Menu

lundi 2 décembre 2013

Vaovao Desambra

Volana Desambra
Fanoroana làlana mankany @ Chapelle: tsindrio eto

Momba ny Asa ao @ Chapelle: tsindrio eto 

--------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------- 


FISAORANA atolotry ny Fianakaviana RANDRIAMANANTENA any Chateaudun 
Ry Havana malala ao amin’ny Tompo,
   "Isaorana anie ny Tompo Izay mitondra ny entan-tsika isan-andro isan-andro, eny, Andriamanitra Izay famonjena antsika.” Salamo 68.19 

Misaotra an’Andriamanitra lehibe fa noho ny Fahasoavany sy ny Famindram-pony dia afaka mampody an’Itompokovavy RAHARIMANANTSOA Jaofera Lanto sy Nhaly RAMAROZAFY any an-tanindrazana ny fianakaviana. 

Mankasitraka antsika vahoakan’Andriamanitra eto amin’ny FPMA, ny isan’ambaratonga rehetra : ny Tafo tsirairay avy, ny AMF, ny Faritany ary ny Birao Foibe; ireo Fiangonana Kristianina rahavavy, ny Association Tsimoka ary ireo rehetra tsy voatonona anarana eto nefa nandray anjara mavitrika amin’izao voina mitranga izao.
Ny Tompo manankarem-pahasoavana anie hamaly fitia anareo tsirairay avy. 
 « Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ ny anankiray amin’ ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.  »Matio 25.40

 Fandaminana
Toy izao ny fandaminana amin’ny fampodiana ny razana :
Toerana misy ny razana :
          Hôpital Victor Dupouy
          Chambre mortuaire - 69, rue du Lieutenant Colonel Prudhon - 95100 Argenteuil
LUNDI 30 décembre 2013
         8H30 : Mise en bière
         9H    : Levée des corps pour l’Eglise Protestante Unie de France de CERGY - 19, Place des Touleuses
                     95000 Cergy
       10H30 : Cérémonie religieuse

Ny nofon’izy mianaka dia hiainga ho any an-tanindrazana ny talata 31 desambra 2013 amin’ny 16h10 (aéroport Roissy Charles De Gaulle).
Manonona ny Fiadanan’ny Tompo ho amintsika tsirairay avy.
Ny Mpitandrina sy ny fiangonana FPMA ORLEANS
Ny Mpitandrina sy ny fiangonana FPMA CERGY
Ny AMF
Ny fianakaviana RANDRIAMANANTENA

Manohy ny antso "vonjy rano vaky"ny fianakaviana mba hamenoana ny fampodiana ny nofon'izy mianaka any Mskar.

Ny compte hanaovana ny virement @ ny fanampiana  dia ny compte FPMA Orléans ihany::
Etablissement 20041  Guichet 01012   N° Compte 02113739R033 Clé RIB 62
IBAN: FR35 2004 1010 1202 1373 9R03 362
BIC:  PSSTFRPPSCE 
Domiciliation: La Banque Postale- Centre Financier  45900 La Source Cedex 9
Titulaire du Compte:  Eglise Protestante Malgache en France FPMA Orléans
                                      1 rue Parisie 45000 Orléans.
ou
Chèque à établir à l'ordre de "FPMA Orléans (Lanto)"
à l'adresse:     FPMA Orléans
                 chez Mme RAZAFITRIMO
                 20 rue des Ecoles 45140 St Jean de la Ruelle.
-----------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------
Alahady 29 Desambra 2013 tany Vierzon
Nizotra soamantsara ny Culte tao @ Eglise EPUF Vierzon izay nohavaozina.   sary any @ FB.
Niisa 50 mahery teo ny vahoakan'Andriamanitra nanatrika izany ary nifarana  tamin'ny hala-hetaheta sy tsakitsaky ny fiarahana.

Alarobia 25 Desambra 2013
Nisy olona teo @ 110 teo no nanatrika ny FP Xmas teto amin'ny tafo, izany dia narahina fizarana vatomamy.
Ny fotoana manaraka izany
-Alahady 29 Desambra @ 10h30-any @ 69 rue Edgar Quinet 18100 Vierzon.Hisy fandraisana amin'io fotoana io. Izany rehetra izany dia arahina ala hetaheta avy eo.
-Alahady 05 Janoary @ 10h 30  ao @ Chapelle St Marc ihany: Fotoampivavahana
                  -Fiarahabana ny taona -vaovao 2014
                  -Fanokanana ireo Diakona vaovao  ary fandraisantànana ny efa nosorana
         Hisy ody ambavafo atolotrireo nahazo fahasoavana aorian'ny fotoana.


Alahady 22 desambra 2013
Alahadin'ny Sampana Miray:
Niisa 67 teo ny mpiangona nanatrika ny fanompoam-pivavavahana ny maraina tao @ Chapelle ary teo @100 mahery teo no tonga t@ ny hetsika nataon'ny Sampana miray ny tolakandron'iny tao @ Salle Soulas. Nafana tokoa ny fotoana t@ izany ka naharitra hatramin'ny fito ora hariva.
T@ io fotoana io ihany koa no nanolorana olona, izay nanaiky ny fiangaviana azy, ho vérificateur de comptes eto amin'ny Tafo.

Filazana Manjo: 
Ny havantsika: Lanto RAHARIMANANTSOA sy ny zanany Nhaly RAMAROZAFY 
dia nodimandry any amin'ny Ray tamin'ny zoma 13 Desambra lasa teo.
Mpandray FT teto amin'ny Tafo Orléans izy rehefa nifindra avy any @ Tafo Cergy  ary tao amin'ny Sampana AMF sy STK teto amintsika izy no naneho ny asa fanompoany ampitsikiana lalandava.
Ny nofony dia azo jerena any @ Hopital Victor DUPOUY 69 rue Col Prudhon 95100 Argenteuil.
Ny Asabotsy 21 Desambra @14h00 no hatao ny  Famangiana ny fianakaviana Randriamanantena Guy sy Nissya arapomba malagasy  any  @ 5 rue Raimbert 28200 Chateaudun.
Nanao antso "vonjy rano vaky"ny fianakaviana mba hampodiana ny nofon'izy mianaka any Mskar.


Ny compte hanaovana ny virement @ ny fanampiana  dia ny:
Etablissement 20041  Guichet 01012   N° Compte 02113739R033 Clé RIB 62
IBAN: FR35 2004 1010 1202 1373 9R03 362
BIC:  PSSTFRPPSCE 
Domiciliation: La Banque Postale- Centre Financier  45900 La Source Cedex 9
Titulaire du Compte:  Eglise Protestante Malgache en France FPMA Orléans
1 rue Parisie 45000 Orléans.
ou
Chèque à établir à l'ordre de "FPMA Orléans (Lanto)"
à l'adresse:     FPMA Orléans
                 chez Mme RAZAFITRIMO
                 20 rue des Ecoles 45140 St Jean de la Ruelle.

Alahady 15 Desambra 2013
Nisy Fandraisana ny Fanasan'ny Tompo.
Nisy olona 47 no nanatrika ny fotoana tamin'io.
Tamin'ny vaovao kosa no nitanisana ny setry ny fivorian'ny Komity natao ny omaly14 Desambra 2013:
1- Ny Asabotsy 21 Desambra ao @ Salle Soulas @15h30(aorian'ny famangiana): Famerenana hataon'ny Sampana Sekoly Alahady.
                                       ary ao @ Chapelle St Marc @ 15h30: ny Sampana hafa rehetra.
2-Ny Alahady 22 Desambra 2013 Culte ao @ Chapelle St Marc @ 10h30 ka rehefa mirava avy eo (12h15) dia samy mandeha any @ Salle Soulas (1 rueParisie) daholo hanao ny sakafompirahalahiana fanao isantaona (samy mitondra ny azy miampy kely) ary ny tolakandro no hanaovana ny Sampana miray ny fampisehoany.
3-Hanokatra kaonty "Vonjy rano vaky" ny Tafo hikarakarana ny fampodiana ny nofon'i Tpkv Lanto any antanindrazana.
4-Ny Alahady 02 Febroary no hanaovana ny Alahadin'ny Mpitandrina.

Alahady 01 Desambra 2013

Vita soa amantsara ny fanompoam-pivavahana Fiderana @ ny nahazoana ny Trano Fiangonana eto @ Chapelle St Marc.
Nisy olona sahabo ho 100 teo no tao. Tonga tao na ny mpanao gazety (La Rép...) na ny solontenan'ny manam-pahefana sivily sy relijiozy Frantsay sasany eto an-toerana. Fisaorana no atolotra azy ireo @ izany.
Isaorana ihany koa anefa ireo Mpiangona na ny avy any ivelany (maintimolaly)  na ny avy eto an-toerana tonga nanotrona iny fotoana iny. Tsy dia lavitra loatra t@ izy ireo ny toerana satria nataony ampitiavana. Tsy nisy solontena kosa  na ny Faritany na ny Foibe.

Ny Fotoana manaraka amin'ity volana Desambra ity ity:
Alahady 15 Desambra @ 10h30 ao @ Chapelle St Marc/ Alahady fahatelo izay hanaovana fampianarana toa ny mahazatra.
Alahady 15 Desambra @ 17h00 ao @ EPUF (ERF) Orléans: Krismasy EPUF ka andraisan'ny SA an'i FPMAO anjara.
Alakamisy 19 Desambra @ 19h00 ao @ Centre Oecuminique etsy La  Source :                                                             -Fivavahana iraisampinoana.
Alahady 22 Desambra @ 10h30 ao @ Chapelle St Marc ihany ka ny tontolon'ny andro:
                                                       -Krismasin'ny Sampana
Aorian'ny Culte izany dia hiara hisakafo ao amin'ny Chapelle daholo ny rehetra ka samy mitondra ny sakafony ampitomboina kely avy ho zaraina. Aorian'ny sakafo atoandro kosa dia hanao ny fampisehoany ny  Sampana velona rehetra eto @ Tafo, izany hoe ny tolakandro manontolo..

Alarobia 25 Desambra:@ 10h30 ao @ Chapelle St Marc:
                                                    -Fankalazana ny nahatongavan'ny Mpamonjy (Noely)
Alahady 29 Desambra @ 10h30: Alahady fahadimy izay hatao any VIERZON amin'ity.