Menu

jeudi 9 octobre 2014

Volana Oktobra 2014

Alahady 26 Oktobra 2014

Alahady fahefatra notarihan'ny Diakona ary toy ny fandaminana dia nisy fisintonan'ireo mpianatra  madinika nanao ny Sekoly Alahady tao aorian'ny Toriteny nentin'ny Filoha.
Niisa 38 ny lehibe ary 11 ny ankizy.

Alahady 19 Oktobra 2014

Fampianarana nalaina avy @ Matio 22: 15-22 no nataon'ny Mpitandrina Raharijaona Marie Angèle ka nafahan'ny maro nandray anjara t@ fotoana tsy lava loatra.
Niisa: 37 ny lehibe ary 11 ny ankizy.
Nisintona ihany koa ireo zaza madinika nanao ny SA taorian'ny toriteny araky ny fandaminana nataon'ireo Mpampianatra.

Vaovaompiangonana:

-Nolazaina sy nentina ny vokatra azo t@ Alahady  telo nanaovana ny fanatitra (volana Jona sy Jolay).
-Naseho ny fiangonana ireo hanolotra ny tokantranony eo ambany fitarihan'Andriamanitra @ Asabotsy 25 Oktobra ho avy izao.
-Ny Komity ara-potoana dia nahemotra ny 26 Oktobra nohon'ny tsy nahateo ireo mpiandraikitra ny vola fa mbola tany @ Zkb SVK tany Jambville.

Fotoana manaraka:

Alahady 26 Oktobra ao @ Chapelle St Marc @ 10h30.
Amin'io Alahady io ihany koa no hivorian'ny Komitin'ny Tafo fa ny tolakandro.

Alahady 05 Okotobra 2014

Nitohy tany ampiangonana tao @ Chapelle St Marc ny fananteram-bokatra dingana faha-telo.  
Niisa 45 teo ny lehibe ary 6 ny ankizy.
Rehefa nirava avy teo ny mpiangona dia nandeha nanadio trano tary @ Cigogne indray sady namarana ny tsy lany rehetra tany.

Fotoana manaraka:

Ny fiangonana manaraka dia ny Alahady 19 Oktobra @ 10h30 ihany. Alahady Fampianarana.
Ny fampianarana amin'izany dia tarihan'ny Mpitandrina Marie Angèle.
Hisy fivoriana ara-potoana ho an'ny Komity ny Asabotsy 18 Oktobra. Ny ora dia ho lazaina miandalana eny ihany. 

Asabotsy 04 Oktobra 2014

Vita soa amantsara ny Fetim-piangonana nataon'ny Tafo Orléans tetsy @ Salle Cigogne.
Samy afapo avokoa ny mpandray anjara na ny mpanatrika na ny natrehana. Koa izany no anehoana hatrany Dera sy Laza ho an'ilay Nahary.
Nisy solontena avokoa ireo Tafo teto amin'ny FAfAts izay isaorana azy ireo manokana.
Nisy  kosa anefa ireo tsy maintsy nandeha namonjy ny tany @ Tafo Fahazavana izay nanao ihany koa ny Fetim-piangonany t@ io andro io.