Menu

mardi 9 décembre 2014

Volana Desambra 2014

Krismasy 2014 andro Alakamisy

Andro ankalazan'ny Kristiana ny "fahatongavan'ny Zanany sy ny fanantanterahany ny "Teny tonga Nofo"" tokoa ny andro ka nizotra tao @ Chapelle ireo Malagasy maro  eto Orléans sy ny manodidina tonga nitsaoka sy nidera ary nanome ny voninahitra ho Azy irery.
Niisa  117 ny lehibe ary 25 ny ankizy tonga nanatrika ny fanompoampivavahana.
Nofaranana tamin'ny fizarana Chocolat tetsy ambaravarana izany andro lehibe izany.

Fotoana manaraka:

Asabotsy 27 Desambra 2014 @ 15h- Fiangonana Paris Chauchat etsy Paris 9è: Fotoana hanomezana voninahitra an' Andriamanitra ary hanokanana ny Pst Lydia Ravalitera ho Mpitandrina rehefa avy nanao ny asan'Andriamanitra nandritran'ny 10 taona tao@ Tafo Orléans-Amiens-Troye. 
Nasaina manokana ny Tafo Orléans satria teto izy no nandrindra voalohany ary koa nanokatra ny Sampana SVK folo taona lasa izay.
Alahady 28 Desambra 2014 ao @ Chapelle St Marc @ 10h30: Fotoana natokan'ny Tafo Orléans hanaovana ny Fankalazana ny faha 55 taonan'ny FPMA Frantsa.
Alahady 04 Janoary 2015 ao @ Chapelle St Marc @ 10h30 : Alahady hifampiarahabana ny fahatratrarana ny taona 2015 ary hanolorana solombodiakoho ireo raiamandreny mihoatra ny 65 taona eto amin'ny Tafo Orléans.

Alahady 21 Desambra 2014

Alahadin'ny Sampana Velona eto amin'ny Tafo Orléans natao tao @ ERF t@ 14h30 ary nandraisan'ny Sampana rehetra anjara. 
Niisa 107 no  nanatrika izany fotoana izany.
Tao aorian'izany dia natao ny fiarahana misakafo tao @ Salle Soulas ka teo @ 9O teo ny olona niaranikorana tao.

Alahady 07 Desambra 2014

Fotoana notarihan'ny Diakona eto amin'ny Tafo, Randriatsarafara, fa ny Fandraisana sy ny Toriteny dia nataon'ny Mpitandrina mpandrindra ny Tafo.
Niisa: 70 ny olona tao ka 57 ny lehibe ary 13 ny ankizy.
Nofaranana t@ fialàna hetaheta toy ny fanao isaky ny voalohan'ny volana ny fiarahana io alahady io.

Vaovao 

-Androany @ 2o.h na (14h) Fivoriana hataon'ny SVKO any @ tranon'i Eugène mivady
-Famerenana Sekoly atao androany tolakandro ihany koa ato @ Chapelle.
-Ny Chorale AMF dia ny Asabotsy 13 desambra tolakandro @ 3 sy 1/2 o.h. na 15h30 eto amin'ny Chapelle no hanao koa ny famerenana toy ny mahazatra.

-Ny fankalazana ny Noely hitambaran'ny Kristiana eto Orléans ka hatao ny Alahady 14 Desambra @ 4o.h. na (16h) ao @ Temple ERF   2 rue du Cloître St-Pierre  Empont ao Orléans.
-Ny andron'ny ny Sampana  miray eto amin'ny Tafo kosa dia ny tolakandron'ny Alahady 21 Desambra ary hatao etsy amin'ny ERF ihany koa.

 Fotoana manaraka:

Alahady 14 Desambra 2014 @ 4 o.h na (16h) ao @ EPUF na ERF: Fankalazana Noely hiraisan'ny ERF-GBU ary FPMA Orléans. Hisy fandraisana anjaran'ny SA sy ny ny AMF amin'izany fotoana izany.
Alakamisy 18 Desambra 2014 @ 8 o.h na (20h) etsy amin'ny Centre oecuminique etsy La Source. Hisay fandraisan'anjaran'ny FPMAO  amin'ny hira 70: Iza moa io zazakely ao Betlehema...

Alahady 21 Desambra 2014 @  2 o.h. na (14h) ao amin'ny ERF : Fankalazan'ny Sampana miray  rehetra  eto amin'ny Tafo ny Noeliny: Hatao io hariva io izany ny fotoampivavahana fanao isaky ny Alahady maraina dia tohizana amin'ny Fampisehoan'ny Sampana Velona tsirairay: 
   SA; SVK; AMF; SZM.
Avy eo moa dia hisy ny fiarahana mihinana ny Sakafo novimbin'ny tsirairay hifampizarana hanaovana ny sakafo AGAPE. Ho faranana @ 8 1/2 o.h na 20h30 ny fotoana.