Menu

mardi 8 juillet 2014

Volana Jolay 2014

Alahady 06 Jolay 2014

Alahady Fananterambokatra II sady Fandraisana no andro fanefàna ny adidy eo @ Tafo.
Niisa 60 ny lehibe ary 10 teo ny ankizy.
Nofaranana t@ fanalàna hetaheta ny fotoana.

Vaovao:

Vita ny fivorian'ny FMM natao tany Villebon t@ iny herinadro teo iny.
Toy izany koa ny fivorian'ny Filohan'ny Tafo sy ny Sampana iraisana eto @ FAfAts natao tao @ rue Dulong Paris 7è natao omaly Asabotsy 05 Jolay.
Natao tany Bordeaux kosa ny Fivoriamben'ny STK Nasionaly ny 04-05-06 Jolay 2014.
Izany rehetra izany no tontosa dia nohon'ny Fahasoavana avy amin'ilay Avo avokoa:
 Isaorana anie ny Anarany Masina.

Fotoana manaraka mandritry ny fialantsasatra:

 -Alahady 20 Jolay 2014 @ 10h30 ao @ Chapelle St Marc.
 -Alahady 17 Aogositra ary ny Alahady 31 Aogositra @10h30 daholo.

Fanombohan'ny taona 2014-2015

Ny fidirana amin'ny taom-pianarana 2014-2015 indray dia ny Alahady 07 Septambra 2014 ka @ 10h30 maraina ihany ao @ Chapelle St Marc. Io alahady io ihany koa no hatokantsika FPMAO ho Alahadin'ny FMM.

Mirary fialantsasatra finaritra ho an'ny rehetra ny Komity  FPMA Orléans.