Menu

dimanche 16 mars 2014

Volana Marsa 2014

Rohy isankarazany (Liens)

Fanoroana làlana mankany @ Chapelle: tsindrio eto
Momba ny Asa ao @ Chapelle: tsindrio eto

Efa azonao jerena ato koa ny Perikopa 2014 (vakiteny isan'andro)



Alahady 30 Mars 2014   

Alahady fahadimy nanaovana ny ankatoka ho fandaniana ny toebolan'ny Fiangonana,
Niisa 43 ny lehibe ary 9 ny ankizy tamin'io fotoana io.
Tonga teto ihany koa ny Interface BF nitondra fanamarihana sy nanao famangiana ny Tafo.  Niaraka nisakafo taminy tao nyKomity tsy ankanavaka.

Fotoana manaraka ( jereo ny kalandary etsy ankavananana)

Alahady 06 Aprily: Alahady fandraisana  sady andro fandoavana adidy.
Asabotsy 12 Aprily  à 16h Antsampanahy ataon'ny Amboara any Loury (jereo ny Flyer eto ambany)

---------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------- 

Alahady 23 Mars 2014   

Alahadin'ny SA Orléans

Niisa 60 ny lehibe ary 15 ny ankizy.
Nisy ankatoka koa nandinihina ny Toe-bola 2013 ary ny Teti-bola 2014.
Rehefa fotoana toy itony moa dia ny SA (ankizy sy ny monitrices) no mitarika ny fotoana na ny hira na ny fitendrena zavamaneno ihany koa.
Nisy varotra sakafo en barquette tao aorian'ny fotoam-pivavahana ary nahafa-po ny zavabita tao fa dia hisaorana
Vaovao hafa:
Asabotsy 29 Marsa 2014: Fetimpiangonana ataon'ny Tafo Arago @ 17h 30. Tsy misy vidimpidirana fa rakitra no tatazana.Hafanain'ny sampana rehetra ao amin'ny Tafo ny fotoana.

Fotoana manaraka:(jereo ny kalandary etsy ankavananao azafady)
Alahady 30 Marsa ao @ Chapelle St Marc @ 10h 30 toa ny mahazatra.
Ho tonga hamangy antsika aty Orléans ny solontena avy ao  @ Birao Foibe.
Asabotsy 12 Aprily: Antsampanahy ataon'ny AMF Orléans etsy @ Eglise etsy Loury (12km)


Alahady 16 Mars 2014

Alahady faharoa amin'ny Karemy,
Rehefa avy nanao fianarankira 5-7 minitra teo dia natomboka ny fotoana. Hitohy izany isak'Alahady.
Niisa teo amin'ny 44 ny lehibe ary 8 ny ankizy.
Ny fampianarana tamin'izany dia tao amin'ny Matio 17 sy 2Timoty izay nanehoan'i Jesoa fa Zanak'Andriamanitra tokoa izy ary izay manaraka azy dia tapitra eo @ fahafatesana  ny fahalovana sy ny aizina rehetra.
Vaovao hafa:
-Nozaraina tamin'io fotoana io ihany koa ny "Voa" hafafy ary hamelana afaka 40 andro (Paska) ka azonao zaraina avy eo na entinao ery @ Eglise Orthodoxe (Campo Santo)  ny Alahady 20 Aprily @ 6h54mn hankalazàna ny Nitsanganan'iJesoa miaraka amin'ny fiposaky ny  masoandro.
-Tapaka tao amin'ny fivorian'ny Komity fa hisy Alakamisy Masina ka hanomboka @ 19h eto amin'ny Tafo hisy Fandraisana amin'io.
Vavaovaon'ny Sampana
Sekoly Alahady:Hatao amin'ny Alahady 23 Marsa izao Alahadin'ny Sampana :
-Hivarotra sakafo (en barquette) izy ireo ka 7€ sy 5€ no hivarotany azy.
SVK  : Efa nanomboka tamin'ny Asabotsy teo ny famolavolana ny fitsipika anatin'ny Sampana. Afaka manantona an'ny Mpiandraikitra izay liana amin'izany.
AMF : Hanomboka ny asa fitoriany eto amin'ny manodidina ny AMFO ny Asabotsy 12 Aprily etsy amin'ny Eglise etsy LOURY ary ny 27 Aprily kosa diahanao ny Alahadin'ny Sampana eto @ Chapelle St Marc ihany.

Fotoana manaraka:
Alahady 23 Marsa 2014: Alahadin'ny SA araky ny voalaza etsy ambony.
Hisy ankatoka handaniana ny Bilan 2013 amin'io fotoana io.