Menu

mardi 10 décembre 2019

Volana Desambra 2019

Fankalazana Noelin'ny Sampana: 22 Desambra 2019

Hatomboka ny tolakandron'ny Alahady faha 22 Desambra @ 16h ny fotoampivavahana dia ho tohizana amin'ny Nolelin'ny Sampana ampiana fiaraha misakafo.
Ho faranana any @ 21h any.

Fanasana Fetin'ny Taranaka csy Fanokafana ny faha40 taona: 29 Desambra 2019


« …Ambeno ny manda,Tazano ny làlana, Hatanjaho ny valahanao, Hetseho mafy ny herinao » 
Nahoma 2.2b

Ry Havana malala ao amin'ny Tompo,

Ampitomboina ao aminareo  mandrakariva anie ny Fahasoavan'i Jesoa  Kristy Tompontsika.
Faly manasa anareo ho tonga hanatrika ny fanopoam-pivavahana lehibe hatao ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra nohon'ny nahatraran'ny fiangonana FPMA Orléans ny faha-efapolo taonany. Fotoana natao ihany koa ho fankalazàna ny fetin'ny taranaka 2019. Manentana ny fahatongavan’ny rehetra izahay, ho voninahitr’Andriamanitra  :

Alahady 29 desambra 2019 manomboka amin’ny 3 ora folak’andro (15h)
Eglise Sainte Jeanne d'Arc, Boulevard Guy-Marie-Riobé, Orléans 45000

Hisy fotoana manokana hanoloran’ny taranaka izay irian’ny fony ho entina mampandroso ny fanjakan’Andriamanitra. Ho faranana amin’ny fiaraha-misakafo ny fotoana.


Manonona ny Fiadanan'ny Tompo Tompo ho aminareo rehetra.

Amin’ny anaran’ny Fiangonana FPMA Orléans.


Nissya RANDRIAMANANTENA     Liva FOCARD                 Joseph RAKOTOARIMANANA
Filoha FPMA Orléans                      Filoha KJ40                   Mpitandrina FPMA Orléans