Menu

mercredi 8 février 2017

AMFO 2016-2022


Mise à Jour de Juin 2022
Ela tokoa izay nefa tsy misy mety manao fanazaiana ity pejy ity ka dia miandry hoatra izay e: 
samy manao izay vitany.

Hetsika 2022:  Alahadin'ny Sampana AMF Orléans: 18 Septambra 2022.
    Ny famerenanan dia tsy miato fa mitohy foana ary efa natomboka ny 04 Jona lasa teo aza
Mitohy hatrany izany ny 18 Jona sy ny 02 Jolay ary avy eo dia ny volana Septambra 03 Sept vao hisy fanomanana.
Any MEUNG sur LOIRE kosa ny fankalazana ny Kermesse ny 25 Jona 2022 izao manomboka @ 14h. Afaka tonga ianao ny maraina @10h ary hisy sakafo azonao vidian amin'izany.




FIV/03/2016-2017
Hetsika 15  Aprily 2017

TATITRY NY FIVORIANA NATAO NY 21 JANOARY 2017
TANISA DINIKA :
  • hetsika 2017
  • fomba fiasa

HETSIKA 2017 :
Ireo hevitra lany :
Ity Volana Marsa ity dia hatao Asabotsy sy Alahady ny famerenana.
  • 15/04/2017 : hanao fampisehoana ( karazana comédie musicale) mikasika ny niainan'i Jesoa Kristy manomboka teo @ ny fiakarany ho any Jerosalema ka hatramin'ny nitsanganany tamin'ny maty. Jereo ny Flyer.
    Tsy hatao ahazoam-bola ity hetsika ity fa hatolotra am-pitiavana.
  • 23/04/2017 : Alahadin'ny Sampana + fiaraha-misakafo any @ ny restaurant chinois . Ity hetsika ity kosa dia hatao ahazoana vola hanatevenana ny kitapo ( Choeuruni, sns....)
  • Famaliana fanasàna EPUDF any Paris hiara-manatanteraka fanompoam-pivavahana aminy mba hamelombelona ny Fiangonana ao.
    Ho jeren'i Nissya sy Marina, izay nampita ny fanasàna, ny alahady faha-2 amin'izay volana mety amin-drizareo ( ezahana mantsy mba ho alahady tsy misy fotoam-pivavahana ato @ FPMAO no handehanana any)

FOMBA FIASA :
  • Ezaka fahatongavana : entanina ny tsirairay mba hanao ezaka manokana hamonjy ny fianaran-kira araka izay faran'ny azo atao ; ka ialàna izany ny fanomezan-tsiny ireo tsy afaka manatrika fianaran-kira satria samy mahatoky sy mino fa efa niezaka mafy izy ny ho tonga.
  • Andro sy ora famerenana sy fianarana : tanana ny teo aloha, izany hoe :
    * asabotsy faha-3 @ ny volana mialoha na aorian'ny KMPO (arakaraky ny ora hanaovana ny KMPO)
    * alahady faha-4 aorian'ny fotoam-pivavahana manomboka @ 2 ora sy sasany ka hatr@ 4 ora sy sasany tolak'andro
    ( Azo atao tsara ny mitondra sakafo dia mihinana izany ao am-piangonana)
  • Fahamarinam-potoana : hanao ezaka manokana mba hanomboka sy hifarana ara-potoana ny fihaonana rehetra ( fivoriana, fianaran-kira), ka samy ho tonga ara-potoana mba ahazoana manao izany.
  • Fitaovana : hanao ezaka manokana ny tsirairay mba samy hanana ny tonon-kira ho hiraina , mba tsy efa hihira mihintsy vao hitady. Oméga dia manaiky am-pitiavana ny hanomana ny tonon-kira ho an'ireo izay milaza aminy mialoha.
  • Hijery sy hanitsy ny liste + coordonnées-ny mpikambana ny Mpandrindra.

AMFO :

16/12/2012 : nandray anjara tamin'ny Krismasin'ny ankizy ao amin'ny ERF+ FPMAO ary CBE
26/05//2013 : alahadin'ny Sampana + sakafo any @ restaurant hahazoana vola
Nov 2013 : fifidianana Birao : Filoha Guy ; secretaire Fara ary mpitambola Nériah
2015 : fifidianana Birao : Filoha Liva , mpitambola Oméga
2016 :andro natokana ho an'ny Sampana :
- 06/02 ; fiaraha-misakafo hanamarihana ny fidirana sy fandraisana ny mpikambana vaovao
  • 25/06:fampisehoana ahazoana vola mitarehy vary bemenaka
  • 26/06 alahadin'ny sampana
  • 01/11 fiaraha-misakafo fidirana taona 2016-2017 + fandraisana mpikambana vaovao + famerenana
  • 10/12 : fampisehoana «  Noelim-pitolomana »

AMF-FAFATS :

21/01/2017 : fifidianana Birao
Mpandrindra : Liva Focard
Mpandrindra hira : Tafo Melun
Mpandrindra mozika : tafo Fihobiana
Mpitanrtsratra tafo Grands -Champs sy tafo Cergy
Mpitambola ; tafo Arago
Mpitantambola : tafo Yvelines Fahazavana
Mpanolontsaina : tafo Vatofehizoro
Mpisahana fitaovana ( logistique) : tafo Vincennes

AMF-NASIONALY

19/11/2016 : Fifidianana Birao
Mpiandraikitra : Lalaina Ramarotafika
VPDT : Soréo avy ao Toulouse
Amfo/Liva ao anaty Vaomiera Hira
25/03/2017 : Fivoriambe AG eto @ Région Parisienne