Menu

jeudi 5 mars 2015

Volana Marsa 2015

Alahady 29 Marsa 2015

Fanokafana ny faha 35 taonan'ny Tafo Orléans, ny famaranana moa dia ny 17 Oktobra 2015.


Tonga nitory ny tenin'Andriamanitra t@ izany ny Pst Jean Ravalitera   Filoha Synodaly FPMA, nitarika ny fotoana kosa ny Mpitandrina Mpandrindra ny Tafo Pst Landy Rajoharison ary nifarimbona taminy ny Mpitandrina Mpandrindra ny Faritany FAfAts Pst Emma Randrianandrasana.
Novoasana teo izany ny teny faneva ao @ Efesiana 4:15"fa mba hanaraka ny marina amin'ny fitiavana ka hitombo amin'ny zavatra rehetra ho amin'Izay Loha, dia Kristy"  izay azo mbangoina amin'ny hoe: Fitomboana amin'ny fahamarinana sy fitiavana.
Nanafàna ny fotoana ny Sampana Velona teto @ Tafo: SVK-SA-AMF narahan'ny SZM hatrany.

Niisa 102 ny olona tonga: 82 ny lehibe ary 20 ny ankizy.
Natao ny fizarana mofomamy fahatsiarovana tao aorian'ny fotoam-pivavahana.
Ny vaomieran'ny faha-35 taona no nikarakara ny fandeha rehetra. 
Ity vaomiera ity izany dia misy ny solontena isaky ny sampana:
SVK: Noeline-AMF: Nériah-SZM: Mahefa; miaraka amin'ny Loholona:Bertrand ary ireo ao amin'ny Birao.

Alahady 22 Marsa 2015

Alahadin'ny Sampana Sekoly Alahady eto amin'ny tafo Orléans.
Natomboka t@ folo ora maraina ( 10h) ny fotoana fa mbola nisy ankatoka ho fandinihina ny toe-bola sy ny teti-bola 2014-2015 t@ io fotoana io.
Nisy roapolo mahery ny ankizy tonga ary 60 teo ny lehibe.
Nony nirava moa ny fotoana dia natao ny fiaraha-misakafo any amin'ny resto mahazatra rehefa toy izao.

Fiangonana manaraka:

Alahady 29 Marsa @ 10h30: Andro fanokafana ny fankalazana ny faha 35 taonan'ny FPMA Orléans. 
Alakamisy 02 Aprily @ 19h: Alakamisy masina 




Alahady 15 Marsa 2015

Alahadin'ny SVK Orléans ary  Alahady fahatelo koa dia nisy ny fampianarana nataon'ny Mpitandrina Mpandrindra ny Tafo tamin'izany: Ny andininy rehetra tao @ perikopa no novoasana t@ izany.
Nahafinaritra ny fotoanan'ny SVK fa ny hira fiarahabana sy ny hira fiderana iray no nataondrizareo. 
Na ny sakafo maraina alohan'ny culte  na ny varotra laoka natao taorian'ny culte dia natolotra ampitiavana avokoa koa isaorana sy tehafana ny SVKO.

Vaovaom-piangonana

a)Ny fotoana manaraka dia:
Alahady 22 Marsa 2015 @ 10h: Alahadin'ny Sekoly Alahady eto amin'ny Tafo Orléans ary hitondran'ny Sampana antsika hiara-hisakafo etsy @ D'Hokkaïdo etsy Olivet aorian'ny Culte.
Mbola mahazo mividy ticket any @ Nissya sy Nina izay mbola nahazo takelaka.
Hanomboka @ 10h maraina ny fotoana fa tsy @ folo sy sasany toy ny mahazatra akory fa mbola hisy ankatoka handinihana ny  toe-bola  sy ny teti-bola amin'io andro io.
Alahady 29 Marsa 2015 @ 10h30: Andro entina hankalazana ny faha35 taonan'ny Tafo Orléans io andro io. Ny Pst RAVALITERA Jean, Pasitera Synodaly, no hitondra ny tenin'Andriamanitra amintsika amin'io fotoana io.  
b) Ny vaovao hafa:
-Nivory ny KP FAfAts omaly 14 Marsa ka ny nodinihana tany dia ny fanoamana izay entina any amin'ny Komity Maharitra(KM1)  hatao ny 21 Marsa ho avy izao. 
Ny ankoatra izay dia ny ZaikaBem-paritany hatao any Athis-Mons ny 25-26 Avrily 2015.

Alahady 01 Marsa 2015

Alahady voalohan'ny volana: Misy Fandraisana sy fandoavana ny adidy, ho an'ireo izay tsy manana karatra dia afaka mangataka izany any @ mpitambola
Nisy fivarotana mofo mamy ihany koa nataon'ny Sekoly Alahady mba ho famenoany ny kitapom-bolany. 
Niisa 46 ny lehibe ary 8 ny ankizy tamin'io fotoana io.

Vaovaom-piangonana

Mbola mahazo misoratra anarana farany anio ny SA izay te handeha any @ Zaikabeny.
Efa misokatra  ny vaomieran'ny faha35 taonan'ny Tafo koa manatona Loholona na Diakona raha te handray anjara amin'izany ianao.
Hisy fivorian'ny Birao (tsy ara-potoana) aorian'ny culte anio.
Alahady 15 Marsa- Alahadin'ny SVK Orléans: hisy petit-déjeuner ny maraina ary varotra laoka  rehefa mirava.
Hatao ny  Alahady 22 Marsa ny Alahadin'ny SA izay harahana fiaraha-misakafo any amin'ny Restaurant avy eo.
Amin'io andro io ihany no hatao  ny fandinihana ny Toebola sy ny Tetibola eto amin'ny Tafo.
Alahady 29 Marsa Faha 35 taoanan'ny Tafo, hiaraka hankalaza an' Andriamanitra noho izany vanompotoana izany. Ny hitoriteny amin'io dia i Pst Ravalitera Jean Filoha  Synodaly.