Menu

mercredi 20 juillet 2022

Volana Jolay 2022

Hetsika  sy Filazana samihafa @ ity volana Jona sy Jolay ity.

Fitsangatsanganana 27-28 Aogositra hatao any MFR Maltot Normandie, 

Sarany 30€: miala ny Asabotsy vao maraina dia miverina ny Alahady alina eo @ 22h eo raha tara.

Tsiahivina fa ireo nisoratra anarana kanefa tsy tonga na tsy nadeha dia tsy maintsy takiana aminy ny anjarany mba tsy handoavan'ny Fiangonana izany kosa.

Ny fisoratana anarana dia efa vita t@ fifandraisana samihafa( antaroby-nifanatrika sy mailaka) fa ny fandoavana ny sarany no tokony hatao ny 30 Jolay raha tara.

Alahady 31 Jolay 10h30 

Koa raha niara-natsangana tamin'i Kristy ianareo,dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin'ny itoeran'i Kristy, Izay mipetraka eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra » Kolosiana 3/1

Fanompoam-pivavahana  ao @ Chapelle toy ny mahazatra. Aorian'io fotoana io dia hisy fanalana hetaheta atolotra ny mpiangona ho famaranana ny taona 2021-22. Tsy misy fivorivoriana fa izay mahazo dia lasa.

Filazana manjo: Tantely amambahona ny  fiainana tompoko isany:

III)-Nodimandry ny 19 jolay maraina ny Raiamandreny 
"Rtoa RAZANAMIANDRASOA". 

Ny alakamisy 28 jolay 2022 @ 3 ora folak'andro isika no afaka mampahery ny fianakaviana ao amin'ny Maison funéraire 198 Flandre Dunkerque 45160 OLIVET amin'ny alalan'ny fotoam-bavaka fohy. Ho lazaina amintsika tsy ho ela ny ora. Aorian'io dia halefa hody any an-tanindrazana ny vatana  mangatsiaka. 

II)-Nodimandry ny 17 Jolay maraina teo ny Raiamandrenintsika 
Esther RATSIMBAHARIJAO”, 
maman'i Ruth sy Max RASAMIMANANA.

ny ora famangiana ireo havantsika mana-manjo amin'ny Asabotsy 23 juillet : Amin'ny 10 ora ka hatramin'ny 10 ora sy sasany ny fianakaviana no afaka mandray antsika ka noho izany dia amin'ny 8 ora sy sasany maraina (tsy diso) indray isika no hiainga ao am-piangonana (Chapelle de la barrière St Marc). 

Amin'ny alatsinainy 1er août kosa no hanaovana ny fanompoam-pivavahana ao amin'ny fiangonana Paris Chauchat ary amin'ny Atalata 2 août ny razana no hanainga ho any Madagascar

I)-i Ramatoa MATON Lanto, diakona eto amin’ny FPMA Yvelines Fahazavana dia mampandre ny fodiamandrin’ny vadiny :

Atoa MATON Maurice 

teo amin’ny faha 83 taonany.


Miandry ny fandaminana avy amin'ny fianakaviana isika ary mitondra am-bavaka azy ireo