Menu

mercredi 12 décembre 2018

Fandaminana fanaovam-beloma farany

Andriamanitro ô : Ianao no hitokiako, aoka tsy ho menatra aho, aoka tsy hifalian'ny fahavaloko aho. Eny, tsy hisy ho menatra izay rehetra miandry Anao, fa izay mivadika foana no ho menatra" salamo 25 : 2-3
Ry Havana,
Sitrak'Andriamanitra ny niantsoany ny Mpanompony, Solofoharison ANDRIAMAMPIONONA, hody any any aminy tamin'ny sabotsy 8 décembre 2018 lasa teo.
Itompokolahy dia Filohan'ny sampana zava-maneno eto amin'ny tafo FPMA Orléans ary mpikambana mavitrika ao amin'ny sampana antoko mpihira Amboara Orléans.
Ny nofony dia hatao veloma farany, ho fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny :
Temple de la Rédemption - 16 rue Chauchat - 75009 PARIS - M°8 Richelieu Drouot na M°7 Le Peletier
Ny zomà 14 décembre 2018 amin'ny 11 ora maraina.
Ny "Mise en bière" kosa : 
 dia hatao ny  Zoma 14 desambra amin'ny  9h30 tsy diso ao amin'ny Funérarium de l'Institut Gustave Roussy : Rue du Docteur Pinel - 94805 VILLEJUIF. Araka  ny toromaridàlana  mipaingotra etsy ambony.
"...Miraisa saina hianareo rehetra, ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy.."
1 Petera 3.8
Ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FPMA ORLEANS.
Joseph RAKOTOARIMANANA                                                                                            Nissya RANDRIAMANANTENA 
Mpitandrina                                                                                                                          Filoha.