Menu

samedi 13 septembre 2014

Volana Septambra



Alahady 07 Septambra 2014

Alahady fidirana @ taom-pianarana 2014-2015 sady Alahady natokantsika hanaovana ny adidy ho an'ny FMM. ihany koa.
Nisy fandraisana ny fanasan'ny Tompo ary nisy fivorian'ny raiamandrenin'ny mpianatra Sekoly Alahady (SA) taorian'ny fotoana.
Isan'ny olona: 67 -Lehibe: 56- Ankizy: 11
Nisy olona 5 mianaka vao tonga eto amin'ny Tafo.

Nofaranana tamin'ny fanalàna hetaheta ny fotoana.

Vaoavom-piangonana

-Tsihahivina ny Fetimpiangonana 04 Oktobra 2014 ataon'ny Tafo.
Izany dia hiantsoana ny fandraisan'anjaran'ny vahoakan'Andriamanitra eto Orléans tsirairay fa antoky ny fampandrosoana ny Fiangonan'i Kristy navelany amintsika eto Orléans io. Koa angatahana ny fandraisan'anjaran'ny daholobe ao @ Vaomiera mampety azy: Ampiasaina izay Talenta sy Soa rehetra izay napetrany amin'ny tsirairay.
-Ny vaovao hafa kosa dia momban'ny Fivorian'ny Komity Maharitra (KM) sy ny fanomanana ny Synoda Lehibe faha 25 any Mulhouse.

Fotoana Volana Septambra

-Ny fivorian'ny Sampana izany dia misokatra araky ny fandaminan'ny isantsampana avy.
-13 Septambra: Fivoriana tsy arapotoana hataon'ny Komitin'ny Tafo ho fandavorariana ny Fetimpiangonana: fananganana ny Vaomiera samihafa-Lakozia sy Sakafo-Services sy Tsakitsaky-Trano sy ny rentiny-Fanentanana sy ny fitaovana maneno(sono)-Entimanana- Kilalalo sy Fanomezana.
-14 Septambra: Alahady hiarahan'ny Tafo FPMA sy ny EPUF Orléans.
Hatao any @ EPUF (ERF) Orléans @ 10h30: Hisy fandraisana anjara hataon'y FPMA mandritry ny fotoana. Hisy ihany koa tsakitsaky hiarahan'ny roa tonta.
-21 Septambra @ 10h30 ao @ Chapelle St Marc: Alahady fahatelo ary hisy fampianarana.
Amin'io ihany koa no hakàna sy hijerena ny fizotry ny Fisoratana fandraisana anjara @ Fetimpiangonana, izany dia tokony efa natao mialoha fa fanindriana ny amin'io.
-28 Septambra @ 10h 30 ao @ Chapelle St Marc: Alahady fahefatra
Hijerena ihany koa ary fanomanana ny Fetimpiangonana 04 Oktobra etsy Salle la Cigogne.