Menu

lundi 7 octobre 2013

Vaovao Oktobra

Volana Oktobra
Fanoroana làlana mankany @ Chapelle: tsindrio eto
Momba ny Asa ao @ Chapelle: tsindrio eto

Alahady 27 Oktobra 2013
Niroso tsara ny fotoana t@ Alahady teo, ny teny nahazoana fampianarana moa dia ny tao @ Lioka 18-9: "Ny fanoharana tamin'ny sasany izay matoky tena ho marina"
Alahady fahefatra moa io dia nisy ny fianarana SA ny hariva ary natao tamin'ny hariva koa ny fivorian'ny STK voalohany. Tao ihany rizareo dia nahatsangana ny Biraony izay ho lazaina amintsika eto rehefa avy atolotra eo @ Vahoaka an'Andriamanitra. Hita izany fa manampy hatrany  ny asan'ny Fanahy Masina.
Nisy olona 50  teo ihany no tao. Nisy koa fandraisana tanora vao tonga iray.
Ny asa ao @ Chapelle dia efa mitsangana kely ihany ny Lakozia nisakafoanan'ny SA tao.

Ny fotoana manaraka:
Asabotsy 02 sy Alahady 03 Novambra 2013: Zaikabe Nasionaly any Masseube.
Hiainga maraina be @ 4h sy 5h ny mpizaika ka efa vita ny fizarana @ fiara: aza adino ny ondana sy ny firakotra ary ny T-Shirt maitso an'ny FAfAts.Hisy olona 18 ny FPMAO ny ho any.
Asabotsy 16 Novambra 14h30: Fihofanan'ny Diakona sy Fivorian'ny Komity.
Alahady 17 Novambra 10h30: Alahady  fahatelo, Alahady hisy fampianarana.



Alahady 20 Oktobra 2013
Nisy 50 mahery no tonga nanatrika ny fampianarana nalaina avy @ Lioka 18:1-8:"Fanoharana ny @ ilay mpitondratena nahery nangataka"
Natolotra  tamin'io ihany koa  ny Diakona 12 voafidy tamin'ny heriny ary nanaovana tsangantànana teo koa ny fifidianana an'Atoa Focard James ho Loholona eto amin'ny Fiangonana.
Ny Birao moa dia ho fantantsika miandàlana eto ihany.
Teo @ vaovaom-piangonana moa dia ny fanomanana ny 23Nov sy ny 01 Desambra no tena ventindresaka.Voatanisa tao kosa anefa ny Fiofanan'ny Diakona  sy ny Xmas miaraka amin'ny EPUF ny 15 Desambra @ 17h ary koa ny Xmas Sampana hatao ny 22 Desambra tontolon'ny andro.
Asabotsy 23 Nov- 3 o.h ao amin'ny Salle Soulas: hetsika ho fanampiana amin'ny Trano Fiangonana.
Alahady 1er Desmbra: Culte Fiderana amin'ny nahazoana ny Trano Fiangonana. Hanasàna ny Tafo rahavavy vazaha eto antoerana sy ny Tafo Malagasy  eto @ FAfAts ary ireo Pst nitandrina teto amintsika.

 Ny Fiangonana manaraka dia ny Alahady 27 Oktobra @10h30



Alahady 06 Oktobra 2013:
Vita soamantsara Fananterambokatra sy ny Fifidianana Diakona t@ Alahady faha 06 Oktobra ka isaorana ny Avo nahazo ireo izay tonga ka naharitra hatramin'ny farany.
Atsy @  FaceBook-n'ny FPMAO  no hahitanao ny sary sy ny valin'ny Fifidianana  t@ izany.
Ho hitantsika ato @ site amin'ny manaraka ny Diakona voafidy.
Nisy olona 80 mahery teo no tonga.

Ny Fiangonana manaraka dia ny Alahady 20 Oktobra: Hisy Fampianarana Soratra Masina amin'io.
Io andro io ihany koa no hanolorana ireo Diakona voafidy t@ 06 Oktobra.