Menu

mercredi 4 février 2015

Volana Febroary 2015


Alahady 01 Febroary 2015

Alahady voalohan'ny volana ka nisy Fandraisana ny Fanasan'ny Tompo.
Andro koa andoavana ny adidy eto amin'ny Tafo.
Niisa 70 ny tonga tao ka 12 ny ankizy madinika.

Vaovao samihafa:

-Efa nitsangana ny Komitin'ny faha-35 taonan'ny Tafo koa manatona ny Loholona na ny Sekretera izay te handray anjara amin'ny fikarohana ny atao amin'izany.
-Nivory omaly 31 Janoary teto @ Chapelle St Marc ny Komity misahana ny Fiaraha-Mivavaka (FM) Vierzon Bourges izay misy olona 4 avy eto @ FPMAO ary 4 koa ny avy any @ FM Vierzon ary tarihan'yny Pst Mpandrindran'ny Tafo Orléans. Izy ireo izany no hamaritra sy handrafitra ny tatitra hatao isan-telovolana ho an'ny BF.
-Ny SVKO dia misaotra ireo nandahatena, fotoana sy aina t@ fahatongavana tany @ Temple Pentemonts omaly Asabotsy 31 Janoary : Famangiana ny Zokiolona eto @ Faritany.
-Ny SA kosa dia manomana ny diany handeha any @ ZKB Nasionaly izay hatao any @ la Salette any Grenobles ny WE ny 08-09-10 Mey 2015: hisy varotra mofo hataon'izy ireo ho famenoana ny kitapony. 
-Ny AMF Paris dia manao fitsidiham-paritany ka ny eto @ FAfAts dia ny 14 Febroary @ 19h30 ao @ Pentemont ihany 106 rue de Grenelle Paris 7è. 

Fotoana manaraka

-Alahady 08 Febroary 2015: Ny FM Vierzon Bourges dia hanao ny fanmpoampivavahana fanaony isaky ny Alahady faharo amin'ny volana ao @ Egl St J Baptiste 2 rue de tramaways de l'Indre, 18100 Vierzon.
Fotoana ampahafantarana ny FM eo @ ireo Fiangonana rahavavy manodidina io fotoana io ary hisy fiaraha-misakafo aorian'ny fotoana koa samia mivatsy ny anjarany avy.
-Alahady 15 Febroary 2015: Alahady fahatelo ka fandinihana soratra Masina no solon'ny Toriteny.