Menu

vendredi 11 avril 2014

Volana Aprily 2014

Rohy isankarazany (Liens)

Fanoroana làlana mankany @ Chapelle: tsindrio eto
Momba ny Asa ao @ Chapelle: tsindrio eto

Efa azonao jerena ato koa ny Perikopa 2014 (vakiteny isan'andro)

Alahady 27 Aprily 2014

Alahadin'ny Sampana AMF sy SZM teto an-toerana. Nosokafana t@ "Indro fa vita" ny fotoana.
Toriteny an-kira no natao tamin'izany ka niredonan'ny Antoko Mpihira ny : Andriamanitra ve no mandao-Misaotra Ray- Ry Tompo tsara-Ny eo anilanao- Akaikinao Andriamanitra_Fa Jehovah hitahy.
Raha vita ny Culte dia nifanaraka nanao Agape tany @ d'Hokkaido ny Mpiaramivavaka ary nahafeno trano mihitsy tao.

Fotoana manaraka:

Asabotsy 03 mey @ 10h ao amin'ny Chapelle St Marc no hanaovana ny famerenankira ho an'ny ChoeurUni.
Alahady 04 Mey 2014 @ 10h30 ao amin'ny Chapelle St Marc ihany. Alahady fandraisana sy fanefàna ny adidy ny alahady voalohany toa io.

Alahady 20 Aprily 2014

Paska 2014: Miarahaba ny rehetra nahatratra ny Paska izay andron'ny Fanavotana andro hijoroantsika Kristiana.
Nahatratra amampolony mahery kosa ny FPMAO no tonga tetsy @ Eglise Orthodoxe (Campo Santo) tamin'ny 6h54 maraina nanatrika ny fivavahana  ekiominika tamin'izany.

Niisa: 94 ny lehibe ary 12 ny ankizy tamin'ny fotoam-pivavahana tato @ Chapelle ny marainan'ny Paska.

Fotoana manaraka:

Alahady 27 Arily @ 10H30 ao @ Chapelle St Marc: Alahadin'ny AMFO (Antoko-Mpihiran'ny Fiangonana Orléans) izay harahana fotoana Agape etsy @ Restaurant D'Hokaido etsy Olivet aorian'ny Culte. Ny fandraisan'anjara moa dia 17€ ny lehibe ary 9€ ny ankizy (<12 taona).
Ny fianarankira dia hatao ny Asabotsy 26 Aprily @15h30 ao amin'ny Chapelle ihany.

Tsiahivina fa ny famerenankiran'ny AMF FAfAts (Faritany) dia ny Asabotsy 03 Mey ho avy izao.

Alahady 06 Aprily 2014

Alahady voalohan"ny volana: Misy fandraisana sy fandoavana adidy.
Niisa 40 ny lehibe ary 8 ny ankizy.

Fotoana manaraka  (jereo etsy amin'ny Kalandary etsy @ ankavananao)

Asabotsy 12 Aprily @ 16h:@ Eglise LOURY Antsampanahy ataon'ny AMFO.
Alahady 13 Aprily @ 10h30 ao @ Chapelle St Marc, Fivorian'ny Komity.
Alakamisy 17 Aprily @ 19h:Chapelle St Marc, Fankalazana ny Alakamisy Masina andro namorian'i Jesoa ny Mpianany alohan'ny namadihan'i Jodasy Azy: Hisy fandraisana ny Fanasan'ny Tompo izany io alina ankalazaintsika io.
 Zoma 18 Aprily: @ 19h ao @ ERF (EPUF) Orléans: Fankalazana ekiominika ny Zoma Masina. Hiarahana amin'ny Kristiana(Catholique, Orthodoxe, Adventiste, FPMA) rehetra eto amintsika. Hira 109 no ataontsika
Alahady 20 Aprily @ 10h30: ato @ Chapelle St Marc ihany Alahady Paska. Hisy fandraisana amin'io andro Paska io ary fizarana vatomamy amin'ny firavàna.