Menu

lundi 3 février 2014

Volana Febroary 2014

Rohy isankarazany (Liens)

Fanoroana làlana mankany @ Chapelle: tsindrio eto
Momba ny Asa ao @ Chapelle: tsindrio eto

Efa azonao jerena ato koa ny Perikopa 2014 (vakiteny isan'andro)

---------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------- 

Alahady 23 Febroary 2014

Alahady nandraisana mpivady ka i Rtoa noraisina Diakona ary Atoa noraisina Filohan'ny Sampana eto amin'ny Tafo. Nisy fandraisana Fanasan'ny Tompo tamin'io fotoana io.

Alahady 16 Febroary 2014

Vita sy tontosa soamantsara ny Alahadin'ny STK Orléans  izay nanomboka ny maraina t@ Fanompoam-pivavahana ary  narahana t@ fampianarana: fifidianana ny tena fiainana.
Ny atoandro kosa dia nanao ny fivarotana tohan'aina rizareo tamin'ny vidiny mirary.
Nony tolakandro sahabo ho tamin'ny 3 ora teo dia natao ny projection-ny film mitondra ny lohateny hoe: Difficile rédemption ary noelanelanina tamin'ny dite mafana ny fotoana ka nahafapo ireo nanatrika izany hetsika rehetra izany .
Hita ny STKO fa tsy hoe avenir-n'ny FPMAO fa efa tena FPMAO tokoa. Isaorana hatrany ny Avo. 

Alahady 02 Febroary 2014

Alahady niarahabana ireo Zokiolona eto an-toerana. Nisy fanolorana solombodiakoho tamin'izany.
Nisy zokiolona 14 no notolorana izany ary 50 teo ny mpiangona. 

Asabotsy 01 Febroary 2014

Vita soamantsara ny Choeur Uni nataon'ny FAfAts tany Villebon sur Yvette ny Asabotsy sy ny Alahady teo iny. Nisy Mpihira 100 teo no nanafàna ny fotoana tao. ary toa izay ihany koa ny isan'ny mpanotrona. Nofaranana t@ fotoampivavahana izany ny Alahady 02 Febroary maraina ihany koa.

 

Fotoana manaraka

 Alahady 23 Febroary @ 10 ora maraina (fa tsy @ 10h30 akory) ao @ Chapelle St Marc ihany.

    Andro handraisan-tànana Diakona iray sy ny Filohan'ny AMFO io andro io. 
    Fotoampivavahana arahana  Fandraisana ny fanasan'ny Tompo

 Alahady 16 Febroary 2014: Alahadin'ny STK Orléans
   maraina : -Fanompoampivavahana tarihan'ny sampana miaraka amin'ny 
                   - FIFIDIANANA NY TENA FIAINANA izany ny lohahevitra hifampianarana amin'io  fotoana io.
 Tolakandro : Hisy sarimihetsika atolotry ny STK.
Hisy tohan'aina hamidin'izy ireo amin'ny vidiny mirary aorian'ny fotoampivavahana. 
 
  Izany rehetra izany dia ao @ Chapelle St Marc 130 rue du Petit Pont 45000 Orléans.  

Alahady 09 Febroary 2014  @ 10h ao Vierzon rue Edgar Quinet :Fotoampivavahana any Vierzon, Mbola ho lazaina eto ny mombomba azy io. Hanoloran'ny faritra ny hetahetany hanorona fiarahamivavaka.