Menu

lundi 18 mai 2015

Volana Mey 2015

Alahady 31 Mey 2015: Fetin'ny Reny

Alahady farany amin'ny volana ity koa hanaovana ny fanomana-mpanahy ny hiatrika ny Fanasan'ny Tompo amin'ny Alahady ho avy izao.
Niisa 36 ny olona tonga tamin'io.
Alahady fetin'ny Reny ity koa manolotra ny arahaba hombaina firariantsoa ho an'ny Reny eto @ FPMA Orléans ary manolotra izany koa ho an'ny Reny rehetra.

Alahady 24 Mey 2015: Pentekosta 2015

Tetsy @ Eglise Ste Jeanne d'Arc no natao ny fotoam-pivavahana araky ny voalaza teo aloha.Nisy Batisa sy fanokanana Katekomena tamin'izany koa nahatratra 220 teo ny isan'ny olona tonga ka 202 ny lehibe ary 18 ny ankizy.
Seriny tokoa ny mpikarakara fa tsy maintsy nahondrana ny entana avy any @ Chapelle ka nampahatsiaro ny fomba sy fanao taloha izany. Efa ho roa taona mahery tokoa mantsy izay no nahazoana ny toerana ankehitriny.
Ny Mpitandrina Pascaline no nanao ny fanokanana ary Pst Landy Rajoharison no nanao ny Batisa.
Hira roa no nataon'ny AMF Amboara: Akaikinao Andriamanitra sy Izaho anie Jesoa.

Vavaom-piangonana

Raha nandray ny fitenenana kosa ny Filoha Orélien dia nanolotra ny fisaorana ambava ny tsirairay sy ireo Tafo tonga nanatrika ny Fetimpiangonana t@ 16 Mey farany teo teto Orléans.

Fotoana manaraka

Alahady 31 Mey @ 10h30 toa ny mahazatra eto @ Chapelle St Marc hisy hakatoka ho fanomana-mpanahy amin'ny Fandraisana aorianan'ny fotoana.
Alahady 06 Jona @ 10h30 ao @ Chapelle St Marc: Alahady voalohany ka hisy ny Fandraisana ny Fanasan'ny Tompo amin'io alahady io. Toy ny alahady voalohany rehetra ihany koa izay andro fandoavana ny adidin'ny Mpandray io andro io.

Alahady 17 Mey 2015:

Alahady fahatelo amin'ny volana ity alahady ity koa tsiahivina hatrany fa Alahady fampianarana no atao amin'ny toeran'ny toriteny.
Niisa 30 teo ny olona tonga tamin'ito fotoana ito.
Nasaina avokoa ny mpianakavin'ny Finoana tonga teo taorian'ny Culte mba hiaraka hisakafo etsy amin'ny Salle Madeleine izay nanaovana ny Fetimpiangonana ny Asabotsy.

Alahady 03 Mey 2015

Alahady voalohany amin'ny volana ka amapatsiahivina hatrany ny vahoakan'Andriamanitra fa Alahady fanatonana ny latabatra Masina izy io.

Ny fotoana manaraka

Alakamisy 14 Mey 2015: 10h30 Chapelle St Marc 
Ny fotoana manaraka dia amin'ny Alakamisy 14 Mey, fankalazana ny andro niakaran'i Jesoa, ka hanomboka amin'ny 10h 30 toy ny mahazatra ihany ny fotoana. Hisy fandraisana @ io andro io.
Asabotsy 16 Mey 2015 : à12h Salle des Fêtes Madeleine Oreléans
Fetim-piangonana hanasana antsika rehetra araky ny flyer hitanareo teo ireny.

Alahady Pentekosta @10h :Eglise Ste Jeanne d'Arc(akaikin'ny prison taloha) jereo ny kalandary etsy ankavia fa io no manome ny plan sy ny adiresy.