Menu

lundi 13 avril 2020

Volana Aprily

« Ary Jehovah nandeha teo alohany tamin’ny andri-rahona raha atoandro
hitari-dalana azy, ary tamin’ny andri-afo nony alina ho fahazavana ho azy,
handehanany andro aman’alina » Izany tenin’Andriamanitra ao amin’ny
bokin’ny Eksodosy  13.21 izany ry havana no entiko ho fampaherezana antsika
mianakavy amin’izao fotoan-tsarotra lalovantsika izao ; Matoky ny fitarihana sy

ny fitantanan’ny Tompo mandrakariva isika ;

Manolotra ny arahaba ho anareo vahoakan’Andriamanitra rehetra ry havana,
indrindra ianareo vahoakan’Andriamanitra eto amin’ny FPMA Orléans. Manantena
anareo rehetra ho salama tsara daholo ny tenako, na dia eo aza ny valan’arentina
Corona virus izay mihanaka amin’izao fotoana izao ;
Efa ho iray vola sy tapany sahady izay no tsy nisian'ny fanompoam-pivavahana
mifanatrika tao amin'ny fiangonantsika. Iray vola sy tapany tsy nihaonantsika ;
Ary hatreto dia tsy mbola fantatra ny faharetan'izany fotoana fihiboana izany ;
Koa manao izao horonantsary izao aho ry havana mba ahafahantsika mifampahery,
ahafahako ihany koa manome anareo ireo vaovaom-piangonana eo am-pelatanana
amin’izao fotoana izao.
Misaotra an'Andriamanitra lehibe   isika fa mbola afaka miombom-bavaka sy
mihaino fampianarana isan-karazany amin'ny alalan'ny onjam-peo (Radio Vatsy
na Radio Anjomara) izay karakarain'ny Birao foibe isan'andro amin’ny 4 sy
amin’ny 7 ora hariva sy isan'alahady amin’ny 10 ora sy sasany sy amin’ny 4
ora hariva. Misy ihany koa ny fanompoam-pivavahana izay karakarain’ny faritany
afovoany atsinanana isaky ny alakamisy hariva amin’ny 8 ora amin’ny alalan’ny
radio FPMA Vincennes. Ny Rohy ahitantsika ireo radio ireo moa amin’ny internet :
Soratantsika ny hoe radio vatsy, radio anjomara na radio FPMA vincennes .
Araka ny efa fantatsika dia maromaro ireo fotoana nokasaina teto amin’ny tafontsika
nefa tsy tanteraka : Anisan’izany ny fanokanana ny Diakona andiany vaovao izay hiasa
mandritry ny 2 taona ho avy, ny fihaonam-ben’ny Mpandray ny fanasàn’ny Tompo izay
natao handinika ny toe-bola 2019 sy ny teti-bola 2020, ary indrindra ny fankalazàna ny
faha-40 taonan’ny Fiangonantsika ; Faniriana ihany ny antsika olombelona fa ny
fandaharana dia an’Andriamanitra ary mahafantatra izay itondràny ny fiangonany
tokoa ilay Andriamanintsika, koa ho ezahintsika ny hanatanteraka ireo fotoana
ireo amin’ny fotoana maha-mety azy, rehefa afaka mihaona isika. Ny momban’ny
fankalazàna ny faha-40 taona moa dia misy daty izay efa notapahin’ny komitim-
piangonana dia ny faha 10 Octobre ho avy izao ; Ho lazaina amintsika miandalana
eny moa ny andinindininy momba izany.

Ireo fihaonamben’ny sampana iraisana nasionaly FPMA (Tily, antoko mpihira,
fifohazana) dia nofoanana avokoa ny amin’ity taona 2020 ity. Nofoanana toy izany
koa ny fihaonam-ben’ny protestanta RPO izay noeritreretina hatao ny 14 juin ;
Nanoratra ho anareo aho ry Havana tamin’ny herinandro teo, nanentana anareo
amin’ny fanohizana ny fandoavana ny adidin’ny Mpandray , sy ny fanaovana rakitra
na raki-pisaorana isan-karazany ; Hamafisiko etoana izany fanentanana izany
satria Na dia tsy misy aza ny fotoana mifanatrika, ny adidin'ny fiangonana ara-
bola (charges fixes) ho fampandrosoana ny asan'Andriamanitra dia tsy miova
kosa  fa mitohy ihany : Ny hofan-trano, ny EDF, ny rano,  ny fanampiana ny
Mpitandrina sy ny sisa...
Mba tsy ahalatsaka an-katerena ny fiangonantsika dia raisina an-tanandroa izay
fointsika hanampiana ny asa fitoriana ny filazantsara. Azo atao ny mananteraka
na mandefa ireo adidy ireo amin'ny fomba mahazatra toy ny taratasimbola na
chèque, na fomba hafa toy ny virement na espèces izay mety amintsika
Ho famaranana dia mametraka anareo tsirairay avy sy ny ankohonananareo eo am-
pelatanan’Andriamanitra Raintsika aho, Izy anie hitantana homba anareo
mandrakariva ; Ho azy irery ihany ny Voninahitra ary ho amintsika