Menu

Affichage des articles dont le libellé est Actu. Afficher tous les articles
Affichage des articles dont le libellé est Actu. Afficher tous les articles

lundi 7 octobre 2013

Vaovao Oktobra

Volana Oktobra
Fanoroana làlana mankany @ Chapelle: tsindrio eto
Momba ny Asa ao @ Chapelle: tsindrio eto

Alahady 27 Oktobra 2013
Niroso tsara ny fotoana t@ Alahady teo, ny teny nahazoana fampianarana moa dia ny tao @ Lioka 18-9: "Ny fanoharana tamin'ny sasany izay matoky tena ho marina"
Alahady fahefatra moa io dia nisy ny fianarana SA ny hariva ary natao tamin'ny hariva koa ny fivorian'ny STK voalohany. Tao ihany rizareo dia nahatsangana ny Biraony izay ho lazaina amintsika eto rehefa avy atolotra eo @ Vahoaka an'Andriamanitra. Hita izany fa manampy hatrany  ny asan'ny Fanahy Masina.
Nisy olona 50  teo ihany no tao. Nisy koa fandraisana tanora vao tonga iray.
Ny asa ao @ Chapelle dia efa mitsangana kely ihany ny Lakozia nisakafoanan'ny SA tao.

Ny fotoana manaraka:
Asabotsy 02 sy Alahady 03 Novambra 2013: Zaikabe Nasionaly any Masseube.
Hiainga maraina be @ 4h sy 5h ny mpizaika ka efa vita ny fizarana @ fiara: aza adino ny ondana sy ny firakotra ary ny T-Shirt maitso an'ny FAfAts.Hisy olona 18 ny FPMAO ny ho any.
Asabotsy 16 Novambra 14h30: Fihofanan'ny Diakona sy Fivorian'ny Komity.
Alahady 17 Novambra 10h30: Alahady  fahatelo, Alahady hisy fampianarana.



Alahady 20 Oktobra 2013
Nisy 50 mahery no tonga nanatrika ny fampianarana nalaina avy @ Lioka 18:1-8:"Fanoharana ny @ ilay mpitondratena nahery nangataka"
Natolotra  tamin'io ihany koa  ny Diakona 12 voafidy tamin'ny heriny ary nanaovana tsangantànana teo koa ny fifidianana an'Atoa Focard James ho Loholona eto amin'ny Fiangonana.
Ny Birao moa dia ho fantantsika miandàlana eto ihany.
Teo @ vaovaom-piangonana moa dia ny fanomanana ny 23Nov sy ny 01 Desambra no tena ventindresaka.Voatanisa tao kosa anefa ny Fiofanan'ny Diakona  sy ny Xmas miaraka amin'ny EPUF ny 15 Desambra @ 17h ary koa ny Xmas Sampana hatao ny 22 Desambra tontolon'ny andro.
Asabotsy 23 Nov- 3 o.h ao amin'ny Salle Soulas: hetsika ho fanampiana amin'ny Trano Fiangonana.
Alahady 1er Desmbra: Culte Fiderana amin'ny nahazoana ny Trano Fiangonana. Hanasàna ny Tafo rahavavy vazaha eto antoerana sy ny Tafo Malagasy  eto @ FAfAts ary ireo Pst nitandrina teto amintsika.

 Ny Fiangonana manaraka dia ny Alahady 27 Oktobra @10h30



Alahady 06 Oktobra 2013:
Vita soamantsara Fananterambokatra sy ny Fifidianana Diakona t@ Alahady faha 06 Oktobra ka isaorana ny Avo nahazo ireo izay tonga ka naharitra hatramin'ny farany.
Atsy @  FaceBook-n'ny FPMAO  no hahitanao ny sary sy ny valin'ny Fifidianana  t@ izany.
Ho hitantsika ato @ site amin'ny manaraka ny Diakona voafidy.
Nisy olona 80 mahery teo no tonga.

Ny Fiangonana manaraka dia ny Alahady 20 Oktobra: Hisy Fampianarana Soratra Masina amin'io.
Io andro io ihany koa no hanolorana ireo Diakona voafidy t@ 06 Oktobra.

lundi 26 août 2013

Volana Aogositra - Septambra

zany.Volana Aogositra- Septambra

 Fanoroana làlana : tsindrio eto.

Fampatsiahivana: 

-Alahady 06 Oktobra : VOKATRA (Valopy) dingana II
Fifidianana Diakona eto @ FPMA Orléans. Hangatahana ireo hilatsaka ho fidiana mba hilaza mialoha any @ Mpitandrina na Filoha na Birao.

-Asabotsy 05 Oktobra 2013: Vokatra Tafo Fihobiana: Manasa antsika hanatrika izany fetim-piangonan'ny Tafo rahavavy izany. Ny sandan'ny Billet roa no raisin'ny Tafo Orléans @ izany.


-ZKB Nasionaly - Masseube (32 Le Gers) ny 1-2-3  Novambra  (tsindrio eto ny rohy):
 Ny fisoratana anarana dia azonao atao any @ Filohan'ny Tafo hatramin'ny 06 Oktobra raha tara. Tsy misy inscription individuelle.
-Aza adino ny fisoratana anarana any @ PEF Protestants en Fête ho @ 27-28-29 Septambra
- Asa Trano Fiangonana: jereo ny rohy

Ny Fotoana manaraka dia ny Alahady 06 Oktobra ao @ Chapelle @10 h30, hisy
                            -Fananteram-bokatra (valopy) dingana II
                            -Fampianarana KT sy Post- KT hanomboka @ 9h15
                            -Fandraisana Fanasan'ny Tompo
                            -Fifidianana Diakona
                   
ny alohan'io (29 Septambra) dia any @ Preotestants en Fête (Jereo etsy ambony)


Alahady 22 Septembre  : Nisy ankatoka na fanomanampanahy.
Fanomanana ny vokatra dingana II.Nolazaina tao ny momban'ny fifidianana, Zaikabe Nasionaly .
Alahady fahefatra ka ny hariva no fianarana Sekoly Alahady ho an'ny ankizy.
Nisy olona 60 ny Mpiangona tao.
Alahady 15 Septambra:Nanomboka  io Alahady io ny fampianarana ny KT sy ny Post-KT t@ 9h30 ary kasaina hatao isaky ny misy fotoampivavahana.
Novoriana ny raiamandrenin'ny ao @ SA taorian'ny Fiangonana .Niisa 60 mahery ny Mpiangona tao.
 Ny havantsika Claude Raharijaona dia namoy ny zokiny  Henri Raharijaona  Ambassadeur Malagasy teto Frantsa teo aloha, ho lazaina eto ihany ny hamangiana ny fianakaviana.

Alahady 01 Septambra: Hazontsika henoina ao @ Radio Vatsy ny fotoampivavahana tamin'io.
Nisy olona 60 mahery no nanatrika ny fametrahana ny Pst Landy Rajoharison Andrianavelasoa teto @ Tafo Orléans, ny sakafom-panahy t@ izany dia ny Pst Emma Andrianandrasana no nanantontosa azy.

Alahady 25 Aogositra: Nisy 40 mahery  ny  nanatrika ny Fotoampivavahana  teo.
Fotoana notarihan'ny Pst Landy Andrianavelasoa izay voatendry hitandrina ny Tafo FPMAOrléans mandritra ny roa taona: mirary ny soa rehetra ho azy sy ny ankohonany eo @ Asa fanompoana.
  Tamin'ny raharaha kosa dia namerina ny fiantsoana @:
     - fisoratana anarana (individuel) @ Protestantes en Fête hatao ny 27-28-29 Septambra any Paris-Bercy ny FPMA Orléans. Ity mbola ny  rohy amin'izany. Hazoanao hanararaotana ny fistidihana ny kianja Bercy koa io fotoana  io.
 
  -asa fanadiovana ny Trano Fiangonana (Chapelle) aloha sy aorian'ny Culte Alahady, ka antsoina izay afaka hanome tànana ireo Sampana tompon'anjara amin'izany.
  -Famangiana ny Fianakavian'i Rakotomanga Harilala namoy ny rainy.

Ny fotoana  manaraka dia ny  Alahady 01 Septambra ho avy  izao: Hisy Fandraisana FT, Fizarana ny valopy adidy. Jereo ny Kalandary etsy @ ankavanana

mardi 11 juin 2013

Volana Jona


Tsidiho matetika ny FaceBook-n'ny FPMA Orléans hahitanao sary sy zavatra hafa.

Alahady 07  Jolay @ 10h30: Alahady famaranana ny Taompianarana 2012-2013 ao @ Chapelle St Marc. Hisy Fandraisana toa ny alahady voalohany amin'io.

Alahady 30 Jona  @ 10h : Fanompoam-pivavahana  any Montagis @ity Alahady fahadimy ity.
Ny adiresy any  Montargis :EPUF (ERF taloha) 7 Villa Bellevue, Montargis

Chapelle :Efa vita izao ny rindrina ao @ trano fidiovana ka manetsika ireo afaka manao ny carrelages

Alahady 23 Jona atoandro 12h30 Barbecue etsy Marcilly en Villette  Avy ao @ RPO dia hisy fiarahana  fitonoana   ataontsika FPMAO.

Alahady 23 Jona @ 10h30: Culte RPO(Réunions des Protestants Orléanais )-  ao @ Salle des Fêtes  St Jean de la Ruelle, fiaraha mivavaka fanaontsika isan-taona miaraka amin'ireo Fiangonana rahavavy eto Orléans.

Vita soa amantsara ny fananterambokatra teto Orléans t@ Asabotsy teo ka isaorana ireo tonga nanonotrona sy nikarakara na ny avy lavitra na ny eto antoerana.
Nafinaritra ny fiarahana ka isaoran an' Andriamanitra hatrany.

Isaorana ireo solontenantsika tany @ sampana SZM t@ Asabotsy 8 Jona lasa teo.

Vokatra Orléans : 15 Jona @ 3,5o.h.(15h30) ao @ Salle Cigogne Olivet: Vakio ny Flyer hahitanao ny réservation sy ny adiresy.


Paf 25€ Adulte & 12€ Etudiants et Enfant

Fihaonana SZM Nasionaly: 08 Jona 2013 @ 9h any Le Rocheton 77000. Efa tonga daholo izao ny commande-n'ny Tiona Solfège ka azo alefa ny Chèques.
Vokatra Melun : 01 Jona ao @ Le Rocheton 77000

Fiangonana manaraka Alahady 02 Jona @ 10h30 ao @ Chapelle St Marc: Alahady voalohan'ny volana hisy fandraisana sy fanefàna ny adidy.
Fisoratana anarana amin'ny Fandraisana anjara @ vokatra 15 Jona.

samedi 4 mai 2013

Volana Mey

Fampatsiahivana (Rappel)

Lasimpiangonana: 29 -30 Jona 2013 etsy la Brossette ny Asabotsy hariva sy fampianarana ny Alahady @ 9o.m-10o.m  ary ny fanompoampivavahana sy sakafo any Montagis ny Alahady @ 11o.m.  20€ ny Paf @ izany lasy izany 10€ raha tsy matory.
Vokatra Orléans : 15 Jona @ 3,5o.h.(15h30) ao @ Salle Cigogne Olivet


Paf 25€ Adulte & 12€ Etudiants et Enfant

Fihaonana SZM Nasionaly: 08 Jona 2013 @ 9h any Le Rocheton 77000. Efa tonga daholo izao ny commande-n'ny Tiona Solfège ka azo alefa ny Chèques.
Vokatra Melun : 01 Jona ao @ Le Rocheton 77000

Fiangonana manaraka Alahady 02 Jona @ 10h30 ao @ Chapelle St Marc: Alahady voalohan'ny volana hisy fandraisana sy fanefàna ny adidy.
Fisoratana anarana amin'ny Fandraisana anjara @ vokatra 15 Jona.

Alahady 26 Mey tao @ Chapelle St Marc: Alahadin'ny Sampana AMF Orléans, nisy mpikambana AMF avy @ Tafo samihafa eto @ FAfAts no tonga nanatrika izany ka niarahana nanao ny toriteny an-kira.

Asabotsy 25 Mey tao @ Salle Soulas: Takarivan'ny AMF eto Orléans. Nisy Antsampanahy sy korana natao tao @ Salle Soulas.

Zoma 24 Mey: nahazo ny mailaka fampandrenesana momba izany ny Komitin'ny Tafo.

Atalata 21 Mey: Nametraka ny fialàny, tsy hiandry ny ondry eto Orléans, any @ Birao Foibe sy ny FMM (Fiaraha Miasan'ny Mpitandrina) ny Mpandrindra teto amin'ny Tafo Orléans.
Jesoa Kristy irery tokoa no lohan'ny Fiangonana sy azo hiankinana.

Fiangonana manaraka Alahady 26 Mey @ 10h30 ao @ Chapelle St Marc: Alahadin'ny Sampana AMF.

Alahady 19 Mey: Ny Fiangonana manararaka dia ny andro Pentekosta ao @
Fiangonana Adventiste 5 rue du 19  Mars 1962 45800 St Jean de Braye,
 hisy fandraisana ny 12 mianadahy amin'izany miaraka amin'ny Batisa 7.
Nisy olona 230 no tonga tao tamin'io.

Hafatra Pastoraly : Pentekosta

Asabotsy 18 Mey : Fivorian'ny Komity miraka @ fandalovan'ny BF eto maintsika.

Alatsinainy 13 Mey: no lasa ilay meuble be tao ampiangonana.

Alahady 05 Mey :Araky ny voalaza dia ny volana Mey isika no hanao Fotoampivavahana voalohany ao @ Chapelle St Marc FPMAOrléans.
Ny votoatin'ny teny tamin'izany dia ny hoe: "Aza ny fomba aman-panao no andrasanao vao hidera an'i Kristy ianao"
Nisy olona 94 teo no tonga tao ka lehibe:77 ary ankizy:17. 

Nanomboka teo izany dia ato @ ity Chapelle ity daholo no hanaovana ny fivoriana rehetra ataon'ny FPMA Orléans.
Izany dia natomboky ny Komity t@ Zoma 03 Mey teo ary narahan'ny AMF ny Asabotsy 04 Mey.

T@ 1er Mey teo izany no nilofosan'ny rehetra (nisy olona 24 no tonga nifanjevo tao) nanao ny fanadiovana rindrina ary dia "tonga tokoa dia nazava"....

jeudi 4 avril 2013

Volana Aprily ;ny fiangonana " vaovao"

 Jereo ny rohy  Chapelle(Asa) na ny rohy Chapelle (entimanana)
Sary hafa

Alahady 05 Mey @ 10h45: Hiriana ny hiangonana sy handraisana ny  Fanasan'ny Tompo voalohany any @ Chapelle St Marc. 

28 Aprily @ 10h45 (maraina):Fiangonana manaraka ao @ Chapelle St François etsy St Jean de Braye.
27 Aprily @ 15h30 : Thé-concert hataon'ireo zanantsika ao @ Salle Soulas.

Alarobia 23 Aprily @ 20h30  ho avy izao no hatao ao @ Chapelle St Marc en Conf Téléphonique ny fampianarana SAP

21 Aprily: Tonga teto ny PS nisolo ny Pst Mpandrindra ary nanao ny fotoampivavahana tao @ ERF.

20 Aprily: Vita soa amantsara ny porte ouverte natao tao @ Chapelle, nisy olona sahabo ho 50 teo no tao niaraka t@ ireo mpanakanto eto antoerana.

19 Aprily: Aza adino ny Portes ouvertes  anasana anao @ 20 Aprily aorian'ny @ 5o.h. mba hahitanao ny toerana ka hanoloranao ny famporisihana rehetra na arabola na arabatana na aratsaina.

18 Aprily -20 Aprily :Isaky ny tolakandro @ 3 1/2 o.h dia misy olona ao amin'ny Chapelle

17 Aprily: Voadion'ny SVK ny rindrina ary voalahatra ny dabilio amin'ny ilany. Efa voaala avokoa ny rideaux.
13 Aprily: Voatambatra sy mijoro daholo ny Dabilio 21 ao @ Chapelle. 
08 Aprily :Efa tonga ao izao ny Dabilio 5_places sy 7_Places ka 9 ............... tohiny

04 Aprily:Sarin'ilay Chapelle avy ao anatiny.

Alohan'ny travaux. (sary anankiefatra)
Fandrosoan'ny asa :
2013-03-30
2013-04-01

01 Aprily :-Hitanao atsy amin'ity rohy ity kosa ny Planning sy izay azonao hirotsahana.

-Vous verrez dans ce lien le Planning des travaux(en malgache) qui n'attend que vous selon  votre convenance.

mercredi 6 mars 2013

Vaovao volana Marsa

-Navoaka ho vakianao ny Ran'i Kristy izay mety amin'izao andro Paska izao.

-Isaky ny hariva  sy ny WE tontolo ka hanomboka @ Zoma 15 Marsa hariva ho avy izao @ 17h  dia:                         - Miandry anao hifanampy @ asa etsy @ Chapelle Barrière St Marc 131 ter Rue du Petit Pont 45000 Orléans. Antsoy mialoha ireo mpiandraikitra ao @Birao.



-En fin d'après midi et tous les WE à partir de Vendredi 15 Mars à 17h on demande "des" coups de main et de....  de tous pour les travaux sur notre "Nouveau local". Appeler les Birao avant.



-Antsoina ireo izay te hamonjy ny Zaikabem-paritany any Jambville ny 13-14 Aprily 2013  hisoratra anarana alohan'ny Asabotsy 16 Marsa (dernier délai) ho avy izao any @ Biraon'ny Tafo: James na Liva na Vola na ny hafa koa.


-Planning de la journée du Dimanche 17 Mars pour Bourges 7 rue de la Chaume 18000 Asnières les Bourges

 9h30 : RDV et Départ du CC 2002 à La Source
11h07 : Préparations de la salle
12h : Déjeuner + Animations (chants de nos "Mpanakanto")
Participation libre pour le repas ("izay sitrakao omena")
14h-15h : Cours de KT + animations libres pour le reste des participants
15h-16h30 : Culte -rakitra indroa ho fanangonana amin'ny Trano Fiangonana: Chapelle Brr
18h : Retour au CC 2002 pour récupérer les voitures.

-Nivoaka hitanao ato  ny Edito 6


-Raha tapaka farany teo fa handray ny Trano Fiangonana (Chapelle Barrière St Marc) isika ,ka isaorana hatrany ny Avo izany, dia tsiahivina ny asa miandry amin'izany,
Ka ireto aloha ny voalohany:
-Electricité: installation et mise aux normes
-Fanadiovana ny trano: Fanariana ny tsy ilaina any @ Déchetterie, mila fiara misy remorque io.
-Famenoana ny Fitaovana : Dabilio, Seza sy ny Kojakojany izay ilàna fitaterana ihany koa.

Koa angatahana izay afaka manome  hery, fotoana, fahalalàna  ary fitaovana ho amin'izany mba hiteny amin'ireo mpiandraikitra, na Birao na Komity izay hitanao. Fa soroka miara-milanja no atao.

Ireto manaraka anefa dia azo atao dieny izao ihany koa:
-Fampidirana rano
fa -Fananganana ny Toilettes.

-Fiangonana manaraka 17 Marsa, any Bourges 7 rue de la Chaume 18000 Asnières les Bourge koa asaina isika hifanao fotoana etsy @ CC 2002 @ 9h30 ka mba hamonjy ny @ 12h00 any. Ny sakafo amin'izany dia fandraisana anjara na rakitra no atao fa tsy misy fixe akory(libre participation).
Ny Cathé no hanomboka @ 2ora ary ny Fiangonana @ 3 ora hariva.

-Tsy notapahana t@ Fivoriana 24 Feb fa hatao @ 03 Marsa ny handraisana na tsia ny Chapelle Barrière St Marc. Lany tao fa ireo tsy afaka ho tonga ny 03 Marsa, hanome ny safidiny, dia afaka manao izany par internet.

-Nivoaka ny Anjarasoa 6

-Hitanao io izao fa nivoaka ny rubrique vaovao  ao "Fampianarana/Enseignements".

lundi 11 février 2013

Hafatra Febroary

-Nivoaka hitanao ato  ny Edito 6

-Tsy notapahana t@ Fivoriana 24 Feb fa hatao @ 03 Marsa ny handraisana na tsia ny Chapelle Barrière St Marc. Lany tao fa ireo tsy afaka ho tonga ny 03 Marsa, hanome ny safidiny, dia afaka manao izany par internet.

-Nivoaka ny Anjarasoa 6

-Hitanao io izao fa nivoaka ny rubrique vaovao  ao "Fampianarana/Enseignements"

- Alahady 17 Febroary 2013: Hanomboka @ 3o.h na 15 h ny culte fa tsy @15h30 toa ny mahazatra akory. Alohan'izay dia hifamotoana ery @ Chapelle Petit Pont isika @ 2o.h sy 1/4 hitsidika sy andinika izay hentintsika @ fivorian'ny Mpandray (MFT) avy eo.

-Aza adino ny vary amin'anana karakarain'ny SVK @ alahady 17 Febroary io ihany.

-Nivoaka azonao jerena ato kosa ny Edito 5

-Nanomboka t@ Alahady 03 Febroary ny fianarana Katekomena izay nirosoan'ireo Kate 12 mianadahy-mianaka. Amin'ny Alahady 17 Janoary @14h15 ny fianarana manaraka.

-Azonao  jerena eto ny Pejin'ny AMFO

-Nivoaka ny Anjarasoa 5  araky ny efa voalaza, toy izany ihany koa ny Solution jeu4.

Hafatra ho anao: 

mercredi 2 janvier 2013

Miarahaba 2013




-Azonao  jerena eto ny Pejin'ny AMFO

-Filazana manjo: Amin'alahelo nefa hombam-pinoana @ fitsanganana @ maty no hilazana amintsika fa ny mpiara-miangona amintsika Rinah Ramamonjy dia namoy ny rainy t@ alakamisy teo. Ny Fiangonana dia hamangy azy rehefa tafaverina izy. Mivavaka ho an'ny fianakaviana ny FPMAO.

-Azonao jerena ny Perikopa "Janvier sy Fevrier 2013" fa ny sisa alefa tsikelikely isambolana eo ihany.

-Nivoaka ny Anjarasoa 5  araky ny efa voalaza, toy izany ihany koa ny Solution jeu4.

-Ity fivoriana farany ity (Komity)dia nafindra ny Alahady 27 Janoary 2013 ao @ Chapelle St François aorian'ny sakafo antoandro(samy mitondra ny azy dia avy eo zaraina).




-Fivorian'ny Komity ny Asabotsy 19 Janoary 2013 @ 16 h30(4o.h.) ao @ salle Soulas

- Hisy Culte Oecuminique hiraisan'ny Kristiana eto Orléans  ny Alah 20 Janoary. (Jereo ny Kalandary)

-Nivoaka ao @ pejin'ny Fanolorana(Intro) ny nataon'ireo Mpiandraikitra eto amintsika.

-Tapaka fa hisy Etude Biblique isaky ny Asabotsy voalohany, mialoha ny Alahady fandraisana, manomboka @ 17h ka hatr@ 18h15 (5o.h- 6 1/4o.h) manomboka ny Asab 02 Febroary izao ao @ Salle Soulas na S.Blanchard. Lohateny: Fiangonana Velona.

-Ny Fotoampivavahana hiarahan'ny FAfAts dia ny Asabotsy 12 Janoary @15h30
ERF Pentemont 106 rue de Grenelle 75007. Metro Solférino Ligne 12. Ka aoka hilaza izay te handeha hanamboarana ny fitanterana.

-Hisy Fiangonana FFKM (Firaisampinoana Malagasy) ny 20 Janoary @ 15h ao  @ Eglise N.D. des Champs 91 Bd du Montparnasse Paris 6è. Métro Vavin na ND. des Champs.
Ka aoka hilaza izay te handeha hanamboarana ny fitanterana.

-Efa mivoaka ao koa ny Edito4 nataon'ny Birao

-Torak'izay ihany koa ny Jeu 4

-Ny hira AMF_O hatao dia azonao jerena @ io rohy io.

-Ny Fiangonana manaraka dia ny Alahady 06 Janoary 2013: Alahady voalohan'ny Taona  sady Alahadin'ny Mpitandrina ary  koa  hanolorana solombodiakoho ireo zoky ray amandreny eto antoerana. Ao @ ERF @ 15h30 tsy diso.

-Amin'io Alahady io ihany koa no hanaovana  vary amin'anana hataon'ny Sekoly Alahady.

jeudi 27 décembre 2012

Vaovao 26 Desambra

-Azonao jerena ny Perikopa "Janvier 2013" fa ny sisa alefa tsikelikely isambolana eo ihany.

-Miarahaba ny tsirarairay amin'izao faran'ny Taona 2012 izao ary samy ho hahatratra soa amantsara ny Taona vaovao 2013 daholo isika.

-Ny Fiangonana manaraka dia ny Alahady 06 Janoary 2013: Alahady voalohan'ny Taona  sady Alahadin'ny Mpitandrina ary  koa  hanolorana solombodiakoho ireo zoky ray amandreny eto antoerana. Ao @ ERF @ 15h30 tsy diso.

-Nivoaka ny Anjara Soa faha 4 ka hisaorana ny Mpitandrina lalandava.

-Mirary ny rehetra ho nanao Fety sambatra tokoa tamin'ny Krismasy teo: ny antsika FPMA_O dia ninoana fa nahazo hafatra entina handinika ny ho avy, ary mbola nampian'y SVK mofo mamy ihany ho an'ny vatana.

--Tsy adino ny toriteny ho @ Sampana SVK t@ 29 Sept 2012

-Fampatsiahivana:  Kalandrie (Kalandary) atsy ambadika ny Daty FPMA ankoatry ny Fiangonana  isan'Alahady: Alahadin'ny Sampana na hafa koa.

-Aza adino koa ny mitsidika ny FB-Orléans

mercredi 19 décembre 2012

Vaovao 19 Desambra

-Fampatsiahivana:  Kalandrie (Kalandary) atsy ambadika ny Daty FPMA ankoatry ny Fiangonana  isan'Alahady: Alahadin'ny Sampana na hafa koa.

-Aza adino koa ny mitsidika ny FB-Orléans

-ho an'ny Alahady 23 Desambra : HASAINA IREO TANORA ETUDIANT REHETRA INDRINDRA IREO LAVITRA RAY  AMAN-DRENY SY FIANAKAVIANA- TSY HITONDRA SAKAFO FA NY SVKO NO  HANOLOTRA SAKAFO HO AZY IREO + DESSERT. Ny fisoratana Anarana amin'izany dia:  [email protected], na mivantana any @ FB-O, [email protected]. 


-Efa nivoaka ny toriteny ho @ Sampana SVK t@ 29 Sept 2012

- Ny fihaonana manaraka dia ny Alakamisy 20 Desambra @ 20h 30 etsy @ Centre Oecuménique La Source

-Vita soa amantsara ny Concert 15 Desambra lasa teo ka isaorana ny Avo nanome hery sy fahasoavana  ho an'ny rehetra.  Sary tamin'izany.  sy ito koa

mercredi 12 décembre 2012

Vaovao




-Ny fiangonana 16 Desambra dia naroso @ 16h  hiaraka @ ERF sy CGB dia mba samy mitondra tsakitsaky(gasy)  isika hiarahana zaraina.

- Concert de Noël-

Asabotsy 15 Desambra 2012 

hataon'ny AMF O   Amboara Orléans @ 17 ora na @ 5ora hariva.

Chapelle St François - 121 Av de la Paix 45300 Saint Jean de Braye .


-Famerenankiran'ny AMFO Alakamisy-Zoma sy Asabotsy.


-Sortie de la Réponse du Jeu n°3

-Efa nivoaka ny Edito3 ka azonareo klikena eo @ io rohy io.


-Rohy Sary2  Fiarahana t@ Pst Andrianasolo mivady.

-Ho hitanareo atsy @ Kalandrie (Kalandary) atsy ambadika ny Daty FPMA,  FPMAO , Sampana Nasionaly ary ny FAfAts mandritry ny Taona 2013. 

Rohy  sary1

mercredi 28 novembre 2012

Vaovao ankehitriny

-Sortie de la Réponse du Jeu n°3

-Efa nivoaka ny Edito3 ka azonareo klikena eo @ io rohy io.

-Famerenankiran'ny AMFO Alakamisy-Zoma sy Asabotsy.

-Rohy Sary2  Fiarahana t@ Pst Andrianasolo mivady.

-Amin'ny Asabotsy 15 Desambra ny Concert hataon'ny AMF O   Amboara Orléans etsy @ Chapelle St François etsy Saint Jean de Braye @ 17 ora na @ 5ora hariva..

-Fetimpiangonana   Tafo Fahazavana Yvelines Asabotsy 08 Desambra @ 18h Salle des Fêtes la TREMBLAYE  Rue du Parc 78390 Bois d'Arcy



-Ho hitanareo atsy @ Kalandrie (Kalandary) atsy ambadika ny Daty FPMAFPMAO , Sampana Nasionaly ary ny FAfAts mandritry ny Taona 2013 ka azo izahana hanaovana ny Datin'ireo Sampana eto @ FPMAOrléans izany.

- Rohy  sary1

lundi 19 novembre 2012

Vaovao Farany





-Tonga etsy ihany koa ny Jeu n°3

-Parution du Jeu Biblique n°3.

-Azontsika jerena eto ny Anjara Soa3 ho volavolain'ny fo.

-Faly mampandre anareo ny AMFO fa vita soamantsara ny CD sy DVD Choeuruni 2012 noho ny famindrampon'ny Tompo.


Toy izao ny tsara ho fantatra mikasika izany :

- le double CD : 15 euros l'unité : 1ère partie concert + 2ème partie + livret (paroles et traductions des chants)

- le double DVD : 25 euros : concert + coulisses et séjour-Fanolorana nataon'ny Mpiandraikitra ao @sampana isany: SA sy SVK O.

-Ho hitanareo atsy @ Kalandrie (Kalandary) atsy ambadika ny Daty FPMA sy Sampana Nasionaly ary ny FAfAts mandritry ny Taona 2013 ka azo zahana hanaovana ny Datin'ireo Sampana eto @ FPMAOrléans izany.

-Raha toy izao izany dia any Jambville indray amin'ity ny Zaikabemparitany FAfAts 13 sy 14 Avril ary 37,50€ sy 45€ ny sarandasy..

lundi 12 novembre 2012

Tato ho ato

-Fanolorana nataon'ny Mpiandraikitra ao  @ sampana isany: SA sy SVK O.

-Ho hitanareo atsy @ Kalandrie (Kalandary) atsy ambadika ny Daty FPMA sy Sampana Nasionaly ary ny FAfAts mandritry ny Taona 2013 ka azo zahana hanaovana ny Datin'ireo  Sampana eto @ FPMAOrléans izany.

-Raha toy izao izany dia any Jambville indray amin'ity ny Zaikabemparitany FAfAts 13  sy 14 Avril ary 37,50€ sy 45€ ny sarandasy..

-Efa voaely koa fa ny 15 Jona 2013 ny andro fanaterambokatra eto Orléans etsy @ Salle Cigogne Olivet

-Fivoahan'ny dikanteny frantsay ny Anjara Soa (Anjara Soa 2: Azo antoka i Kristy).
Ny AnjaraSoa3 hivoaka @  faha 20n'ny  volana.

-Efa nivoaka koa ny Solution du Jeu n°2

-Azonao jerena atsy @   Facebook FPMAOrléans    ireo sary t@ 28 Oktobra lasa teo.

-Fianarankiran'ny chorale: répétition chorale

mardi 6 novembre 2012

Birao Foibe 2013-2014

Parution de la traduction du dernier Anjara Soa (Anjara Soa 2: Azo antoka i Kristy)

Parution de la Solution du Jeu n°2

Azonao jerena atsy @ acebook FPMAOrléans ireo sary t@ 28 Oktobra lasa teo.

Fianarankiran'ny chorale: répétition chorale

Fifidianana tany @ Synoda 34 : AVIGNON  02-03-04 Nov 2012

-Ireto avy no lany ho Birao Foibe izay hitondra antsika mandritra ny
taona 2013 sy 2014:

      .Président Synodal:                  Pasitera Jean Ravalitera
      .Vice Président mpitandrina:  Pasitera Falimanana Raharindranto
      .Vice Président laika:               Roland Ratiarison
      .Tonia:                                        Rado Ramarotafika
      .Mpitahiry vola                          Ranaivoson Heriarijaona
      .Mpitantambola:                        Randriambololona Hery Laurent
      .Mpitandrina mpanolotsaina:  Pasitera Rasolondraibe Seth
      .Mpanamarimbola:
                                                        -Rabehasy Andry
                                                        -Rakotomalala Hertz

mercredi 31 octobre 2012

Vaovao Novambra

Azonao jerena atsy @   Facebook FPMAOrléans    ireo sary t@ 28 Oktobra lasa teo.

Fianarankiran'ny chorale: répétition chorale

Hafatra : Rojombavaka Synoda 34

"Ho fanomanana ny Synoda Lehibe faha-34 izay atao any Avignon amin'ny faha2,3,4/11/12 izao dia manolotra izao Rojom-bavaka izao izahay eto amin'ny FaritanyAtsimo Atsinana izay mikarakara ny fandraisana ny Synoda.

Ny vahoaka FPMA manontolo no antsoina handray anjara amin'izany andraikitramasina izany indrindra ireo izay tsy manatrika ny fivoriana any an-toerana koa aoka tsyhisalasala hanoratra anarana ao. Dimy minitra isan'olona hanokanana vavaka ho an'nySynoda lehibe faha-34 ary hanomboka ny alahady 28/10/12 ka hifarana amin'ny alahady 04/11/12 amin'ny 12ora alina.

Indro ny rohy ahafahana misoratra anarana mivantana amin'izany:
VAVAKA HO AN’NY SYNODA

Mirary ny fiadanan'ny Tompo,"

"Ny fiasan'ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra" (Jakoba 5:16e)

RABEZANAHARY Andry, Vaomieran'ny Vavaka sy Fotoam-pivavahana manomanany Synoda.
RAJAOFETRA Serge, Mpandrindra ny fanomanana ny Synoda
RAKOTOMALALA Bakoly, Filohan'ny Faritany ATS ATS
RANDRIANANDRASANA Jeannot, mpitandrina Aumônier du Synode

jeudi 11 octobre 2012

Cultes 4ème Trimestre


Tadidio
Fiangonana ERF St Pierre Empont @ 15 h1/2: *  Alahady voalohany sy Alahady fahatelo
Chapelle     St François St de Braye  @ 11h :   * Alahady fahefatra
  Any          Vierzon na Bourges kosa ny Alahady fahadimy rehefa misy ao @ ilay volana 

Fotoampivavahana (Okt- Nov- Des)
Alahady 07 Oktobra  Fananterana valopimbokatra (Dingana II) ao @ ERF.
Tarihan'ny Mpitandrina Zaranaina ANDRIALAMPISON.
Hisy fandraisana ny Fanasan'ny Tompo.

Alahady 14 Okobra : Hetsika RPO (Rassemblement des Protestants Orléanais)
@ 10h30 maraina ao @ Salle des fêtes Saint Jean de la Ruelle.
Anjaran'ny FPMA O no mampandray amin'io. Hisy olona 500 na 600 no ho ao.

Alahady 21 Okobra:  Fiangonana ao @ ERF @ 3 sy 1/2 o.h

Alahady 28 Okobra : Etsy Chapelle St François -St Jean de Braye @ 11o.m.

Alahady 04-11 Novambra tsy misy Fiangonana (Synoda lehibe)+ Alahady faharoa

Alahady 18 Novambra Fiangonana ao @ ERF @ 3 sy 1/2 o.h

Alahady 25 Novambra Etsy Chapelle St François -St Jean de Braye @ 11o.m

 Alahady faha 02 Desambra:
 Hetsika ho hifampitsofandrano @ Mpitandrina Ramarokoto ANDRIANASOLO.

Alahady 23 Desambra:
Alahadin'ny Sampana FPMA Orléans Miray

dimanche 2 septembre 2012

Tafo Orléans

FPMA Orleans:
Ry havana malala eo amin'ny Tompo
Faly miarahaba ny rehetra izay mitsidika an'ity eto @ tranonkala ity indray izahay eto amin'ny FPMA Orléans.
 Ny teny sy ny  hafatra avy @ Soratra Masina  no ezahana aroso sy asongadina eto amin'ity fampielezana ity dia manaraka ny fampahalalàna  ny vaovao sy ny hetsika eto amin'ny Tafo.
Izany rehetra izany dia fantatsika fa hahankina amin'ilay Avo hatrany ny fanantontosana azy.

Hitanao ato anatin'ity :
                           -"Fanoroana" ity fitsenana na fidirana ity.
                            -"Vaovao sy hetsika "Vaovao isankarazany miampy ny Fotoam-pivavahana mikasika ny Tafo Orléans ary ny hetsika  @ Faritany ato ho ato
                            -"Fanolorana" teny fohy atolotry ny Mpiandraikitra eto amin'ny Tafo
                         
                          -"Edito" Antso hivoaka isaky ny faha 5-n'ny volana @ teny Frantsay
                          -"Anjara soa" kosa dia toriteny hivoaka isaky ny faha 20-n'ny volana.                    
                          -"Fampianarana" Fampahalalàna ny antony isankarazany eto @ Fiangonana.
                       
                          -"Momban'ny FPMA sy ny Tafo"
              Tafo ORLEANS:-"Diakona"ary ny Vaomieran'ny Tafo, ato koa no misy anaran'ny Biraon'ny                                                                     faritanintsika (FAfAts: Région Centre Est)
                                         -"Toerana sy Fotoana" manome ny faritra handehanana any @ toerana hiarahana.
                                         -"Tantaran'ny Tafo"  Orléans 1980-2010
                                         -"Sampana": milaza ny hetsika na ny fivoriana isankarazany ataon'ny sampana                                                                   tsirairay eto @ Tafo..                    
                 FPMA              -"Tafo FPMA" manome ny adiresin'ny Tafo FPMA 39.  Ny an'i FAfAts dia                                                                         misy ny rohy hahazoana ny site-n'ny Tafo voalaza
                                         -"Perikopa": hahitanao ny Perikopan'ny andro(misy rohy) sy ny mandavantaona
                               
                          -"Serasera" azo andefasana mail na hafa ho an'ny Tafo,na izay tianao ho fantatra                                            momban'ny Fiangonana eto antoerana sy ny Sampana Nasionaly na Faritany raha misy.
                          -"Chapelle"
                                          - "Asa":Hahitana ny fizotry ny asa ao @ Trano Fiangonantsika na ny efa vita na                                                         ny mbola miandry.
                                          -"Entimanana": Rafitra nisy ny fitantantanana sy fandraisan'anjara ny Mpiangona.
Etsy amin'ankavanana kosa no hahitanao :
                            -"Calendriers"*: Hahitana ny Daty hiangonana na ny eto amin'ny Tafo na fivoriana                                                   eto @ FAfAts. misy ny rohy ICI hazoana ireo hetsika samihafa ihany koa.
                            -"Rappels importants": mamerina ny andro fiangonana eto @ Tafo
                                     
                            -"Bible en 3 langues".
                            -"Ecouter Radio Vatsy" an'ny FPMA
                            -"Péricope du Jour"  hahafahanao mamaky ny SM atsy @ site-n'ny FPF
                         
                             -"La Bible en 1an" izay miantso anao hamaky Boky sy Toko 3 na 4isan'andro ka mitaona                                anao ny hahavita azy herintaona.
                              -"Verset Biblique du Jour"
                              -"Jeux Bibliques" izay ankamantatra miantso anao ihany koa hamaky Baiboly ka                                            hahazoanao valiny afaka 10 andro.Nifarana t@ volana Jona ny fivoahany.

                                           --------------------°°°------------------

Tadidio
Fiangonana-Chapelle St Marc 131 rue du Petit Pont-  Alahady voalohany sy Alahady fahatelo ary fahefatra. 
Fanitsiana: Nanomboka ny taona 2019 dia misy Fiangonana isaky ny Alahady ary tsy misy intsony ny Vierzon na Boyrges

Any              Vierzon na Bourges kosa ny Alahady fahadimy rehefa misy ao @ ilay volana diavina.
(jereo ny fanitsiana etsy ambony)

*:Azonao jerena etsy amin'ny Kalandrie(na Kalandary)** ihany koa ny Fiangonana  raha misy fiovana.
Ny Fivoriana hafa  kosa  (an'ny Sampana sy Hetsika hafa) tsindrio ilay ICI  na aty rohy eo ambanin'ny Kalandrie**
**: Filazana azo antoka (Garanti) herinandro mialohan'ny fotoana(raha nasionaly sy Tafo) arakaraky ny  fahamehana hafa.

Tsindrio na klikeo ny Daty tianao eo amin'ny Kalendrie fa hitanao ao ny ora  sy ny toerana hanaovana azy.




Hetsika na rohy any @ Birao Foibe FPMA
Hetsika FAfAts
Hetsika FM FAHAZAVANA

Tsetsatsetsa: Ny toetrandro any DAGO


Ny Daty fiangonantsika  amin'ity Taona 2012 ity, dia azonareo jerena miandalana etsy amin'ny Agenda na ny Planning Fiangonana etsy amin'ny ankavanana.


Itony ny santionan'ny sary azontsika apetraka raha eken'ny tsirairay. ary misy betsaka ao @ Facebook FPMA Orléans.
Photo