Menu

mercredi 8 avril 2015

Volana Aprily 2015

Alahady 26 Aprily 2015

Nanomboka t@ ora voatondro ny fotoana androany ary niisa 38 ny  vahoakan'Andriamanitra tonga tao.
Manaraka :
Alahady 03 Mey 2015:Alahady Fandraisana, hisy ny valopy fanaterambokatra ary koa ny fotoana fandoavana ny adidin'ny Mpandray.

Vaovaom-piangonana:

Zaikabe SVK FAfAts: Hatao amin'ny  WE 1-2 Mey etsy Athis Mons. Hisy 4 ny avy eto Orléans.
Fivorian'ny Komity :Hatao ny Alahady 03 Mey izao aorian'ny Culte
Zaikabe SA Nasionaly : Hatao etsy Grenoble(Isère) ny WE 8-9-10 Mey ; hisy 10 ny avy aty
amintsika ny ho any.
Sakafombokatra FM Vierzon-Bourges: Hatao ny 10 Mey any Bourges
Fetimpiangonana FPMA Orléans: 16 Mey etsy @ Salle des Fêtes de la Madeleine.
Zaikabe SZM Nasionaly : ny 16 Mey etsy Athis Mons

Ny Fiangonana sy andro hivoriana manaraka:
Famerenana AMF: Zoma 01 Mey @ 14h-16h
                               Asabotsy 02 Mey Zoma 08 Mey sy Asabotsy 09 samy @ 16h-18h avy ireo.


Alahady 19 Aprily 2015: Alahadin'ny AMFO

Noventesin'ny AMF ny " Ho Anao Tomponay Mpanjaka mahery" tamin'ny arahaba Apostolika, alohan'ny toriteny moa dia nisy ny batisan'i Rabenja  mianadahy kely izay arahabaina manokana etoana. Rehefa vita ny famelabelarana avy amin'ny Perikopa dia niroso ny toriteny ankira:
"Ry zanako mania-O ry velona- Iza no hiakatra-Ho kivy va- Omeo fo mino-Jesoa Mpanjakan'ny mpanjaka"  Ireo hira enina ireo no noredonina tamin'io. 
Nisy koa ny fivarotana sakafo taorian'ny fotoana hamenoana ny kitapombolan'ny Sampana.
Izany rehetra izany dia notontosaina tampitiavana avokoa ka isaorana ny Nahary nitahy ireo nandray anjara rehetra.

Fiangonana manaraka:

Alahady 26 Aprily 2015 @ 10h30 ato amin'ny Chapelle St Marc ihany. Tsy ho eo ny Mpitandrina fa hampanao hankatoka any Vierzon ka ny Loholona sy ny Filoha no hitarika ny fotoana.

Alahady 5 Aprily 2015 : Paska 2015

Nifety ny Paska tokoa ny teto @ Tafo FPMA Orléans tonga nankalaza ny fitsanganan'i Jesoa: Fandresena miezina ho antsika kristiana. 
Niisa 114 ny vahoakan'Andriamanitra tonga tamin'izany: Lehibe 94 ary 20 ny ankizy.
Nisy ny fizarana vatomamy sy sôkôlà tao aorian'ny fotoampivavahana sy  ny fandraisana ny Fanasan'ny Tompo. 

Vaovaompiangonana

Alahady 12 Aprily @ 15h ao @ Chapelle St Marc ihany: Alahady hanaovan'ny Sampana SA eto amin'ny Tafo ny Konsertrany.
Alahady 19 Aprily @ 10h30 ao @ Chapelle St Marc: Alahadin'ny Sampana  AMF Orléans.
Torinteny ankira no hataon'izy ireo amin'izany.