika va fa ianareo izay lehibe lavitra noho ireny, hoy Izy?

Amin’ny maha-voaharin’Andriamanitra ny voninkazo no ikarakaran’Andriamanitra azy, fa amin’ny maha-zavaboahary tsy afaka hino azy no anatsipazana azy any am-patana. Tandremo sao ny fanahianareo ny amin’ny zavatra kely dia izay hotafiana sy hohanina no anarianareo ny zava-dehibe dia ny fanjakan’Andriamanitra.
Ny fanahiana dia midika ho tsy finoana. Ny tsy fahatokiana an’Andriamanitra sy ny heriny ary ny maha Andriamanitra Azy dia tsy finoana. Ny finoana no hamonjena.

Midika ve izany hoe aza manao na inona na inona?

Ny ohatra nalain’i Jesosy voalohany eto dia ny vorona.
Mamelona azy Andriamanitra satria Izy no namorona ny sakafony. Ny anjaran’ny vorona kosa dia ny mitady izany.
Izao koa, Adama sy Eva dia napetrak’Andriamanitra tao amin’ny saha Edena mba hiasa sy hitandrina ny saha.
Hoy koa ny Apostoly Paoly : “Raha misy tsy mety miasa, aoka izy tsy hihinana” (II Tes 3.10).
Manana andraikitra hitsinjo ny ho avy koa ny olombelona. Ny Ohabolana 6. 6-11 dia manambara fa ny vitsika manangona amin’ny fararano ho amin’ny ririnina.

Tsy mitovy ny mino sy ny tsy mino

Na ny jentilisa na ny kristiana dia samy miasa, samy mitsinjo ny ho avy fa ny maha samihafa azy dia izao : ny jentilisa dia tsy misy zotra ny fiainany. Ny eto an-tany ihany no fantany. Ny kristiana kosa dia mahalala fa ny ankehitrininy dia hitohy rahatrizay ao amin’Andriamanitra.

Jesosy Kristy : fanjakan’Andriamanitra

Ny fanjakan’Andriamanitra tian’i Jesosy hambara eto dia ilay fanjakana izay naoriny teo anivon’ny olony dia Jesosy Kristy Mpanjaka. Ny mino rehetra no ao anatin’io fanjakana io. Ny hoe : “katsaho aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany” dia midika hoe : tadidio fa ianao dia olona efa ao anatin’io fanjakana io. Ny fitoeranao amin’izany no hahafahanao miaina toy ny zanaky ny fanjakana. Isan’izany ny tsy fanahiana na amin’inona na amin’inona.
Ny mino rehetra izay ao anatin’izany fanjakana izany dia miara-miasa amin’ny Mpanjakan’ilay fanjakana mba hahatanteraka ilay fampanantenan’Andriamanitra manao hoe : “hanampy ho anareo izany rehetra izany”, ka ny manana be dia hanome ny tsy manana sy ireo kivy sy ketraka amin’izao fiainana izao.
Fa rehefa ny lehibe (Andriamanitra) no anananao, ny kely (izay momba izao fiainana izao) dia omeny anao.

Aza manahy ny amin’ny ampitso

Ny mino dia mametraka ny ampitsony eo am-pelantanan’Andriamanitra. Raha atao aza hoe tsy ho hitany intsony io ampitso io noho ny ratsy miseho androany dia matoky izy, tsy manahy izy fa ny ampitsony mandrakizay dia eo am-pelan-tanan’Andriamanitra izay tia azy. Andriamanitra mahatoky Izy, ary tsy mivadika amin’ny teniny : “ny zanako sy ny asan’ny tanako dia aoka ho adidiko ihany” hoy Jehovah (Isa. 45. 11b).

Ny voatsinampy na dia kely, bitika sy tsy misy vidiny, dia tsy hadinon’Andriamanitra na latsaka amin’ny tany aza. Raha mikarakara ny voatsinampy Andriamanitra raha latsaka amin’ny tany io, dia hikarakara ny mino mihoatra izany koa Izy raha tojo ady sarotra na fahafatesana. Eo foana Andriamanitra amin’ny trangan-javatra rehetra amin’ny fiainany.
Aza manahy fa Andriamanitra miahy sy mikarakara ny mino Azy na amin’ny fiainana na amin’ny fahafatesana. Amena.


Zaranaina ANDRIALAMPISON,
Mpitandrina Mpandrindra ny Tafo