Menu
lundi 12 novembre 2012
Tato ho ato
-Ho hitanareo atsy @ Kalandrie (Kalandary) atsy ambadika ny Daty FPMA sy Sampana Nasionaly ary ny FAfAts mandritry ny Taona 2013 ka azo zahana hanaovana ny Datin'ireo Sampana eto @ FPMAOrléans izany.
-Raha toy izao izany dia any Jambville indray amin'ity ny Zaikabemparitany FAfAts 13 sy 14 Avril ary 37,50€ sy 45€ ny sarandasy..
-Efa voaely koa fa ny 15 Jona 2013 ny andro fanaterambokatra eto Orléans etsy @ Salle Cigogne Olivet
-Fivoahan'ny dikanteny frantsay ny Anjara Soa (Anjara Soa 2: Azo antoka i Kristy).
Ny AnjaraSoa3 hivoaka @ faha 20n'ny volana.
-Efa nivoaka koa ny Solution du Jeu n°2
-Azonao jerena atsy @ Facebook FPMAOrléans ireo sary t@ 28 Oktobra lasa teo.
-Fianarankiran'ny chorale: répétition chorale
mardi 6 novembre 2012
Birao Foibe 2013-2014
Parution de la traduction du dernier Anjara Soa (Anjara Soa 2: Azo antoka i Kristy)
Parution de la Solution du Jeu n°2
Azonao jerena atsy @ acebook FPMAOrléans ireo sary t@ 28 Oktobra lasa teo.
Fianarankiran'ny chorale: répétition chorale
Fifidianana tany @ Synoda 34 : AVIGNON 02-03-04 Nov 2012
-Ireto avy no lany ho Birao Foibe izay hitondra antsika mandritra ny
taona 2013 sy 2014:
.Président Synodal: Pasitera Jean Ravalitera
.Vice Président mpitandrina: Pasitera Falimanana Raharindranto
.Vice Président laika: Roland Ratiarison
.Tonia: Rado Ramarotafika
.Mpitahiry vola Ranaivoson Heriarijaona
.Mpitantambola: Randriambololona Hery Laurent
.Mpitandrina mpanolotsaina: Pasitera Rasolondraibe Seth
.Mpanamarimbola:
-Rabehasy Andry
-Rakotomalala Hertz
mercredi 31 octobre 2012
Vaovao Novambra
Fianarankiran'ny chorale: répétition chorale
Hafatra : Rojombavaka Synoda 34
"Ho fanomanana ny Synoda Lehibe faha-34 izay atao any Avignon amin'ny faha2,3,4/11/12 izao dia manolotra izao Rojom-bavaka izao izahay eto amin'ny FaritanyAtsimo Atsinana izay mikarakara ny fandraisana ny Synoda.
Ny vahoaka FPMA manontolo no antsoina handray anjara amin'izany andraikitramasina izany indrindra ireo izay tsy manatrika ny fivoriana any an-toerana koa aoka tsyhisalasala hanoratra anarana ao. Dimy minitra isan'olona hanokanana vavaka ho an'nySynoda lehibe faha-34 ary hanomboka ny alahady 28/10/12 ka hifarana amin'ny alahady 04/11/12 amin'ny 12ora alina.
Indro ny rohy ahafahana misoratra anarana mivantana amin'izany:
VAVAKA HO AN’NY SYNODA
Mirary ny fiadanan'ny Tompo,"
"Ny fiasan'ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra" (Jakoba 5:16e)
RABEZANAHARY Andry, Vaomieran'ny Vavaka sy Fotoam-pivavahana manomanany Synoda.
RAJAOFETRA Serge, Mpandrindra ny fanomanana ny Synoda
RAKOTOMALALA Bakoly, Filohan'ny Faritany ATS ATS
RANDRIANANDRASANA Jeannot, mpitandrina Aumônier du Synode
jeudi 11 octobre 2012
Cultes 4ème Trimestre
Tadidio
Fiangonana ERF St Pierre Empont @ 15 h1/2: * Alahady voalohany sy Alahady fahatelo
Chapelle St François St de Braye @ 11h : * Alahady fahefatra
Fotoampivavahana (Okt- Nov- Des)
Alahady 07 Oktobra Fananterana valopimbokatra (Dingana II) ao @ ERF.
Tarihan'ny Mpitandrina Zaranaina ANDRIALAMPISON.
Hisy fandraisana ny Fanasan'ny Tompo.
Alahady 14 Okobra : Hetsika RPO (Rassemblement des Protestants Orléanais)
@ 10h30 maraina ao @ Salle des fêtes Saint Jean de la Ruelle.
Anjaran'ny FPMA O no mampandray amin'io. Hisy olona 500 na 600 no ho ao.
Alahady 21 Okobra: Fiangonana ao @ ERF @ 3 sy 1/2 o.h
Alahady 28 Okobra : Etsy Chapelle St François -St Jean de Braye @ 11o.m.
Alahady 04-11 Novambra tsy misy Fiangonana (Synoda lehibe)+ Alahady faharoa
Alahady 18 Novambra Fiangonana ao @ ERF @ 3 sy 1/2 o.h
Alahady 25 Novambra Etsy Chapelle St François -St Jean de Braye @ 11o.m
Alahady faha 02 Desambra:
Hetsika ho hifampitsofandrano @ Mpitandrina Ramarokoto ANDRIANASOLO.
Alahady 23 Desambra:
Alahadin'ny Sampana FPMA Orléans Miray
dimanche 2 septembre 2012
Tafo Orléans
Ry havana malala eo amin'ny Tompo
Faly miarahaba ny rehetra izay mitsidika an'ity eto @ tranonkala ity indray izahay eto amin'ny FPMA Orléans.
Ny teny sy ny hafatra avy @ Soratra Masina no ezahana aroso sy asongadina eto amin'ity fampielezana ity dia manaraka ny fampahalalàna ny vaovao sy ny hetsika eto amin'ny Tafo.
Izany rehetra izany dia fantatsika fa hahankina amin'ilay Avo hatrany ny fanantontosana azy.
Hitanao ato anatin'ity :
-"Fanoroana" ity fitsenana na fidirana ity.
-"Vaovao sy hetsika "Vaovao isankarazany miampy ny Fotoam-pivavahana mikasika ny Tafo Orléans ary ny hetsika @ Faritany ato ho ato
-"Fanolorana" teny fohy atolotry ny Mpiandraikitra eto amin'ny Tafo
-"Edito" Antso hivoaka isaky ny faha 5-n'ny volana @ teny Frantsay
-"Anjara soa" kosa dia toriteny hivoaka isaky ny faha 20-n'ny volana.
-"Fampianarana" Fampahalalàna ny antony isankarazany eto @ Fiangonana.
-"Momban'ny FPMA sy ny Tafo"
Tafo ORLEANS:-"Diakona"ary ny Vaomieran'ny Tafo, ato koa no misy anaran'ny Biraon'ny faritanintsika (FAfAts: Région Centre Est)
-"Toerana sy Fotoana" manome ny faritra handehanana any @ toerana hiarahana.
-"Tantaran'ny Tafo" Orléans 1980-2010
-"Sampana": milaza ny hetsika na ny fivoriana isankarazany ataon'ny sampana tsirairay eto @ Tafo..
FPMA -"Tafo FPMA" manome ny adiresin'ny Tafo FPMA 39. Ny an'i FAfAts dia misy ny rohy hahazoana ny site-n'ny Tafo voalaza
-"Perikopa": hahitanao ny Perikopan'ny andro(misy rohy) sy ny mandavantaona
-"Serasera" azo andefasana mail na hafa ho an'ny Tafo,na izay tianao ho fantatra momban'ny Fiangonana eto antoerana sy ny Sampana Nasionaly na Faritany raha misy.
-"Chapelle"
- "Asa":Hahitana ny fizotry ny asa ao @ Trano Fiangonantsika na ny efa vita na ny mbola miandry.
-"Entimanana": Rafitra nisy ny fitantantanana sy fandraisan'anjara ny Mpiangona.
Etsy amin'ankavanana kosa no hahitanao :
-"Calendriers"*: Hahitana ny Daty hiangonana na ny eto amin'ny Tafo na fivoriana eto @ FAfAts. misy ny rohy ICI hazoana ireo hetsika samihafa ihany koa.
-"Bible en 3 langues".
-"Ecouter Radio Vatsy" an'ny FPMA
-"Péricope du Jour" hahafahanao mamaky ny SM atsy @ site-n'ny FPF
-"La Bible en 1an" izay miantso anao hamaky Boky sy Toko 3 na 4isan'andro ka mitaona anao ny hahavita azy herintaona.
-"Verset Biblique du Jour"
-"Jeux Bibliques" izay ankamantatra miantso anao ihany koa hamaky Baiboly ka hahazoanao valiny afaka 10 andro.Nifarana t@ volana Jona ny fivoahany.
--------------------°°°------------------
Tadidio
Fiangonana-Chapelle St Marc 131 rue du Petit Pont- Alahady voalohany sy Alahady fahatelo ary fahefatra.
Any Vierzon na Bourges kosa ny Alahady fahadimy rehefa misy ao @ ilay volana diavina.
(jereo ny fanitsiana etsy ambony)
*:Azonao jerena etsy amin'ny Kalandrie(na Kalandary)** ihany koa ny Fiangonana raha misy fiovana.
Ny Fivoriana hafa kosa (an'ny Sampana sy Hetsika hafa) tsindrio ilay ICI na aty rohy eo ambanin'ny Kalandrie**
**: Filazana azo antoka (Garanti) herinandro mialohan'ny fotoana(raha nasionaly sy Tafo) arakaraky ny fahamehana hafa.
Tsindrio na klikeo ny Daty tianao eo amin'ny Kalendrie fa hitanao ao ny ora sy ny toerana hanaovana azy.
Hetsika na rohy any @ Birao Foibe FPMA
Hetsika FAfAts
Hetsika FM FAHAZAVANA
Tsetsatsetsa: Ny toetrandro any DAGO
Ny Daty fiangonantsika amin'ity Taona 2012 ity, dia azonareo jerena miandalana etsy amin'ny Agenda na ny Planning Fiangonana etsy amin'ny ankavanana.
Itony ny santionan'ny sary azontsika apetraka raha eken'ny tsirairay. ary misy betsaka ao @ Facebook FPMA Orléans.