Menu

lundi 10 avril 2017

Volana APRILY 2017

Rohy isankarazany (Liens)
EFA AZONAO JERENA ATO KOA NY PERIKOPA 2017 (VAKITENY ISAN'ANDro
Fampianarana ( Ny asa fanompoan'ny Diakona)
Edito (Missiologie)
ALAHADY 02 Aprily 2017
Alahady voalohany amin'ny volana ka hisy Fandraisana Fanasan'ny Tompo (FFT) toy ny mahazatra ary koa alahady fandoavana ny adidi'ny Mpandray.
Niisa 58 ny lehibe ary 8 ny ankizy
Vaovaompiangonana:
Sampana AMF Chorale- Amboara: Hanao hetsika konseritra ara mozika sy Kalo fiderana ny Sampana ny Asabotsy 15 Aprily hanomboka @ 17h, ny tanataran'i Jesoa no toriana amin'izany:  "Ny niakarany tany Jerosalema sy ny nanombohana azy". Jereo ny Flyer mipetraka etsy ambony.
Ny famerenana moa dia efa nisy hatramin'izay ny Asabotsy sy Alahady fa ny manaraka indray kosa dia hatao ny Alahady 02 Aprily hariva @ 14h any amin'ny tokatranon'i Rindra mianakavy. Ny manaraka indray dia eto amin'ny Chapelle ny Asabotsy 09 Aprily 14h-16h indray ary ny tohiny dia ny Alahady 09 Aprily @14h -18h indray ihany koa. 
Tohizana ny Zoma 14 Aprily @ 17h-18h30 indray ny famerenana ka ny famerenambe dia ny Asabotsy 15 Aprily @14h alohan'ny fampisehoana.  
Sekoly Alahady: Tsy hisy fianarana ho an'ny SA amin'ny  Alahady Paska sy ny Alahady 23 Aprily.