Menu

lundi 19 janvier 2015

Janoary 2015

Manolotra ny
Arahaba sy ny rary mahasoa  ho antsika rehetra nahatratra izao taona vaovao izao ny eto @ FpmaOrleans.fr.

Arahaba soasoava Tompokovavy ary soatsarà Tompokolahy isany.

Alahady 25 Janoary 2015

Fotoana  hanomanampanahy ho amin'ny Fandraisana @ 01 Febroary ity alahady ity.

Isan'ny Mpiangona:44 ka 9 ny ankizy tamin'io.

Andro koa famaranana ny herinandrombavaka ho @ Firaisampinoana eto Orléans, ka ny teny amin'io dia ny Jaona 4:7 milaza ny hoe  "Hoy Jesoa tamindravehivavy: omeo rano aho ho sotroiko". Etsy amin'ny Eglise Jeanne d'Arc no hifamotoana @ 17h no hifamotoana amin'izany.

Vaovaompiangonana

-Ny an'ny FFKM  kosa dia any Paris ao @ Paroisse Notre Dame des Champs 91 Bd Montparnasse Paris 6è.
-Ny Sampana SVK FAfAts kosa dia hanao ny fifampiarahabana ny Asbotsy 31 Janoary any Pentemonts rue de Grenelles Paris 7è.
-Ny antoko mphira Fiderana Paris dia hitsidika ny AMF Faritany ny 14 Febroary hoa vay izao ary hanao concert ny hariva @ 19h30 ao @ Temple Pentemont ihany.
-Nivory ny Komitim-piangonana omaly Asabotsy ary ny lehibe tapaka tao dia momban'ny fankalazana ny faha-35 taonan'ny Tafo izay hatao ny 29 Mars 2015 eto @ Chapelle St Marc ihany.

Alahady 18 Janoary 2015

Alahady natokana ho fampianarana ny SM eto amin'ny Tafo
Isan'ny Mpiangona: 45 ka 7 ny ankizy tamin'io isa io.

Alahady 04 Janoary 2015

Ity Alahady ity dia andro fiarahabana ny rehetra @ taombaovao 2015 eto @ Tafo Orléans ary indrindra hanolorana ny solombodiakoho ho an'ny Zokiolona eto @ Tafo. 
Tao aorian'ny Fotoampivavahana dia niara-nizotra tany @ Restaurant tesy Olivet nanolotra ny fehim-panajana ireo zokiolona nisoratra teto amin'ny Tafo
Isan'ny Mpiangona: 84 teo ka 16 ny ankizy.

Tamin'ity andro ity ihany koa no nanoloran'ny SVK-O Galettes de Roi ho an'ny vahoakan'Andriamanitra.

Vaovao sy ny famotoana

Asabotsy 16 Janoary 2015: Alahady hiarahan'ny Faritany FAfAts manokana fotoampivavahana ho fiarahabana ny taona.
Alahady 17 Janoary 2015:Alahady fampianarana ny tenin'ny SM eto amin'ny Tafo
Asabotsy 24 Janoary 2015: Fivorian'ny Komitim-piangonana ara-potoana eto amin'ny Tafo.