Menu

dimanche 2 novembre 2014

Volana Novambra 2014

Alahady 30 Novambra 2014

Tontosa soa amantsara ny teny nampitaina tamin'iny Alahady iny, nalaina tao @ Marka   13 :33 "Mitandrema, miambena, ka mivavaha;...".nampahalala fa ny an'Andriamanitra dia tsy araky izay fotoanantsika  akory (ora; andro; volana ...)fa "Intemporel", fampianarana nataon'i Pst Joseph Rakotoarimanana.
Niisa 40 ny olona ary 33 ny lehibe ary 7 ny ankizy.

Vaovao voalaza:

-Fisaorana no atolotry ny SZMO ireo nanotrona sy nividy ireo voahomana rehetra t@ 23 Nov lasa teo: ka Andriamanitra be fitiavana ny hamaly sy hanonitra avo maro heny izay lanin'ny tsirairay tao.
-Vita soa ny fivoriamben'ny SVKO ka voatsangana ny Birao vaovaon'ny Sampana t@ 23 Nov teo.
-Isaorana ireo solontenan'ny Tafo nanatrika ny fankalazana ny 10è Tafo Arago t@ Asabotsy 29 Nov teo tany Paris 18è.   
         Amin'iny volana Desambra iny dia hisy
 -Ny fankalazana ny Noely hitambaran'ny Kristiana eto Orléans ka hatao ny Alahady 14 Desambra @ 4o.h. na (16h) ao @ Temple ERF   2 rue du Cloître St-Pierre  Empont ao Orléans.
-Ny andron'ny ny Sampana  miray eto amin'ny Tafo kosa dia ny tolakandron'ny Alahady 21 Desambra ary hatao etsy amin'ny ERF ihany koa.
-Ny fanokanana an'i Pst Lydia Ravalitera dia ny Asabotsy 27 Desambra: ny toerana sy ny ora dia mbola ho lazaina eto ihany.

Alahady 23 Novambra 2014

Alahadin'ny SZMO na Sampana ZavaManeno eto Orléans. 
Fotoana notarihan'i Atoa Andriamampionona S Filohan'ny SZMO. Nandray anjara tao avokoa ny ankizy rehetra manantalenta eto amin'ny Tafo Orléans: Tiana :Gitara- Harisetra:Clavier -Maeva:Violon- Mahasetra:Gitara- Mahefa:Orgue.
Niisa 63 ny olona tonga, lehibe:50 ary ny ankizy 13.

Nofaranana tamin'ny fivarotana ny plateaux repas ny fotoana, izay atao famatsiana ny kitapombolan'ny SZMO.

Fotoana manaraka:

Ny alahady faha 30 Novambra 2014 @ 10h30.

Alahady 16 Novambra 2014

Tamin'ny tsy nahateo ny Mpandrindra ny Tafo dia ny Diakona no nitarika ny fotoana. Novoaboasana tamin'izany ny fanoharana t@ fitsinjarana ny talenta : Matio 25:14-30.
Niisa 57 ny olona ka 44 ny lehibe ary 13 ny ankizy.

Vaovao voalaza:

-Antso SVKO  amin'ny Assemblée Générale, ka hanaovana ny fifidianana Mpitambola.
-Filazana sy tatitra avy amin'ireo solotena avy tany   amin'ny Synoda Mulhouse:
        Tsy niova ireo mpitantana ao @ Birao Foibe teo aloha ankoatran'i Pst Seth.

Fotoana manaraka

-Ny Sampana SZM Orléans dia hanao ny Alahadiny@ 23 Nov ho avy izao, ka hezahana sy amporisihana ireo manana talenta eto amin'ny Tafo mba handray anjara amin'izany.
Hisy plateau repas hamidy avy eo ka 7€ ny ho an'ny lehibe ary 5€ ny an'ny ankizy. 

Alahady 02 Novambra 2014

Alahadin'ny mpitandrina  eto amin'ny Tafo.

Tonga nitarika sy nanao ny toriteny ny mpitandrina Roger Rafanomezantsoa tamin'ity Alahady ity araky ny fanao moa dia ny mpitandrina no manao ny fampandraisana fotsiny.
Ny fampianarana tao dia ny avy ao @ Matio 23:1-10: tsy ny toerana no tadiavina fa ny asa miaraka aminy..
Niisa 67 ny lehibe ary 16 ny ankizy.
Nofaranana t@ fiarahana manala hetaheta natolotry ny Fg ny fotoana.
Noraisina sy noarahabaina tao ny Mpivady vao: Jaonary sy Bearivo Sandy.

Vaovao voalaza:

-Fampatsiahivana ny Alahadin'ny SZM Orléans @ 23 Novambra
-Fisaorana natolotry ny SA faritany sy ny SVK ho an'ireo mpizaika t@ Oktobra.

Fotoana manaraka

-Synoda lehobe any Mulhouse ny 8-11 Novambra 2014
-Alahady 16 Novambra eto @ Chapelle @ 10h30: Alahady fahatelo.
-Alahady 23 Novambra Alahadin'ny SZM, hisy plateau repas hamidy amin'io.